- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manome fanorisorenana an'ireo mpanao gazety tsy miankina ao amin'ny Twitter ny Filoha Bukele ao El Salvador

Sokajy: Amerika Latina, El Salvador, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary natolotr'i Melissa Vida

Nandray ny fahefana i Nayib Bukele tamin'ny taona 2019 tamin'ny fampielezankevitra hiady amin'ny kolikoly, saingy notafihany sy nalàny baraka ireo mpanao gazety tsy miankina nampibaribary ny kolikoly tao amin'ny fiadidiana ny governemantany. Tsy nampazoto azy ny hanao veladresaka ho an'ny mpanao gazety, fa mampiasa media sosialy kosa, indrindra ny Twitter, mba hampitàny ny fanapahankeviny sy hanomezany baiko. Miisa 4,6 tapitrisa ny mpanaraka ny kaontin'i Bukele ao amin'ny Twitter [1] tamin'ny fotoana nanoratana, izay hita fa betsaka ho an'ny firenena iray misy mponina 6,5 tapitrisa. Ampiasainy ihany koa ny Twitter hanorisorenana an'ireo mpanao gazety sy hitsikerana ny asan'ny fampahalalam-baovao tsy miankina amin'ny alalan'ny fanambaniana azy ireo ho “mpikatroka ara-politika”. Nosakanany ny sasantsasany tamin'ireo olom-pirenena, mpikatroka ary mpanao gazety rehefa tsy tiany ireo tsikera, hanihany na ireo olana mikasika ny governemantany. Tamin'ny fiandohan'ny taona 2022, naboraky [2] ny tatitra fa, farafahakeliny, mpanao gazety tsy miankina miisa 36 no natao andrimaso tamin'ny alalan'ny rindrambaiko Pegasus.

Manafika tsy tapaka ireo fampahalalam-baovao i Bukele toa ny El Faro [3], GatoEncerrado [4], Revista Factum [5], ary La Prensa Gráfica [6], noho ireo famoahana mampatsiahy an'ireo trangana kolikolim-panjakàna [7] nandritra ny valanaretina COVID-19, ireo fifampiraharahana miafina [8] ataon'ny governemantany miaraka amin'ireo lehibena jiolahy mba hampihenana ny vono olona [9] sy hahazoana fanohanana ara-politika, ary ny fisiana manjavozavo tamin'ny fanapahankevitra hanekena ny Bitcoin [10] ho toy ny vola ara-dalàna. Araka ny tatitry ny departemantam-Panjakana Amerikana notanisain'ny Tatitra iray Manokana an'ny Reuters [11], “ny governemantan'i Bekele dia mampiasa an'ireo “mpitari-kevitra mpikarama an'ady voakarama sy ny “azo eritreretina ho vàla-na raboto” mba hibitsika hafatra mpomba ny governemanta “in'arivony” mikasika ny lohahevitra iray no sady manafina ny fiavian'izy ireny  mba “hamoronana” endrika fanohanana avy eny ifotony.

Fehezin'ny filoha ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna ao amin'ny fanjakana ary nesoriny [12] ny mpampanoa Lalàna sy ireo mpitsara dimy tao amin'ny Antenimieran'ny Lalàm-panorenana ao amin'ny Fitsarana Faratampony. Fanampin'izay, ireo mpitsara vaovao ao amin'ny Fitsarana Faratampony, notendren'ny antoko politikany, dia nankasitraka [13] ny fandraisany anjara amin'ny maha- kandidà azy amin'ireo fifidianana ho filoham-pirenena hatao amin'ny taona 2024 na dia voararan'ny Lalàmpanorenana Salvadoriana mazava [14] aza ny fahalaniana vaovao indray. Noho izany, Bukele dia eo an-dalam-pananganana governemanta haka ny fon'ny vahoaka sy tsy refesi-mandidy mampiasa ny fampielezankevitra, ny fampielezankevitra fanekzana vaovao diso ary ireo fanafihana an-tserasera atao,u amin'ny gazety sy ny fiarahamonim-pirenena mba hanamafisana ny fahefana ara-politika ary mety hitondra an'ireo fahalaniana indray tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana amin'ny taona 2024.

Nanasongadin'ny tatitra farany an'ny Mpitati-Baovao tsy Voafetran-tSisintany (RSF) ny fandinganana toerana 30 azon'i El Salvador, izay anisany “iray tamin'ireo fitotongonana mafy indrindra ho an'ny faritra”. Nasongadin'ny RSF [15] fa i Bukele no nandray anjara lehibe tamin'ny famotehana ireo fepetran'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, noho ireo fanafihana tsy miato ataony amin'ireo mpanao gazety tsy miankina sy ny fampiroboroboana ny fitantarana manohitra ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena. Ny komity ho fiarovana ireo mpanao gazety (CPJ) dia nisioka tamin'ny 12 janoary 2022 [16] fa : “Nampiasa tsy an-kijanona ny kabary manohitra ny asa fanaovan-gazety ny Filoha Salvadoriana Nayib Bukele sy ireo tomponandraikim-panjakana hafa ao amin'ny governemanta mba àny fitokisana ny haino aman-jery sy handrahonana tsy miato ny fampahalalam-baovao tsy miankina, ny mpanao gazety tsirairay ary ireo olona hafa mitsikera ny fitantanany”.

Fanorisorenana an-tserasera an'ireo vehivavy mpanao gazety

Tranga iray mariky ny fandrahonana an-tserasera [17] vehivavy mpanao gazety ny tantaran'i Mariana Belloso, Salvadoriana iray mpanao gazety sy mpanentana amin'ny onjam-peo. Tamin'ny volana Jona 2019, nampiasa ny kaontiny Twitter i Belloso mba hanehoana hevitra [18] mikasika ny fikasan'ny Filoha Bukele mikendry ny hampihena ireo jiolahy mpanao heloka bevava. Notanisain'i Bukele ny siokany [19], nanao hoe : “Ny marina voalaza amin'ny ampahany dia loza kokoa noho ny lainga an'arivony.” Avy eo, nampiany tamin'ny sioka iray hafa [20] hoe : “Miha-mahazo toky aho fa misy mpanao gazety maniry ny tsy hahombiazan'ny drafi-pilaminantsika.” Naverimberin'i Bukele im-betsaka  ny fikasany hampihena ny vono olona, saingy nasehon'ireo tatitra fanadihadiana [21] fa nifampiraharaha tamin'ny andian-jiolahy izy mba hampihenana ny famonoana olona, zavatra izay nolaviny.

Taorian'ny bitsika nataon'i Bukele, naharay [22] fandrahonana an-tserasera miresaka fanolanana i Belloso ary nihanaka tao anaty Facebook ireo fanafihana an-tserasera ireo sy tamin'ny faritra fanehoana hevitra tao amin'ny tsanganan'i Belloso tao amin,'ny gazety mpivoaka isanandro La Prensa Gráfica. Nambaran’ [17]i Belloso tao anaty tafatafa iray [17] fa nanjary fantatra tamin'ny anarana hoe “ilay mpanao gazety notafihan'ny Filoha sy ny rakakabesolany ” izy. Taorian'io trangan-javatra io, fantatr'i Belloso fa nandà tsy nety niresaka taminy ny loharanom-baovao sasany ary niahiahy izy fa misy manaraka. Efa nosaininy mihitsy aza ny handao an'i El Salvador. Nanampy i Belloso : “[Rehefa] nofidian'ny Filoha ianao ary napetrahy ho  amin'ny toerana iray azon'ny rehetra hanafihana anao (…) dia tsy misy ny fifandanjana eo amin'ny fahefana.”

Tamin'ny volana Novambra 2019, Karen Fernández, Salvadoriana mpanao gazety amin'ny Focos TV, dia nilaza [17] tamin'ny CPJ  fa nanjary lasibatra ihany koa izy taorian'ny nitsikerany ny toe-piainan'ireo voafonja nosamborina araka ny drafitra fiarovana napetrak'i Bukele. Notanisain'i Bukele tao anaty Twitter ny siokany tsy narahana momba izay teodraharaha tena nifanaraka nanodidina azy, ary, taorian'io, mpanaraka an'i Bukele an-jatony no namaly [23] tamin'ny fandrahonana hanao herisetra ara-pananahana sy fanaratsiana ny asany. Nanomboka tamin'io tranga io dia niteny i Fernández fa niova ny fijeriny ny loza – malina kokoa izy amin'ny fandrahonana atao aminy sy ny fianakaviany.

Mpanao gazety Salvadoriana hafa nohadihadian'ny CPJ [17] no tsy afaka nitanisa fikarohana manamarina fa i Bukele no mifehy ny kaonty Twitter izay mandrahona ireo mpanao gazety, saingy hita mibaribary ny fitantarany manohitra ny asa fanaovan-gazety ao amin'ilay vovonam-baovao. Io fitantarana ofisialy manohitra ny asa fanaovan-gazety io dia mametraka fa ireo famoahana asa fanaovan-gazety fanadihadiana dia hosoka avokoa ary atosiky ny antony ara-politika mba hisy fiantraikany amin'ny endrika sy lazan'i Bukele. Vokatr'izay, ny hafany dia ny tsy tokony hifantohan'ny olona amin'ireo haino aman-jery mahaleo tena fa ny fampahalalam-baovaom-panjakana sy ireo fampitàna amin'ny fomba ofisialy ihany no itokiana.

Marobe [24] ireo fitarainana mikasika ny fanafihana an-tambajotra sy fanentanana fanalàna baràka atao amin'ireo mpanao gazety, anisan'izany ireo vehivavy mpanao gazety sy ireo vehivavy mpiaro zon'olombelona. Fiarahamonim-pirenena maherin'ny 60 no niampanga [25] ny fiharatsian'ny fepetra mikasika ny zon'olombelona ao El Salvador ary nanamarika fanafihana farafahakeliny 370 tao amin'ny tambajotran-tserasera teo anelanelan'ny Febroary sy May 2021, nataon'ireo manam-pahefam-panjakana na ny manodidina akaiky an'i Bukele.

Edison Lanza, mpanao tatitra manokana teo aloha mikasika ny fahalalahana maneho hevitra tao amin'ny Inter-American Commission on Human Rights (IAHCR) no nanamafy fa mety hampidi-doza ny fanimbazimbana imasom-bahoaka ataon'ny olom-boafidy iray, toy ny zava-niseho tamin'ny siokan'ny Filoha Bukele nataony tamin'ireo mpanao gazety. Nilaza [17] i Lanza, tao anaty tafatafa iray [17] niarahana tamin'ny CPJ fa mampitahotra ity toe-javatra ity “indrindra fa any Amerika latina izay manjaka be ny tsimatimanota sy ny herisetra atao amin'ireo mpanao gazety”.

This environment of stigmatisation and hate speech campaigns, and misogynistic speech against women journalists can lead to physical violence targeting members of certain independent news media. Likewise, this anti-press narrative promoted by Bukele, other public officials, and Bukele’s supporters intends to silence [26] and intimidate critical and independent journalism in El Salvador.    ………Ity tontolon'ny fanendrikendrehana sy fanaovana fanentanana kabary fankahalàna ity, ary ny lahateny fitenenan-dratsy atao amin'ireo vehivavy mpanao gazety dia mety hitarika amin'ny herisetra ara-batana mikendry an'ireo mpikambana sasantsasany amin'ny fampahalalam-baovao tsy miankina. Mitovy amin'izay ihany, ity fitantarana manohitra ny asa fanaovan-gazety kolokoloin'i Bukele ity, ireo tomponandraiki-panjakana hafa sy ireo mpanaraka an'i Bukele dia mikendry hampangina [26]sy hampitahotra ny asa fanaovan-gazety mppitsikera sy tsy miankina ao El Salvador.

Azafady tsidiho ny pejin'ny tetikasa hahazoanao tantara misimisy kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor [27].