Taratasim-baovao RV: Akaiky hifarana ny Fangatahana hahazo famatsiam-bolan'ny Mediam-piarahamonina Indizeny
Fanamarihan'ny Rising Voices: Atolotry ny taratasim-baovaonay mivoaka isam-bolana ny famintinana ireo ranty am-bilaogy miresaka ireo endrika fanasosohana ankihy rehetra ka ao anatin'izany ny fidirana sy ny fandraisana ireo fitaovana ankihy, sy ireo karazana fomba sy hirika ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mandray anjara feno an-jotra. Vakio ato ireo famoahana efa nivoaka amin'ity taratasim-baovao ity.
Manao ahoana ianareo amin'izao fiandohan'ny taona izao, ry mpamaky malala?
Ho an'ireo izay miasa amin'ny onjam-peon'ny vondrom-piarahamonina teratany sy ireo sehatra fampitam-baovao hafa, mandrisika anareo mihitsy izahay hijery ny Tahirim-bolan'ny median'ny vondronolona indizeny — raha tsy tsara vintana ianao. Ity famatsiam-bola fanararaotra ity dia fisantaran'andraikitra avy amin'ny Cultural Survival, mikendry ny hanohana ireo ezaka eo an-toerana ho amin'ny firoboroboana sy ny fahatezan'ny media fehezin'ny vondron'olona indizeny. Azo jerena ato ny antsipiriany fanampiny, miaraka amin'ny fepetra takiana, ary misy amin'ny teny espaniola, frantsay ary paortiogey koa.
Fara-fisoratana: 15 febroary 2023
BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BLAOGY RISING VOICES
Afa-nijery ny ampahany tamin'ny Black Panther, navoaka tamin'ny herintaona, ve ianao? Amin'ity laharana ity, tianay ny hizara aminareo ny eritreritry ny mpiteny Maya rehefa nijery ny fomba nanehoana ny vahoakany tamin'ity famokarana nalaza ity. → “Vazimba ary mirehareha: fanehoan-kevitry ny mpiteny Maya iray mikasika ny ‘Black Panther: Wakanda Mandrakizay’ [mg]”
Mandritra izany fotoana izany, amin'ireo andian-dahatsoratra tamin'ny Digital Security + Language volana Janoary, dia asaina anao hianatra bebe kokoa momba ireo fanamby sy filana atrehin'ireo vondrom-piarahamonina fiteny vitsy an'isa avy amin'ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao, raha fiarovana ankihy sy filaminana no resahana.
FAMATSIAM-BOLA
Tanora nefa vonona ny hanao soa ho an'ny vondrom-piarahamoninao teratany Kanadiana? Mahare anao ny We Matter ary te hanampy anao hanatontosa ny hetahetanao miaraka amin'ny Tahirim-bolam-panohanan'ny #IndigenousYouthRise. Azonao jerena ato ny antsipiriany fanampiny sy ny torolàlam-pangataham-pisoratana anarana. Fara-fisoratana : 3 Marsa 2023
Ho an'ireo manoka-tena ho amin'ny sehatr'asa firaketana/famelomana indray sy/na haiteny: Te-hanohana anao ny Tahirim-bolan'ny teny tandindomin-doza [Endangered Language Fund] amin'ny fitazonana ny fiteny tsy hanjavona. Afa-mahita ny torohay ilaina amin'izany ato ianao – miaraka amin'ny hirika famatsiam-bola maro fanampiny hafa – ka mandefa ato ny fangatahana. Fara-fisoratana: 17 marsa 2023
Raha miara-miasa amin'ny fikambanana tsy mitady tombombarotra sy ONG-FTMF mikaro-bahaolana ara-tsosialy amin'ny alàlan'ny vahaolana ara-teknolojia ianao dia miaraka aminao ny Cisco. Tiany ny haneho ny fanohanany amin'ny ezaka ataonao amin'ny alàlan'ny Global Impact Cash Grants. Misokatra isan-taona ny fangatahana ary azonao jerena ato ny paika hanombohana ny dingana.
HIRIKA | VATSIM-PIANARANA & FANOHANANA ARA-BOLA
Liana amin'ny vatsim-pianarana momba ny sivana sy fanaraha-masom-pamoretan'aterineto kosa ve? Tokony hojerenao angamba ity hiriky ny Information Controls Fellowship ity, araka ny atolotry ny Tahirimbolan'ny Teknolojia Misokatra [Open Technology Fund ]. Fara-fisoratana anarana: 20 febroary 2023 amin'ny 11:59 alina (GMT)
ANTSO HO FANDRAISANA ANJARA
Ny AFD Digital Challenge, kosa etsy ankilany, mifantoka amin'ny tetikasa ankihy mampiroborobo ny fidirana amin'ny kolontsaina sy ny famoronana votoaty ireo vakoka afrikana. Azo jerena ato amin'ny tranokalany ny antsipiriany. Fara-fisoratana: 24 febroary 2023
LANONANA & KAOFERANSA HO AVY
Ho an'ireo mpandeha lanonana, ato ny Fetiben'ny Sarimihetsika amin'ny fitenin-dreny! Karakarain'ny Smithsonian ity hetsika maimaim-poana ity ary hatao any Washington, DC amin'ity taona ity. Tokony hankafy izany ianao raha tianao ny sarimihetsika, ny fahamaroan'ny kolontsaina/fiteny, sy ny sisa. Daty: 23–26 Febroary 2023 Fanamarihana: Tena ilaina ny fisoratana anarana mialoha
Ary efa ho tonga ihany koa tonga ny fotoana hanaovana ny MozFest 2023 koa! Miraharaha aterineto salama ho an'ny zanak'olombelona ve ianao? Ho hitanao ao ny vondrom-piarahamonina virtoaly misy anao. Ahitana tapakila amin'ny sarany isan-karazany, anisan'izany ny fampitàna MozFest Virtual ao amin'ny fanomezan-naoty pass amin'ny Pay What You Can [Aloavy izay azonao atao]. Daty: 20–24 marsa 2023!
MARO HOVAKIANA, HOJERENA ary HOHENOINA
- Braille literacy device giving students the power to self-educate anywhere ao amin'ny MIT Solve
- Langues : une appli pour les langues du continent [fr] araka ny izaran'i @JTAtv5monde ao amin'ny Twitter
- Walk the talk video case stories avy amin'ny Community Network Xchange (CNX) 2022
Mamandriha ny taratasim-baovao Rising Voices
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra