- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Undertones ao Pakistan: Miaramila, Vehivavy, Fanevatevana

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Civic Media Observatory, Country Monitor Observatory 2021-2022

Sary mampiseho ny sarintanin'ny tondra-drano taona 2022 tany Pakistan, avy amin'ny Global Voices

Ity tantara ity dia ampahany amin'ny taratasin-gazety Undertones avoakan'ny Civic Media Observatory [1]‘ an'ny Global Voices. Dinihin'ny Mpikaroka ny rohivoarin'ny fampitam-baovao ao amin'ny fireneny, ny fitantarana matanjaka indrindra amin'ny taona, ary izay azontsika antenaina amin'ny taona 2023. Manomboka ity andiany ity miaraka amin'i Pakistan izahay. Isaky ny mitendry fitantarana ianao dia ho afaka mahita famakafakana bebe kokoa sy lahatsoratra media mifandraika amin'izany. Mamandriha Undertones [2].

Tamin'ny taona 2022, niaina tao anatin'ny tondra-drano manan-tantara, ny fanonganana ny Praiminisitra (izay saika maty koa tamin'izany), ary ny firongatry ny herisetra ara-pivavahana i Pakistan.

Mihanaka ny fitantarana tsy tia miaramila

Iray amin'ireo fikorontanana mahaliana indrindra tamin'iny taona lasa iny ny fitomboan'ny fihetseham-po mankahala miaramila ao amin'ny firenena, fironana iray izay heverina hitohy amin'ny taona 2023. Heverina ho mpiantsehatra matanjaka indrindra ao amin'ny firenena ny miaramila ambony ao Pakistan, satria nitantana an'i Pakistan nandritra ny antsasan'ny fisiany ireo jeneraly ary namolavola ny politikany mangingina nandritra ny antsasany hafa.

Tamin'ny volana Avrily 2022, nesorina teo amin'ny fitondrana ny praiminisitra Imran Khan tamin'ny latsa-bato fitsipaham-pitokisana parlemantera herinandro vitsivitsy taorian'ny nisarahany hevitra tamin'ireo mpitarika ny tafika. Nanome tsiny am-pahibemaso ny miaramila noho ny fanesorana azy i Khan, mpitarika ny antoko Pakistan Tehreek-e-Insaf (PTI) ary tena olo-malaza sy mampisara-kevitra, nitondra ny mpanaraka azy be dia be niaraka taminy tamin'ny tolony manohitra ny miaramila. Nanakiana ampahibemaso ny fisian'ny tafika hatrany amin'ny lafiny rehetra amin'ny politika Pakistaney ihany koa ireo mpaneho hevitra tsy ara-politika sy mpanao gazety. Notantarainay tao amin'ity taratasin-gazety ity ity fironana tsy mbola nisy hatrizay tao Pakistan ity: “Niharihary tsy mahazatra any Pakistan ny tenirohy tsy tia ny tafika [3].”

Mety hihamafy ity fitantarana ity ny taona 2023 satria hiatrika fifidianana ankapobeny eo anelanelan'ny volana Jolay sy Septambra ny firenena, hoy i Ali Osman, iray amin'ireo mpikaroka ao Pakistan. Tombana iray hafa ny hoe mety hanalefaka ny fijoroany manoloana ny miaramila i Khan mba hahazoana indray ny fanohanan'izy ireo. Tsy mahagaga izany, satria efa nihemotra tamin'ny fijoroany mafy nanohitra an'i Etazonia i Khan.

Ny fitantarana mafonja indrindra eto dia ny hoe “Tsy maintsy mitsahatra tsy mitsabaka amin'ny politikan'ny firenena ny miaramila Pakistaney [4].” Tahaka izany ihany koa, nanondro ny ireo mampatanjaka ara-toekarena ny miaramila ao amin'ny firenena ihany koa ny Pakistaney tamin'ny filazana fa “orinasa ara-barotra tsy tompon'andraikitra ny miaramila Pakistaney [5].”

Toherina ny fikatrohana ataon'ny vehivavy

Sarotra ny fiainan'ny vehivavy mpanao gazety ao Pakistan. Tamin'ity taona ity, niatrika fanafihana an-jotra tsy mbola nisy toy izany izy ireo sy sotasota nataon'ireo mpanohana an'i Khan sy ireo manampahefana ao amin'ny governemanta. Fiampangana iray atao amin'izy ireo ny hoe karamain'ireo mpanao politika mpanohitra ireo vehivavy mpanao gazety ireo mba hanaratsy ny lazan'i Khan. Ny fitantarana eto dia ny hoe “mikatsaka ny hahazo ny PTI ireo vehivavy mpanao gazety [6].”

“Nahatsikaritra koa ny vehivavy fa toa lasa ara-dalàna amin'ny resaka politika midadasika kokoa ny resaka fanavahana lahy-vavy,” hoy i Ramsha Jahangir, mpikaroka iray hafa.  Lasa lohatenim-baovao tamin'ny diaben'ny Andron'ny Vehivavy Pakistaney tamin'ny 8 Marsa 2022, antsoina hoe Diabe Aurat ny fanamarihana mankahala vehivavy ataon'ireo mpitarika politika. Iray amin'ireo fitantarana lehibe nivezivezy tamin'izany fotoana izany ny hoe: “ Miezaka manitrika ny soatoavina tandrefana ho ao Pakistan ny feminista [7].”

“Ivon'ny tolona ho an'ny zon'ny lahy sy vavy ao Pakistan ny fandisoam-baovao sy ny ady amin'ny fitantarana ,” hoy i Osman.

Ireo vehivavy mpikatroka koa amin'ny lafiny iray, milaza fa “kendrena amin'ny fomba tsy ara-drariny ary iharan'ny tsikera sy fanararaotana ireo vehivavy mpanao gazety ao Pakistan [8].” Andrasana hitohy amin'ny taona 2023 ireo fitantarana ireo, satria mbola mitohy ny famoretana ny mpanao gazety sy ny fiarahamonim-pirenena ataon'ny miaramila.

Fahatezerana amin'ny lalàna fanalam-baraka diso fotoana

Hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 1947, dia natao ho firenena laika i Pakistan, saingy ankehitriny, heverin'ny ankamaroan'ny olom-pireneny ho fanjakana Islamika ny firenena, ary vitsy an'isa ny laika. Nihena ny foto-kevitra laika noho ny dindo Islamista nampiharina nandritra ny fotoana rehetra. Indrindra indrindra fa nampidirin'ilay mpanao didy jadona miaramila Islamista Jeneraly Zia-ul-Haq ao anatin'ny Fehezan-dalàna famaizana ao Pakistana ny lalàna henjana indrindra sy mampiady hevitra indrindra momba ny fanevatevana an'Andriamanitra eo amin'ireo firenena Miozolomana maro an'isa tamin'ny taona taona 1980.

“Satria tsy miraharaha porofo ireo lalàna ireo, lasa fitaovam-pamoretana ratsy indrindra izy ireo. Namono olona maro izy ireo ary nanjary tombony ho an'ny firongatry ny hiringiriny ara-pivavahana eo anivon'ny fiarahamonina Pakistaney,” hoy i Osman. Pakistaney maro no niteny nanohitra ireo lalàna ireo tamin'ny filazana fa “ bontolo, tsy ara-drariny ary mahafaty ny lalànan'ny fitenenan-dratsy an'Andriamanitra ao Pakistan [9]” ary “avela tsy hisazy ireo mpihetraketraka ara-pivavahana mahery setra ao Pakistana [10].”

Tamin'ny taona 2022, nisy ireo fanamelohana ho faty sy famonoana tsy ara-dalàna fanampiny tao Pakistana, izay ny vahoaka no mandray an-tanana ny famaizana alohan'ny fisamborana na fanasazian'ny fitsarana. Milaza ireo izay manohana ny herisetra ivelan'ny fitsarana fa  “fihetsika feno herim-po sy fahamarinana [11] ny fitsaram-bahoaka amin'ireo jiolahy [11]”.

Fitantarana manan-danja hafa miparitaka any Pakistan: