- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandroso ny zo ho an'ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra araka ny lalàna vaovao ao Tanzania, saingy mbola misy ny sakana

Sokajy: Afrika Mainty, Tanzania, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor
Participants during a TED Global event in 2007 held in Tanzania

Mpandray anjara nandritra ny hetsika TED Global 2007 izay natao tany Tanzania. Sary nahazoan-dalana: Erik Hersman [1]. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Tamin'ny 1 Novambra, nandany ny Lalàna Fiarovana Angon-drakitra Manokana ny Parlemanta Tanzaniana. Tamin'ny volana Septambra, nanambara ny Minisitry ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana ao Tanzania, Nape Nnauye fa nankatoavin'ny kabinetra ny fepetra momba ny Lalàna Fiarovana Angon-drakitra [2]  ary hapetraka hiadian-kevitra eny amin'ny parlemanta ny volavolan-dalàna [3]. Nanolotra ny fametrahana ny Lalàna Fiarovana Angon-drakitra Manokana ny volavolan-dalàna ary nanome ny fananganana Vaomiera Miaro ny Angon-drakitra manokana. Namoaka toromarika ho an'ireo mpikirakira sy mpitantana angon-drakitra ihany koa izy io mba hanendry tompon'andraikitra ambony misahana ny fiarovana ny angon-drakitra manokana, ary koa famaizana heloka bevava sy onitra ho an'ireo izay mandika ny lalàna.

Satria efa lany izany ankehitriny, nampiditra an'i Tanzania tao anatin'ny laharan'ireo namany ao amin'ny Vondrona Afrikana Atsinanana (EAC), Kenya, Oganda, ary Roanda, izay nametraka ny Lalàna momba ny Fiarovana Angon-drakitra [4] ny lalàna. Fanampin'izany, miantoka ny zo hanana fiainana manokana sy fiarovana manokana ho an'ny tsirairay izany, araka ny voarakitra ao amin'ny Toko faha-16 ao amin'ny Lalàm-panorenan'i Tanzania (Repoblika Mitambatra) (1977) [5].

Niteraka fanehoan-kevitra teo amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ny fanambaran’ny minisitra tamin’ny volana septambra. Nankasitraka ny fanapahan-kevitra izy ireo, na dia tamim-pitandremana aza.

Tanzaniana mpikatroka Twitter @yose_hoza [6] namoaka hoe:

Miarahaba ny governemanta izahay tamin'ny fankatoavana ny Volavolan-dalàna momba ny Fiarovana Angon-drakitra. Hiaro ny mombamomba ny tsirairay ny volavolan-dalàna; ary mampihena ny tranga fanaraha-maso/fijirihana, ary handrisika ny orinasa hampitoby sy hampiasa vola ao amin'ny firenena (Tanzania).

Nanampy i Yose hoe: “Mila fanatsarana sy soso-kevitra avy amin'ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany ity volavolan-dalàna ity mba hitondrana lalàna tsara kokoa ho fiarovana ny mombamomba ny tena manokana (Data Privacy).”

Raha niresaka tamin'ny gazety iray mpivoaka isan'andro eo an-toerana [11] ao Tanzania, nahatsapa i Maxence Melo, mpanorina ny Jamii Forums — sehatra malaza mpanao ampamoaka any Tanzania miaro ny zo nomerika —  fa efa ela no tokony natao izany, raha jerena fa efa nanomboka tamin'ny taona 2014 ny nofinofin'ilay volavolan-dalàna. Nampian'i Melo fa tena ilaina tokoa ny fampiroboroboana ny fonenan'ny angon-drakitra, izany hoe voatahiry ao amin'ny faritra ara-jeografika iray manokana mifanaraka amin'ny lalànan'ny angon-drakitra sy ny fepetra takiana amin'ny angon-drakitra ao amin'ny faritra misy azy ny angon-drakitra voaangona sy voakarakara, ho fepetra hahazoana antoka fa mahafeno ny fenitra momba ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra isam-paritra sy iraisampirenena ny angon-drakitra.

Tao amin'ny lahatsoratra Twitter, Carol Ndosi [12], Tanzaniana malaza mpiaro ny zo nomerika nametraka fanontaniana hoe:

Fanontaniana – Raha manana fahefana ianao hanao

1. Ny lalàna miaro ny zo hanana fiainana manokana

2. Lalàna momba ny Fiarovana ny Angon-drakitra – Fiarovana ny Vaovao

Inona no ho azonao antoka fa nodinihina?

Ho setrin'izany, mpisera Twitter iray naneho hevitra [14]hoe: “Te hanana rafitra momba ny Zo hohadinoina aho, tsapako fa lafiny sarotra izany saingy afaka manomboka miresaka izany isika izao ary manangana rafitra mazava tsikelikely.”

Ahiahy tavela

Na dia manome fanantenana mikasika ny fiarovana ny tsiambaratelon'ny angon-drakitra manokana aza ny Lalàna Fiarovana ny Angon-drakitra, dia miteraka ahiahy lehibe eo amin'ny sehatra goavana sasany izany. Ohatra, ny ampahany faharoa amin'ny lalàna dia manome fahefana fiarovana angon-drakitra, antsoina hoe Vaomiera Fiarovana Angon-drakitra. Tsy azo antoka anefa ny fahaleovantena sy ny tsy fiandaniana an’ity vaomiera ity, satria ny filohan’ny Repoblika Mitambatra an’i Tanzania no nifidy ireo mpikambana ao amin'ny birao. Manome vahana ny fandroahana ny birao araka ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena izany, ary tsy misy idiran'ny Antenimieram-pirenena.

Ny ampahany fahadimy amin'ny lalàna dia miresaka momba ny famindrana angon-drakitra, saingy manjavozavo ny fehezan-dalàna momba ny lafin'ny olona voakasika manome ny faneken'izy ireo ho an'ireo fikambanana izay manangona, mikirakira, mitahiry, na mampiasa angona manokana ivelan'ny sisintanin'i Tanzania. Satria tsy nomena ny “herin'ny fanekena” ireo olona voakasika, midika izany fa mety ho mora ampiasaina tsy araka ny tokony ho izy ny angon-drakitr'izy ireo.

Tsy mazava ny ampahany fahenina amin'ny lalàna. Ny fizarana 34 (4), ohatra, dia manome zo feno araka ny lalàna ho an'ny mpandova mazava iray, izay midika fa afaka manaiky ny fikirakirana ny mombamomba manokana amin'ny anaran'ny olon-kafa tsy afaka manome fanekena toy izany izy ireo. Tsy ahitana fanazavana mazava ara-dalàna anefa izy io, satria tsy milaza mazava hoe “olona” iza — na velona, na kilemaina, ary/na efa maty. Mety hiharan'ny fanararaotana ity fizarana ity, satria mety tsy mahafeno ny fepetra ara-dalàna farany ekena mba hanaiky amin'ny anaran'olon-kafa noho ny antony toy ny tsy ampy taona, ny fanerena ary/na ny teknika hafa ny mpandova.

Ny fizarana faha-35 kosa dia mandràra ny fikirakiràna ny angon-drakitra manokana ho amin'ny tanjona ara-barotra mivantana. Na dia eo aza ny fandraràna, dia mbola tsy fantatra mazava raha afaka mivarotra ny angon-drakitra manokana momba ny angon-drakitr'izy ireo ny mpitantana angon-drakitra.

Tsy ampy ihany koa ny lalàna mikasika ny fampandrenesana fanitsakitsahana ny fiarovana. Ny fomba fitantanana ny fanitsakitsahana ny angon-drakitra dia tokony hofaritana ao amin'ny Fitsipika momba ny Fiarovana ny Angon-drakitra, mba hanerena ireo mpitantana angon-drakitra hampahafantatra mialoha ireo olona voakasika amin'izay fanitsakitsahana fiarovana mifandraika amin'ny mombamomba azy ireo manokana, ny vokany sy ny fepetra fanarenana natao. Hohamafisina tokoa amin'ny alàlan'ny toromarika ho an'ireo mpanodina angon-drakitra sy ireo mpanangona izany ny andraikitra amin'ny fampandrenesana fanitsakitsahana angon-drakitra mba hampandre ireo olona voakasika ao anatin'ny fotoana voatondro raha vao mahafantatra ny lesoka tamin'ny angon-drakitra.

Na dia ao anatin'ny lalana marina aza i Tanzania amin'ny fampiharana ny Lalàna momba ny Fiarovana Angon-drakitra, mila mametraka ny fandraisan'ny besinimaro anjara amin'ny famolavolana izany lalàna izany ny governemanta, araka ny voalaza ao amin'ny Andininy faha-21 amin'ny Lalàm-panorenana. Amin'izany fomba izany no ahafahana mamantatra sy mampiditra ny hevitry ny vahoaka ao anatin'ny volavolan-dalàna. Noho izany, dia ho azo atao ny mamorona Lalàna Fiarovana Angon-drakitra izay mahafeno ny fetran'ny fiainana manokana araka ny vinavinan'ny Tanzaniana, izay afaka miatrika ireo olana lehibe voamarika sy navoitran'ireo mpikatroka zo nomerika, toy ny tamin'ny nampiharan'ny governemanta ny programa ID Nomerika [15],  ary ny hetsika fisoratana anarana karatra SIM biometrika [16].