Misokatra indray mialoha ny taombaovao manara-bolana ny sisintany ifanoloran'i Hong Kong sy i Shina

Sary nopihana avy tao Lok Ma Chau, fitodiana an-tanety mankany Shenzhen tamin'ny andro voalohany nisokafana indray. Avy ao amin'ny inmediahk (CC: AT-NC)

Nisokatra tamin'ny 8 Janoary 2023 ihany koa ny sisin-tany mampifandray an'i Hong Kong amin'i Shina, taorian'ny telo taona latsaka nisian'ny fameperana zero-COVID.

Tamin'ny andro voalohan'ny fanokafana ny sisintany indray dia nirohotra nankany Shina avy any Hong Kong ny mpitsidika. Araka ny filazan'ny manampahefana ao amin'ny fifindra-monina ao Hong Kong, olona 14.870 no tonga tao an-tanàna raha 34.756 no nivoaka tamin'ny fitodiana an-tanety manavatsava ny sisintanin'i Hong Kong sy Shenzhen tamin'ny andro voalohany.

Nitsinjo firohotan'ireo mpandeha avy amin'ny tanibe ho ao an-tanàna ny olom-pirenena satria efa fanaon'ny mponin'i Hong Kong manana fifandraisana amin'ny tanibe Shinoa ny miverina any an-tanindrazany alohan'ny Taombaovao Shinoa. Tombanana hivadika ny fironana aorian’ny fetin’ny taombaovao.

Tonga ny fanokafana ny sisintany rehefa niverina tamin'ny politikany zero-COVID [mg], izay nitaky amin'ny mpandeha hanaraka ny politikam-pahasalamana henjana, ao anatin'izany ny fitokana-monina mandritra ny herinandro, ny fametrahana fampiharana hanaovana fanaraha-maso ara-pahasalamana sy ny toerana misy azy, miiba valin'ny fitiliana PCR COVID-19 ao anatin'ny 48 ora hiaingana, sy ny maro hafa i Shina.

Ankehitriny, fahazoana fitiliana PCR miiba 48 ora alohan'ny fiaingana ihany no ilain'ny mpandeha na fitsapana haingana 24 ora mialoha mba hiampitana ny sisintany. Fa misy ny rafitra “quota”. Amin'izao fotoana izao, ny fetr'isa isan'andro ho an'ny mpandeha miditra na mivoaka dia 50.000 amin'ny fitodiana an-tanety ary 10.000 amin'ny sambo sy ny tetezana Macau-Zhuhai.

Manomboka ao anaty fielezan'ny COVID-19 manerana an'i Shina indray ny fisokafana. Niahiahy ny sasany amin'ireo Hong Kongers fa mety hahatery ny serivisin'ny hopitalim-panjakana ao an-tanàna sy ny kojakoja isan'andro, indrindra ny fanafody gripa sy tazo ireo mpandeha Shinoa avy any amin'ny Tanibe.

Raha ny marina, niatrika tsy fahampian'ny famatsiana marika fanafody sasany ny tanàna nanomboka tamin'ny faran'ny volana Desambra 2022, satria tsy maintsy nandefa fanafody ireo mponina manana fifandraisana amin'ny tanibe mba hanampiana ny namany sy ny fianakaviany any Shina. Ny sasany matahotra sao hitombo ny tsy fahampiana rehefa misokatra indray ny sisintany.

Araka ny fitsapan-kevitra iray, manodidina ny 44 isanjaton'ny mponina ao an-tanàna no manohana ny fanokafana tanteraka ny sisintanin'i Hong Kong-Shina, raha manohitra izany kosa ny 40 isanjato.

Maneho ny tebitebin'ny olona amin'ny sariny nasiam-panamboarana ny mpanakanto Hong Kong @surrealhk:

M I S O K A T R A   I N D R A Y

Mba hampitoniana ny ahiahim-bahoaka, nanantitrantitra ny governemantan'i Hong Kong fa hiantoka ny famatsiana fanafody tena ilaina sy hanohana ny fepetra takiana amin'ny fitiliana PCR alohan'ny fiampitana sisintany. Na izany aza, navadiky ny Ta Kung Pao — tohanan'ny fanjakana Shinoa —  tamin'ny alàlan'ny fanehoan-kevitra matoandahatsoratra, ho politika amim-pihetsika mamohehatra hiteraka fifandirana eo amin'i Hong Kong sy i Shina, ireo fanehoan-kevitra miiba manoloana ny politikan'ny fanokafana ny sisintany ary nandrisika ny manampahefana polisy izy handray andraikitra amin'ireo mpitsikera.

Raha nosoritan'ny fitantarana ofisialin'i Beijing, toy ny fanehoan-kevitra hita ao amin'ny Global Times — tohanan'ny fanjakana Shinoa — ho “fiantombohana vaovao” ho an'ny fihariana ny fanokafana indray ny sisintany, anisan'ireo nirohotra hiampita ny sisintany tamin'ny fitodiana an-tanety ny ankamaroan'ireo fianakaviana niaritra fisarahana efa ho telo taona noho ny politika zero-COVID.

Maherin'ny 1,12 tapitrisa ny isan'ireo Shinoan'ny Tanibe nifindra monina tany Hong Kong teo anelanelan'ny taona 1997 ka hatramin'ny taona 2021, ary maro no manana havana mivantana mipetraka ao amin'ny tanibe. Anisan’ireo nirohotra niampita ny sisin-tany tamin’ny andro voalohany fanokafana ny zanakavavy iray nitsidika ny rainy narary, tanoralahy iray nanambady tamin’ny taona taona 2018 saingy saingy tafasaraka ara-batana efa ho telo taona izao, ny zafikely iray maty raibe telo andro lasa izay, ary lehilahy iray lazondazony tsy nahita ny vadiny sy ny zanany vavy nandritra ny telo taona. Niampita sisintany tanaty fihetseham-po mifangaro nenina sy alahelo ary fifaliana izy ireo.

Ny ankamaroan'ireo fianakaviana miampita sisintany ireo dia avy amin'ny saranga antonony sy mitrongivaohomana, izay tsy manam-pahafahana hahafeno ny fepetra takian'ny fitokana-monina mandritra ny herinandro araka ny politikan'i Shina amin'ny zero-COVID noho ny asany.

Nanomboka nifampiraharaha tamin'i Shina ny governemantan'i Hong Kong mba hanokafana indray ny sisintany tamin'ny fiandohan'ny taona 2021. Mba hanaovana izany anefa dia notazonony ny fepetra henjana amin'ny fitokana-monin'ireo mpandeha vahiny tonga ka izany no nanimba ny satany maneran-tany ho fihaonan-dalana ara-bola sy ara-piaramanidina. Voaloa ny vidiny [nozakaina ny fanapahan-kevitra], saingy mbola nihatra ny fameperana amin'ny fiampitana sisintany mandra-panajanonan'i Shina ny zero-COVID ary teo amin'ny faratampony ny fihanaky ny COVID manerana ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.