Mihoatra lavitra noho ny mpanjakavavy mpiady no namoronan'ny mpanakanto indray ilay Nanny-n'ireo Maroons tao Jamaika

Saripika ho an'ny fampirantiana ” Reimagining Nanny” an'i Jamaika. Sary natolotr'i Dr. Leo Douglas, fampiasàna nahazoana alalana.

Ao anatin'ny tempolin'ireo mahery fo nasiônalin'i Jamaika  miisa fito, ilay Nanny-n'ireo Maroons no hany vehivavy. “Grandie Nanny,” araka ny niantsoana azy, efa nahazo taona, sady tsy mitsiky miaraka amin'ny sabatra fohy eny an-tànany, dia faritana ho tahaka ny mpiady masiaka amin'ny ankapobeny, nitondra ny foko Afrikana nanafaka ny tenany nandritra ny Ady Voalohan'ireo Maroons, izay nanomboka tamin'ny 1655 tany ho any, tao anaty ezaka iray mba hiantohana ny fitohizan'ny fahafahan'izy ireo. Na izany aza, misy mistery hatrany manodidina an'i Nanny : tsy fantatra ny daty nahaterahany sy nahafatesany, ary misy adihevitra mikasika ny hoe teraka tao Jamaika ve izy sa tany Afrika Andrefana.

Ka, iza ary ilay tena Nanny ?

Profesora teratany Jamaikàna iray miasa ao amin'ny Anjerimanontolo tao New York, Dr. Leo Douglas, dia nandinika ny maha-zava-dehibe an'i Nanny, na ara-kolontsaina na ara-tantara. Manokana amin'izany, nomeny lanjany ny fifandraisany tamin'i Cockpit Country, ilay tontolo iainana nikintaontaona sady be tendrombohitra nonenan-dramatoa io. Mpahay vorona sady biôlôjista amin'ny fiarovana mifantoka manokana amin'ny fifaneraseran'ny olombelona amin'ny tontolo iainana, nanomboka niasa tamin'ilay tetikasa iray nantsoiny hoe “Reimagining Nanny” i Dr. Douglas, izay nahazo aingam-panahy avy tamin'ny faha-60 taonan'ny Fahaleovantenan‘i Jamaika niala tamin'i Angletera :

Ny fahafatesan'ny reniko tamin'ny fiandohan'ny fahavaratry ny taona 2021 no antony voalohany indrindra nitondra ho amin'ny fitantaràna ireo tantara teo amin'ny fihaonan'ny lova sy ny karazan-javamananaina. Tantara marobe no notantarain'ny reniko ahy izay nambarany fa avy tamin'ireo ray amandreniny sy ny andian-taranaky ny ray amandreniny. Mpitantara tantara manan-danja ny vehivavy Jamaikana sady mpitahiry ny lova ho anay rehetra.

Tamin'ny volana Oktobra tamin'io taona io ihany, taorian'ny adihevitra niarahana tamin'ny Jamaica Conservation and Development Trust (izay mitantana ny Valan-javaboaharin'i Blue and John Crow Mountains National) sy niaraka tamin'ny Institute of Jamaica (izay izy ihany no tale mpanatanteraky ny Windward Maroon), dia namoaka antso iray misokatra ho an'ireo mpanakanto mpanao asakanto ho an'ny maso manerantany i Dr. Douglas mba handray anjara.

Ny fandikana ara-kolontsaina ny Nanny teraka avy amin'izany, dia aranty ankehitriny ao amin'ny Institute of Jamaica, dia ireo asakanto dimy nahazo fandresena, anisan'izany ny asakanto mpandresy an'ilay Jamaikana mpanakanto Richard Nattoo. Maneho “fitantarana mifanohitra” amin'ny fomba fijerin'ny mpanjanaka ny tontolo iainana izy ireo, araka izay amaritan'i Douglas azy,  satria efa nanana ny anarany teo an-toerana ireo fambolena sy ireo hazo talohan'ny nanomezan'ireo mpanjanaka anarana vaovao azy ireny, ary dia manome topimaso iray ny Nanny iray hafa miavaka.

Nikaroka asa tsy manam-paharoa i Douglas ; asa izay hanome voninahitra ireo vehivavy mainty hoditra ary nitantara tantara iray misy ireo singa niainan'i Nanny teo amin'ny tontolo niainany, faritra iray misy hazo tena mitovy amin'i Afrika Andrefana, miaraka amin'ireo fomban-drazana mifandray aminy. Nohaingoin'i Dr Douglas tamin'ny andian-tsioka amin'ny antsipirihany sy mazava io lova io :

Cacoon (Entada rheedii) voany sy hodi-boan'anana. Mampiray an'i Karaiba amin'i Afrika Andrefana ity hazo voaloboka ity… Nahafaly ahy ny nanangona ireny santionany ireny niaraka tamin'i Sefo Wallace Sterling avy ao amin'ny Moore Town Maroon Community #Portland #Jamaica ny Sabotsy. Sakafo, fanafody, fiafenana sy ny hafa koa …pic.twitter.com/Lnlodky7EZ

Nandeha tany atsinanan'i Jamaika ihany koa i Dr Douglas, tanindrazan'ireo Windward Maroons, ary niresaka tamin'izy ireo mikasika ny mety ho fiheveran'izy ireo ny maherifom-pirenen'ny razambeny. Nohavaoziny ny finamanany tamin'ny Lehiben'ny Moore Town Maroons, Kolonely Wallace Sterling, izay nanamafy fa “tsy dia nanam-potoana niadiana i Nanny”. Mikasika an'i Nanny, nahafantatra zavatra maro ihany koa izy avy amin'ny anabaviny sy avy amin'ny anabavy tsy omby kibo aminy, Kolonely Marcia Douglas, mpitarika ny Charles Town Maroons (iray amin'ireo tanana efatra Windward Maroon ao Jamaika), tamin'ny fibitsihana hoe :

Eo am-pikarohana ireo soritra nodiavin'i Grandie Nanny-n'ny Maroons tao amin'ny Blue & John Crow Mountains ankehitriny -📍 Cascade, Portland 🇯🇲 #Reimagining #Retelling #ReclaimingBiodiversity. pic.twitter.com/hgwU5cYvpr

 

Nandritra ny tafatafa niarahana tamin'ny Global Voices dia nanazava i Dr. Douglas hoe :

Taratry ny asako ilay tetikasa, izay lazaiko ho jeografian'ny olombelona-tontolo iainana. Nosainiko foana ny dikan'ny zavaboahary, ny zavamaniry sy ny biby ho an'ny olona amin'ny maha-fihetsehampo, soatoavina sy finoana ireo, avy eo dia miantraika amin'ny fitondrantena momba sy manoloana ny tontolo natoraly. […]

Richard, ilay mpandresinay voalohany, dia nisongadina avy tao anatin'ny vahoaka niaraka tamin'ny bika tanorany maneho ny Mpanjakavavy Nanny izay tsy maintsy ho tovovavy (mety ho adolantsento na tovovavy) fony izy tonga tao Jamaika. Tena tsara ihany koa nampiasany ny marika famantarana, izay namaritany ny naha-aingam-panahiny an'i Mountain Witch (mpamosavin'ny tandrombohitra) (Crested Quail-Dove) [mba hanehoana] an'i Nanny amin'ireo lokona Quail Dove (karazana voromailala dia), vorona ty hita raha tsy ao Jamaika ary atahorana ho fongana. Nankafizin'ireo mpitsara ny fahatsapana fikolokoloana, ny fandriampahalemana sy ny fahendrena nentin'i Richard teo amin'ny asany, indrindra amin'izao vanim-potoana izao, izay anoherana mafy eny anaty fampahalalam-baovao Jamaikana sy ny hafa ny maripamantarana an'ireo Maroon.

Nandritra ny fanokafana ny fampirantiana tamin'ny 27 Novambra, ny Lehiben'ny Tranombakoka Mikasika ny Tantara Voajanahary ao Jamaika, ny profesora Ronald Young dia nandinika ny sary tranainin'i Nanny ho sahala amin'ny “olona iray misongadina tsotra sy tsy miova” ary “mahery fo mihelina” ao an-tsain'ny ankamaroan'ireo Jamaikana :

Nalana avy tao amin'ny pejin'ny tantaran'ny Maroon, tsy nisy ireo marika famantarana ivelany sy manokana izay manome ny halaliny sy ny zava-misy ho an'ny olona tsirairay, kisary iray i Nanny, natokana hanehoana ny tanjaka, ny faharetana, ny halalinan-tsaina stratejika, ny fahaiza-mandamina izay hitantsika isan'andro amin'ireo vehivavintsika… saingy tsy ampy ity sary ity.

Dingana iray manan-danja hanomezana aina an'ity endrika manan-tantara ity ny “Reimagining Nanny”, tsy hoe fotsiny amin'ny maha-mpitarika matanjaka azy, fa amin'ny maha-olona tena misaina lalina sy ara-panahy azy ihany koa, mifandray amin'ny fahalalan'ny razam-beny sy ny tontolo voajanahary manodidina azy. Araka ny tenin'ny profesora Young hoe :

Ao anaty tontolo iray izay miantso fitserana amin'ireo olana ara-tontolo iainana manoloana ny amban'ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny fitomboan'ny fisarahan'ny zanak'olombelona amin'ny fototra ara-panahiny, tena zava-dehibe io fanovàna io mba hanampiana ny fahalalinana sy hampifanaraka ny fahatakarantsika hoe iza i Nanny.

Amin'izao fotoana izao i Dr. Douglas dia mamokatra horonantsary fanadihadiana mikasika an'i Nanny, izay hivoaka tsy ho ela amin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy sy ny Iray Volana ho an'ny Tantaran'ireo Vehivavy ao Etazonia, ny lohahevitra dia ny hoe “Ankalazao ireo Vehivavy Mitantara ny Tantarantsika” :

Tsy nahita ny fanombohana ny #ReimaginingNanny #Jamaica60 @IoJ_jamaica tamin'ny faran'ny herinandro teo ve ianao ? Tongava amin'ny manaraka – ny tahirinkevitra ho an'ny Volana Iraisam-pirenena ho an'ny Vakoky ny Vehivavy 2023. Ireo tafatafa sasantsasany tena mandresy lahatra indrindra momba ilay Mpanjakavavy Nanny sy ny fihazonana ny ara-tontolo iainana sy kolontsaina ho an'ny taranany. Ampahan-tsary pic.twitter.com/9O8IYwK3Qv

Ny lisitra feno misy an'ireo nandresy tamin'ny tetikasa “Reimagining Nanny” dia ahitana : “Moonlight Meditations of Mama Nanny” nataon'i Richard Nattoo; “Queen Nannies” nataon'i Leigh Goffe; “We Are Still Here and We Remember” nataon'i Ibaya Art; “Warrior Shield VI: Queen of the Blue Mountains” nataon'i Lisa Callender; ary ny “Queen Mother Arms of Liberation” nataon'ilay  Nizeriana mpanakanto, Segun Bamidele Aiyesan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.