- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nampisy korontana tany amin'ny lanonam-panatanjahantena iraisampirenena ny Hiram-pirenen'i Hong Kong

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava

[1]

Susanna Lin nanao ny fihetsika “time out” [atsaharo] rehefa ny hira Glory to Hong Kong no nalefa nandritra ny lanonana fanomezan-doka nandritra ny Fifaninanana ho tompondakan'ny fibatana fonjamby aziatika tany Dubai tamin'ny 3 desambra 2022. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube TVB News.

Ny endrika ôrizinalin'ity lahatsoratra manaraka ity dia nosoratan'i Tom Grundy ary navoaka [2] tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 13 Novambra 2022. Navoaka indray tato amin'ny Global Voices ity dikan-teny nasiam-panovana manaraka ity noho ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny Hong Kong Free Press.

Nilaza i Chris Tang, lehiben'ny filaminana ao Hong Kong, fa “nandratra ny fihetseham-pon'ny vahoakan'i Hong Kong” ny valim-pitadiavana Google momba ny hira fanevan'ny tanàna, raha noteneniny fa ny Diaben'ny Volantera any Shina ny valin-karoka tiany ho avoakan'ilay goavan'ny teknolojia.

Izany no nanaraka ireo herinandro maro nandefasana amim-pahadisoana tany amin'ireo lanonam-pamaranana ara-panatanjahantena [3] ny hira fanevan'ny hetsika pro-demaokraty tamin'ny taona 2019 “Voninahitra ho an'i Hong Kong”, ary vao tamin'ny Novambra 2022 ny haingana indrindra tamin'izany, fa tsy ny hiram-pirenena Shinoa, izay dia mety noho karoka google ataon'ireo mpikarakaran'ny hetsika amin'ny “Hiram-pirenena Hong Kong.”

Rehefa nikaroka ilay andian-teny amin'ny teny anglisy ny HKFP tamin'ny alalan'ny mpitety miafina tamin'ny Alatsinainy 12 Desambra, ny valiny miteronterona ery ambony indrindra dia ny pejy Wikipedia manondro Glory to Hong Kong na Voninahitra ho an'i Hong Kong, izay lazain'ny governemanta fa mifandray amin'ireo fihetsiketsehana sy hetsika manohana an'i Hong Kong mahaleo tena tamin'ny taona 2019.

Tamin'ny taona 2019, maherin'ny iray tapitrisa ny mponin'i Hong Kong no nivondrona nanohitra ny fanitsiana ny volavolan-dalàna fandroahana ho any an-tanàna (tanibe) [4], izay manamora ny fandefasana ireo mpandositra any Shina tanibe. Niitatra ho fifandonana mahery vaika tamin'ny polisy misahana ny rotaka ny fihetsiketsehana am-pilaminana ary dia nikorontana tanteraka rehefa tsy nety nanaisotra ilay volavolan-dalàna ny governemanta.

Araka ny filazan'i Tang, nilaza i Google fa ny valiny navoakan'ny mili-pikarohana dia novokarin'ny algorithma tsy misy fitsabahan'ny olombelona:

We have approached Google to request that they put the correct national anthem at the top of their search results, but unfortunately, Google refused We felt great regret, and this has hurt the feelings of Hong Kong people.

Nanatona an'i Google izahay mba hangataka ny hametraka ny hiram-pirenena marina ho eo an-tampon'ny valim-pitadiavana, saingy indrisy fa nolavin'i Google. Tena mahatsiaro malahelo izay, ary tena mandona ny fihetseham-pon'ny vahoakan'i Hong Kong izany.

Nilaza i Tang fa tompon'andraikitra amin'ny valim-pitadiavana i Google satria manome valiny manokana hiseho amin'ny toerana manandanja raha misy olona mamatsy vola ho amin'izany ny servisy dokambarotra. Nanampy izy fa miatrika didim-pitsarana [5] avy amin'ny Vondrona Eoropeana i Google tamin'ity volana ity izay mitaky azy hanaisotra valim-pitadiavana diso toerana amin'ny tranonkalany.

Nilaza izy fa “handray ny fepetra rehetra” ny governemanta mba ho voahitsy ny valim-pitadiavana.

Nifandray tamin'i Google ny HKFP mba hahazo fanehoan-kevitra.

Sahotaka hiram-pirenena

Tamin'ny 13 Novambra, ny hiran'ny hetsi-panoherana “Voninahitra ho an'i Hong Kong” no re tamin'ny Rugby Sevens tany Korea Atsimo fa tsy ny hiram-pirenen'i Shina “Diaben'ny Volantera.”

Niteraka famotoran'ny polisy ny fahadisoana sy fangatahana hanaovana fanadihadiana, raha nisidina ho any Hong Kong ny filohan'ny Rugby Azia, Qais Abdulla Al Dhalai, mba hiala tsiny. Voalaza fa nitroka ny hira eo ambony indrindra avy amin'ny karoka “hiram-pirenena Hong Kong” ny mpikarakara [6].

Nipoitra andro nanaraka izany ny fahadisoana indroa misesy [7] nanondroana ny Glory to Hong Kong ho “hiram-pirenen'i Hong Kong” [7] tamin'ireo horonantsary tamin'ny fahitalavitra tamin'ny hetsika rugby hafa.

Ny tranga farany indrindra dia nandritra ny fiadiana ho tompondakan'i Azia amin'ny fibatana fonjamby klasika tany Dubai tamin'ny 3 Desambra, rehefa nanao ny fihetsika “fampitsaharana” [3] i Susanna Lin, ilay nahazo medaly volamena, rehefa nalefa ny Voninahitra ho an'i Hong Kong nandritra ny fanomezana loka. Taorian'ny trangam-pahadisoana teo aloha, namoaka toromarika ho an'ny fikambanana mpanao fanatanjahantena ny manam-pahefana nanizingizina [8] fa tokony hampiato ny fizotran-danonana ny atleta raha mandre ny hira faneva tsy izy ry zareo.

Notsipahan'ny tompon'andraikitra ara-panatanjahantena iray any Hong Kong ny fialan-tsiny avy amin'ny mpikarakara, ary nanao fanadihadiana ny Birao Misahana ny Heloka Bevava sy ny Fikambanan-jiolahy [9].

Tamin'ny volana lasa teo, nangataka tamin'ny mili-pikarohana iray ny governemanta mba hanapaingotra ny torohay marina [10] momba ny hiram-pirenena ho eo ambony indrindra amin'ny valin'ny fikarohana. Notaterin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana fa Google izany mili-pikarohana izany.

Lalàna tsy mazava

Nilaza ny governemanta fa “mifandray akaiky amin'ny fihetsiketsehana mahery setra sy ny hetsika [mitaky] ‘fahaleovantena’ amin'ny taona 2019 ilay hira. Na dia nahasarika mpikatroka vitsy manohana ny fahaleovantena aza ny fihetsiketsehana, dia tsy anisan'ny fitakian'ny hetsika izany.

Lehilahy iray 42 taona no voasambotra ho manao “fikomiana” [11] tamin'ny 23 Novambra noho ny fizarana horonan-tsary momba ilay fahadisoan-kiram-pirenena nahitana hafatra fisaorana — tsy nahazo fahafahana vonjimaika izy.

Tsy nety nilaza ny manampahefana raha toa ka tsy ara-dalàna ilay hira [12], na dia voarara any an-tsekoly aza izany, ary niditra an-tsehatra [13] ny polisy rehefa alefa ampahibemaso izany.

Nandritra izany fotoana izany, nanakiana ny governemanta Hong Kong ho mikirakira fanodikodinana fikorianam-baovao amin'ny aterineto ny Hong Kong Watch, vondrona mpikatroka ivelan'i Hong Kong :

Famantarana fanampiny amin'ny andrana nataon'ny #HKSAR hanitarana ny “Great Firewall” ho any #HongKong & hanery ireo mpamatsy aterineto ho lasa mpanao sivana tsy ofisialy. Misaotra an'i @Google noho ny fijoroana ho fanoherana ny polisy #HK & fandavana ny hanova ny filaharan'ny valim-pitadiavana .