Ahoana no ahafahan'ny Fetibe Black Star Line sy ny hip-hop hampavitrika kokoa ny pan-afrikanisma

 

A wall graffitti paying homage to Hip hop artists and the artform. Image credit: Garry Knight. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Mpanakanto mandoko graffitti amin'ny rindrina ho fanomezam-boninahitra ireo mpanakanto Hip hop sy ny endrin-javakanto. Sary avy amin’ny: Garry Knight. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, mpanakanto hip-hop amerikana roa, Chance ilay mpiangaly Rap sy Vic Mensa, no nanao ny fanokafana voalohany ny Fetibe Black Star Line ao Accra renivohitra Ghana. 

Tamin'ny taona 1919, nanorina ny Black Star Line, orinasam-pandefasana entana sy mpitondra mpandeha, ilay mpikatroka politika Jamaikana Marcus Garvey. Natao ho fitaovana mampiroborobo ny fanomezan-kery ara-toekarena ho an’ny mainty hoditra sy ny fiverenan'ny olona taranaka Afrikana monina any Karaiba sy Amerika [any amin'ny tany niaviany], nahatonga fisandratan'ny hetsika ara-kolontsaina hafa ho an’ny hetsika pan'afrikanista indray ny antsony fampiraisana “Back to Africa (mody any Afrika)”. Amin'ity indray mitoraka ity, tsy ireo manam-pahaizana pan-afrikanista na ny mpanao politika no manao izany, fa ireo mpanakanto hip-hop ao Afrika sy any am-pielezana.

Nahitana lanonana, famelabelaran-kevitra ary fampisehoana maimaim-poana ny fetibe naharitra herinandro. Ny 6 janoary, mpakafy miisa 52.000 no nirohotra nankany amin’ny Kianja Black Star manan-tantara, toerana ampiasaina isan-taona hanaovana ny matson'ny fetin'ny fahaleovantenan'i Ghana. Nahitana an'i Chance tenany, Talib Kweli, Erykah Badu, T-Pain, Jeremih, Sarkodie, Tobe Nwigwe, Asakaa Boys, M.anifest, ary ilay mpanakanto hip-hop mpiara-miasa teraka tany Chicago Vic Mensa ny fandaharam-potoana. Nanatrika izany koa ilay mpanao hatsikana sady mpilalao sarimihetsika Amerikana Dave Chapelle.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Vic Mensa (@vicmensa)

Nisongadina tamin'ny fetibe ny fanomezam-boninahitra an’i Garvey nanomezana ny anarany hoan'ny orinasany fandefasana entana sy ny fampianarany sy ny fanatanterahana ny lova napetrany tamin'ny fampiraisana ny vahoaka Afrikana tamin'ny alalan'ny fiantsoana ireo mpanakanto amerikana ho any Afrika sy ny famafazana ny voan'ny fifanakalozana ara-kolontsaina izay hiafara amin'ny fanomezan-kery ny Mainty.

Raha niresaka tamin'ny Newsweek momba ny antony nikatsahan'ny fetibe maimaim-poana ny fampiraisana ireo mpanakanto any ampielezana sy ny fampiroboroboana ny faritra sy ny talentany, noresahan'i Mensa — teratany avy any Chicago izay tera-dray Ghaneana sy reny Amerikana fotsy hoditra — ny anaovan'ireo mpanakanto lehibe tsinontsinona an'i Afrika rehefa manao fitetezana ireo tanàna lehibe ry zareo sy nanao fampisehoana mivantana.

One of the principal reasons for the neglect is an internalized superiority complex that has ‘othered’ Africa, even if those artists have African roots themselves.

Iray amin'ireo antony lehibe indrindra mahatonga tsy firaharahiana ny fahatsapan-tena ho ambony ‘manilika’ an'i Afrika ho hafa, na dia manana fiaviana Afrikana aza ireo mpanakanto ireo.

Tsy azo odian-tsy hita ny dindon'i Afrika amin’ny mozika maoderina. Miainga amin'ireo mpanakanto manerantany lehibe mampiasa ny dindo Afrikana amin'ny mozikany (ny Afrobeats no vao haingana indrindra), ny lamaody sy fihetsika ka hatramin’ny fampiasana dihy mihetsika toy ny gwara gwara afrikana tatsimo ao anaty fampisehoana sy rakikira an-tsary. Nisedra fanafihana mafy ny sasany noho ny fampiasana zava-notrandrahina, araka ny nomarihin’i Mensa tao amin’ny Newsweek, izay tsy misy hafa amin’izay nataon’ny fahefana mpanjanaka tamin’i Afrika, “nandroba azy tamin’ny harena voajanahary sy ny hareny ara-kolontsaina”.

Manantena i Mensa sy i Chance fa afaka mampitsahatra izany ny fetibe. Araka ny filazan-dry zareo, ny fetibe no dingana voalohany amin'ny fampivoarana ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin'ireo artista hip-hop Amerikana sy Afrikana anatin'ny tanjona hanomezana soa fanararaotra amin'ny fanabeazana, fampanankarena ary ny fampielezana kolontsaina. Manantena ry zareo fa hisy fitomboan-traika izany tsy amin'ireo mpanakanto hip-hop manao fampisehoana ao Ghana ihany fa amin'ireo artista maro hafa mametraka an'i Afrika ho ao anaty lisitry ny fitetezam-paritra ataony sady miara-miasa amin'ireo mitovy asa aminy.

Mamelona ny Pan-Afrikanisma vaovao sy mavitrika ny hip-hop maoderina

Hatramin’ny nipoirany teny an-dalamben'i Bronx any New York tamin'ny taompolo 1970s, nisandratra ny hip-hop ho lasa hery matanjaka izay namolavola amin’ny ampahany ny mari-panondroana Mainty Hoditra maneran-tany.  Nijanona miorim-paka amin'ny fomban-drazana mozika sy sosialy Afrikana nandritra ny taona maro ny kolontsainy. Nianatra nampiasa an’io karazana zavakanto mahery vaika io mba hilazana ny marina amin’ny fahefana ireo mpanakanto hatraiza hatraiza, indrindra any amin’ny kaontinanta Afrikana na dia amin’ny niovany vao haingana tany Amerika ho —  vondron'orinasam-barotra be mpanjifa-.

Ao amin'ny lahatsorany, “mamelona ny Pan-Afrikanisma mavitrika ny hip hop amin'izao fotoana izao,” milaza i Msia Kibona Clark, Profesora mpiara-miasa ao amin'ny Oniversite Howard sady mpanoratra ny “Hip-Hop eto Afrika: Mpaminanin’ny Tanàndehibe sady Filozofa mamovoka-tongotra”, fa “fitaovana matanjaka amin'ny fampielezana sy ny famolavolana ny Pan-Afrikanisma [ny karazan-kira Hip-Hop] tamin'ny fisehoany.”

Nomarihiny ihany koa fa na dia nihalehibe aza ny feo Pan-Afrikana amin'ny hip-hop, dia nihalehibe ihany koa ny hetahetany hananany (fitomboana) tahaka ny efa nananan'ny ankamaroan'ireo raiamandreny nanangana ny fanjakana Afrikana toa an'i Nkrumah, Jomo Kenyatta, ary Julius Nyerere dia ilay Etazonian'i Afrika Sosialista. Izany hetsika Pan-afrikana vaovao izany dia “fandravonana ny vondronolona sy mari-panondroana afrikana” mifototra amin'ny fiaraha-miasa. Lasa fanoitran'ity Pan-Afrikanisma vaovao ity ny hip-hop.

Nofaritan'i Clark fa, mba hahatakarantsika ity Pan-Afrikanisma vaovao ity, dia mila ifantohantsika ireo famantarana tsy amin'ny mozika afrikana ihany fa amin'ny hip-hop ihany koa.

Nilaza tamin'ny Newsweek i Mensa, izay ho kintan‘ny andian-tantara Afrikana/Amerikana momba ny fahaterahan'ny sehatra hip-hop indray ao Afrika Atsimo taorian'ny fanavakavaham-bolonkoditra, ny fa fanantenany hikarakara ny fetibe manerana an'i Afrika.

Tsy isalasalana fa hisarika fiaraha-miasa lehibe hafa eo amin'ireo mpanakanto hip-hop manerana an'i Afrika sy any am-pielezana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.