Black Stalin, mpiangaly gadona calypso tao Trinidad & Tobago, ilay ‘lehilahin'i Karaiba,’ niavaka indrindra, nodimandry teo amin'y faha-81 taonany

Saripikan'i Leroy ‘Black Stalin’ Calliste, ilay Trinbagoniàna mpiangaly calypso, avy amin'i triniwebdiva tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Misy fomba fiteny hoe rehefa ny anti-panahy no nodimandry, tranomboky iray no may. Vao mainka mafy izay famoizana izay rehefa ‘griot’ (mpitahiry ny lovantsofina) ilay anti-panahy no nandao, goavan'ny fitantaràna, tompon'ny kolontsaina ary mpanjakan'ny lovan-tsofina. Ny 28 Desambra, niainan'i  Trinidad & Tobago ny famoizana tahaka izany rehefa namoy an'i Leroy Calliste  ilay bekotro maroholatry ny calypso izy, fantatra kokoa amin'ilay anaram-petaka hoe “Black Stalin,” nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany.

Fantatra indrindra indrindra tamin'ny fanoratana sy fiangaliana ireo hira mandinika ireo olan'ny fanjanahantany sy ny famoretana, ny toetrany maha-te-ho tia sy ny fiakarana an-tsehatra, miaraka amin'ireo tononkira mamazivazy sy mampitsinjaka, dia nahatonga azy ho sady nankafizina teny anivon'ny firahalahian'ireo mpiangaly calypso sy ireo mpihaino marobe tonga hijery azy.

Teraka tao Trinidad tamin'ny 24 Septambra 1941, Calliste dia nandray anjara tamin'ny dihy “limbo” sy ny fivelesana barika tamin'ny fahatanorany, nanao ny dingany voalohany tamin'ny gadona calypso teo amin'ny kianjan'ny calypso fony vao 17 taona. Telo taona taorian'izay izy no nanjohy ny tranolain'ny calypso-ny, ny Borigadin'ny Tatsimo, ary tsy niverin-dàlana intsony. Tany amin'ny andian-taona 1960 tany, vantany vao nomen'ny iray tranainy tamin'ny fiangaliana calypso ny anaram-bositra izy hoe — Stalin, Lord Blakie —  (fa izany no nahazatra), dia nisandratra ilay kintan'i Stalin. Tamin'ny 1967, niditra tao amin'ny tranolain'ilay mpiangaly calypso malaza, Lord Kitchener, izy ary tonga tamin'ny famarànana ny fifaninanana Calypso Monarch tamin'ity taona ity.

Sambany izy no nahazo ny anaram-boninahitra calypso Monarch tamin'ny taona 1979 niaraka tamin'ny “Caribbean Man” sy “Play One,” antsa iray ho an'ireo mpisava làlan'ny steelpan (amponga barika) sy Calypso. In'efatra naverin’i Stalin io fahombiazany io : tamin'ny 1985 (“Ism Schism” sy “Wait Dorothy Wait”), 1987 (“Mr. Panmaker” sy “Bun ‘Dem”), 1991 (“Look on the Bright Side” sy “Black Man Feelin’ to Party”) sy 1995 (“In Times” sy “Tribute To Sundar Popo”).

Azony ihany koa ny anaram-boninahitra “mpanjakan'ny calypso erantany” tamin'ny taona 1999, hetsika maneran-tany, izay nandritra ny fifaninanana fanokanana azy tamin'ny taona 1985, dia voakilasy ho faharoa i Stalin taorian'ny The Mighty Sparrow, ilay Mpanjakan'ny Kalipso tsy azo iadian-kevitra. Tamin'ny tapaky ny taona 1990, nanao sonia niaraka tamin'ny Ice Records marika Barbadiàna an'i Eddy Grant i Staline, namoaka ny rakikirany “Rebellion” tamin'ny taona 1994 sy ny “Message to Sundar” herintaona taorian'izay.

Ny 31 Oktobra 2008, lasa Dr. Leroy Calliste i Stalin rehefa injay ny St. Augustine, tobim-pianaran'ny Anjerimanontolo ao amin'ny West Indies ao Trinidad, nanolotra azy ny maripankasitrahana ambony “doctorat honorifique” noho ny fandraisany anjara tamin'ny mozika calypso, tohin'ny maripankasitrahana nasionaly , ilay medaly Hummingbird (Volafotsy), nomen'ny governemanta azy tamin'ny 1987 ho fankasitrahana ny fandraisany anjara ara-kolontsaina.

Roa andro mialohan'ny tsingerintaona faha-73 taonany, tamin'ny Septambra 2014, tratran'ny loza vokatry ny fahatapahan'ny lalan-drà i Black Stalin rehefa avy nanao fampisehoana fanaovana asa soa tany atsimon'i Trinidad. Na nisy aza ny fihatsaràna, tsy hiverina hiaka-tsehatra amin'ny heriny rehetra intsony izy.

Nandritra ny androm-piainany lava sady mavitrika, vitan'i Stalin hatrany ny nametraka fomba fanao tsy nanan-tsahàla sy voalanjalanja tsara tamin'ireo olana tamin'izany vanim-potoana izany. Tena mpandinika sy mpamorona tononkira mahaleotena henjana be izy, izay nantsoiny azy araka izay fahitàny azy. Ny “Wait Dorothy Wait” ohatra, dia gadon-kira iray mamirapiratra nampanantenàny ireo mpankafy azy fa, indray andro any, hanoratra calypso iray maivamaivana sy masiaka ho azy ireo izy – saingy fotsiny, taorian'ireo olana ara-tsosialy lehibe tahaka ny kolikoly, vao noresahana ny tsy fitoviana sy ny fahantrana. Ilay hira, sady afaka andihizana no lalina, dia nampiseho ny fahaizany mamorona sy niaro ny zony hihira momba ireo lohahevitra mifamatotra amin'ny fiarahamonina.

Ny “Caribbean Man” (fantatra ihany koa amin'ny “Caribbean Unity”), hira nataony tamin'ny 1979, dia niteraka resabe nanerana ny faritra satria niresaka momba ilay fotokevitra saro-takarina hatry ny ela momba ny fidirana anaty fiarahamonina ao Karaiba. Ny Tahiry Nasionalin'i Trinidad& Tobago dia nametraka izany tao anaty toe-javatra manodidina azy :

Na amin'izao fotoana izao aza, mbola asongadina any anatin'ny adihevitra manodidina ny fidirana anaty firahamonina ao Karaiba hatrany ilay hira satria tsy zavatra vaovao ny fanambin'ny firaisankinam-paritra. Diniho ny maha-zava-dehibe an'ireto tononkira ireto […] : Mijere lehilahy iray tsy mahalala akory ny tantarany / tsy afaka manangana firaisankina na kely aza. Ahoana no hahafahan'ny lehilahy tsy mahalala ny fototra nipoirany/ hamorona idealy ho azy manokana ?

Tamin'ny 2001 dia nomarihan‘ilay mpanao gazety trinidadiàna, Terry Joseph, izay efa nodimandry, fa Stalin dia “karazana kalipsoniana iray tena niavaka” foana, niaraka tamin'ireo fandreseny marobe tonga hatrany niaraka “tamin'ny fomba mahatalanjona” nanoloana voandrona iray nisy an'ireo lanja mavesatry ny calypso. Voafehiny daholo ny zava-drehetra, manomboka amin'ny hira fanao amin'ny lanonana ka hatramin'ireo tsikera ara-tsosialy, ireo hiram-pitiavana ka hatramin'ny fandrabirabiana ara-politika :

Nalain'i Stalin ho azy ny enta-mavesatry ny fanehoana ny hevitr'ireo voaporitra. Tsy mionona amin'ny tatitra mahazatra velively ny fanehoankeviny ara-tsosialy sy ara-pôlitika, fa manome fanazavana mikasika ny fomba azo atao hitondràna ny fanarenana, na farafaharatsiny manolotra fomba hampitsaharana ny filentehana an-davaka.

Saronan'ny tsikiny mambabo sy ireo fombany malefaka ny fanahy manindrotsindrona toy ny fiharatra, izay niray tsikombakomba tamin'ny kitapon-kira tsy hay hadinoina sy tena mifandray be tokoa, mba hanampiana azy hahazo ireo mpankafy manerana izao tontolo izao.

Eny tokoa, nitety faritra maro i Stalin, nanao fampisehoana tany Eoropa, Amerika Avaratra sy manerana an'i Karaiba – ary na dia feno be aza ny fandaharam-potoanany, dia raim-pianakaviana nanokan-tena ho an'i Patsy  vadiny sy ireo zanany telo izy. Rehefa nandre ny vaovao momba ny fodiamandriny ireo mpiserasera dia nanomboka nizara ny fiarahamiory tany amin'ireo fantsona media sosialy isan-karazany, naneho ny fankasitrahany noho “ny mozika sy ireo fahatsiarovana.”

Nanamarika ny mpampiasa facebook sady mpanao gazety teo aloha, Neil Giuseppi, fa “nandao antsika ny andrarezina iray”, raha mbola nanao veloma mandrakizay an'ilay “tena andrarezin'ny Kalipso” kosa ilay deejay Jus Jase.

Austin Lyons, mpiara-niangaly calypso taminy, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Superblue, namoaka hoe :

Mpanjaka io lehilahy, na nihira izy na nilalao dia nanome hatrany ny tsara indrindra avy aminy.

Nanampy ilay kintan'ny soca, Fay-Ann Lyons, zanakavavin'i Superblue, hoe :

Mandehana amim-boninahitra. Manidina avo. […] Andrarezina  iray hafa no namela ho antsika ny mozikany sy ireo fahatsiarovana tsy mampino . #BlackStalin

Marobe ihany koa ireo fanomezam-boninahitra tao amin'ny Twitter :

“Nanao fampisehoana teo anoloan'ny mpihaino eran-tany i Black Stalin” ary namela marika tsy azo kosehina tao am-po sy fanahin'ireo olona an-tapitrisany nanatri-maso ireo fampisehoana nahery vaika nataony.”

Ny Fikambanan'ireo Kalipsoniana Mitambatra ao Trinbago momba ny fodiamandrin'ilay Kalipsoniana ela nihetezana, Black Stalin
— Anselm Gibbs (@AnselmGibbs)

Mandria am-piadanana #BlackStalin, olo-malaza iray ho an'ny calypso trinidadiàna, izay nihira ity tononkira mahazatra ankafizin'ny Indiana Tandrefana rehetra ity

— Natasha Lightfoot 🇦🇬 (@njlightfoot)

Nibitsika ihany koa i Bunji Garlin, Kintan'ny Soca  :

Mandria am-piadanana ry Andrarezina. Dr Leroy Calliste The Black Stalin. Fiarahamiory amin'ny fianakaviany sy ireo havan-tiany. Hitohy hisy hatrany anie ny kantonao hatrany amin'ny taranaka ho avy sy ny fanirianao hanondrotra.

— Bunji Garlin (@BUNJIGARLIN)

Tsy lany andro sady manintona ireo andian-taranaka tanora kokoa ny mozikan‘i Stalin, tahaka izay niseho tamin'ny 21 Novambra lasa teo, rehefa nohiraina ny ampahany tamin'ilay hira klasikany  “We Can Make It” (Vitantsika izany) nandritra ny lanonana fanokafana ny faha 11-n'ny Antenimieran'ny Tanora Commonwealth tao amin'ny Red House tao amin'ny Seranan'i Espaina, tranoben'ny Parlemantera ao Trinidad & Tobago.

Tamin'ny 2021, ho an'ny fahatsiarovana ny faha-80 taonan'ilay mpihira, Stalin no lasa voalohany nahazo ny Legacy Award  avy amin'ny Presentation College miorina any Atsimo, iray amin'ireo sekoly ambaratonga faharoa tena malaza indrindra ao Trinidad. Nandritra ny lanonana, iray hafa mpiangaly calypso no nilaza ny fatran'ny fanomezan-dry zareo lanja ny taridàlany sy ny fisakaizany, raha toa kosa ny minisitry ny Kolontsaina, Randall Mitchell, niaiky ny fandraisana anjaran'i Stalin tamin'ny tontolon'ny kolontsaina tao amin'ny firenena.

Nomena haja betsaka i Stalin noho ny hatsarana nananany tamin'ny naha olona azy sy ny mozika nohirainy, fifangaroana tsy fahita firy izay mahatonga azy ho tena mendrika ny anaram-boninahitra “Andrarezina”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.