- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Antso hamotsorana ireo Saodiana Wikipediana roa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

 

Osama Khaled (ankavia) sy Ziyad Sufyani (ankavanana), wikipediana roa voaheloka higadra 32 sy 8 taona an-tranomaizina noho ny fikatrohana am-pilaminana an-jotra tao Arabia Saodita. Sary nomen'i GCHR. [1] Nampiasaina nahazoana alalana

Miantso ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo dokotera Saodiana roa sy ireo mpikatroka an'aterineto nosamborina tamin'ny taona 2020 noho ny fikatrohana an-jotra ny Access Now, ALQST for Human Rights, ARTICLE 19, Global Voices (GV), ny Gulf Center for Human Rights (GCHR) ary ny IFEX. Voaheloka higadra 30 taona mahery ny iray tamin'izy ireo, Osama Khalid.

Voaheloka higadra any Arabia Saodita i Osama Khalid sy Ziad Al-Sufyani, dokotera tanora roa fantatra amin'ny fandraisany anjara manao Lahatsoratra Wikipedia amin'ny teny Arabo [2]. Samy nandray anjara tamin'ny raki-pahalalàna an-jotra izy mirahalahy ireo, izay arindra sy tantanan'ny mpilatsaka an-tsitrapo, tao anatin’ny folo taona farany, ary nanitsy lahatsoratra momba ilay vehivavy mpiaro ny zon'olombelona Loujain Al-Hathloul. Nosamborina izy ireo tamin'ny fahavaratry ny taona 2020 raha tao anatin’ny fihibohana COVID-19 i Arabia Saodita ary voaheloka higadra 14 sy valo taona tsirairay avy aloha tamin’ny voalohany, talohan'ny nampitomboana ny sazin'i Khalid ho 32 taona taorian'ny fampiakarany ny didim-pitsarana. Vitsy ny antsipiriany fantatra momba ireo tranga roa ireo.

Tamin'ny volana Septambra 2022 no nitateran’ny [3] ALQST voalohany ny vaovao momba ny fanagadrana an'i Khalid sy ny sazy an-tranomaizina. Nozaraina niaraka tamin'ny vaovaon'ny raharaha iray hafa mikasika ny sazy lava dia lava nihatra tamin'ireo mpikatroka ara-poko Abdulilah Al-Huwaiti sy Abdullah Dukhail Al-Huwaiti izany, izay samy nahazo sazy 50 taona an-tranomaizina noho ny fanoherana ny fandroahana azy ireo an-keriny tamin’ny taniny mba hanomezana lalana ny fananganana ny tanàndehibe nofinofy NEOM [4].

Iray amin'ireo mpiaro ny fahalalahana amin'ny aterineto sy fanta-daza indrindra any Arabia Saodita i Osama Khalid. Milaza ny pejy Wikipedia azy manokana [5] fa nisy fiantraikany lehibe teo amin'ny fiainany ny asany ao anatin'ny Wikipedia, ary ny fiarovana sy fampiroboroboana ny fahalalahan'ny aterineto no anisan'ny laharam-pahamehany.

Indrisy anefa, nahatratra ny ambaratonga ambany indrindra tao anatin'ny taona maro ny fahalalahana an-tserasera ao Arabia Saodita, ary nitombo be ny tahan’ny famoretana. Nanao ezaka lehibe ny manampahefana Saodiana tsy hanatsarana fotsiny ny fifehezan'izy ireo ny aterineto, fa koa mba hampanginana ireo feon’ny mpanohitra anjotra.

Tsy raharaha maningana ny an’i Khalid sy Al-Sufyani na dia samy mampanahy mafy aza ny raharaha ireo. Raha ny marina, ohatra roa ihany amin'ny fironana vaovao mampanahy izy ireo, izay nanombohan'ny manampahefana Saodiana namoaka sazy lava dia lava ho an'ny olona noho ny fanehoan-kevitr'izy ireo tamin’ny fanohanany, tamin'ny alàlan'ny sehatra an-jotra isankarazany, ny zon'olombelona sy ny demokrasia, ary ny momba ny fanakianana am-pilaminana ny politikan'ny governemanta koa. Ankoatra izany, misy raharaha roa fanampiny ahitana ny an'ny mpiaro ny zon'ny vehivavy Salma Al-Shehab [6]  sy Nourah Al-Qahtani [7], izay samy nahazo sazy an-tranomaizina 34 sy 45 taona tsirairay avy noho ny lahatsoratra am-pilaminana momba ny hetsika mikasika ny zon'olombelona tao amin'ny Twitter.

“Malahelo izahay ary miahiahy mafy momba ireo fisamborana ireo sy ny fahavoazana naterak'izy ireo tamin'ny fahalalahana sy ny fiarovana an'i Osama Khalid sy Ziad Al-Sufyani. Mitovy hevitra amin'ireo vondrom-piarahamonina mpirotsaka an-tsitrapo Wikimedia manerana izao tontolo izao ny Orina Mpanasoa fa zon'olombelona ny fahazoana fahalalana,” hoy ny Orina Mpanasoa Wikimedia [8], ilay fikambanana tsy mitady tombontsoa mampiodina ny Wikipedia, tao anatin'ny fanambarana ho an'ireo fikambanana miisa enina mpiaro ny zon'olombelona.

Access Now, ALQST, ARTICLE 19, Global Voices, GCHR ary IFEX dia miantso ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Osama Khalid sy Ziad Al-Sufyani sy ireo mpikatroka amin’ny aterineto hafa ihany koa, anisan'izany Salma Al-Shehab sy Nourah Al-Qahtani izay misy ifandraisany mivantana amin'ny hetsika am-pilaminana anjotra nataon'izy ireo ny fisamborana sy ny fitsarana azy ireo tsy ara-drariny.

Miantso ireo manampahefana ao Arabia Saodita mba hanaja ny fahalalahan'ny daholobe ao anatin'izany ny fahalalahana maneho hevitra, na anjotra izany na ivelan-jotra, ireo FTMF=ONG miisa enina mpiaro ny zon'olombelona.