Tamin'ny 27 Aogositra, saika ireo solontena rehetra avy amin'ny masoivoho vahiny ao Azerbaijan, ary koa ireo vahiny iraisam-pirenena hafa, dia nanatrika avokoa ilay kaonferansa iray notohanan'ny Fanjakana tao Shusha, ilay tanàna azo indray taorian'ny ady 44 andro nifanaovan'i Armenia sy Azerbaijan tamin'ny taona 2020. Ilay hetsika dia natokana ho an'ny “famerenana amin'ny laoniny sy fanarenana” ireo faritany azon'i azerbaijan indray taorian'ny ady. Saingy ny tsy fisian'ireo diplomaty Amerikana sy Frantsay tao amin'ny hetsika no toa nanafintohina ireo manampahefana.
Hikmet Hajiyev, lehiben'ny mpanolotsaina amin'ny pôlitika ivelany ny filoha, dia nanondro sy niampanga ireo firenena roa ireo ho tsy nanisy haja ny maha-iray tsy mivaky ny faritanin'i Azerbaijan tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ireo mpanao gazety taorian'ilay hetsika. Tonga hatrany amin'ny fiampangana “an'ireo sasantsasany” ho tsy manohana an'i Azerbaijan ny fanadihadiana iray, araka ny tatitry ny Eurasianet.
Fakàna sary maromaro sy fanombanan'ny fahitalavitra
Niteraka adihevitra teny anivon'ireo Azerbaijaney manampahaizana ara-politika sy ireo mpikambana avy amin'ny fiarahamonina sivily ny fanehoankevitr’ Hajiyev.
Araka ny voalazan'i Anar Mammadli, mpiaro ny zon'olombelona sady mpanorina ny Election Monitoring and Democracy Studies Centre (EMDS) dia diso toerana ny hatezeran'ny filoha. Tao anaty hafatra lavabe tao amin'ny Facebook, nanoratra i Mammadli hoe ny hetsika tamin'ny 27 Aogositra sy ireo fitsidihana mitovitovy amin'izany dia manana “tanjona tokana : fampitomboana ny fanombanana ho an'ireo sangany ara-politika eo amin'ny fitondrana”.
Azerbaijaney iray hafa mpikatroka ho an'ny zon'olombelona, Bakhtiyar Hajiyev, no nilaza tamin'ny Azadliq Radio, sampan'ny Radio Liberty ao Azerbaijan, fa “tsy mety” ny hamaritana ny tsy fahatongavan'ireo diplaomaty Frantsay sy ny Amerikàna ho toy ny tsy fanajàna. Nolazain'i Hajiyev tamin'ny Radio Liberty fa vao tamin'nyvolana lasa iny, ny filoha Ilham Aliyev dia nanoratra taratasy ho an'ny filoha Biden tamin'ny andro fitsingerenan'ny nahazoan'i Etazonia ny fahaleovantenany, nanehoany ny fankasitrahany ny filoha amerikàna tamin'ny fanohanany ny fiandrianam-pirenen'i Azerbaidjan sy ny maha-iray tsy mivaky ny faritaniny hatramin'ny andro voalohany nahazoany fahaleovantena.
Tao anaty lahatsoratra Facebook, Jamil Hasanli, Azerbaijaney iray mpanao pôlitika, no nanoritsoritra ihany koa ny fanambaràn'i Hajiyev mikasika an'i Etazonia sy Frantsa “ho diso hatrany ifotony”.
Diso hatrany ifotony ny mampifandray ny fanajana ny maha-iray tsy mivaky ny faritany amin'ny fandraisana anjaran'ireo masoivoho vahiny amina hetsika. Tsy manana adidy amin'izany izy ireo.
Tao anaty tafatafa iray nataon'ny masoivohom-baovao Turan, ny masoivoho Amerikana teo aloha tao Azerbaijan, Richard Kauzlarich, dia niteny, fa na mbola izy aza no masoivoho teo dia tsy ho nanatrika ilay hetsika ihany koa izy raha toa mbola tsy voasonia ny fifanarahana fandriampahalemana farany teo amin'i Armenia sy Azerbaijan. “Mety nandeha tany aho, tamin'ny fotoana rehetra miankina amin'izay safidiko manokana, fa tsy hoe “nasaina”, hoy i Kauzlarich. Raha tsy izany, fakàna sary fotsiny no tanjon'ny fitsidihana tahaka izao, hoy ity masoivoho teo aloha ity.
Nizara ity sary niarahana manaraka ity i Hajiyev tamin'ny fiafaran'ny fitsidihana :
Shusha trip of diplomatic corps with resident and non-resident Ambassadors and diplomats ended with family photo in front of Shusha fortress. pic.twitter.com/Lg8w46J6sf
— Hikmet Hajiyev (@HikmetHajiyev) August 27, 2022
Nifarana tamin'ny fakàna sary niaraka manoloana ny rova kelin'i Shusha ny fitsidihana diplaomatika nataon'ireo diplomaty niaraka tamin'ny masoivoho sy diplomaty monina sy tsy monina ao an-toerana.
Teo ambany fifehezan'ireo mponina manam-piaviana Armeniana ao aminy ny faritra Nagorno-Karabakh amin'ny maha Firenena nanambara samirery ny fijoroany azy hatramin'ny ady natao tamin'ny fiandohan'ny taona 1990, izay nifarana tamin'ny fampitsaharana ady sy fandresena ara-tafika ho an'ny Armeniana tamin'ny taona 1994. Ny ampitson'ny ady voalohany, Repoblika iray vaovaon'i Nagorno-Karabakh no natsangana, tsy neken'ny sehatra iraisam-pirenena. Faritra fito mifanila no nofehezin‘ny tafika Armeniana. Vokatr'io ady io, “olona iray tapitrisa mahery no voatery niala tao an-tranony : nandositra an'i Armenia, Nagorno-Karabakh sy ireo faritany mifanila aminy ireo Azerbaijaney, raha toa nandao ny trano fonenanany tao Azerbaijan kosa ireo Armeniàna,” araka ny voalazan‘ny International Crisis Group, fikambanana iray tsy miankina miasa ho fisorohana ny ady sy famolavolana ny politika.
Taorian'ny ady faharoa tao Karabakh tamin'ny taona 2020 dia niverina nandray ny fifehezana ny ampahany lehibe tamin'ireo faritra fito voageja teo aloha indray i Azerbaijan. Azon’i Azerbaijan nandritra ilay ady ihany koa ny ampahatelon'i Karabakh .
Tamin'ny 10 Novambra 2020, nanao sonia fifanarahana iray fampitsaharana ady i Armenia sy Azerbaijan teo ambany fiahian'i Rosia. Anisany tao anatin'ireo teboka fifanarahana maromaro dia nifanaiky i Armenia sy Azerbaijan fa tafika Rosiana mpampandry tany miisa 1.960 no hijanona any amin'ny faritr'i Karabakh “tsy lasan'i Azerbaijan sy ao amin'ny lalantsara tery mampitohy amin'i Armenia mamakivaky ny distrika Azerbaijaney ao Lachin.”
Hatramin'ny nanaovana sonia ny fifanarahana tamin'ny Novambra 2020 dia nisy tatitra marobe mikasika ny fanitsakitsahana ny fampitsaharana ady, ka samy nifanome tsiny ho nitarika ny fipoahana ny andaniny sy ankilany. Tamin'ny volana Martsa, nofehezin'ny tafika Azerbaijan ny fanarahamaso ny tanàna stratejika ao Farrukh, ao atsinanan'i Karabakh, narovan'ireo tafika Rosiana misatro-manga. Ny hetsika mahery vaika farany indrindra dia izay notaterina tamin'ny volana Aogositra rehefa naka toerana stratejika hafa i Azerbaijan taorian'ilay hetsika iray nantsoina hoe “Valifaty“.
❗️Attempts to “resuscitate” the de-facto non-functioning Minsk Group may result the #USA to be estranged from the process of normalization of #Azerbaijan-#Armenia relations. Karabakh conflict has been resolved & Karabakh is an integral part of Azerbaijan 🇦🇿. @StateDept
— Leyla Abdullayeva (@LAbdullayevaMFA) August 25, 2022
❗️ Ny fikasana “hamelona indray” ny Vondrona Minsk izay tsy niasa dia mety hitarika ny fampanalavirana an'i Etazonia amin'ny dingan'ny fampanaraham-penitra ny fifandraisana #Azerbaijan-#Armenia. Nilamina ny fifandirana tao Karabakh & Karabakh dia ampahany iray tsy mivaky amin'i Azerbaijan 🇦🇿. @StateDept
Alili, raha niresaka teo amin'ny masoivohom-baovaon'i Turan, dia nilaza fa ny fanendren'i Etazonia solontena iray vaovao ao amin'ny Vondrona Minsk dia midika ho fikasana “hamelona indray” ilay fikambanana izay nahilika nandritra ny ady faharoa tao Karabakh.”
Ny antsipirihany iray manan-danja adinon‘i Hajiyev tamin'ny fitsikerana ireo diplomaty vahiny dia ny fiafaran'ny iraka nataon'ny masoivoho Amerikana tany Azerbaijan (tamin'ny 2 Aogositra, i Hugo Guevara no voatendry ho tomponandraikitra vaovao mandra-pandraisan'i Mark W. Libby, masoivoho vaovao ny asany, ) raha toa ka andalam-pifaranana ny fe-potoam-piasan'ny masoivohon'i Frantsa ary tsy tao an-toerana ilay masoivoho amperinasa nandritra ny fitsidihana niarahana tany Choucha.