- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olana mbola tsy ho foana ny fanararaotana ireo zaza tezain'ny fanjakana ao Jamaika, nefa ny rafitra ve no hotsiniana?

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
[1]

Sary misongadina ao amin'ny Canva Pro [1].

Tato anatin'ny andro dimy farany, nisy onjam-pahatairana sy hasosorana tao Jamaika noho ny fitarainan'ny ankamaroan'ireo ankizy tena marefo ao aminy: ireo iadidian'ny fanjakana. Nisy tatitra iray faran'izay mampahatahotra [2] avy amin'ny Office of the Children’s Advocate (OCA) [3] Biraon'ny Mpisolovava ny Ankizy — kaomisiôna parlemantera iray nampiandraiketina ny fampanajàna sy fiarovana ny zo sy ny tombontsoa ambonin'ireo ankizy, natsangana tamin'ny 2006 araka ny Lalàna momba ny Fiahiana sy Fiarovana ny Ankizy [4] — napetraka tao amin'ny parlemanta tamin'ny 10 Janoary. Omen'izy io amin'ny antsipirihany ny fifandraisana mampiahiahy misy amin'ny masoivoho Child Protection & Family Services Agency (CPFSA) [5] sy ilay Amerikàna mpanorina fikambanana ara-pinoana, izay ampangaina ho manao fitondrantena tsy mendrika any amin'ireo toeram-pitaizana marobe an'ny fanjakana.

Tondroin'ilay tatitra ihany koa ny CPFSA, ary indrindra fa ny tale jeneraliny, Rosalie Gage-Grey, noho ny tsy fahamailoany sy ny mety ho fanelingelenana ny fanadihadiana ataon'ny  OCA. Nampangainy i [2] Gage-Grey ho tsy nahavita ny adidim-pitantanany sy ny andraikitra ara-môraly nanoloana ireo ankizy fahiny notazain'ny fanjakana izay napetraka tao amina akany vonjimaika iray antsoina hoe The Father’s House - Ny Tranon'ny Ray:

Ny valinteniny dia mampiseho fa tsy tonga saina mihitsy izy, na nanana fomba fitondra tsy ampy fitandremana momba ny faharefoana goavana izay mamatotra azy ireo, tsy hoe fotsiny raha mbola tsy ampy taona ry zareo (izany hoe latsaky ny 18 taona), fa koa aorian'izay sy mandritra ny tetezamita lalovan'izy ireny ivelan'ilay rafitra fiahiana ôfisialy..

Ny Embracing Orphans [6], fikambanana tantanin'i  Carl Robanske, ilay Amerikàna voatanisa ao anaty tatitra, nanitrikitrika fa “mino ny fitiavan'i Jesosy izy […] ary amin'ny alàlan'ny fitiavaNY no ikarakaranay ireo ankizy kamboty, niharam-panararaotana, natao tsinontsinona teto Jamaika.” Tamin'ny 2009 [7], taona roa taorian'ny nanombohan'izy io niasa tao Jamaika, nandrary fifandraisana tamin'ilay nantsoina tamin'izany fotoana izany hoe Child Development Agency (efa niova anarana).

Tamin'ny 2011 no nanomboka ny fanofàna ny Tranon'ny Ray, ary tamin'ny 2013, nanomboka nandray ireo ankizy tezain'ny fanjakàna natolotry ny CPFSA. Tany amin'ny 2016, Robanske, izay nantsoin'ireo ankizivavy jamaikàna hoe “Dadatoa Carl” [8], dia voaheloka noho ny tsy fahaizana mitondra tena tamin'ny nataony tamina mpianatra iray tao Etazonia, ary naato nandritra ny roa taona ny fahazoandàlany manabe [9] tao amin'ny Fanjakan'i Washington. Ilay didy fampiatoana dia nitanisa “ireo porofo mazava sy maharesy lahatra hoe manana olana amin'ny resaka fitondrantena Ing. Robanske, mitondra loza mitatao ho an'ny fiahiana ny fanabeazana na ny fiarovana ireo mpianatra, ny mpampianatra na ireo hafa mpiaramiasa ao anatin'ny sehatry ny fanabeazana.” Voalaza fa toa nanamarika ny psikôlôgy iray hoe mety hamerina io fitondrantena io izy ary hampidi-doza ny fiarovana ireo olona mifanerasera aminy.

Araka ny tatitry ny OCA, nilaza ny CPFSA fa nahafantatra ilay fampiatoana an'i Robanske tamin'ny 2018, saingy ny fifandraisana tamin'ny Embracing Orphans kosa nitohy “tsy tapaka.”

Teraka avy amin'ny [10] tantara iray nalefa tao amin'ny onjapeo Nationwide News Network tamin'ny Martsa 2021, sy ny fangatahana iray nataon'ny Ministeran'ny Fanabeazana mba hanaovana fanadihadiana momba ilay olana, ilay tatitra dia vokatr'ireo fanadihadiana naharitra efa ho roa taona. Tany amin'ny faramparan'io taona io, tsy nisy setriny [11]avy amin'ny governemanta momba ilay olana. Nandritra ny tafa ho an'ireo mpanao gazety, natao tamin'ny Aprily 2021, Fayval Williams, minisitry ny fanabeazna dia nanamafy [12] fa ny ministera iadidiany dia nampiato ny fifandraisna amin'ny Embracing Orphans, izay efa tokony nandao tao anatin'ny 90 andro ny toerana nampanofaina azy ireo.

Io onjampeo io ihany no nitatitra [13] fa nisy ny tombontsoa ara-bola ho an'ireo toeram-pitaizana sasany, isan'izany ny fivahinianana any Etazonia. Nomarihan'ny tatitry ny OCA fa nanambara ny ankizy iray hoe tsy nanao fitarainana mahakasika fanararaotana izy tany am-boalohany, na nisintona lakolosy fanairana, satria i Robanske no mpiantoka ny saram-pianarany ary tsy tiany ho votsotra ireo fanohanana ara-bola. Nitohy ny fifaneraserany tamin'ireo ankizivavy, na fifanatrehana mivantana izany, na tanaty tambajotra, izay ny sasantsasany toa hoe voapika sary sy noraketin'ny sipan'ny iray tamin'ireo ankizivavy.

Raha niteny nanoloana ny parlemanta tamin'ny 10 Janoary, nolazain'ny minisitra Williams, izay indraindray mangovitra ny feony, fa ny OCA dia nanoro hevitra ny hamindràna toerana ny tale iray sy reny mpiahy iray voatonona anarana tao anatin'ilay tatitra noho ny fiahiahiana azy ireo ho niray tsikombakomba. Na teo aza ireo tatitra marobe hoe nanapaka ny fifandraisana izy,  toy ny milaza izy [14] hoe voafitaky ny mpitantana ny CPFSA :

Tezitra  aho rehefa mieritreritra hoe taorian'ilay tatitra dia nisy torolàlana mazava nomena, nisy fanarahamaso tsy tapaka […]  Tsy voafehy ny toedraharaha. Tsy azo leferina izany.

Miainga avy amin'ny tatitry ny OCA, tsy tombontsoan'ireo zanatsika eo ambany fiahian'ny fanjakana ny hoe hitazonana amin'ny toerany ny tale jeneralina'ny CPFSA hitarika ilay masoivoho, nefa sady misy fanadihadiana lalina atao. Araka izany dia takiako ny hisintahany, farafaharatsiny mandra-pikaton'izay fanapahankevitra raisin'ny kaomisiônam-panjakana.

Natolotra ho an'ny pôlisy [15] ilay tatitra, ary ny ministeran'ny fanabeazana dia nangataka ihany koa torohevitra [14] tamin'ny kaomisiônan'ny asam-panjakana. Samy tsy nisy nanao fanambaràna momba io resaka io, na ilay masoivoho mpanatanteraka, na ny tale jeneraliny, ary ilay tale jeneraly dia voalaza fa miasa [16] toy ny mahazatra ihany.

Naneho ny hatairany sy ny hatezerany ireo Jamaikàna mpisera amin'ny aterineto, ka nisy iray nanondro ilay vahiny fotsy hoditra miafina ao ambadiky ny resaka fivavahana:

Ahoana no namelàna mpiremby iray ho afaka mifandray amin'ireo ankizy tamin'ny alàlan'ny iray amin'ireo masoivoho noforonina mba hiarovana ny ankizy ? Tsotra. Vahiny fotsy hoditra iray nilaza ho nahazo aingam-panahy avy amin'ny andriamanitry ny kristianina. Kanefa, tsy vonona hiatrika marina an'izany ianareo, noho izany, avelao aho hiverina hanao ny asan'ny sasany.

— Kenyatta Powell (mpahazo tombony be amin'ny heloka bevava) (@kenyatta_pow)

Roa taona lasa izay, nanana fanontaniana marobe momba an'i Robanske ilay mpisolovava sady mpikatroka, Alexis Goffe:

io no nolovainareo.  Ny rafitra “fiarovana” ny fahazazàna dia akanin'ny fanararaotana ankizy sy fanjakan'ny tsimatimanota.
Rehefa mandinika ny raharaha Carl Robanske & #EmbracingOrphans [18] (EO)
1) Natsahatry ny CPFSA sy ny governemanta ve ilay fiarahamiasa amin'ny Robanske sy ny fikambanana najorony? Raha eny, omeo ny porofo https://t.co/5iqkTAqOcu [19]

— Alexis Goffe (@LexGoffe)

Olona iray nanoratra taratasy [21] no nanipika ireo fanamarihana nataon'ny tomponandraikitra iray avy ao amin'ny governemanta tao amin'ny onjampeo, hoe nijapy vintana iray fanararaotra i Robanske, ary dia nitondra voka-dratsy:

Tsikaritr'i Carl Robanske fa mila fanamorana tsaratsara kokoa ireo toeram-pitaizana sahanin'ny fanjakana jamaikàna. Ndao àry heverintsika izay mba tambiny azon'i Jamaika. Toeram-pitaizana marobe any anatin'ireo fotodrafitrasan'ny fanjakana ankehitriny no mety ho rava mandrakizay, raha araka ireo honohono sy fiampangàna nataona rantsana iray hafa mpanaramaso ao Jamaika, izay toa tsy ho avotra intsony mihitsy .

Mazava amiko fa ao anatin'ity tantara ity, ny filantsika sy ny faniriantsika dia tena noararaotina tanteraka noho ity kolontsaina mamohehatra ao Jamaika ity: tampi-maso ho takalona tombontsoa manify dia manify. Eny e, tsy hita pesimpesenina ny sanda naloantsika teto.

Tao anaty tatitra iray tamin'ny Jona 2022, nomarihan'ny [22] UNICEF Jamaica fa “tsy ampy tohana ara-bola sy olombelona” ny rafitra fiarovana ny ankizy ao amin'ilay firenena.” Raha ireo porofo sy angondrakitra nangonina teo anelanelan'ny Jona sy Desambra 2021 no ianteherana, noantitranterin'ny masoivohon'ilay Firenena Mikambana ny filàna mampihena ny fiankinan-doha amin'ny famatsiambola avy any ivelany, ary nentaniny ny hanamafisana ny fijerena akaiky, ny fandrindràna, ny fanarahamaso sy fitsinjarana fitaovana ao anatin'ilay sehatra, hatramin'ny pôlitikam-pisorohana izay rehetra endrika herisetra manjo ny ankizy.

Momba ilay olan'ny ankizy tezain'ny fanjakana izay miverina indray ho eny alohan'ny sehatra, dia naneho ny hasosorany sy ny hatezerany ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona, na teo aza ireo hetsi-panoherana [23]nalaza be teny anaty fampahalalambaovao sy ny fandrakofana be natao azy ireny. Ny Lehiben'ny Fitsaràna Jamaikàna, Mickel Jackson, nidera ny OCA noho ny nanaovany ilay tatitra ho hitan'ny daholobe:

Tsy maintsy averiko indray ilay izy, “bravo” ry OCA tamin'iny tatitra iny. Tena mandrisika ahy ny fahavononan'ny olona hanao hetsi-panoherana. Antenaiko fa ireo fanadihadiana hafa dia mbola hamongatra olana bebe kokoa mba hisian'ny fandraisana andraikitra bebe kokoa. Ankoatra izay, antenaiko fa raha misy tovovavy voakitika dia mba hahazo fanohanana izy ireny https://t.co/dQwIkez5Yt [26]

Nino ihany koa izy fa nisy ny hadisoan'ny rafitra:

Atsaharo ny fangatahantsika andro momba io olana io. Vokatry ny tsy fahombiazan'ny andrimpanjakana ny tsy rariny nataon'i Robanske. Tsy ananan'ilay minisitra ihany koa ny fomba firoso mba « handraisana ny omby amin'ny tandrony ». Na teo aza ireo tatitra marobe/fehinkevitra momba ireo zavadoza tsy tambo ho isaina nitranga taloha, hatreto, zara raha mihetsika !

– Mickel Jackson (@Mikkie_J)

Gabriela Morris, mpitondratenin'ny mpanohitra, dia nitaky ny hanaovana fitsirihana [28] an'ireo rehetra toeram-pitaizana ankizy. Iray hafa mpikambana ao amin'ny fanoherana, Dr. Angela Brown Burke, nanosoka hevitra [29] hoe tokony ho ampahafantarina ny rehetra ny Rejisitr'ireo Mpanao Herisetra ara-Nofo ao Jamaika.  Toa hoe anaran'olona 300 no hita ao anatin'ilay rejisitra.

Ilay mpikatroka mpiaro zon'olombelona sady tela mpanatanteraka ao amin'ny Stand Up for Jamaica, Maria Carla Gullotta, dia nampiasa ihany koa ny fitanisàna nataon'io Jamaikàna io tao anaty fanambaràna an-gazety iray [30]:

Tsy misy fanambaràna mazava kokoa azo hilazana ny momba ny fanahin'ny fiarahamonina afa-tsy ny fomba fitondrany ireo taranany” ~ Nelson Mandela

Ahoana ny antsika eto Jamaika

— Radicalized Griot-Scholar 🧠 (@paulwivey1)

Tamin'ny May 2022, misy ihany koa honohono nivoaka [32] momba ny fanararaotana ireo zaza tsy ampy taona tezain'ny fanjakana any amin'ny faritra iray hafa ao Karaiba, Trinidad & Tobago.