- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Undertones any Rosia: Ady, Fampielezan-kevitra, ny Tandrefana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Ady & Fifandirana, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Civic Media Observatory, Country Monitor Observatory 2021-2022

 

Kisarisary mampiseho ny hetsika Rosiana manohitra ny ady, avy amin'ny Global Voices

Ny fitantarana dia ampahany amin'ny Undertones, taratasin-gazetin'ny Civic Media Observatory [1] ato amin’ny Global Voices. Saintsainin'ny mpikaroka Rosiana ny tontolovoarin'ny fampitam-baovao ao an-tanindrazany sy izay azontsika antenaina amin'ny taona 2023. Isaky ny mitendry fitantarana iray ianao dia hahita ranty famakafakana sy fampahalalana mifandraika amin'izany. Misorata anarana hanjohy ny Undertones [2].

Niova tanteraka ny fiainan'ny Okrainiana tamin'ny 24 Febroary 2022, rehefa nanafika an'i Okraina ny fitondran'i Putin. Tany amin’ny sisintany ankilany, nirongatra ny propagandin'ny Rosiana, nakatona ny fampahalalam-baovao tsy miankina, ary nopotehina tamin-kerisetra ireo mihevitra manohitra ny ady. Amin'ity taona 2023 ity, manantena ny mpikaroka fa hametra-panontaniana bebe kokoa ny Rosiana manohitra ny ady momba ny fomba nahatongavan'i Rosia tamin'izany.

Ny fifehezan'ny fanjakana ny fomba fitantarana

Nanaraka akaiky ny fitantaran'ny fanjakana Rosiana mialoha ny fananiham-bohitra izahay rehefa nilaza ny mpisehatra amin'ny fanjakana fa ny Tandrefana no nahatonga [3] ny fifanenjanana eo amin'ny firenena roa tonta. Hatramin'ny nipoahan'ny ady, nihamafy ny fitantaran'ny fanjakana ary manantena ny mpikaroka fa hihamafy izany amin'ny taona 2023.

Nampiasa fitantarana samihafa i Rosia mba hanamarinana ny ady amin'i Okraina. Ny tohan-kevitra iray, izay nihalany hery tato anatin'ny volana vitsivitsy, dia ny hoe miditra amin'ny “fanalana ny nazi [4]” ao amin'ny Okraina i Rosia ho tombontsoan'ny maha-olombelona. Nanameloka an'i Okraina ihany koa i Rosia ho nanao fandripahana ny tenany ihany [5], tonga hatrany amin'ny filazana fa ho vonona hidaroka baomba ny tenany mihitsy [6] aza i Okraina amin'ny fitaovam-piadiana nokleary “maloto” mba hanamelohana an'i Rosia fotsiny.

Manamarina ny ady noho ny fiarovan-tena ny fitantarana malaza indrindra. Milaza ny fanjakana Rosiana fa nanomana fanafihana mitam-piadiana amin'i Rosia amin'ny alalan'i Okraina ny Tandrefana, ary indrindra ny OTAN, ka ilaina ny fanafihana mialoha noho izany. Namintina ny fitantarana dfa “Nikasa ny hanisy ratsy an’i Rosia aloha ny Okrainiana sy ny Tandrefana, ka voatery nanao hetsika ara-tafika i Rosia [7],” ary nahazo laza manokana hatramin'ny nanombohan'ny Tandrefana nanome fitaovam-piadiana ho an'i Okraina.

Tsy tonga tonga hoazy ireo fitantarana ireo. Nanomana ny vahoaka Rosiana hanaratsy ny Tandrefana an-taonany maro ny propagandin'ny governemanta. Fanehoana ny fireharehan'i Rosia tamin'ny fandraisana anjara handresy ny fitondrana Nazi nandritra ny Ady Lehibe II ny sasany amin'ireo.

Jereo ny taratasim-baovaonay  momba ny fandaingan'ny media Rosiana amin'ny Rosiana momba an'i Okraina [8]

Inona no voalaza ao amin'ny media sosialy

Hatramin'ny nisian'ny ady tany Okraina, nosakanan'ny fanjakana Rosiana ny Facebook, Instagram, Twitter, ary ny tranonkala miisa 200.000 [9], izay tsy azo idirana afa-tsy amin'ny VPN ankehitriny. Olom-pirenena Rosiana maro no tsy manaraka afa-tsy ireo fitantarana propangandy voalaza etsy ambony ireo izay naparitaka tamin'ny media omen'ny fanjakana alalana sy ny tambajotra sosialy toy ny Telegram sy Vkontakte. Mety hiovaova be arakaraka ny fanamarinana ataonao ao amin’ny Facebook na VKontakte ny zavatra lazaina momba ny ady, noho izany.

Sarotra ny mahafantatra hoe firy ny Rosiana manohana na manohitra ny ady noho ny famoretana mafy ny tsy fitovian-kevitra. Amin'ny famakafakanay ny torohay, nangoninay ireo fantsom-pampahalalam-baovao, nofakafakainay ireo singa media Rosiana maherin'ny 250 izay maneho ny fomba fijery eo an-toerana, ary nohadihadianay ireo fitantarana.

Hita ao amin'ny Facebook, Twitter, ary Youtube ny ankamaroan'ny votoaty manohitra ny ady, saingy misaran-kevitra kosa ny (ao amin'ny) Instagram sy Telegram. Maro amin'ireo Rosiana mamoaka votoaty manohitra ny ady no monina any ivelan'ny firenena. Indraindray, mitaraina izy ireo fa tsy nanongana an'i Putin mialoha ny fotoana ny Rosiana (“Samy tompon’andraikitra amin'ny ady amin'i Okraina ny Rosiana rehetra [10]”), miantso ny mpanohana an'i Putin ho “zombie” izy ireo indraindray izay voafitaka sy nahazo vaovao diso tamin'ny propangandy (“Mody tsy mahita sady jamba ny Rosiana mpanohana ny ady [11]”). Maro no nanomboka nametram-panontaniana momba ny dikan'izany ho an’ny Rosiana.

Misy ifandraisany betsaka amin'ny hetsiky ny mpikatroka ifotony toy ny hetsika feminista Rosiana [12] ny fanoherana ny ady Rosiana. Nitohy [13] ao anatin’ny firenena ny hetsika manohitra ny ady, na dia eo aza ny loza mety hitranga. “Mbola ao anatin’ny fanapariaham-pahefana ny vondrona manohitra ny ady, any am-ponja no hany toerana azo hivondronan’ny fahefan’izy ireo”, hoy ny mpanao fikarohana anay.

Betsaka ny fitantarana manohana ny ady hita ao amin'ny VKontakte izay an'ny fanjakana. Anisan’izany ireto manaraka ireto: “Tokony hirehareha amin'ny fireneny sy ny tenany ny Rosiana [14]” sy ny “Famadihan-tanindrazana ny tsy-fanohanana ny governemanta Rosiana amin'ny ady amin'i Okraina [15].”

Vao mainka nampizarazara ny firenena ny antson'i Putin ho amin'ny fanetsiketsehana hanamafisana ny tafika Rosiana tamin'ny volana Septambra 2022. Nizara roa ihany koa eto ny fitantarana, ka ny ankilany hoe “Tsy tokony hatahotra ny amin'ny fidirana ao amin’ny tafika ny Rosiana [16]” ary ny andaniny hoe,”Tokony hanohitra ny fandrafetana ny ady any Okraina ny Rosiana [17].”

Jereo ny gazetim-baovaonay momba ireo mpisintona lakolosy Rosiana momba ny ady ao Okraina [18]

Samy voarabirabin'ny andaniny sy ny ankilany ny Tandrefana

Nilaza ny fanjakana Rosiana sy ny mpanohana azy fa ny OTAN, izay ahitana an'i Etazonia sy mpikambana Eoropeana maro, no fahavalo mitady hanafika an'i Rosia, araka ny voalaza fa voaporofo tamin'ny famatsian’izy ireo fitaovam-piadiana ho an'i Okraina. Mitaraina ireo Rosiana manohitra ny ady noho ny tsy fahampian'ny fanohanan'ny Tandrefana ireo mpikatroka manohitra an'i Putin sy ny fivarotan’ny eoropeana fitaovam-piadiana [19] amin’i Rosia hatramin'ny taona 2021.

Tamin'ny taona 2022, nisy ny fanadihadiana fa nivarotra fitaovana [20] hanara-maso ireo mpanao fihetsiketsehana ny Nokia Finlandey ary namatsy fitaovana [21] ho an’ny fanjakana Rosiana amin'ny teknolojia sivana aterineto ny Sandvine any Etazonia. Misy koa ny Rosiana nitaraina [22] fa ny fandrarana ny famatsiana baomba mandatsa-dranomaso sy tsy tafiditra tao amin'ny andiam-pamaizana fahasivin’ny [23] Vondrona Eoropeana raha tsy tamin'ny volana Desambra 2022 ny fitaovana fandoroana amin’ny herinaratra taser.

“Mampihomehy, samy tsy afa-po amin'ny Tandrefana na ny mpanao fampielezan-kevitra na ny Rosiana manohitra ny ady”, hoy ny mpikarokay.

Mitsikera ny “fihatsarambelatsihy” ataon'ny Tandrefana ireo Rosiana manohitra ny ady ary nilaza fa “Tsy mbola nanohana mivantana mihitsy ny hetsika manohana ny demaokrasia ao Rosia ireo firenena tandrefana [24]” sy ny hoe “Nanohana an'i Putin sy ny fitondrana Rosiana ny firenena UE [25].” Toa tsy hihatsara ny lazan'ny Tandrefana ato ho ato.

Jereo ny gazetim-baovaonay momba ny firaisana tsikombakomban'ny Tandrefana amin'ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina [26]

Fitantarana hafa tsara vakiana:

Hijery ny amboaran-torohay Rosia taona 2022 iray manontolo

Mamandriha ny Undertones [2]