- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mety hanafoana ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera ny didim-panjakana vaovaon'i Thailandy

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava

 

Thai internet cafe [1]

Miandry ny mpanjifa ny cybercafé ao amin'ny Central World Mall. Sary [1] sy fanazavana avy amin'ny pejy Flickr an'ny Bankin’ny Fampandrosoana Aziatika. Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-NC-ND 2.0 [2])

Nanan-kery tamin’ny 25 Desambra 2022 ny didim-panjakana [3] navoakan'ny governemantan'i Thailandy amin'ny antsipiriany momba ireo dingana amin'ny “Fampitsaharana ny Fanaparitaham-baovao sy ny Fanesorana ny Angona Solosaina ao amin'ny Rafitra Informatika B.E. 2565”. Lany io didim-panjakana io na dia teo aza ny antso nataon’ny firaisamonim-pirenena isankarazany mba hisintonana ilay didy aman-dalàna vaovao satria misy andininy mety hanafoana bebe kokoa ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera ao anatiny.

Manome fahefana ny tompon'andraikitra ao amin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fiarahamonina Nomerika (MDES) hamoaka didy fanafoanana ireo votoaty mandika ny lalàna momba ny heloka atao amin'ny alàlan’ny Solosaina (CCA) ity didim-panjakana ity. Nampitandrina ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa “tena olana ary miteraka fandikan-dalàna maro tsy voafaritra mazava” ny andininy faha-14 ao amin'ny CCA satria manameloka ireo votoaty izay “manimba ny vahoaka, miteraka korontana, manimba fotodrafitrasan'ny daholobe, ny filaminam-bahoaka na ny fiarovam-panjakana, ny filaminam-bahoaka na ny filaminana ara-toekarena, na ny zava-betaveta.”

Mety hiharan'ny sazy ireo mpamatsy aterineto raha tsy mamaly ny baiko momba ny fanesorana ao anatin'ny 24 ora. Mety hanamafy ny sivana an-tserasera izany raha toa ka manaraka ny politikan'ny “mankatoa aloha vao manombantombana avy eo” ireo mpamatsy aterineto mba hialana amin'ny fanenjehana.

Namoaka fanambarana ny vondrona monina any Azia Atsimo Atsinanana, izay ao anatin’ny Fiaraha-mientan'ny faritra ASEAN amin'ny #AtsaharonyDidyJadonaNomerika [4], milaza ny didim-panjakana vaovao ho “fitaovam-pifehezana iray hafa ho an’ny manampahefana hampanginana ireo tsy fitovian-kevitra manakiana, ary taratry ny didy jadona nomerika ao Thailandy.” Nampitandrina izy ireo fa azo esorina ny votoaty na dia tsy misy didim-pitsarana aza:

By mandating service providers to comply with any complaint they receive, irrespective of its basis, necessity, or proportionality, the Thai government is putting service providers under immense pressure to remove content. This will likely result in service providers removing content with haste to avoid penalties, to the detriment of people’s right to freedom of expression and information.

Mametraka ireo mpamatsy aterineto ho eo ambany fanerena mafy mba hanala votoaty ny governemanta Thailandey amin'ny alàlan'ny fanerena ireo mpamatsy aterineto hanaja ny fitoriana rehetra voarainy, na inona na inona antony, ilana izany, na araka ny fifandanjana. Izany dia mety hiafara amin'ny fanalan’ny mpamatsy aterineto votoaty haingana mba hialana amin'ny sazy, izay manimba ny zon'ny olona amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy hahazo vaovao.

Nanolo ny didim-panjakana teo aloha tamin'ny taona 2017 ny didim-panjakana ary manery ireo mpamatsy aterineto hanala votoaty voalaza fa mandika ny #Lalàna mifehy ny Heloka Bevava amin’ny Alàlan’ny Solosaina [5] ao anatin'ny fe-potoana famoretana, fanitsakitsahana mazava ny #zo nomerika [6] SY #fanehoan-kevitra malalaka [7] an’ny vahoaka Thailandey.

Nanakiana ny andininy jadona tamin'ny didim-panjakana [10] ny vondrona manerantany toa ny Access Now, ARTICLE 19, ary ny Vaomieran’ny Mpitsara Iraisampirenena tao anatin’ny fanambarana iombonana:

The mere one-day timeframe for content removals is especially draconian where there has been no judicial authorization of takedown orders.

Tena didy jadona ny fe-potoana iray andro monja amin'ny fanesorana votoaty raha tsy nisy fanomezan-dàlana avy amin’ny fitsarana momba ny didy hanesorana izany.

Nampian'izy ireo fa mety hanasarotra kokoa ho an'ny Thailandey amin'ny fampiharana ny fahalalahana maneho hevitra ilay didim-panjakana:

The granting of this broad authority is likely to result in online expression and information being arbitrarily curtailed even beyond the excessively expansive interferences already allowed under the existing Thai legal framework.

Mety hiafara amin'ny fanohintohinana tsy amin’antony ny fanehoan-kevitra an-tserasera sy ny fampahalalam-baovao ny fanomezana an'io fahefana midadasika io ary mety mihoatra ireo fitsabahana tafahoatra midadasika izay efa nomena alàlana araka ny rafitra ara-dalàna Thailandey efa misy aza.

Misy ny tatitra nanamarika ny fihenan'ny fahalalahana maneho hevitra ao Thailandy [11] satria nampiasa ny valan'aretina COVID-19 ny governemanta handràrana ny fivoriambe faobe sy hitanana ireo mpitsikera voampanga ho manimba ny filaminam-bahoaka. Mbola misy ireo fepetra ireo na dia teo aza ny fanalefahana ireo fameperana hafa amin'ny vanim-potoanan'ny valan’aretina. Nampiasa ny lalàna henjana Lese Majeste [12](Faniratsirana Mpanjaka) koa ny manampahefana hanamelohana ny fanakianana ara-drariny.

Nisioka momba ny fiantraikan'ilay didim-panjakana vaovao ho an'ireo fikambanana media i Arthit Suriyawongkul, mpiaro ny zo nomerika.

Mila manara-maso ny fangatahana fanesorana saika amin'ny fotoana rehetra ny fampahalalam-baovao sy ny fantsona media sosialy amin'ny asa fanaovan-gazety – satria ao anatin'ny 24 ORA ny fepetran’ny fanesorana.
Mety hitarika amin'ny fanapahan-kevitra hanaisotra mihoatra noho ny tokony ho izy ny fe-potoana fohy amin’ny fitakiana – mba hialana amin'ny maha tompon’andraikitra.

Nohamafisiny ihany koa fa ny fitondram-panjakana no namolavola io didim-panjakana io nefa tsy nifampidinika tamin’ireo mpandray anjara rehetra.

Ny fomba nandrafetana sy nanambarana azy no zavatra mahaliana indrindra amin'ity Fanambarana momba ny Fanamarihana sy ny Fanesorana ataon’ny Ministera ity.
Nianatra momba ny lalàna niaraka tamin'ny vahoaka ny mpiasam-panjakana MDES.
‘Niresaka’ tamin'ny Minisitera nihidy varavarana ny sehatra tsy miankina.

Natomboka ny fanangonan-tsonia an-tserasera [15] miantso ny fanafoanana ny didim-panjakana. Manana hafatra omena ny manampahefana Thailandey [16] ny fiarahamonim-pirenena : “Mba hanatrarana ny tena demokrasia, mila malalaka ny habaka an-jotra, ary tsy maintsy arovana ny zo amin'ny fahalalahana maneho hevitra, na an-tserasera na ivelan’ny aterineto!”