- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsotra, tsy fahita firy ary mampalahelo – ny lanjan'ny tsingerin-taona

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Hevitra, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, Ny Tetezana - The Bridge

 

Sary avy amin'i Maria Carrasco [1] teo amin'ny Unsplash

Avy amin'i Vaneisa Baksh

Ity tantara ity dia navoaka voalohany teo amin'ny Wired868 [2] ary naverina navoaka indray ato amin'ny Global Voices rehefa nahazo alalana am-pitiavana tamin'ny mpanoratra.

Amin'ireo fety rehetra ao anaty tetiandrontsika – ary manana betsaka isika – ny hany tokana manan-danja amiko dia ny Andron'ny Faran'ny Taona.

Tsy misy ifandraisany amin'ireo izay andrandraina sy fanantenana miaraka amin'ny filazana ny taona vaovao. Mino aho fa ny andro tsirairay dia tsy inona fa 24ora monja ihany no manasaraka azy amin'ny iray hafa, ary miankina amintsika ny zavatra ataontsika amin'izany : na isika manome azy endrika sy hatsarana, na manasa azy fatratra ao an-tatatry ny zaridaina.

Manana fomba tsy hay fehezina ny fiainana ary tsy fantatra antony, isanandro isanandro. Matetika aho no tsy maintsy nisakana ny tenako tsy hampitandrina ireo tanora hoe tsy mitondra ireo fiovana lehibe nampanantenaina ny fitsingerenan'ny taona nahaterahana – mamy ny faha-16, olon-dehibe ny faha-18, manjelanjelatra ny faha-21 . Tsy te-ho mpanimba fetin'ny hafa aho.

Tsia, izay ananako niaraka tamin'ny Andron'ny Faran'ny Taona dia avy amin'ny fahagagàna iray  fahazaza, fihetsika tsotra izay nahatonga ny fahatsapana fa afaka atao ireo zava-nahagaga. Raha jerena amin'ny toetrako, dia mifanao atsimo sy avaratra, saingy mitoetra tsara izany.

Fony mbola zaza – niaraka tamin'ny zanaky ny mpiray tampo tamiko dia andiany iray lehibe izahay – nipetraka teny an-dalambe izay mbola antsoiko hatrany hoe trano, fomba fanaonay ny miarahaba sasakalina eo amin'ny fihaonan-dàlana. Tsy tadidiko izay nataonay taloha, saingy mbola tsapako ny fientanentanana mitombo eny amin'ny rivotra arakaraky ny hanakaikezan'ny ora.

10 na 15 minitra eo ho eo tsy hahatongavan'ny ora, dia misy tabataba mitranga avy amin'ny lafy rehetra. Mandalo sady mihazakazaka ireo nenitoa sy ny taranany (tsy tadidiko ireo dadatoa raha nandray anjara) ary niara-nirohotra nankeny amin'ny faran'ny arabe izahay.

Ara-teknika, tsy sakeli-dalana angamba io, satria tapahan'ny orinasa Bermudez Biscuit ny Làlana Hollis, izay orinasa nanangana ozinina teo akaikin'ny arabe, nampitohy azy – ka izy io dia sampanana miendrika T kokoa fa tsy tena fihaonan-dalana.

Nety tsara tamin'ny tanjona anefa izany, izahay izay enta-mavesatry ny arabe. Raha ny fahitana azy, ny fametrahana ny tena amin'ny toerana tsara toy izany amin'ny andro faran'ny taona misasakalina dia midika fa ho tanteraka ireo faniriana. Dia ninia nitsambikina hatrany amin'ny toeran'ny Bermudez izahay, nanjohy ireo mpifanolo-bodirindrina taminay tamim-pahadodonana sahala amina andiana mpiloka efa manana filokàna azo antoka. Dia nijanona teo izahay, feno fahavononana sy resadresaka mafana, niandry ny figadonan'ny sasakalina.

Hisy olona hanomboka hanisa miverina ary hiredona daholo ny rehetra. Tsy misy mozika, tsy misy afomanga, tsy misy afatsy vondrom-piarahamonina tafaray amin'ny fo madio.

Tamin'izay fotoana izay, nakipiko ny masoko dia nanao firariantsoa aho, ary avy eo, angamba nisy teo amin'ny 10 minitra teo ho eo no niarahana, mandra-pahatsiaron'ireo ray amandreny ny halefaky ny rivotry ny Krismasy – izay mahangoly – fa hoe mila miala amin'ny ranon'ando ny ankizy.

Dia nody tany an-tranonay izahay, lasa famindra vizambizana izao ireo famindra tamin-kafanampo. Tsy miova fa ireo vatokely midadasika matsilo sy mafana ao ambany faladihanay rehefa tonga ny andro fivezivezena sy filalaovana, no indro maka endrika mamirapiratra tsy hay faritana eo ambany tara-bolana sy kintana manjelatra amin'izao fotoana izao izay nanome aloka mendrika ho an'ireo bikabika.

Tsy nikiraro ve izahay tamin'izany fotoana izany ? Tsy tadidiko. Ny fitadidiako dia mijanona fotsiny tamin'ireo fahatsapana mahery vaika ny fisiana fisehoan-javatra mahagaga tao anatin'io antsasak'adiny io : 30 minitra tena majika.

Mety nisakafo na tsia izahay tamin'io fotoana io, saingy heveriko fa somary tsy zatra loatra niaritra torimaso  izahay, dia mety tsy maintsy nandeha natory fotsiny. Na izany na tsy izany, mety ho voanjo mainty maso sy vary no sakafo, tsy ny iray amin'ireo tena tiako indrindra mihitsy, ary ny sakafo hariva teo aloha dia mety ho ny akoho ankafiziko nahandroana tanaty lafaoro miaraka amin'ny saosy sy mofodipaina.

Nifarana izany rehetra izany rehefa nifindra toerana izahay fony aho mbola zaza, saingy tsy niala mihitsy ilay fientanentànana.

Hatramin'izao, tsy mbola tena nandalina marina izay anton'ny fifandraisako amin'ny Andron'ny Faran'ny Taona aho, ary raha iverenana dinihina, heveriko fa io no nanimba ny zavatra rehetra niainako amin'ny maha-olon-dehibe ahy rehefa amin'io fotoana io. Tsy fahendrena ny mametraka lanja lehibe ho an'ny fotoana, na rahoviana na rahoviana. Tsy maharitra tsotra izao izany.

Tsy ny fahatsiarovana rehetra akory no rava taty aoriana, iray na roa ihany no tsy hay hadinoina, saingy tsy noho ilay fotoana. Mety ho nitovy dika tamin'ny alina hafa rehetra ihany. Na izany aza, tsy misy azo oharina amin'ny tsirom-pahazazana tsy manantsiny sy ny fahalalahan'ny nofinofy.

Ary inona no tena votoatiny ? Fiarahamonina tafaraka tao anatin'ny filaminana sy firindrana izany. Anatina tontolon'ny  sarangan'ny mpiasa toy izany, dia tsy nisy fivangongoana tany an-tranon'olona. Tsy niditra tany an-trano izahay. Nirahina hizara ireo vokatra avy ao an-tanimbolin'ny raibeko aho, hiantso eny am-bavahady miaraka amin'ny koveta feno ireo vokatry ny tonon-taona, sady hiandry mba hisy haka daholo ilay izy ary hiverina ny kesika.

Tsy nampihetsi-bolomaso anay mihitsy teny an-dalana ny hevitra mikasika ny ‘champagne’, ny afomanga, ny satroka amin'ny fety sy ny akanjo manjelanjelatra.

Raha ho ahy, maneho fotoana mangalahala sy tsotra izany, tsapako fa tsy nitovy tamin'izany ho an'ny maro. Tsy nihevitra mihitsy aho fa mahantra izahay – na dia amin'izao fotona izao aza, tsy heveriko ho toy ny vanim-potoan'ny fihafiana izany. Samy nanao pataloha kaki avokoa ny rehetra. Fa reko ny olona niteny fa rehefa miha-antitra izy ireo dia maniry ny hamela ireny fahatsiarovana ireny ho an'ny lasany, hanifika ny fahasahiranana hitany ho an'ny fanadinoana.

Angamba izany mahazava ny faniriana hankalaza mihoa-pampana sy amin'ny tabataba mba  handrendrika ny fahanginana izay nanemitra ireo alina rotidrotika, ary tsy nahita haizina nandalo ireo masoko namirapiratra.

Arahaba nahatratra ny Taona !