- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

MLI – Loharanom-pampianarana ny fahaizana mamaky media sy vaovao amin'ny fiteny indizeny ho an'ny faritra Gran Chaco ao Bôlivia

Sokajy: Fanabeazana, gazety, Media sy Fanoratan-gazety, Media-sôsialy, Mediam-bahoaka, Teratany, Vaovao, Rising Voices

Fanaingoana nataon'i Marcelo Lazarte ho an'ny Rising Voices.

Ny fanaovana ny MLI - media and information literacy [1] (fahaizana mamaky media sy vaovao) ho azon'ireo vondrona isankarazany raisina dia mety hidika fanazàrana azy ireny ho zatra an'ireo endrika media maro rantsana na fandraisana ho anaty kajikajy ireo fitiavana manokana momba ny fiteny ho an'ny fanapariahana ny vaovao – na izy roa. Nosafidian'ny Rising Voices ny haka azy roa mitambatra mba hanatonana ireo vahoaka indizeny izay mazàna no atao anjorom-bala eo amin'ny sehatry ny fahaizana mamaky media sy vaovao.

Isapi Rúa, mpandray anjara ato amin'ny Rising Voices, guaraní  mpampita vaovao mipetraka ao Camiri, Santa Cruz, Bôlivia, no naka andraikitra hampivoatra sy hamokatra rakipeo fohy natao hozaraina amin'ny alàlan'ireo fampiasa fampitàna hafatra, na zaraina amin'ireo onjampeon'ny vondrom-piarahamonina,  amin'ny endrika filazana ho an'ny daholobe.

Niainga avy amin'ny tamberina azo nandritra ireo atrikasa [2] tamin'ny 2022 niarahana tamin'ireo indizeny mpampita vaovao, mba hamoronana rakipeo telo dia noraisin'i Isapi ireo fotokevitra sy fifanakalozana momba ireo fitantaràna mahakasika ny fiovaovàn'ny toetrandro any amin'ny faritra Gran Chaco [3] ao Bôlivia sy ny toetoetry ny tontolon'ny media ao an-toerana, ivelany sy ety anaty tambajotra. Azo henoina amin'ny fiteny espaniôla izy ireny, ary koa amin'ireo fiteny indizeny Guaraní [4] sy Weenhayek [5], izay samy hita ao amin'ilay faritra.

Ireo rakipeo ireo dia novokarina ho ampahany amin'ny tetikasa Voices for Just Climate Action [6] (Feo hisian'ny Hetsika ara-dRariny ho an'ny Toetrandro) miaraka amin'ny fanohanan'ny Orina Avina [7].

Rakipeo #1 Inona no atao hoe fitantaràna? Ary nahoana izy ireny no zavadehibe ho an'ny faritra Gran Chaco?

risingvoices [8] · [Español] #1 – ¿Qué son las narrativas y por qué son importantes para el Chaco? [9]

risingvoices [8] · [Guaraní] #1 – ¿Qué son las narrativas y por qué son importantes para el Chaco? [10]

risingvoices [8] · [Weenhayek] #1 – ¿Qué son las narrativas y por qué son importantes para el Chaco? [11]

Rakipeo #2 Ny maha-zavadehibe ireo fomba fanehoana isankarazany eny anaty media

risingvoices [8] · [Español] #2 – La importancia de una representación diversa en los medios de comunicación [12]

risingvoices [8] · [Guaraní] #2 La importancia de una representación diversa en los medios de comunicación [13]

Rakipeo #3 Ireo fanontaniana apetraka mba hisian'ny fitsikerana misimisy kokoa ny media manoloana ny fiovaovàn'ny toetrandro

risingvoices [8] · [Español] #3 – Preguntas para ser más crítico con los medios de comunicación [14]

risingvoices [8] · [Guaraní] #3 – Preguntas para ser más crítico con los medios de comunicación [15]

risingvoices [8] · [Weenhayek] #3 – Preguntas para ser más crítico con los medios de comunicación [16]

Ireo rakipeo ireo dia azo raisina ary nampiasàna ny lisansa Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0) Creative Commons, [17] ary natao ho aparitaka araka izay tratra.