Ireo tsy voaaro: Ny zara fa mba fiarovana atolotry ny pôlisy ho an'ny vondro-mpiarahamonin'ireo LGBTQ+ ao Azerbaijan

Sary fanaingoana nataon'i Aydan Hasanova. Zaraina ao anatin'ny fifanekena fiarahamiasa amin'ny Chaikhana Media.

Ity lahatsoratra ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny Chaikhana Media. Dika nasiana fanovàna no naverina navoaka etoana noho ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.

Mahatsiaro ho toy ny voahodidina fandrahonana izany i Emily Hajizadeh, vehivavy “trans'” iray 20 taona. “Tsy mitsahatra ny maharay hafatra sy antso an-telefaona fandrahonana avy amin'ny ankohonako sy ireo havako aho, mampitandrina ahy fa ho faty hisy hamono,” hoy izy. “Tena faran'izay manahiran-tsaina, saingy tsy afaka ny handeha any amin'ny pôlisy aho mba hitaraina, satria azoko antoka fa tsy ho voaaro ny fiainako manokana.”

Elnur Musayev, mpiasa sôsialy iray ao amin'ny Gender Resource Center (GRC), izay manome tohana ara-tsaina sy sôsialy ho an'ireo olona LGBTQ+ ao Azerbaijan hatramin'ny 2020, milaza fa rehefa misy olona avy ao amin'ny ivon-toerana manaraka azy ireny ihany vao raisin'ny pôlisy ho matotra ny tranga manjo ireny olona avy ao amin'ny GRC ireny — na ry zareo miantso tomponandraikitra ambony ao amin'ny pôlisy, na mamoaka ilay tranga eny anaty fampahalalam-baovao.

“Rehefa mandeha irery manatona kaomisarià ireo olona LGBTQI+, dia fanontaniana momba ny fiainany manokana no apetrak'ireo pôlisy amin-dry zareo. Tsy misy fifandraisany amin'ny fitarainan'ilay olona ireny fanontaniana ireny. Ohatra, anontanian-dry zareo ny hoe “ianao ve no ilay manao ny hetsika sa ilay mitanty fotsiny?” na ‘manana sipa vehivavy ve ianao?,’ ‘Fantatry ny fianakavianao ve?’” hoy izy, indraindray mbola miampy ny fandrahonana ataon-dry zareo hiantso ny fianakavian'ilay olona.

“Mahatonga ny olona tsy hahazo aina izany ary, amin'ny tranga maro, tsy mandeha mitoroka any amin'ny pôlisy ry zareo.”

Mpampanofa vatana i Emily, izay vao mainka mahatonga azy tsy dia hatoky pôlisy, satria voaràran'ny lalàna io asa io ao Azerbaijan.

“Ny farany indrindra, narahan'olona izaho sy ny namako teny amin'ny kianjan'ny loharano [toerana malaza iray natao ho an'ny daholobe ao afovoan'i Baku renivohitra]. Raha ilay mbola nifamaly tamin-dry zareo teo an-dàlambe iny izahay, tonga ny pôlisy ary nitondra anay ho an'ny amin'ny biraony. Nandositra ny roa tamin'ireo lehilahy telo nikasa hidaroka anay, ary na niteny tamin'ny pôlisy aza aho mba hiantso azy ireo, tsy nisy niraharahian-dry zareo an'izany,” hoy izy.

Ao Azerbaijan, matetika ny pôlisy no voampanga ho mila vaniny, ary indraindray azy dia mampijaly olona — tranga iray vao haingana no nanavao indray ireo fitorohana ny fisiana herisetran'ny pôlisy sy ny fomba fitondra feno herisetra atao an'ireo olona tazoniny. Io olana io dia voarakitra anatin'ireo tatitra marobe iraisampirenena momba ny zon'olombelona, saingy lavin'ny governemanta ny hoe misy olana ao.

Tsy fanjariana ara-drafitra

Amin'ny ankapobeny, ho an'ireo olona LGBTQ+ marobe izy miatrika fanavakavahana sy herisetra, zara raha misy azo ianteherana ny eny amin'ny pôlisy sy ireo rafitra ara-pitsaràna ôfisialy. Ohatra, tamin'ny Novambra 2022, vehivavy “trans” iray sy ny olona niaraka taminy no nisy nanafika teny an'arabe tao Baku, renivohitra. Noho ny fahafantaran-dry zareo ny tarehimarika ratsin'ny pôlisy raha vao resaka olompirenena pelaka, dia naleon-dry zareo tsy nametraka fitoriana ôfisialy, noho ny tahotra valifaty sy ny mety ho fanitsakitsahana ny fiainan'izy ireo manokana.

Ny ohatra tena tsy misy henatra indrindra amin'ny tsy firaharahian'ny fanjakàna ny fanampiana ny vondrom-piarahamonin'ireo pelaka, dia ny an'ilay bilaogera malaza, Sevinc Huseynova,  izay nanao antso miharihary tao amin'ny sehatry ny media sôsialy mba hanaovana herisetra amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+ . Tsy nosaziana velively izy noho ny zavatra nataony, na feno tsara aza ny porofon'ny fandrisihany ny olona hanao heloka bevava amin'ireo olona pelaka. Tao anatin'ny iray tamin'ireo lahatsariny, nangatahan'i Huseynova ireo manampahefana mpampihatra lalàna eo an-toerana mba hamily ny mason'izy ireo ho any an-kafa tsy hijery ny momba ireo tranga mahakasika heloka bevava miaro fankahalàna. “Marika iray dia ampy ho anay, lazao anay fotsiny, ary izahay, vahoaka, no hanilika azy ireny tsimoramora,” hoy ilay bilaogera. Anaty lahatsary iray hafa, antsoiny ireo lehilahy Azerbaijaney mba hamono ireo vehivavy “trans”. Tamin'izany fotoana izany, nilaza ny Ministry ny Atitany fa fantatry ny ministera ny fisian'ireo lahatsary ary efa natao ny fanadihadiana. Saingy tsy nisy fepetra noraisina.

Kanefa, tsy tranga maningana ny an'i Huseynova. Hita eny rehetra eny ny fitantaràna manenjika ireo LGBTQ+ ao Azerbaijan, eny anivon'ireo pôlitisiàna, olo-malaza, olona fanta-bahoaka, ary hatramin'ireo mpikatroka ao anatin'ny fanoherana aza.

Araka ny voalazan'ny tatitra iray tamin'ny 2021 avy amin'ny Departemantam-panjakana Amerikàna, amin'ny ankapobeny ireo olona “LGBTQI+ dia mandà ny hameno taratasy fitoriana ôfisialy noho ny fisiana fanavakavahana na fomba fitondra mitanila ataon'ireo rantsana mpampihatra lalàna, noho ny tahotra valifaty sy ny fitsaratsaràna sôsialy. Notorohan'ireo mpikatroka ihany koa ny tsy firaharahian'ny pôlisy manoloana ireo fangatahana hanaovana fanadihadiana ireo heloka bevava natao tamin'ireo olona LGBTQI+ ”

Taorian'ny namelezan'ny olona azy sy ny namany tao amin'ny trano iray fisotroana tao Baku, Kamran, 26 taona, iray tamin'ireo nanorina ny hetsika santatry ny Queer “Q-Collective,” ihany koa dia nitolona mba handraisan'ny pôlisy ny fitarainany ho zavatra matotra.

“Oktôbra 2021 tamin'izay, nisy lehilahy telo nanatona anay raha iny izahay teo an-dàlana hivoaka iny indrindra. Tsy namaly izahay mba hisorohana ny fifandonana,” hoy ny tsiaron'i Kamran. Saingy na teo aza ny ezaka nataon-dry zareo, vaky ihany ny ady. “Vaky ny oron'ilay namako, samy voadaroka mafy izahay. Naratra teo amin'ny masoko sy ny tratrako aho.”

Nijoro nitrotro tànana sy nijery fotsiny an'i Kamran sy ilay namany niharan'ny daroka ny pôlisy. Nandà ny hanampy ireo pôlisy, tamin'ny filazàna fa faritra tsy ambany fiadidiany ilay toerana. Nony afaka nametraka fitoriana ara-dalàna i Kamran sy ilay namany, tsy mbola tapitra teo ny kalverin-dry zareo: nisy olona avy amin'ny dokoteram-panjakana nampahafantatra ny fianakavian-dry zareo momba ilay tranga ary namboraka ny fironana ara-panahana nofinidin-dry zareo.

Mbola ratsy lavitra ny toedraharaha ho an'ireo LGBTQ+ tsy ampy taona, izay mazàna no alefa miverina any amin'ny fianakavian-dry zareo na ireo olona mahery setra niarahany, anatina toedraharha misy idiran'ny fifandonan'olontsotra sy ny fanararaotana, hoy i  Musayev, ilay mpiasa sôsialy avy amin'ny GRC. Amin'ny ankapobeny, rehefa mpikatroka no voakitikitika na manomboka mamoaka ilay fanararaotana vao misy ny fanampiana omena, hoy i  Musayev manazava.

Làlana ara-pitsaràna voafetra

Ny tsy fisian'ny vahaolana araka ny lalàna dia vao mainka manaratsy ny toedraharaha. Amin'izao fotoana izao, ny lalàna misy ao Azerbaijan dia tsy misahana ireo heloka bevava natosiky ny fankahalàna niainga avy amin'ny  maha-lahy na maha-vavy, na ny fironana ara-pananahana. Araka ny tatitra iray avy amin'ny Ivon-toerana Danoà momba ny Zon'Olombelona, tsy manana pôlitika nasiônaly i Azerbaijan ho entina miaro ireo zon'ny LGBTQ+. Tsy misy ihany koa andrimpanjakana manokana miady amin'ny fanavakavahana mifototra amin'ny fironana ara-pananahana sy ny maha-lahy na maha-vavy:

Ny Andininy faha-109 amin'ny Fehezan-dalàna momba ny heloka bevava dia mamaritra sazy noho ny filambaniny atao amina vondrona na fikambanana manana endrika pôlitika, foko, nasiônaly, kolontsaina, finoana, na taovam-pananahana na izay hafa voararan'ny fenitry ny lalàna iraisampirenena. Ny filambaniny dia raisina ho toy ny “heloka bevava amelezana ny maha-olombelona” raha resaka, ohatra, fampijaliana sy famerezan-jo tsy hanana fahalalahana mifanohitra amin'ireo fenitra iraisampirenena. Ny heloka bevava atosiky ny fankahalàna fotsiny izao dia tsy mipetraka ho anatin'ny filambaniny raha io fehezan-dalàna io no jerena. 37. Tsy misy andàlana hafa ao anatin'ilay fehezan-dalàna mifandraika amin'ny heloka bevava natosiky ny fankahalàna atao an'ireo olona  LGBT.

Noho ny tsy fisian'ny fiarovana fototra tahaka izany, voafetra ireo asa sy hetsika ataon'ireo mpikatroka LGBTQ+, voafetra ihany koa ny fiantraikany,  rehefa ny tontolo pôlitika sy sôsialy misy no jerena. Avela mizaka samirery ny manjo azy ireo niharan'ny fanararaotana sy filambaniny, matahotra ny amin'ny ain'izy ireo, tsy misy hafa amin'i Emily.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.