- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Jean de Dieu Sovon

Sokajy: fandikàna-gazety, Fiteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Taratasim-baovao, Momban ny mpandika teny

Saripikan'i Jean de Dieu Sovon. Fampiasàna nahazoana alàlana.

GV : Afaka ambaranao aminay ve ny momba anao ? Iza marina moa i Jean de Dieu Sovon ?

Jean de Dieu Sovon (JDS) : Ao anatin'ny sora-pahaterahana dia Kosssi Agbéko Sovon no anarako. Mpanao gazety aho ary  Jean de Dieu Sovon no anarana entiko ao anatin'izay asa izay. Zaza faharoa ao anatin'ireo 4 mirahalahy mpiray tampo aho. Manana diplaoma Lisansa amin'ny Sôsiôlôjia nomen'ny Oniversiten'i Lomé ao Togo, ary manana ihany koa ny diplaoma momba ny asa fanaovana gazety sy ny fifandraisana. Zava-mahaliana ahy fatratra ireo lohahevitra resahana isanandro ka miresaka zon'olombelona, demaokrasia sy fahaizana mitantana ary ny fifandraisana iraisampirenena. Mifanindran-dàlana amin'ny asa maha-mpanao gazety ahy, mitondra ahy hiaraka hiasa amin'ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonina sivily tôgôley ny zavatra iray faharoa mambabo ahy, dia ny fiarovana ny zo'olombelona, mba hanaovana hetsika fampiroboroboana ny zon'olombelona ao Tôgô .

GV : Oviana ianao no niditra ho GV ary inona no nandrisika anao?

JDS : Ny Janoary 2023 aho no niditra ho isan'ny Global Voices, taorian'ny antso iray ho firotsahana ho mpanoratra lahatsoratra hiandraikitra ny fandrakofana ny faritra Afrika mampiasa sy miteny Frantsay.  Ho ahy dia sady soa fanararaotra izy io no fanamby iray ihany koa hiasàna anaty tontolo iray mihanaka eran'izao tontolo izao, ary hahafantarana ireo mpiaramiasa samy manana ny maha-izy azy avy sy avy amina kolontsaina samihafa. Satria misy solontena GV daholo manerana izao tontolo izao. Ny hery manosika, aleo ataoko hoe ny faniriako hilahatra amin'ireo zavamisy hafa eo amin'ny  sehatra maha-matianina, satria miaraka amin'ny GV dia ety anaty tambajotra daholo no miseho ny zavatra rehetra. Ny fahitàna ny lahatsoratrao vakiana amin'ireo fiteny samihafa manerana ny tany koa, ary ny fahafahana manoratra momba ieo firenena mampiasa sy miteny frantsy ao Afrika. Marobe ny fandrisika e!

GV : Ambarao anay izay traikefa niarahanao tamin'ny GV amin'ny maha-mpiaramiasa anao, inona no tena tsaroanao manokana?

JDS : Ny maha-eo mandrakariva ireo mpiaramiasa mba hitantana ahy sy hanoro ahy izay tokony ho fantatro mba hitondrana izay fandraisako anjara tsaratsara kokoa avy amiko, izany no tena manamarika be ahy. Fotoana izao hanolorako fisaorana avy amin'ny fo ho an'i Filip Noubel, lehibe mpitantana anay, noho ny faharetany sy ny fanànany sofina mihaino ahy. Mamolavola ahy izy ary manofana hanana fisainana GV.

GV : Amin'ny maha-mpandika asongadina amin'ity volana ity anao, raha asaina mandrisika ireo mpiaramiasa hafa ao amin'y GV, inona no ho ambaranao azy ireo?

JDS : Ny tiako hambara fotsiny ho an'ireo rehetra mpiaramiasa amin'ny GV dia ny hinoany ny zavatra ataony ho an'ny fiarahamonina. Tsy sainin'izy ireo akory ny momba izany, kanefa dia misy fiantraikany any ananona any ry zareo ireny. Izaho dia isan'ireo mino fa tsy misy dikany ny fiainantsika raha tsy vitantsika ny mitondra dona sy miteraka fiovàna eny amin'ny hafa. Na amin'ny fomba ahoana, na amin'ny fomba ahoana, ny mpiaramiasa tsirairay ato amin'ny GV dia mitondra zavatra kely ho an'olona iray hafa any amparan'ny tany any.