Nahoana no nesorina tao amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana any Shina ny fanafody COVID-19 lehibe Paxlovid?

Sary avy amin'ilay mpisera Flickr: Ministério da Saúde (CC BY-NC-SA 2.0)

Nanapa-kevitra tsy hampiditra ny Paxlovid, fanafody COVID-19 mahomby, ao anatin'ny lisitr'ireo fanafody voarakotry ny tetikasa fiantohana ara-pahasalamana fototra tamin'ny herinandron'ny 9 Janoary 2023 i Shina. Mety hanakana olona mahantra an-tapitrisany tsy hahazo Paxlovid ny fanapahan-kevitra rehefa tapitra ny fifanarahana vonjimaika mifarana amin'ny faran'ny volana marsa 2023.

Namoaka fanambarana ny Sampan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana  OMS tamin'ny 22 aprily 2022, manoro hevitra mafy ireo mpanome tolotra ara-pahasalamana hampiasa Paxlovid hitsaboana ireo marary voan'ny COVID-19. Nantsoiny hoe fanafody “mamonjy aina” ilay fanafody miady amin'ny otrikaretina ary “safidy ara-pitsaboana tsara indrindra ho an'ireo marary atahorana ho faty hatramin'izao.”

Nomen'ny manampahefana Shinoa tsiny ny mpanamboatra ny Paxlovid Pfizer noho ny fahalafosan'ny fanafody, izay voamarika amin'izao fotoana izao ho RMB 1.890 yuan (eo ho eo amin'ny 280 dolara Amerikana) isaky ny boaty. Amidy amin'ny vidiny 530 USD ny Paxloviod any Etazonia ary 700 USD isaky ny boaty any Hong Kong sy Taiwan. Nahazo fihenam-bidy 70 isanjato i Shina ho an'ny firenena antonony sy kely fidiram-bola.

Araka ny loharanom-baovao isan-karazany, vonona hampidina ny vidiny ho eo amin'ny RMB 600 yuan (latsaky ny 100 dolara) ny Pfizer mandritra ny dingana fifampiraharahana. Na izany aza, tadiavin'i Shina ho eo amin'ny RMB 200 yuan (eo ho eo amin'ny 34 dolara amerikana) eo ny vidiny, izay mitovy amin'ny vidin'ny Paxlovid endrika jenerika amidy any India sy any amin'ny firenena mahantra hafa. Tsy voasokajy ho firenena mahantra i Shina.

Raha tokony ho Paxlovid, nampiditra fanafody miady amin'ny otrikaretina Azvudine ao aminy taniny sy fanafody sinoa nentim-paharazana Qingfei Paidu Decoction ao anatin'ny drafitrany momba ny fiantohana ara-pahasalamana ho an'ny fitsaboana COVID-19 i Shina. Tsy voaporofo ny fahombiazan'ireo fanafody roa ireo satria tsy ampy ny angon-drakitra ara-klinika.

Ny mpanankarena sy ny saranga antonony ao Shina no mbola hahavita hahazo fanafody miady amin'ny otrikaretina (antiviral). Rehefa tapitra amin'ny volana marsa ny drafitra fiantohana vonjimaika, mbola afaka mamoaka Paxlovid ho an'ireo marary afaka mividy izany tsy misy fiantohana ny hopitaly any amin'ny tanàn-dehibe. Raha ny marina, satria mihamitombo ny tinady amin'izao fotoana izao, mandoa RMB 20,000 be izao (eo amin'ny 3.000 dolara eo ho eo) ny mpanankarena hividianana boaty Paxlovid ho an'ny hamehana ao an-trano, ary amidy amin'ny alàlan'ny varomaizina amin'ny vidiny eo ho eo amin'ny RMB 2.000 ny endrika jenerika. Na izany aza, tsy hahazo ny fanafody COVID-19 ireo mahantra,  indrindra fa ireo any amin'ny faritra tsy mandroso kokoa sy ambanivohitra.

Firenena misara-bazana

Mizarazara ny fomba fijery ao amin'ny media sosialy Shinoa. Taorian'ny fanafoanana ny fifanaraham-piantohana ara-pahasalamana, nanome tsiny ny Pfizer ny mpitarika ny propagandy noho ny fandavany hampidina ny vidiny, araka ny hita taratra ao amin'ny siokan'i Hu Xijin, mpaneho hevitra malaza ao amin'ny Global Times izay vatsian'ny fanjakana:

Tsy nahomby ny lahatenin'i Shina hampiditra ny Paxlovid an'ny Pfizer ao amin'ny lisitry ny fanafody fiantohana noho ny vidiny lafo be. Niteraka hatezeram-bahoaka ny vidiny ao Shina. Fanararaotana amin'ny fahasahiranana hafa izany ary andraikitry ny Pfizer ny mampidina ny vidin'ny fanondranana any Shina.

Mandritra izany, lahatsoratra maro no niseho an-jotra nanakiana ny Pfizer noho ny nahazoany tombony izaitratra tamin'ny vaksiny sy ny fihariana Paxlovid. Betsaka ihany koa ny teorian'ny tsikombakomba tsy mitombina taorian'ireo lahatsoratra ireo, ao anatin'izany ny filazana fa namboarina tany Etazonia ilay otrikaretina (viriosy). Ity misy filazana mahazatra ao amin'ny fanehoan-kevitra momba ny lahatsoratra mielipatrana izay mitsikera ny vidy apetrak'i Pfizer:

病毒就是辉瑞跟着研发的,他当然赚钱,要不他咋开发的这么快?

Novolavolaina manodidina ny Pfizer ilay otrikaretina, izany no nahatonga azy nahazo tombony be, ary mety hamolavola [vaksiny sy fanafody] haingana dia haingana ihany koa izy …

Ankoatra ireo hevitra momba ny tsikombakomba, hita matetika ny fanehoan-kevitra fitiavan-tanindrazana maneho fanohanana ny fanafody vita any Shina sy ny fanafody Shinoa nentim-paharazana, toy ity fanehoan-kevitra nampifandraisina tamin'ny lahatsoratra hafa mihaika ny Pfizer ity:

相信辉瑞不如相信中药!

Aleoko mino ny fanafody Shinoa nentim-paharazana toy izay Pfizer.

Tetsy an-danin'izany, maro no tezitra tamin'ny fanapahan-kevitra fanafoanana ny lisitra. Lahatsoratra iray niparitaka tao amin'ny WeChat mitsikera ny fitantarana ny vidiny:

昨天的医保谈判新闻大家都看了吧,把我给笑死。就好比牛肉太贵了买不起,就去买了一堆牛粪。

Nampihomehy tsara ahy omaly ny vaovao momba ny fiantohana ara-pahasalamana. Tahaka ny hoe tsy mahavidy henan'omby ianao ary manapa-kevitra hividy tain'omby.

Mamakafaka ny firaketana an-tsoratra ho an'ny daholobe ny mpanoratra malaza ary mampiseho ny fomba nandanian'ny firenena ny tahirim-bolany ho an'ny fiantohana ara-pahasalamana —  tamin'ny fandaharan'asa fitiliana PCR mahery vaika sy tsy ilaina manerana ny firenena ny ankamaroany:

2021年医保累计结余3.6万亿,当年医保收入2.88万亿,支出2.4万亿,结余4400亿。…买它一亿盒,一盒500美元,也花不了几百亿,结余完全可以覆盖。今年前十个月仅仅核酸检测的相关费用,就已达1.7万亿人民币了。

RMB 3,6 arivo miliara  ny vola niavosa tamin'ny tahirim-bola fiantohana ara-pahasalamana tamin'ny taona 2021. RMB 2,88 arivo miliara ny fidiram-bola isan-taona, ary RMB 2,4 arivo miliara ny fandaniana, ahitana ambim-bola RMB 440 miliara… Na dia mandoa 500 US dolara isaky ny boaty Paxlovid aza isika, dia ho ampy mihoatra mihitsy ny ambim-bola hividianana boaty 1 miliara. Tamin'ny taona 2022, tao anatin'ny folo volana voalohany, mihoatra ny RMB 1,7 arivo miliara ny vola lany tamin'ny fitiliana PCR.

Sorena tamin'ny firongatry ny hevitra momba ny tsikombakomba nasionalista nivezivezy indray tao amin'ny media sosialy ny sasany :

有一些人说让辉瑞滚出中国的,说不买美国药,建立对立关系的,这些人的心是得有多麻木不仁,才能说出这样的话,为了钱,为了那些人的蛋糕,你们就这样的草菅人命吗,人家研制出能救命的药,可你就是研制不出来啊,所以就开始搞破坏,搞口嗨,搞内卷,那是一条条人命啊

Nandrisika ny Pfizer hivoaka an'i Shina ny sasany, nilaza fa tsy mahatakatra ny vidin'ny fanafody Amerikana i Shina. Tsy nitsahatra nanohitra ny fifandraisana [Etazonia sy Shina] izy ireo. Ahoana no ahafahan’ny olona manana feon’ny fieritreretana miteny toy izany? Ahoana no ahafahan'izy ireo manary ny ain'olombelona tahaka izao? Noho ny vola? Noho ny fandrisihana natolotr'ireo olona ireo? Fanafody mamonjy aina novolavolaina tamin'ny alalan'ny fikarohana goavana izany. Tsy afaka mahita fanafody mahomby ianao, ary noho izany dia manambany azy amin'ny resaka “mafàna ra” ianao ary manohana ny “fiovana anatiny” [fivezivezena ara-toekarena anatiny]. Lalaovina ny Ain’olombelona eto! 

Tao amin'ny Twitter, maminavina ny mety ho antony ao ambadiky ny fanesorana ny Paxlovid ao Shina ireo Shinoa mpanohitra. Cheng Yizhong, mpanao gazety Shinoa malaza amin'ny tanibe, nilaza hoe:

Tsotra dia tsotra ny lojika politikan'ny Antoko Komonista Shinoa [AKS]. Tamin'ny dingana voalohany tamin'ny valan'aretina COVID-19, te hanohana ny vaksininy ny AKS ary hanova azy ireo ho andry eo amin'ny toekaren'ny firenena. Na iza na iza mandoa ny vaksiny, dia nivezivezy tao anatiny ny vola, ary toe-javatra samy nahazoan'ny roa tonta tombony izany [nampiseho ny heriny ny firenena, ary nahazo tombony sy nivoatra ireo mpanamboatra vaksiny]; raha miditra amin'ny tsena Shinoa ny Pfizer, na voarakotry ny fiantohana na ny paosin'ny marary manokana, mahazo tombony ny orinasa vahiny, menatra sy very vola i Shina.

Tamin'ny feo maneso, nanao vinavina hafakely momba ny fifanarahana fiantohana ara-pahasalamana tao amin'ny Twitter i Chen Xiaoping, mpanolotra fandaharana ao amin'ny Voices of America vatsian'ny fanjakana Amerikana vola:

Ireto ny sasany amin'ireo vinavinako hafakely momba ny fifanarahana fiantohana tsy nahomby teo amin'ny governemanta Shinoa sy ny Pfizer: 1. Tena tsy mahavita mividy i Shina raha tsy misy ny fihenam-bidy tsy mitombina. 2. Afaka manome tsiny an'i Etazonia noho ny fahafatesan'ny Sinoa ny firenena [satria nandà ny hampidina ny vidiny ny Pfizer]. 3. Tsy afaka mahazo fankatoavana amin'ny famonjena aina ao Shina i Amerika. 4. Tokony halefa any amin'ny orinasa Shinoa ny volan'ny firenena. Iza no azo inoana indrindra?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.