- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nalaina avy amina lamba hafa mihitsy: Nepaley mpila ravinahitra fahiny lasa mpandraharaha ankehitriny

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fampandrosoana, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara, Ny Tetezana - The Bridge
Image via Nepali Times. Used with permission. [1]

Krishna Timilsina ao amin'ny orinasany. Sary avy amin'ny Nepali Times, nampiasaina nahazoana alalana.

Ity lahatsoratra [1] ity, noforonina avy tamina resadresaka niarahana tamin'i Krishna Timilsina, dia navoaka voalohany tao amin'ny Nepali Times tao anatin'ilay andiany Diaspora Diaries [2]-n'izy ireo ary ampahany iray nasiana fanovàna no naverina navoaka indray eto amin'ny Global Voices anatin'ny  fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Izaho, Krishna Raj Timilsina [3] dia lehibe tao Ramechhap tao amin'ny faritanin'i Bagmati tao Nepal . Tsy maintsy manao 12 ora dia an-tongotra aho mba ahatongavana any Manthali, toerana misy ny distrikan'i Ramechhap, miala eo amin'ny tanànako hanao fanadinana hahazoana ny School Level Certificate (SLC). Tamin'ny vanim-potoanan'ny Maoista [4] izany, ary tena nampidi-doza ny fijanonana tao an-tananàko. Ny fanaovanay sorona ny ainay no iray tamin'ireo fanamby natrehanay mba hahavitan'ny fianaranay. Tamin'ireo mpianatra 106 iray tarika tamiko, 10 monja taminay no afaka fanadinana.

Nandeha aho nankany Kathmandu, renivohitr'i Nepal, mba hanaraka fianarana ambony ary tsaroako ny diako teny an-tampon'ny fiara mpitatitra mba ho tonga any.  Tsy nahazo tohana avy tamin'ny fianakaviako tao an-tanàna aho ka tsy maintsy niasa mafy. Nahita asa tao amina magazay iray mpivarotra fitafiana aho izay nandraisako karama 1.200 Rs (9.20 dolara Amerikana) isam-bolana, ary arakaraka ny niasako ela tao no vao mainka naniriako hamorona orinasa mpivarotra fitafiana ho ahy manokana koa.

Saingy tsy nanana renivola nampiasaina aho teny am-piandohana ary tsy nisy na olona avy tamin'ny fianakaviako na tamin'ireo namako manodidina ahy mba afaka nampisambo-bola ahy. Vao 18 taona monja aho tamin'izany ka noheverin'izy ireo fa hevitra mampidi-doza izany.

Krishna Timilsina photographed abroad. Image via Nepali Time. Used with permission. [1]

Krishna Timilsina naka sary tany ivelany. Sary avy amin'ny Nepali Times, nampiasaina nahazoana alalana.

Noho izany, izay natao sy mbola ataon'ireo Nepaley rehetra nitovy taona tamiko hatramin'izao koa no nataoko : tamin'ny taona 2008, namboariko ny entako ary nifindra monina tany ivelany aho mba hiasa. Nahita asa tao amina ozinina iray tao Malezia aho, mameno kaontenera fanondranana entana amin'ny alalan'ireo boaty feno fonon-tanana fandidiana. Tena nafana be sy maina tao anatin'ireo boaty vy ka vonton'ny hatsembohana aho. Tsy maintsy niato isaky ny telopolo minitra teo ho eo aho mba hamafa ny hatsembohako amin'ny T-shirt mando. Taorian'izay, nahita asa iray tamina orinasa mpandefa vola aho izay tsy dia mahatrotraka ara-batana loatra.

Sarotra ny miasa any ivelany, saingy farafaharatsiny mba mahazo vola kely. Tamin'ny 2010, niverina tany Nepal aho niaraka tamina vola tahiry manodidina ny 700 000 Rs (5 368 dolara Amerikana) mba hanokafako fivarotana akanjo ahy manokana. Tanteraka ihany ilay nofinofiko tsy tanterakonony farany. Natoky ahy bebe kokoa ihany koa ireo olona ka nampindram-bola ahy ; Efa niha-lehibe aho, matotra kokoa ary efa nahita ny tany ivelany.

Nandeha tsara ny magazay fivarotako akanjo ary, rehefa niroborobo ny orinasa dia nanokatra toeram-pivarotana enina hafa manerana ny renivohitra aho. Saingy, taloha aho liana hatrany hoe mba avy aiza moa ireo akanjo amidiko ireo ary ahoana no fomba nanamboarana azy. Tamin'izaho nandeha tany India, Bangladesh ary Shina mba hitady ireo akanjo amidiko ao amin'ny magazaiko dia nitsidika ireo ozinina mpamatsy ahy. Nanontany tena foana aho matetika hoe nahoana no tsy afaka hanamboatra ao Nepal ihany ireo akanjo ireo izahay.

A garments factory [1]Image via Nepali Times. Used with permission. [1]Farany, nanana herim-po hividy milina fanjairana niisa fito aho ary nanomboka nanamboatra akanjo tao an'efitranoko. Naha-velombolo ny valintenin'ireo mpanjifa. Nanomboka nanidy ny toeram-pivarotako aho ary nanitatra ny famokarana tamin'ny alalan'ireo milina fanjairana niisa 60 fanampiny.

Tsy ela akory dia nanjary mpamatsy tanteraka ny akanjo misy ny marika Thread Garment izay ahy aho. Akanjo ho an'ny lehilahy no vokarinay ary mamatsy toeram-pivarotana manerana an'i Nepal, mivarotra ihany koa tamin'ny polisy Nepaley sy tamina tafika Nepaley ireo atin'akanjo, kitapo fatoriana ary fandriana manafana, izay nafarana teo aloha. Ny akanjoko misy marika “Vita Nepal” ankehitriny dia amidy any Malezia, any Qatar ary any Dubaï, firenena izay hiasan'ireo Nepaley ihany koa.

Tsy nahazo fanohanana avy amin'ny governemanta Nepal mihitsy aho. Mety hahasoa raha afaka manampy ry zareo  amin'ny fametrahana ny akanjo Nepaley sy ireo mpamokatra hafa ao Eoropa sy Etazonia. Mety afaka hanamora ny varotra ireo masoivoho Nepaley any amin'ireo firenena vahiny satria izay no tena ilainay, ny fananana fidirana amin'ireo tsena iraisam-pirenena.

Ny hany ilain'ny ankamaroan'ny olona dia ny sehatra hiasàna mafy, fiatoana hanaporofoany izay azony atao. Izany daholo no asa any ivelany ataon'ireo Nepaley marobe mandao ny firenena. Miezaka manome izany fahafahana izany aho ho an'ireo Nepaley ato amin'ny Thread Garment – Manana mpiasa 600 aho any Katmandou ary 250 ao amin'ny sampana any Itahari.

Vao 34 taona aho nefa tsapako ho toy ny mpiantoka an'ireo mpiasa sy ny ankohonany. Rehefa marary ny reny na tokony aloa ny saram-pianaran'ireo zanany dia tsy maintsy eo anilan'izy ireo aho. Ny fàka tsotsotra niandohako sy ny adiko dia ahafahako mahatakatra ny zavatra iainan'izy ireo.

Image via Nepali Times. Used with permission. [1]

Sary avy amin'ny Nepali Times, nampiasaina nahazoana alalana.

Andraikitra goavana ny maha ivom-panantenana anao ho an'olona maro, nefa nanangana tarika mpitantana matanjaka izahay ahitana mpiasa 42 izay nivoatra toy ny organa nandritra ny taona maro izay mahatsapa ho toy ny tompony ao amin'ny orinasa. Rehefa salama tsara aho, dia salama tsara avokoa izahay rehetra. Fantatr'izy ireo izany ary lasa andry manohana ry zareo.

Tsy niofana velively ho mpitantana orinasa aho. Tsy manana diplôma fa nijanona teo amin'ny lisea fotsiny. Saingy haiko ny milofo. Mianatra tsikelikely aho. Inoako fa raha vitako izany dia ho azon'ny hafa atao ihany koa.

Image via Nepali Times. Used with permission. [1]

Sary avy amin'ny Nepali Times, nampiasaina nahazoana alalana.

Marobe ireo Nepaley no niverina avy any ivelany miaraka amin'ny tahiriny. Miezaka mampiasa vola anatin'ny fandraharahàna izy ireny, saingy noho ny tsy nahafahany mifandray tamin'i Nepal fony tany ivelany, sy tsy mahandry ny vokatra, dia mety mandray fanapahan-kevitra maimaika izy ireo amin'ny fampiasambola. Rehefa tsy mahomby izany, dia mifindra toerana indray izy ireo ary dia lasa tsingerina ratsy tsy misy fiafarana ilay izy.

Indraindray, tsy misy ifandraisany akory amin'izay traikefa ananany ny ampiasan'izy ireo ny volany. Raha ny marina, ny zotrako teo amin'ny sehatry ny fitafiana dia efa nanomboka tany amin'ny faha-18 taonako ary niasa tamina magazay iray fivarotana fitafiana aho fony mbola mpianatra.

Angamba tsy ho tonga amin'izao aho raha toa nampiasa vola tamina orinasa izay tsy fantatro akory. Mety tsy ho nahalala ahy akory ny olona fa fantany ny Thread Garment. Taona maro no ilaina hamantarana ny tsena sy hananganana marika iray.