Manambara ny Vovonam-Pikatrohana ankihin'ireo Fiteny Maya taona 2023 (11-15 janoary)

Ravoravo ny Rising Voices, sampana fampivelarana ny haino vaky jery ato amin'ny Global Voices, manambara ny Fisokafan'ny Vovonam-Pikatrohana ankihy (nomerika) ireo Fiteny Maya taona 2023, izay hotontosaina ao amin'ny Mozea Goavan'ny Tontolo Mayana ao Mérida, Meksika ny 11–15 Janoary.

Ny Vovonana, izay faratampon'ny taona voalohany amin'ny tetikasa iray mizàka ny fampiroboroboana ny fiteny mayana amin'ny habaka ankihy, no hanamora ny fifampianarana sy ny fifanakalozana eo amin'ny samy mpikatroka nomerika (ankihy) sy vondron'olona miasa hampiroborobo, hikolokolo ary hamelona indray ny fianakaviamben'ny fiteny mayana any Meksika sy ny  mihoatra amin'ny fampiasana ny media sy teknolojia ankihy.

Ireo Hetsika mandritra ny Vovonana

Fivorian'ireo nahazo vatsy (11 & 12 Janoary): Nandritra ny valo volana izay ny Rising Voices no nizàka ireo nahazo vatsy 10 avy ao amin'ny Saikinosy Yucatan sy Chiapas. Nirotsaka ny vondrona tamin'ny paikam-pifampianarana nahitana fihaonana sy atrikasa virtoaly. Namelona tetikasa mifototra amin'ny vondronolona mampiroborobo ny fiteniny amin'ny sehatra ankihy (nomerika) isan-karazany ihany koa ireo nahazo vatsy. Ity fivoriana ity no ahafahan'ny vondrona hihaona sy hifankahalala mivantana, hisaintsaina amin'ny fiantraikan'ny tetikasany, ary hanao tolo-kevitra fandrisihana amin'izay hatao amin'ny fanomezam-batsy manaraka izay hanomboka amin'ny marsa 2023.

Atrikasam-pikatrohana ankihy (11 & 12 Janoary): Mpahay teny Maya miisa telopolo no nasaina handray anjara amin'ny atrikasa haharitra roa andro antsoina hoe “Fanabeazam-boho ny fiteninao amin'ny aterineto,” izay hianaran'izy ireo hamolavola teti-panorona manokana hanombohana na hanohizana ny hetsika fikatrohana nomerika ataon'izy ireo. Hotarihan'ny mpanentana roa avy any Chiapas, Meksika sy Guatemala, ny atrikasa ary hampiditra ireo tetika novolavolaina ho ampahany amin'ny tetikasam-pitaovana [mg] niarahana tamin'ny UNESCO.

Fifanakalozana Hip-Hop (11-12 Janoary): Fifanakalozana Hip-Hop (11-12 Janoary): Avy amin'ny fanohanan'ny Masoivoho Kanadiana any Meksika, dia mampivondrona ireo mpanatontosa, mpanakanto ary mpamokatra sarimihetsika izay miara-miasa amin'ny tanora First Nations any Canada sy ny tanora Mayana any Meksika izahay amin'ny alalan'ny fifanakalozana mihoatra faritra amin'ny fampiasana seha-pamoronana vaovao hampirantiana ny kolontsaina sy ny fiteny. Ho hita mandritra ny roa andro hihaonana ny atrikasa ho an’ny tanora avy any Mérida sy ny toerana manodidina.

Kaoferansa ho an'ny daholobe (13-14 Janoary): Ny 13-14 Janoary, manokatra ny varavarany ho an'ny daholobe ny Vovonana (takiana ny fisoratana anarana), izay ahitana ny programan'ireo nasaina sy fampisehoana mifantoka amin'ny fiteny Maya sy ny fikatrohana ankihy manodidina azy ireo.

Fampirantian'ny Mayana mpandravaka (13-14 Janoary): Mandritra ny fihaonana ho an’ny daholobe, hisy ny asakanto avy amin'ny faritra haranty ho fankalazana ny talentan’ny Mayana artista. Nofantenana tamin'ny alalan'ny antso misokatra ho an'ny mpanao fandravahana an-tsary hanolotra ny sanganasany haseho ireo mpanakanto ho hita ao. Jereo ny tranonkalan'ny ADLM hijerena ireo mpanakanto voafantina.

Fitsidiham-bondronolona (15 Janoary):Fitsidihan'ny vondrom-piarahamonina (15 Janoary): Amin'ny 15 Janoary, hitsidika vondrom-piarahamonina iray ao Conkal, any an-tanàna itatr'i Merida ny nahazo vatsy mba hizara ny tetikasany amin'ireo mponin'ny vondrom-piarahamonina.

Tontosa izao Vovonana izao noho ny fanohanana avy amin'ny W.K. Kellogg Foundation, ny Mozea Goavan'ny Tontolo Mayana, ny Sekretaria Meksikana misahana ny Kolontsaina, ny Masoivoho Kanadiana ao Meksika, ny Ivokolontsaina Espaniola ao Meksika, ary ny Ivotoeram-Pirenen'ny Fiteny Indizeny (INALI).

Araho amin'ny tambajotra sosialy ny farangoteny #ADLM23.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.