Fantaro i Guillaume Cottin

Saripikan'i Guillaume Cottin. Fampiasàna nahazoana alàlana

GV : Afaka ambaranao aminay ve ny momba anao ? Iza marina moa i Guillaume Cottin ?

Izaho no Guillaume,  24 taona ary somary malala-tsaina ihany (raha ny fihevitro XD). Miasa ao anatin'ny sehatry ny fanabeazam-bahoaka aho ary tia mampita ireo soatoavina maha-olona hankany amin'ireo tanora (tanora kokoa noho izaho, mazava ho azy *hehy*). Amin'izao fotoana izao aho dia talen'ny ivonterana iray fialamboly ary manana ny diploama Master 2 amin'ny fifandraisana amin'ny daholobe sy ny media. Ovaovaiko matetika ny lohahevitro mba hanomezana vàhana ny demaokrasia ara-kolontsana sy ny fahafahana miditra amin'ireo hetsika tsy mbola fahitan'ny rehetra. Mahafinaritra be ahy ireo lohahevitra iraisampirenena satria vitako ny mitondra ny mpihaino ahy hitsangantsangana kanefa tsy mila akory mamoaka vola na kely aza mba hivezivezena ao anatin'ilay rafitra najoroko. Matotra kokoa, ny fidirana amin'ireo hetsika sasantsasany, ny kolontsaina sasany na ny fahalalàna ho an'ny rehetra dia endrika iray tena manan-danja be amin'ny fomba firosoko amin'ny sehatra matianina sy ho an'ny tenako manokana.

Tena mahafinaritra ahy tokoa ny momba ny fiteny ary dia mandika lahatsoratra aho mba hikolokoloako ny lentam-pahaizako, no sady koa ho fandraisako anjara amin'ny fampitàna fahalalàna. Amin'izany, mandika aho mba hanomezana vàhana ny fahafahana mahazo ireo vaovao manerana izao tontolo izao. Tena hitako ho mahazendana ny fahafahan'ny fahalalàna sasantsasany hiparitaka vantany vao voadingana ny fetran'ny « sakana noho ny fiteny ». Ny fisokafana amina kolontsaina vaovao, ny fanangonana fahalalàna, ary avy eo ny fanànana vintana mba hampitaha ny tena amin'ireo olona hafa eto ambonin'ny tany dia harena izay indrisy fa tadiavinsika ho tsinontsinoavina, kanefa ahafahantsika mahatsapa hoe velona isika, isanandro vaky izao (mazava loatra fa fomba fijeriko manokana izay)).

GV : Oviana ianao no niditra ho GV ary inona no nandrisika anao?

Ny hivoarako amin'ny lafiny fandikàna sy hanohy hanangona fahalalàna ary hahita zavatra vaovao no nanosika ahy. Toy ny fanamby ny asa fandikàna, satria manana izay fahasarotany sy izay mambabo entiny manokana ny lahatsoratra vaovao tsirairay avy. Samihafa ny lohahevitra tsirairay, ahafahantsika misafidy lahasoratra ao anatin'ireo marobe atolotry ny GV, ary tsy tokony hitsahatra ireo fandraisana anjara (fanoratana na fandikàna). Araka izany dia hitako ao amin'ny GV ny fahafahana manararaotra mandray anjara amin'ny fitazonana ny asa fandikàna, sy vintana iray koa ho ahy mba hampahafantarana ny tenako eny anivon'ireo mpandika hafa, no sady manohy ihany koa ny mianatra sy mikolokolo ireo fisaintsainako momba ny atao hoe fiarahamonina sy izay mitranga any ivelany.

GV : Ambarao anay izay traikefa niarahanao tamin'ny GV amin'ny maha-mpiaramiasa anao, inona no tena tsaroanao manokana?

Ny rivopiainana ao anivon'ny GV no tena manamarika ahy manokana, sy ny finiavan'ieo mpiaramiasa sasany hitazona marina ny ilo tsy ho very (ny afo tsy ho faty). Raha ny marina dia niaraka nanomboka tamin'i Laila aho tany am-piandohana. Izy no nanara-maso sy nitantana ahy, tena lehibe tokoa ny fahitako ny fandavantenany. Ny fanarahamaso nataon'ireo mpamerina mamaky (na ny taloha na ny amin'izao fotoana izao) dia tena manome toky ary manaporofo aminay fa tena misy fihetsehana tokoa ao. Naneho firaisana mafy tokoa ny vondrom-piarahamonina GV, indrindra fa nandritra ireo fifanakalozana nanditra ny valanaretina izay namokarantsika ny Taratasim-Baovao (Newsletter). Ny mpisehatra tsirairay eto dia samy manana ny maha-izy azy ary niaina zavatra tsy mitovy, samy manana ny fiainany daholo ankoatra ny asa fandikàna an-tsitrapo, ary izay no harena  ho an'ilay vondrona, fahasamihafàna mitondra antsika mankany amin'ny firindràna mahafinaritra, satria isika rehetra dia samy mpisehatra daholo amin'ny fizaràna (kolontsaina, sns..) amin'ny alàlan'ny fiteny.

GV : Amin'ny maha-mpandika asongadina amin'ity volana ity anao, raha asaina mandrisika ireo mpiaramiasa hafa ao amin'y GV, inona no ho ambaranao azy ireo?

Tohizo ny asa fandikàna, na dia tsy dia mavitrika loatra toy ny tany aloha aza ianareo noho ny zavamisy eo amin'ny fiainana. Ny fahafahanao miteny fiteny maro, na mianatra marobe amin'izany dia vintana iray  (izay vokatry ny asa iray ho an'ny sasany toa ahy) tokony ho araraotina. Tezao ny maha-mpahay fiteny maro anao, ho tombony foana izany ho anao, ho an'ireo mpamaky, na ho an'ireo mpanoratra lahatsoratra ! Tsy olana izay antony nanosika anao, fa farafaharatsiny mba misy iray amin'ireo mpisehatra ireo hahita ny fahasambarany ao anatin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.