Fanafihana iray hafa nahazo ny foibe LGBTQ+ ao Podgorica no manasongadina ny filàna fiarovana ny zon'olombelona ao Montenegro

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny fakantsary fiarovana iray nampiseho andian-jatovolahy nanafika ny ivon-toerana fandraisana LGBTQ+ Drop In Center tao Podgorica, Montenegro tamin'ny 21 Desambra 2022. Natao ho azo zarain'ny haino aman-jery, avy amin'ny ONG Juventas.

Taorian'ny nanafihan'ny andiana jiolahim-boto tanora ny ivon-toerana fandraisana LGBTQ+ Drop In Center tao Podgorica, renivohitr'i Montenegro, tamin'ny 21 Desambra, nisintona lakolosy fanairana ny fikambanana fiarahamonim-pirenena Juventas  tamin'ny alalan'ny famoahana pikantsary lahatsary iray mikasika ny zava-nitranga. Mivaky toy izao ny filazana navoakan'ny Juventas :

Šest lica je sa metalnim šipkama u rukama prijetilo osoblju LGBTIQ centra i prisutnim klijentima i pokušalo da razbije staklo na ulaznim vratima. Ovom napadu je prethodilo više incidenata koji su se tokom prethodnih dana dogodili u okolini LGBTIQ centra, kada je više mladića prijetilo osoblju centra nakon završetka radnog vremena kada su odlazili kući.

Olona enina nirongo bara vy no nandrahona ny mpiasa sy ny mpanjifa tao amin'ny ivon-toerana LGBTIQ, ary nanandrana namaky ny fitaratry ny varavarambe fidirana. Tranga maromaro hafa no efa nisy teny amin'ny faritra manakaiky ny ivon-toerana nialoha ity fanafihana ity, satria nisy andian-jatovolahy nandrahona ireo mpiasa handeha hody taorian'ny ora fiasana.

Efa navoaka tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy ihany koa ireo lahatsary  mirakitra ilay fanafihana.

Ny alina teo, voatafika indray ny ivon-toerana Juventas LGBTIQ tao Podgorica. Olona enina nitondra bara vy no nandrahona ny mpiasa sy ireo mpanjifa tao, ary nanandrana namaky ny fitaratry ny varavarambe fidirana.

Hatramin'ny 2012, nampiasaina ity ivon-toerana ity ho toerana fanomezana tolotra fanohanana ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+, tohana avy amin'ny fikambanana tsy miankina maromaro tao an-toerana : Juventas, Queer Montenegro, Spektra, Stana, ary Montenegro Pride. Notakian'izy ireo ny mba hamantaran'ny manampahefana haingana ireo mpanafika sy handraisany an-tànana ilay raharaha mifanaraka amin'ny lalàna.

Tsy vao voalohany ity karazana fanafihana natao tamin'ny ivon-toerana ity izao. Tao anaty fanambarana nataony, notsipihan'ny Juventas fa :

Imajući u vidu da se ovakvi događaji tokom 2022. godine događaju kontinurano, bez adekvatnog odgovora insitucija sistema, poručujemo da ćemo beskompromisno nastaviti našu borbu protiv nasilja i mržnje, ma od koga ona dolazila.
Pozivamo ukupnu javnost, donosioce odluka i međunarodnu zajednicu da ulože sve napore da se zaustave zabrinjavajuće rastuća mržnja i netrpeljivost koje u Crnoj Gori postaju svakodnevica i razaraju društvo.

Voatahiry an-tsaina fa mitohy hatrany ny karazan-javatra toa izao nandritra ny taona 2022, raha tsy misy valiny sahaza avy amin'ireo andrim-panjakana, ambaranay fa hotohizanay ny adinay, ary tsy hanaiky lembenana, amin'ny herisetra sy fankahalana, na avy aiza na avy aiza ny nipoirany.
Miantso ny daholobe izahay, ireo mpanapa-kevitra sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hanao ny ezaka rehetra hampitsaharana ny fitomboan'ny fankahalana sy ny tsy fifandeferana mampiahiahy izay efa mitranga isanandro ao Monténégro, manimba ny fiarahamonina ao aminy.

Namoaka fanambarana ampahibemaso ho fanohanana ireo mpiray tanindrazana voarahona ny Fikambanana Fiarahamonim-pirenena Sivily ao Monténégro, toy ny Center for Democratic Transition (CDT) (Ivontoerana ho an'ny tetezamita demaokratika), mitaky an'ireo andrimpanjakana hanao ny asany.

Miantso ireo manampahefana mahefa izahay mba hikarakara amin'ny fomba haingana sy mahomby ny momba ireo nanao herisetra tamin'ny ivon-toerana LGBTIQ Drop In Center ao Podgorica. Tsy maintsy iantohan'ny fanjakana ho antsika rehetra ny fiainana tsy misy tahotra hahazo fandrahonana sy herisetra. Tsy firenena afaka io raha toa ka tsy afaka isika rehetra monina ao. Maneho ny fanohananay an'ireo namanay mpikatroka LGBTIQ [lehilahy sy vehivavy] izahay ! 🏳️‍🌈

Ny tatitra isantaona avy amin'ny Kaomisiôna Eorôpeàna (EC) ho an'ny taona 2022 mikasika ny fandrosoan'i Monténégro mankany amin'ny fidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana dia nanipika fa, na efa mitohy mitombo aza “ny fiarovana ny zon'ireo olona sarimbavy, pelaka, manana taovam-pananahana roa, ny nanova taovam-pananahana, ny ‘intersex’ sy ‘queer’ (LGBTIQ),” dia mbola betsaka koa no tokony hatao eo amin'ny lafiny ara-drafitra mba hiantohana ny fanajana feno ny  fankatoavana ny fenitra eorôpeàna napetraky ny Vondrona Eoropeana momba ny ady hanoherana ny fanavakavahana.

Ny tatitry ny EC dia nanamarika fivoarana miabo marobe, sahala amin'ny Podgorica Pride andiany fahasivy tamin'ny taona 2021 tsy nisy sampona notaterina sy niaraka tamin'ny fandraisana anjaran'ireo manampahefana ambony avy amin'ny governemanta (ny Praiminisitra lefitra sy ireo minisitra marobe), ary ny fanitsiana ny lalàna mikasika ny fiantohana tsy maintsy atao ara-pahasalamana, ny lalàna mikasika ny fiarovana ara-tsôsialy sy ny fahazazana ary ny lalàna mikasika ny hetra amin'ny vola miditra amin'ny isambatan'olona. Nampiana filazana iray manaiky ny fiarahana mitovy fananahana mba hampifanarahana azy ireo amin'ny lalàna 2020 momba ny fiarahan'ny mitovy fananahana. Na izany aza, nomarihan'ny Kômisiôna Eorôpeana ihany koa fa ny fampiharana ity lalàna ity dia nahitana “fandrosoana voafetra” ihany ka fiarahamiasa 15 fotsiny ihany no vita hatreto.

Fanampin'izay, marihan'ilay tatitra fa ny taona 2022 dia “voamariky ny fihenjanana ara-tsôsialy ambony be sy ny fisaratsarahana. Ireo vondrona tena marefo indrindra ao anaty fiarahamonina (anisan'izany ireo Roma sy Ejiptiàna, ireo olona manan-kilema sy ireo olona LGBTIQ) dia vao mainka niharan'ny fanavakavahana, ny teny fankahalàna sy ny heloka bevava atosiky ny fankahalana”. Manokana amin'izany :

Ny kabarim-pankahalàna sy ireo trangam-pankahalana atao amin'ny olona LGTBIQ, anisan'izany ny ataon'ireo mpikambana ao amin'ny Parlemanta, dia mbola olana lehibe mampiahiahy. Tamin'ny taona 2021, tatitra 55 no napetraka teny amin'ny polisy mitory  olona 57 noho ny fanavakavahana atao amin'ny olona LGTBIQ. Nitohy nitombo ny fangatahana tolotra sosialy, ny fanohanana ara-tsaina ary ny fanampiana ara-pitsarana noho ny valanaretina COVID-19, tsy misy hafa amin'ny faharefoana ara-toekarena sy ara-tsosialy manjo ny olona LGTBIQ.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.