- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nodidian'ny praiminisitr'i Kambodza Hun Sen hokarohin'ny polisy ilay ‘mpanompa’ tao amin'ny Facebook

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Cambodian Prime Minister Hun Sen [1]

Ny praiminisitra kambôjiana Hun Sen tany Maldives tamin'ny 15 Janoary. Loharano: Facebook an'i Hun Sen

Ity lahatsoratra nahitsi [1]n'i Mech Dara ity dia navoaka voalohany tao amin'ny VOD News, tranonkalam-baovao tsy miankina ao Kambodza, ary naverina navoaka indray tato amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Tsy nivilivily ny mpaneho hevitra iray tao amin'ny Facebook nahita ny sarin'i Hun Sen milomano irery ao amin'ny ranomasina mangan'i Maldives : “Eny, manana ny tora-pasika tsara tarehy indrindra isika, fa ny mpitondra antsika no maloto indrindra eto an-tany, sa tsy izany?”

Niteraka valinteny haingana avy amin'ny kaontin'i Hun Sen ilay fanehoan-kevitra, navoaka tamin'ny teny Khmer — mitaky famotorana avy amin'ny polisy. “Tenin’olona adala ity”, hoy ny kaontin’ny praiminisitra nanoratra tao amin’ny valin-kafatra ny alahady lasa teo (15 janoary). “Miangavy ny polisy hitady azy avy hatrany. Aiza ity?”

Nilaza i Khieu Sopheak, mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Atitany, tamin'ny 16 Janoary fa “tsy maintsy mandray andraikitra” ny manampahefana.

This is not freedom of expression — this is insulting the leader of the country. … Even for me, we cannot accept this.

People who live abroad can say anything, but in Cambodia they cannot.

Even though the prison is crowded, there is enough space to hold these people.

Tsy fahalalahana maneho hevitra izao — faniratsirana ny mpitondra ny firenena izao. … Na izaho aza dia tsy afaka manaiky izao isika.

Afaka miteny izay tiany tenenina ny olona mipetraka any ivelany, fa tsy izany kosa ato Kambodza.

Na dia feno olona aza ny fonja dia ampy ny toerana hihazonana ireo olona ireo.

Nitsidika ara-pomba ofisialy an'i Maldives [2] nandritra ny telo andro i Hun Sen, ary nahitana ny sariny miala sasatra eny amoron-dranomasina sy ivelan'ny efitranony manao akanjo fandroana. Namoaka ranty izy ny alahady hariva: “Mitsoraka ao amin'ny ranomasin'i Maldives, izay misy kovetabe fandroana eo akaikin'ny efitrano ary ahitana rano masira sy ranomamy.” Nahasarika fanehoan-kevitra maherin'ny 19.000 ilay lahatsoratra, izay nanaja ny praiminisitra ny ankamaroany. Saingy nanohariana tamin'ny fanehoan-kevitra manonona ny mpitarika ho “maloto indrindra” ny mpisera Facebook “Ver To”.

Nilaza ny mpitondratenin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Adhoc, Soeng Senkaruna, fa tsy azo ihodivirana ny fisian'ny fanakianana anjotra amin'ny olona iray fantatry ny daholobe ao amin'ny firenena demaokratika, ary nanoro hevitra izy ny handray fanehoan-kevitra amim-pahalemem-panahy kokoa. “Tsy tsara ny fampiasana hetsika ara-pitsarana ary miteraka fanakianana ny hetsika toa izany,” hoy i Senkaruna.

Mampiasa lahatsoratra Facebook tsy tapaka i Hun Sen mandidy ny manampahefana handray andraikitra [3], ary maro ny mpitsikera ny governemanta no tsaraina noho ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook [4]. Lahatsoratra an-jatony isan-taona no raisin'ny governemanta ho fandranitana noho ny fanakianana ny governemanta, ary efa nampitandremana aza ireo mpikirakira media sosialy tsy hanao “lahatsary fangala-tahaka olona na fihetsika mampihomehy.”

Raharaha hafa indray, nampanantsoin'ny polisin'ny faritanin'i Battambang ny vehivavy iray tamin'ny alahady noho ny ranty Facebook nanakiana ny “zava-bitan'ny” polisy misahana ny fifamoivoizana. Hita ao amin'ny fanambaràn'ny polisin'ny faritany fa te-hanadihady raha diso ireo manamboninahitra — ka tokony hofaizina — na diso ny ranty tamin'ny fampiasana teny ratsy ka tokony hiatrika ny lalàna.

“Tsy tokony ho vitavita fotsiny amin'ny famafana ny kaontiny Facebook fotsiny ny raharaha. Miangavy miaraha miasa amin’ny manam-pahefana, ary tokony ho tonga hanazava ihany koa ireo naneho hevitra tao amin'ity kaonty ity ho vavolombelona  ”, hoy ny polisin’ny faritany tao amin’ny tambajotra sosialy.

Ny taratasy fiantsoana an'i Chhon Anina, 40 taona, dia mangataka azy hiseho ny alatsinainy amin'ny 9 ora maraina mba “hanazavana ilay lahatsoratra ao amin'ny Facebook izay manompa ny polisy misahana ny fifamoivoizana. … Tsy maintsy tonga ara-potoana ilay olona ary mitondra antontan-taratasy mifandraika amin’izany.”

Nilaza ny lahatsoratr'i Anina fa nosakanan'ny polisy misahana ny fifamoivoizana izy na dia nanao fiarovan-doha aza, ary notakian-dry zareo handoa KHR 60.000 riel, na 15 dolara eo ho eo. “Nifamaly tamin'izy ireo aho. Tena nanadala tokoa … Inona no tsy nety nataoko?” hoy izy nanoratra. “Ny vahoakany ihany no ambakain'itony tsivanona itony”.

Nilaza ny lefitry ny polisim-paritany Pov Vandy fa tsy tonga ny alatsinainy teo ilay vehivavy. “Amin'ny ankapobeny, hamoaka fiantsoana roa na telo izahay, ary raha mbola tsy tonga izy, dia mety hanangana raharaha hiampangana azy ho faniratsirana.”