Noraràn'i Kambodza ny rakikira ahitana ny fanafihan'ny polisy ireo mpiasa tamin'ny taona 2014

Police prevented protesters from coming near a court during the June 2014 trial of workers

Misoroka ny polisy tsy hanakaikezan'ny mpanao fihetsiketsehana ny fitsarana ireo mpiasa voampanga ho nitarika herisetra tamin'ny volana Jona 2014. Naparitaky ny polisy tamin'ny fomba feno herisetra tamin'ny volana Janoary 2014 ny fihetsiketsehan'ny mpiasa. Tahirin-tsary avy amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona LICADHO.

Nesorina tao amin'ny media sosialy ny rakikira fanaparitahana mahery setra ny fitokonan’ ireo mpiasan'ny fanaovan-damba tamin'ny taona 2014 taorian'ny fandrahonan'ny manampahefana Kambodziana hametraka fitoriana ireo mpamokatra azy.

Tamin'ny 3 Janoary 2014, nanafika ny fitokonan'ny mpiasa [mg] mitaky fampiakarana karama farany ambany ny polisy. Ny hariva, mpiasa efatra no maty ary am-polony no naratra, ary iray tsy hita popoka hatramin'izao.

Nanamarika ny fahasivy taonan'ny fanaparitahana ny vondrona mpiaro ny Zon'olombelona Ligy Kambojiana mampiroborobo sy miaro ny Zon'Olombelona na LICADHO tamin'ny alalan'ny famoahana rakikira mampiseho ny lahatsarin'ny fanaparitahana mihoso-drà tamin'ny fitokonana. Kea Sokun, mpiangaly rap izay nogadraina [mg] tamin'ny taona 2020 noho izay voalaza fa fandrisihana [hanakorontana], no nanoratra ny hira mitondra ny lohateny hoe “Ràn'ny Mpiasa”. Naneho taratra ny hafatry ny vondrona mpiasa sy ny mpiaro ny zon’olombelona izay nanao fanentanana hisian’ny rariny [mg] nandritra ny sivy taona izany. Voatonona ao amin'ny tononkira:

For the past nine years, they have been left with pain and sorrow and sadness by gestures full of blood.

There is no information and they do not know where they have drifted away. There is no one who knows, and they have been waiting for justice for the past nine years, waiting so long but there is no one held responsible.

Nandritra ny sivy taona izay, navela tao anatin'ny fanaintainana sy ny fahoriana ary ny alahelo izy ireo tamin'ny fihetsika mihosodrà.

Tsy misy ny torohay ary tsy fantatr’izy ireo hoe taiza izy ireo no nalefa. Tsy misy olona mahalala, ary efa sivy taona izay no niandrasan’izy ireo ny rariny, niandry ela kanefa tsy nisy voatondro ho tompon’andraikitra.

Saingy nametraka fitarainana tamin'ny polisy momba ireo mpamokatra horonantsary mozika ny Minisitry ny Kolontsaina Phoeurng Sackona noho ny “votoaty mihantsy sy mandrisika mety hiteraka tsy fandriampahalemana sy fikorontanana ara-tsosialy”  Nilaza ny fanagadrana ilay mpiangaly rap teo aloha mihitsy aza ilay taratasy.

Nampanantsoin'ny polisy ny LICADHO sy vondrona telo hafa izay nizara ilay rakikira tao amin'ny Facebook. Mba hialana amin'ny fanenjehana, dia nanaraka ny toromarika hanaisotra ilay rakikira tao amin'ny media sosialy ireo vondrona. Saingy nanamafy ny LICADHO fa tsy mandika lalàna ny votoatin'ilay rakikira:

It is LICADHO’s belief that the music video is not incitement, and is protected speech under the Cambodian Constitution. We are saddened by this restriction on freedom of expression. This is the first time in LICADHO’s 30-year history that the government has taken legal action as a result of a complaint about a post on the organisation’s Facebook and website.

Finoan'i LICADHO ny hoe tsy mandrangitra ilay rakikira, ary lahateny arovana araka ny Lalàmpanorenana Kambodziana. Malahelo izahay amin'izao famerana ny fahalalahana maneho hevitra izao. Sambany teo amin'ny tantaran'ny LICADHO nandritra ny 30 taona no nandray fepetra ara-pitsarana ny governemanta vokatry ny fitarainana momba ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook sy ny tranonkalan'ny fikambanana.

Nampiany fa hitohy ny fanentanana hisian'ny rariny:

LICADHO continues to call for an investigation into the violence, deaths and disappearance that occurred on 3 January 2014, and will continue to commemorate Veng Sreng violence each year to prevent further violence from occurring in the future.

LICADHO continues to call on the government to respect freedom of expression for all Cambodians, including activists, artists, and civil society members.

Mbola manohy mitaky fanadihadiana momba ny herisetra, ny fahafatesana ary ny fanjavonana nitranga tamin'ny 3 Janoary 2014 ny LICADHO, ary hanohy ny fahatsiarovana isan-taona ny herisetra Veng Sreng  mba hisorohana ny herisetra hafa hitranga rahatrizay.

Manohy miantso ny governemanta ny LICADHO mba hanaja ny fahalalahana maneho hevitra ho an'ny Kambodziana rehetra, anisan'izany ny mpikatroka, ny mpanakanto ary ny mpikambana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena.

Naneho fahadisoam-panantenana noho ny fihetsiky ny manampahefana ilay mpanakanto nanoratra ilay hira:

I feel so much regret.

The song did not do anything wrong. … I feel regretful. It should be that the listener can judge whether the song is right or wrong.

Tena malahelo mafy aho.

Tsy nanao ratsy mihitsy ilay hira. … Mahatsiaro malahelo aho. Tokony ny mpihaino no afaka hitsara raha mety na diso ilay hira.

Chin Malin, mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Fitsarana, nilaza tamin'ny fampitam-baovao fa tsy ara-dalàna ny fitokonana tamin'ny taona 2014:

They were not legitimate protests that demanded workers’ rights, as some claimed, but an obvious attempt to inspire widespread disorder and incite people to overthrow the government. The authorities had no choice but to crack down on the violent protesters in order to protect the legitimate government.

Tsy hetsi-panoherana ara-dalàna nitaky ny zon'ny mpiasa, araka ny filazan'ny sasany, fa fikasana miharihary handrisika korontana mielipatrana sy hitarika ny olona hanongana ny governemanta no nisy. Tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny famoretana ireo mpanao fihetsiketsehana maherisetra mba hiarovana ny governemanta ara-dalàna ny manampahefana.

Niaro ny fanapahan-kevitra handràra ny rakikira ihany koa izy:

Therefore, it is clear that the authorities did the right thing in this case by educating these organisations. If they had not heeded the police’s warnings, the courts would have had no choice but to prosecute them in order to protect the government.

Mazava araka izany fa nety ny nataon’ny manampahefana tamin’ity raharaha ity tamin’ny alalan'ny fanabeazana ireo fikambanana ireo. Raha tsy nihaino ny fampitandreman’ny polisy izy ireo dia tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny nanenjika azy ireo ny fitsarana mba hiarovana ny governemanta.

Saingy nanizingizina ny Foibe ho an'ny Firaisan'ny Mpiasa sy ny Zon'Olombelona (Centre for Alliance of Labor and Human Rights), na CENTRAL, iray amin'ireo vondrona nampanantsoin'ny polisy fa misy sary sy horonan-tsary vaovao efa nojeren'ny besinimaro tao anatin'ny sivy taona ilay lahatsary.

The footage has been widely viewed in the nine years since the protests occurred, and has not sparked any violence. Indeed, the song uses the phrase ‘Use intelligence to solve problems’, which speaks to the non-violent solutions that we believe in.

Imbetsaka nisy nijery tao anatin'ny sivy taona nisian'ny hetsi-panoherana ny lahatsary, ary tsy niteraka herisetra. Eny tokoa, mampiasa ny andian-teny hoe ‘Ampiasao ny faharanitan-tsaina hamahana olana’ ny hira, izay miresaka momba ny vahaolana tsy misy herisetra izay inoanay.

Ny fandraràna ny rakikira dia midika fitohizan'ny fihenan'ny fahalalahana maneho hevitra eo ambany fitondran'ny Praiminisitra Hun Sen, izay nandrahona vao haingana hametraka fitoriana ireo mpitsikera azy. Namoaka fanambarana iraisana maneho ny ahiahiny momba ny fanampenam-bava ny mpanohitra ao amin'ny firenena ireo vondrona fiarahamonim-pirenena CIVICUS: World Alliance for Citizen Participation, Asian Forum for Human Rights and Development, ary Asia Democracy Network :

By blocking the video, the Cambodian authorities have once again chosen to silence freedom of expression and censor the work of civil society in their efforts to highlight human rights violations and seek accountability.

Tamin'ny fanakanana ilay lahatsary, nisafidy indray ny manampahefana Kambodziana hampangina ny fahalalahana maneho hevitra sy hanivana ny asan'ny fiarahamonim-pirenena amin'ny ezaka ataon'izy ireo hanasongadina ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mitranga sy hitadiavana ny tamberin'andraikitra.

Araka ny tondro momba ny fahalalahana manerantany isan-taona avy amin'ny Freedom House 2022, nomena laharana “tsy malalaka” i Kambodza noho ny fanerena mitohy amin'ireo mpanao gazety, mpanao politika mpanohitra, mpikatroka, ary mpitsikera fanjakana.

Misy dika mitovy tsy ofisialy amin'ilay hira azo jerena ao amin'ny YouTube. Azo jerena ao amin'ny Spotify ihany koa izany. Fantaro bebe kokoa ny momba ny mozika voaràra eran'izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny fitantarana manokana ataon'ny Global Voices Striking the wrong notes, sy ny playlisitra Spotify miaraka aminay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.