- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kosovo: Fanafihana enina natao tamin'ny mpanao gazety tamin'ny volana Desambra rehefa nitombo ny fihenjanana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Kosovo, Serbia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

 

[1]

Sakana any avaratr'i Kosovo, Desambra 2022. Sary [2] avy amin'ny Meta.mk, nahazoana alalana.

Ity tantara ity dia nalaina tamin'ny lahatsoratra IFEX [3] mpikambana EFJ [4]. 

vcNy 2 janoary lasa teo, nampiakatra ny fanairana [4] momba ny fitomboan'ny fandrahonana manodidina ny mpanao gazety sy ny mpiasan'ny media izay mitatitra ny disadisa misy eo amin'i Serbia sy Kosovo any avaratr'i Kosovo ny Federasion’ny Mpanao Gazety Iraisam-pirenena sy Eoropeana (IFJ-EFJ), ary nanatevin-daharana ny fikambanany, Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Kosovo (AJK) [5] tamin'ny fangatahana ireo manampahefana mahefa, anisan'izany ny Iraky ny Vondrona Eoropeana Misahana ny Fanjakana Tan-dalàna ao Kosovo (EULEX), ny Tafik'i Kosovo (KFOR) ary ny polisy, handray fepetra mifanaraka amin'izany mba hiantohana ny fiarovana ny mpanao gazety mitatitra eny an-kianja.

Nitombo ny disadisa teo amin'i Serbia sy Kosovo tato ho ato, indrindra tao an-tanàndehibe mizarazara Mitrovica [6], tamin'ny niampangan'i Belgrade (Serbia) an'i Pristina (Kosovo) ho manitsakitsaka ny zon'ny vondrom-piarahamonina Serba.

Nipoitra ny sakana vaovao tamin'ny 27 Desambra, ora vitsivitsy taorian'ny fanairan’ny filoha Serba Aleksandar Vučić ny tafika amin'ny ambaratonga avo indrindra [7]. Ny fitifirana sy ny fanakanan-dalana vao haingana no nahatonga ireo firenena hihevitra fa mety hisy ady mahery vaika hipoitra tsy ho ela: tamin'ny Fivoriambe Nasionaly tao amin'ny Parlemantan’i Serbia, nilaza [8] ny Praiminisitra Ana Brnabić fa “eo an-tokonan’ny ady mitam-piadiana” ny disadisa.

Na dia nisy aza fandrosoana lehibe teo amin'ny fiarovana ny mpanao gazety tao Kosovo, noho ny asan'ny mpiara-miasa amin'ny Filankevitry ny Sehatra Eoropeana momba ny Fiarovana ny Mpanao Gazety [9], dia tandindomin-doza ny tontolon'ny media noho ny fanafihana ara-batana vao haingana sy ny fiantraikany amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena, ary amin'ny tatitra momba ny fivoarana any amin'ny faritra avaratry ny firenena.

Lasibatra [10] tamin'ny fipoahana baomba pyroteknika teo ampanaovana tatitra tamin'ny fandaharana Albania Live momba ireo sakana vaovao tamin'ny 27 Desambra i Leonita Bajrami, mpanao gazety sangany, tao anatin’ny fanafihana fahenina natao tamin'ny mpanao gazety sy ny mpiasan'ny media tany avaratr'i Kosovo. Nisy fanafihana miisa dimy hafa no notaterina tamin'ny fiandohan'ny volana.

Voatafika [11] ny ekipa Kallxo.com teo akaikin'ny sekoly teknikan'i Mitrovica tamin'ny 9 Desambra, ary nisy ekipan'ny fahitalavitra RTV Dukagjini koa no voatafika [12] tamin'ny fipoahana ny ampitso; Tamin'ny 19 Desambra, nisy ekipan’ny Klan Kosova miisa roa nanao tatitra teo akaikin'ny sakana tao Zubin Potok raha nisy olona nisaron-tava nitora-bato azy ireo [13]. Notafihana tamin’ny fipoahana [14] ny ekipan’ny TeVe1 tao Mitrovica tamin'ny 20 Desambra, ary tamin'ny 26 Desambra, ekipa iray hafa avy ao Klan Kosova koa no voatora-bato, mandra-paha vakin’ny varavarankelin'ny fiarany. Nopotehina [15]. Teo hatrany ny mpamily Elsad Sinani tamin'ireo fotoana roa ireo.

“Nisento izahay nandre fa nihena ny fihenjanana taorian'ny nandravan'ny Serba ireo sakana tany avaratr'i Kosovo tamin'ny 29 Desambra, saingy tokony hitohy ny ezaka ara-diplaomatika mba ahafahan'ny mpanao gazety miasa am-pilaminana any amin'ny faritra,” hoy ny Sekretera Jeneralin'ny EFJ Ricardo Gutiérrez. “Mila mandroso amin'ny fifanakalozan-kevitra ilaina isika izao mba hiantohana ny fiarovana ny mpanao gazety, fa koa mba ahafahana miroso ihany amin’ ireo tranga maro momba ny tsimatimanota [16] noho ny famonoana sy ny fanjavonan’ny mpanao gazety any amin’ny faritra.”

Nilaza tamin'ny EFJNy sekretera jeneralin'ny IFJ Anthony Bellanger hoe:

“Attacks against journalists and media workers, which are ultimately infringing press freedom, are unacceptable. The IFJ welcomes the progress that has been made to decrease tensions and reminds that too many cases [17] of missing and killed journalists are still unpunished in the region. This is why the adoption of a UN Convention [18] for the safety and independence of journalists is badly needed.”

“Tsy azo ekena ny fanafihana mpanao gazety sy mpiasan'ny media, izay miafara amin’ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Mankasitraka ny fandrosoana natao hampihenana ny disadisa ny IFJ ary mampahatsiahy fa be loatra ny tranga [17] ahitana mpanao gazety tsy hita popoka sy maty ary mbola tsy nisy fanasaziana any amin'ny faritra. Izany no mahatonga ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana [18] ho an’ny fiarovana sy ny fahaleovantenan’ny mpanao gazety tena ilaina”.