- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny olana amin'izao fotoana izao sy tsy mitsahatry ny herisetra an-tokantrano ao Zeorzia

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Zeorzia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Sary an'i Mika Baumeister [1]. Azo ampiasaina malalaka miaraka amin'ny lisansa Unsplash [2].

Ity lahatsoratra ity dia nivoaka voalohany [3] tao amin'ny Chaikhana Media. Dika iray nasiana fanovàna no averina avoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Iray amin'ny vehivavy fito ao Zeorzia no nizaka herisetra an-tokantrano teo amin'ny androm-piainany, araka ny tatitra 2018 avy amin'ny UN Women [4]. Raha ireo mpikatroka mahamarika fa nandroso ny firenena tamin'ny lafiny ady amin'ilay olana, misy fifangaroana mahafatin'ireo fadifady ara-kolontsaina sy ny tsy fahampiam-pitaovana manasarotra ny fanovàna. Tena vao haingana kely, naverina noresahana indray ny herisetra an-tokantrano rehefa nisy ramatoa iray novonoin'ny vadiny tamin'ny fomba feno habibiana [5] tamin'ny Novambra 2022.

Fanamby iray amin'ny ampahany ny fiatrehana ny fanararaotana ao an-tokantrano satria ara-pombandrazana, dia olan'ny tokantrano no ijeren'ny pôlisy zeorziàna ny fanararaotana, fa tsy olana araka ny lalàna. Baia Pataraia, mpisolovava iray mpiaro zon'olombelona izay nanampy tamin'ny fanavaozana voalohany ny rafitry ny lalàna manameloka ny herisetra an-tokantrano tao Zeorzia, dia manamarika fa nandritra ny taona roa voalohany, na ny pôlisy, na ny tribonaly dia samy tsy nisy liana tamin'izay raharaha fanenjehana sy fanadihadiana.

Fa niova izany tamin'ny 2014 rehefa nisy fitomboany ny isan'ireo vehivavy [6] novonoin'ireo nanao herisetra tamin-dry zareo. Nandefa onja tany anatin'ny rafitra tany ireo mpamono. “Toy ny karazana onja feminisma vaovao ilay izy,” hoy ny tsiaron'i Pataraia, filohan'ny fikambanam-behivavy Sapari.

“Taorian'izany, efa vitantsika sahady ny nandany fepetra sy lalàna isankarazany izay nilaina hisiana fanadihadiana mahomby, ary hatreto dia efa manana rafi-dalàna azo ambara ho efa mivoatra isika.”

Amin'ny maha-tale azy amin'ny toeram-pialofana iray ho an'ireo vehivavy niharan'ny herisetra arahan'ireo zanany ao Tbilisi, tsikaritr'i Gvantsa Bakradze ny fiantraikan'ireo ezaka tsy mitsahatra ataon'i Zeorzia hiadiana amin'ny herisetra an-tokantrano. Gvantsa no mitantana ny Ivontoerana Fiahiana ny Reny sy ny Zaza ao St. Barbara, iray amin'ireo toerana fialofana ho an'ny vehivavy tantanin'ny tsy miankina ao amin'ny firenena. “Na amin'ny resaka fandrafetana lalàna aza, betsaka ny zavatra niova,” hoy izy nanamarika, nampiany hoe mahabe fanantenana azy ny hoavy noho ireo fihatsaràna izay nanipika ny maha-zavadehibe ny fiatrehana ny olan'ny herisetra an-tokantrano — nisy mihitsy aza fiovàna tamin'ny fomba fahitan'ireo vehivavy ny tenany sy ny zavatra manjo azy ireo teny anivon'ireo vehivavy mitady fialofana.”

“Hitako fa tena matanjaka tokoa ny vehivavy. Tonga ry zareo, miatrika olana marobe ary, amin'ny ankamaroan'ireo tranga, dia nahita fahombiazana. Vitan-dry zareo ny manorina ny fiainany. Tsy mihevitra an'io dingana io hitsimbadika mihitsy aho,” hoy i Bakradze. Tao amin'ilay toerana fialofana, izay ambany fitantanan'ny Caritas, mpanao asa soa avy amin'ny fiangonana Katôlika,  manjaka ny fahatsapàna fahatoniana: sarim-biby voasesika no mameno ny efitra fandraisana vahiny, mivoaka avy any an-dakozia any ny fofona nahandro ao an-trano, ary mitafatafa sy miaraka mikarakara ny zanany ireo vehivavy. Tsara aro izy ireo ankehitriny.” Ampahany iray goavana amin'ny fiatrehana ny herisetra an-tokantrano ny fahafahana mahazo fialofana: mazàna ireo vehivavy niharan'ny herisetra an-tokantrano no niankin-doha tamin'ireo mpanao herisetra taminy ary tsy manana izay fomba hitadiavana trano vaovao hipetrahana. Kanefa, ny fahavononan'ireo toerana fialofana dia miovaova arakaraky ny faritra samihafa ao Zeorzia, noho ny tsy fitovian'ny famatsiambola raisiny.”

Fialofana dimy manerana ny firenena no vatsian'ny fanjakana zoerziàna vola. Toerana dimy fandraisana ireo manana olana ihany koa no tantaniny, toerana ahafahan'ireo vehivavy mipetraka mandra-pahitan-dry zareo toerana hafa hipetrahana. Fanampin'izay, misy laharan'antso filàna vonjy maika an'ny fanjakana ihany koa ho fanomezana torohevitra sy fanampiana ho an'ireo iharan'ny herisetra. Ny masoivoho fiahiana an'ny fanjakana ao Zeorzia no mitantana ireny tolotra rehetra ireny, na manamarika aza ny talen'ilay masoivoho, Meri Maghlaperidze, fa mbola misy ny “banga” ao anatin'ny haraton'ny fandaharanasa sy ny fanohanana.  Ohatra, misafidy ny mankany Tbilisi ny ankamaroan'ireo vehivavy satria misy vintana kokoa ho azy ireo ny hahita asa any an-drenivohitra – ary tena zavatra ilaina ny fanànana vola miditra mba tsy hiankinan-doka ara-bola amin'ireo mpanao herisetra aminy.

“Amin'izao fotoana izao ny fanjakana dia manome vintana ho an'ireo vehivavy  mba hahazoany fahaizamanao, toy ny hainahandro, fikarakaràna volo, noho ireo fianarana asa, izay hahafahan-dry zareo miditra amina asa vaovao. Nefa ireny fandaharanasa ireny dia tsy voatery foana hifanojo amin'ny fanohanana ilain-dry zareo.  “Mahaliana an-dry zareo kokoa ny tonga dia asa avy hatrany, fa tsy hianatra, satria te-hanana fidirambola faran'izay haingana ry zareo,” hoy i Maghlaperidze.

“Saingy heveriny fa ny iray isan'ny goavana indrindra amin'ireo sakana no efa voadingana sahady. “Rehefa sambany isika nandany ny lalàna momba ny herisetra an-tokantrano tamin'ny 2006, dia nihomehezan'ny olona satria noheverin-dry zareo fa olan'ny tokantrano fotsiny izany.”

Amin'ny fomba ôfisialy, ireo antontanisa dia manondro fa nitombo [7] ny isan'ireo olona henjehina noho ny fanaovana herisetra an-tokantrano. Manamafy i Guram Imnadze, talen'ny fandaharanasa “demaokrasia sy rariny” ao amin'ny Ivontoerana momba ny rariny sôsialy, fa “miparitaka sy tsy mahomby” ny fomba firoson'ny fanjakana. Marihany fa tamin'ny 2020, tamin'ireo olona 1.287 voatoroka noho ny herisetra an-tokantrano,  379 monja no nahazo fampidirana am-ponja. Anna Arganashvili, mpisolovava mpiaro zon'olombelona ao amin'ny ONG Partnership for Human Rights, milaza fa mbola misy olana goavana mitoetra eo amin'ny fametrahana ny fampiharana ny lalàna, indrindra fa ny fanenjehana ireo voalaza fa tomponantoka tamin'ny fanararaotana. Ohatra, ny tranga herisetra an-tokantrano voaresaka be teny anivon'ny fampahalalam-baovao, nahavoasaringotra an'ilay kintan'ny lalao tennis zeorziàna, Nikoloz Basilashvili, sy ny vadiny taloha, Neka Dorokashvili, lasa nivadika ho toy ny fampielezankevitra fanalàna baràka imasom-bahoaka an'i Dorokashvili. Nahazo famotsorana avy amin'ny Tribonalin'ny Tanàna ao Tbilisi i Basilashvili tamin'ny Oktôbra, taorian'ny raharaham-pitsaràna naharitra roa taona. Arganashvili, izay miasa ho an'ny fikambanana niaro an'i Dorokashvili, nilaza hoe:

Ny fiarahamonina iray manontolo no mihevitra fa tsy ho azo heverina ho mpanao heloka mihitsy izy satria olona malaza. Maharay fandrahonana marobe izahay satria, amin'izy ireny ny vady taloha dia vehivavy tsy tokony hitaky na inona na inona noho izy tompondaka erantany, dia tokony hanakombona ny vavanao ianao ka hamela azy hanao izay hampalaza an'i Zeorzia.

… An-taratasy dia misy ny fivoarana, fa ny tena zavamisy, tsy mahita fivoarana loatra aho.

Rehefa nifandimby ny taona, nanomboka nanabe tanora i Arganashvili, momba ny herisetra an-tokantrano sy ny zon'izy ireo satria “tsy vahaolana ny fisiana lalàna fotsiny.” Hatramin'ny anio, efa namokatra fandaharana anaty fahitalavitra izy, natao ho an'ny ankizy, mba hampahafantarana azy ireny ny zony ary hahatonga ny lalàna ho takatry ny rehetra. Resy lahatra izy fa rehefa mahatsiaro ho voaaro ireo ankizivavy, amin'ny maha-vehivavy azy ireny, dia hitondra fiovàna izany.

Baia Pataraia, mpisolovava sady mpikatroka, manamarika fa mbola “mampisaritaka” ny fametrahana fampiharana.

“Nahavita fiovàna vitsivitsy isika, efa manana rafitra fanaovana lalàna tsaratsara kokoa isika ankehitriny, na mbola sarotra aza ny fampiharana. Tsy dia taitra amin'izay miralenta raha ny rafi-pitsaràna, ary tsy mitodika any amin'ireo niharam-pahavoazana,” hoy izy, nampiany hoe ny fiarahamonina iray manontolo no mbola manone vahana ireo mpanao herisetra raha oharina amin'ireo niharam-pahavoazana, ary ireo lehilahy raha oharina amin'ny vehivavy. “Indrindra indrindra fa raha lehilahy manana fahefana sy malaza, dia mbola mijanona ho sarotra be ho an'ny vehivavy iray ny hiaro ny fahamarinana ananany.”

Tamin'ny 2022, ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao Zeorzia dia nitatitra [8] tranga 16 mahakasika famonoana vehivavy ho an'ny folo volana voalohany. Tao anaty fanambaràna iray navoaka tamin'ny 25 Novambra, Andro Erantany ho Fanafoanana ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, ny birao mpiaro vahoaka ao Zeoriza nilaza fa [9], “na inona na inona fiovàna andrimpanjakana na ny fanaovana lalàna, mijanona foana ho fanamby goavana ny herisetra an-tokantrano ao Zeorzia.” Tamin'izay andro izay ihany, marobe ireo vehivavy nidina an-dalambe [10] hanohitra ny herisetra mitohy manjo ny vehivavy.