- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Karazam-bokotra vaovao: Filazana dikanteny vita!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Salama daholo, fanavaozam-baovao tselatra izy ity mba hampahafantarana anareo fa nanampy karazam-bokotra vaovao izahay ao amin'ny fandrafetana WordPress Global Voices. Ankehitriny, rehefa misy fandikan-teny mivoaka, dia hahazo mailaka mampahafantatra izany ny mpanoratra ny ranty ôrizinaly !

Efa nangatahana hatry ny ela avy amin'ny mpanoratra sy ny mpandika teny ity endri-javatra ity, ka tena faly aho fa nahatokana fotoana hananganana azy. Mitady fomba hankalazana mandrakariva ireo mpandika teny an-tsitrapo mahatalanjona ato aminay izahay, sy haneho amin'ireo mpanoratra koa ny halehiben'ny fizarana ny fitantarana nataon-dry zareo.

Ity misy topimason'ny endriky ny fampahafantarana:

Screenshot of an email informing a writer their post has been translated into spanish. [1]Nanao izay tratran'ny herinay izahay hampihasikasina ny antony ahazoanao ilay imailaka, sy ny fomba hialana tsy hamandrika intsony, satria mety ho sarotsarotra ny miditra amin'ny amin'ilay tranonkala WordPress notadiavina sy ny manapika ireo fampandrenesana tamin'ny fampiasana ny mombamomba anao amin'ny maha-mpisera anao.

Miangavy ny mba ampahafantarana ahy raha misy ny tsi-fetezana na olana entin'ity karazam-bokotra vaovao ity!