- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Misovoka ao amin'ny Wikipedia ny mpitsikilon'ny governemanta ary manameloka ireo admins mahaleotena ho any am-ponja

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Avy amin'ny Wikimedia Foundation, CC BY-SA 3.0 [1]. Fampiasana araka ny tokony ho izy

Navoakan'ny SMEX [2] sy ny DAWN [3], sehatra media miteny arabo, voalohany tamin'ny 5 January 2023 ity sombin-dahatsoratra ity. Navoaka etoana indray ny endrika nasiam-panitsiana, araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Nisovoka tao amin'ny Wikipedia tamin'ny alalan'ny fandraisana ireo mpitantana ambony indrindra ao amin'ny firenena ho mpitsikilony ny governemanta Saodiana hifehezana ny torohay momba ny firenena sy hanenjehana ara-pitsarana ireo nanome vaovao mitsikera momba ireo voafonja ara-politika, hoy ny SMEX sy ny Democracy for the Arab World Now (DAWN-Demaokrasia ho an'ny Tontolo Arabo izao Ankehitriny izao) androany [5 janoary]. Taorian'ny famotorana anatiny tamin'ny taona 2022, namarana ny fifanarahana nifanaovana tamin'ny mpitantana tao aminy rehetra tao Arabia Saodita i Wikimedia tamin'ny Desambra. Nandrakitra an-tsoratra ny fisovohan'ny governemanta Saodiana tao amin'i Wikimedia ny DAWN sy ny SMEX tamin'ny alalan'ny antsafa nifanaovana tamin'ireo loharanom-baovao akaiky ny orinasa sy ireo mpitantana voafonja.

“Ahariharin'ny fisovohana ataon'ny governemanta Saodiana ao amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny mpitsikilon'ny governemanta miasa ho ny tonian-dahatsoratra tsy miankina, sy ny fanagadrana ireo tonia tsy nanaiky lembenana, ny fampiasàny mpitsikilo hatrany anaty fikambanana iraisampirenena sy ny loza ateraky ny fiezahana hanatratra votoaty mahaleotena ao amin'ny firenena,” hoy i Sarah Leah Whitson, Tale Mpanatanteraky ny DAWN. “Tsy fandraisana andraikitra ho an'ny fikambanana iraisampirenena sy ny fihariana mihitsy ny mihevitra ny mpiara-miasa aminy ho afaka miasa tsy miankin-doha, na afa-mivoaka amin'ny fanaraha-mason'ny governemanta Saodiana.”

Miankina [4] amin'ireo karazam-mpitantana sy mpanitsy lahatsoratra volantera (mirotsaka an-tsitrapo) ny Wikipedia, antsoina hoe “mpikirakira Wikipedia,” nomen'ny Wikimedia, ilay orinasa akaiky ny Wikipedia, alalana. Tsy mpiasan'ny Wikimedia ireo mpikirakira ireo ary tsy mahazo tambiny. Na izany aza, nanangana ny fitsipiky ny vondronolona Wikipedia ny Wikimedia mba hanomezana azy ireo karazan-tombontsoa ho mpanitsy lahatsoratra azo itokisana sy mahaleo tena izay mifehy sy mitantana votoaty ao amin'ny Wikipedia. Manana fanomezan-dàlana manokana ny mpitantana hampiasa fitaovana hanitsiana, hamafana, ary hiarovana ny pejy votoaty (midika izany fa tsy misy olon-kafa afaka manova azy), ary hanakana sy hamaha ireo mpikirakira sy mpanitsy kelikely voninahitra. Raha te hahalala bebe kokoa momba ny ambaratongam-pidiran'ny mpikirakira samihafa ao amin'ny Wikipedia dia tsidiho ity pejy ity [5].

“Ny fisovohana tamin'ny Wikipedia no ohatra iray hafa amin'ny ezaka ataon'ny governemanta Saodiana hanara-maso ny famokarana torohay sy ny fahalalana an-jotra ao amin'ny faritra misy anay,” hoy i Mohamed Najem, Tale Mpanatanteraka ao amin'ny SMEX. “Mahakivy fa nahavaky sehatra iraisampirenena azo itokisana sy inoana toy ny Wikipedia ny ezaka ataon'ny governemanta Saodiana hanely fahadisoam-baovao momba ny fanitsakitsahana ataony.”

Araka ny loharanom-baovao manana fahalalàna momba ilay raharaha niresaka tamin'ny DAWN sy SMEX, tamin'ny Septambra 2020, nosamborin'ny governemanta Saodiana andro iray ny mpitantana Wikipedia ambony roa ao Arabia Saodita, Osama Khalid [6] sy Ziyad al-Sofiani [7], ary nampangaina ho “misintona ny hevitry ny besinimaro” sy “manitsakitsaka ny [fady sy ny fombam-]bahoaka”.  Ny Fitsarana ady Heloka Bevava manokana, ny fitsarana miady amin'ny fampihorohoroana ao amin'ny firenena natao hanenjehana ireo gadra politika, no nanasazy azy ireo tamin'ny fahavaratry ny taona 2020 higadra dimy sy valo taona any amin'ny fonjan'i Al-Haer any Riyadh araka izay filaharany izay.Loharanom-baovao akaiky ity raharaha ity no nilaza tamin’i DAWN fa nanenjika azy ireo ny governemanta noho izy ireo nanome vaovao izay heverina ho mitsikera ny fanenjehana ireo mpikatroka politika ao amin’ny firenena.

Nampitombo [8]in'ny Fitsarana ady Heloka Bevava manokana ho 32 taona ny sazin'Andriamatoa Khalid tamin'ny Septambra 2022 tamin'ireo fiampangana ireo ihany ary toa anisan'ny fanentanana [9] lehibe kokoa hametra sazy [10] henjana fanampiny ho an'ireo voafonja ara-politika.

“Tena maharikoriko nefa azo novinaniana tanteraka fa ny governemanta Saodiana dia nitsara sy nanameloka Saodiana noho ny fandefasana votoaty milaza fanitsakitsahana zon'olombelona ataon'ny governemanta,” hoy Raed Jarrar, talen'ny fisoloambava mpiaro ny DAWN. “Saingy mila mandray andraikitra koa ny Wikimedia amin'ny zava-misy fa ny mpanitsy lahatsoratra nahazo alalana dia migadra any am-ponja ankehitriny noho ny asa nataony tao amin'ny pejy Wikipedia.”

Toa [nahalala] ny fisovohana ny Wikimedia ka nandrara ireo mpanitsy lahatsoratra ao amin'ny firenena, saingy tsy nanome antsipiriany. Tamin'ny 6 Desambra 2022, nanambara [11] ny Wikimedia fa noraràny ireo mpikirakira miisa 16 noho ny “fifandonan-tombontsoa eo amin'ny fanitsiana” taorian'ny famotorana anatiny natombony tamin'ny Janoary 2022. Loharanom-baovao manam-pahalalàna amin'ny raharaha fanaon'ny Wikimedia no namoaka tamin'i DAWN sy SMEX fa mihatra amin'ny Saodiana mpikirakira miisa 16 ny fandraràna, ekipan'ny famoahan-dahatsoratra mitazona toerana faratampony ao amin'ny Wikimedia ao amin'ny faritra, rehefa tsikaritra fa mpitsikilon'ny governemanta Saodiana izy ireo mba hampiroborobo votoaty tsara momba ny governemanta sy hamafa votoaty mitsikera ny governemanta, anisan'izany ny vaovao momba ireo gadra politika ao amin'ny firenena. Hita ao anaty lisitry ny voarara ao amin'ny pejy fandraràna maneran-tany an'i Wikimedia ny mari-panondroana [11] an'ireo Saodiana mpitantana miisa 16 ireo, izay manondro ny fandraràna azy ireo tamin'ny 6 Desambra 2022.

Nanondro an'ankamantatra fotsiny tamin'ny famotorana nataony ny Wikimedia fa tsy nanambara ny toerana na ny mombamomba ireo mpikirakira voarara na ny antsipiriany momba ny “fifandroritan-tombontsoa eo amin'ny fanitsiana” tsikariny:

“Tamin'ny 6 Desambra 2022, ny Orina Mpanasoa no nanao fandrarana eran-tany ho an'ireo mpikirakira 16 izay nirotsaka tamin'ny fanitsiana nampifandroritra tamin'ny tetikasan'ny Wikipedia ao amin'ny faritra Afovoany Atsinanana Afrika Avaratra (A4),” ary “tamin'ny Janoary 2022, ny Orina Mpanasoa no nanomboka famotorana momba ny lazaina ho fifandonan-tombontsoa amin'ny fanitsiana ny tetikasan'ny Wikipedia ao amin'ny faritra A4. Tao amin'izany famotorana izany no nahafahanay nanamafy fa mpikirakira maromaro manana fifandraisana akaiky amin'ny antoko ivelany no nanova ny sehatra tamin'ny fomba nirindra mba hampandrosoana ny tanjon'ireo antoko ireo. .”

Tokony hampahafantatra ampahibemaso ny valin'ny famotorana nataony ny Wikimedia, hamboraka ireo pejy rehetra izay nanaovan'ny ekipa monina ao Arabia Saodita fanitsiana, ary hametraka ireny amin'ny mpandalina sy mpamerina manao fanitsiana avy amin'ny tsy miankina. Tokony hamerina hanao fanitsiana ireo pejy rehetra novain'ny mpitantana monina any amin'ireo fitondrana tsirefesimandidy ny Wikimedia ka hamoaka marika fampitandremana fa mety ho niharan'ny fisovohan'ny governemanta ny votoaty. Tokony handini-tena amin'ny fiankinany amin'ireo mpitantana any amin'ny firenena voafetra fahalalahana miteny ary voasakatsakana mafy ny fanoratan'ny tsy miankina ihany koa ny Wikimedia, ary mandinika indray ny halehiben'ny mety hisian'ny fanenjehana atao amin'ny mpitantana toy izany.

Tokony avoakan'ny governemanta Saodiana ny ezaka ataony handindona sy hifehy ny votoaty ao amin'ny Wikipedia, ny havesatry ny fanerena na ny fanomezana valisoa ireo mpitantana monina ao Arabia Saodita mba hamokatra votoaty mifanaraka amin'ny fepetra notinakin'ny governemanta, ary hamotsotra ireo notsaraina na nohelohina noho ny andraikiny amin'ny famoahana votoaty tao amin'ny Wikipedia.