‘Mangataka famelan-keloka izay fantatray fa tsy ho azonay mihitsy izahay’: Manatitra voninkazo eny amin'ny tsangambaton'ny Okrainiana ny olona ao Rosia

Pikantsary avy amin'ny lahatsary DOXA tao amin'ny Telegram. Toerana akaikin'ny tsangambaton'i Lesya Ukrainka ao Moskoa.

“Mangataka famelan-keloka izahay izay fantatray fa tsy ho azonay mihitsy, ary mivoady izahay fa tsy hanadino na oviana na oviana ny fijaliana nentin'ny firenenay tany Okraina.” Nolazain’ny media an-tserasera DOXA ity fehezanteny ity ao anatin'ny tontolon'ny fahatsiarovana tsy noeritreretina noforonina tao Saint-Pétersbourg akaikin'ny sarivongan'i Taras Shevchenko, poeta Okrainiana malaza tamin'ny taonjato fahasivy ambin'ny folo. Notanterahana tao Moskoa ny fahatsiarovana teo amin'ny sarivongan'ilay poeta Okrainiana malaza iray hafa tamin'ny taonjato fahasivy ambin'ny folo sy faharoapolo, Lesya Ukrainka.

Araka ny tatitry ny fantsona Telegram isan-karazany ao an-toerana, nanateran’ ireo olona, avy any amin'ny tanàndehibe Rosiana miisa 17 farafahakeliny, voninkazo sy sarin'ilay trano rava teo amin'ireo tsangambato tsy nampoizina tao Dnipro, Okraina, toerana nodarohan’ny Rosiana baomba tamin'ny 14 Janoary 2023. Araka ny tatitry ny BBC, nahafatesana olona miisa 40 farafahakeliny, anisan'izany ny ankizy, ary nandratrana olona miisa 75 ny fidarohana baomba, nandrava bolongan-tranobe iray manontolo.

Nanangona ny sasany tamin'ireo lahatsoratra telegrama niaraka tamin'ny sarin'ireo fahatsiarovana ireo ny Global Voices.

Ambony: Tany Moskoa, nandefa azy ireo ity sary ity teo akaikin'ny tsangambato ho an'i Lesya Ukrainka ny mpamaky ny Hetsika Feminista Manohitra ny Ady.

Ambony: Ao Kasan, hoy ny afisy hoe Dnipro 14.02.2023. Misaona i Kazan.

Ambony: Ao Novosibirsk, miseho hatrany ny voninkazo ao amin'ny tsangambato Taras Shevchenko.

Ambony: Tao Pskov, nitondra sary, voninkazo ary labozia ny olona sasany ho an'ny tsangambato “reny sy zaza”.

Ambony: Tao Samara, nitondra kilalao sy voninkazo teo amin'ny tsangambato ho an'ireo niaritra famoretana nandritra ny fitondran'i Stalin ny olona.

Ambony: Tao Tomsk, nitondra voninkazo mavo sy manga mitovy loko amin'ny sainam-pirenena Okrainiana ny olona tao amin'ny tsangambaton'ny olona maty nandritra ny famoretana nataon'i Stalin.

Ambony: Tany Moskoa, tovovavy 15 taona no notanana am-ponja noho ny fitondrana voninkazo ho fahatsiarovana an'i Lesya Ukrainka malaza.

Ambony: Tany Chelyabinsk, napetraka teo amin'ny tsangambaton'ny reny sy ny zanaka ny voninkazo.

Ambony: Ao Saint-Pétersbourg, araka ny nosoratan'ny media Bumaga,  nalana ny voninkazo rehetra fa nitondra izany hatrany ny olona.

Nitatitra ny mediam-paritra 7х7 fa napetraka teo amin'ny tsangambato tao Syktyvkar, Tomsk ary Chelyabinsk ny voninkazo. Tao Kazan, nanantona ny sarin'ireo maty ihany koa ireo mpikatroka. Tany Belgorod sy Saint-Pétersbourg, efa noravana teo aloha ny tsangambato, fa nitondra voninkazo indray ny mponina.

Fahatsiarovana tampoka niseho manerana an'i Rosia: ao Moskoa, Tver, Krasnodar, Novosibirsk, Omsk, Voronezh, Ivanovo, Syktyvkar, Yekaterinburg, Samara, Ulyanovsk, Kostroma, Vladivostok ary Saint-Pétersbourg. Araka ny nosoratan’ny DOXA, olona efatra no notanana ary nanomboka niantsona teo akaikin'ny tsangambato Lesya Ukrainka ao Moskoa ny fiaran'ny polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.