Undertones: Ny nahatonga ny sary iray tsotsotra natambatra sy niely be ho lasa adihevitra tany Nikaragoà

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2022)

Sary mampitaha ny saripikan'i Félix Maradiaga talohan'ny nisamborana azy (akavia) ary ny sariny herintaona taty aoriana tany am-ponja (ankavanana) nalain'ny vondrona mpisolovava Nikaragoaiàna Sé Humano. Sary novain'ny Global Voices ary nahazoana alalana avy amin'izy ireo ho avoaka.

Ity tantara ity dia ampahany amin'ireo Undertones, gazetim-baovaon'ny Civic Media Observatory ato amin'ny Global Voices. Fantaro bebe kokoa ny momba ny iraka tontosainay, ny fomba fiasanay, ary ny angondrakitra azonay ifampizarana ampahibe amin'ny daholobe. Misorata anarana ao amin'ny Undertones.

170 eo ho eo no mpanao gazety, mpanao politika ary mpikatroka no voatazona am-ponja tsy ara-drariny sy tsy ahazoam-baovao any Nikaragoà. Ny governemanta sy ny fampitam-baovao mpomba azy– tazonina eo ambany fahefana henjan'i Daniel Ortega sy Rosario Murillo – dia tsy dia miresaka loatra momba ireny voafonja ireny any anatin'ny fampitam-baovao, na misy aza ireo fiampangana fampijaliana, tsy fahampian-tsakafo ary fiharatsian'ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana ankapobeny mianjady amin'ireo voafonja.

Tamin'ny volana lasa anefa, nikoropaka ny fitondran'i Ortega noho ny tsindry nataon'ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny fianakavian'ireo voafonja, ary nampiseho sarina voafonja iray manokana: Félix Maradiaga.

Manam-pahaizana Nikaragoaiàna malaza, mpikatroka ara-politika ary Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fiarovana teo aloha, i Maradiaga. Tamin'ny 2021, tapaka ny faniriany hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena rehefa nosamborina izy — niaraka tamin'ireo mpikatroka 33 hafa sy olona liana ihany koa amin'ny firotsahana ho filoham-pirenena.

Tamin'ny Jona 2022, niely tamin'ny tambajotra sosialy ny sary natambatambatra maneho an'i Maradiaga — nataon'ny olona iray avy amin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona niainga avy amin'ny famaritana nomen'ny fianakaviany avy namangy azy tany am-pigadrana. Berta Valle vadiny, izay mialokaloka any Etazonia ankehitriny, no namoaka voalohany ilay sary ary nizarazara azy tany amin'ireo pejy isankarazan'ireo mpankafy avy amina fikambanana isankarazany mpiaro zon'olombelona, tranokalam-baovao eo an-toerana, ary WhatsApp.

Taorian'ny tamin'ny 2021 nampiharan'i Nikaragoà lalàna momba ny heloka an-tserasera mikendry ireo mpikatroka nomerika, dia ny Nikaragoaiàna mipetraka any ivelany ihany no mampiasa ny tena maha-izy azy an-tserasera, ireo ao amin'ny firenena kosa mampiasa kokoa ny Whatsapp na mandefa hafatra amin'ny solon'anarana na anaram-bositra.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy, Nikaragoà no firenena manana mpifindra monina faharoa be indrindra mitady fialokalofana, aorian'i Afghanistan. Noho ny vesatr'ireo fitaovana ara-toekarena manangoly sy ny tsy fisian'ny zo fototra demokratika, dia mandositra ny firenena ny olona. Ankehitriny, manana anjara toerana lehibe eo amin'ny tontolon'ny haino aman-jery sy ny fikatrohana ho an'ny zon'olombelona sy ny demokrasia ao amin'ny firenena ireo Nikaragoaiàna am-pielezana.

Sary tsy nasiam-panovàna ampitahaina amin'ny sarin'i Felix Maradiaga talohan'ny nisamborana azy (ankavia) sy ny sariny herintaona taty aoriana tany am-ponja (ankavanana) nataon'ny vondrona mpisolovava Nikaragoaiàna Sé Humano.

Andro iray teo ho eo taorian'ny nivoahan'ny sarin'i Maradiaga, tamin'ny 2 Jolay, nizara sary sy lahatsary ahitàna an'i Maradiaga ny governemanta Nikaragoaiàna nandritra ireo dingana lazaina fa “fanamafisana sazy” nataony tany amin'ireo fitaovam-pifandraisana rehetra (TV, radio, printy ary media sosialy) ananany. Nikasa ny hanohitra ny fiampangan’ny fiarahamonim-pirenena momba ny fiharatsian’ny fahasalaman’i Maradiaga, ny fanjakana. Na izany aza, ny fitsarana voalohany an'i Maradiaga dia natao tamin'ny 3 martsa 2022 – tsy azo antoka anefa raha tena marina tokoa ireo sary nalaina tamin'ny volana Jolay ireo na noraketina avy tamina hetsika iray tany aloha. Voaheloka higadra 13 taona i Maradiaga noho ny “fanohintohinana ny firaisam-pirenena”.

“Ireo gadra politika no olana lehibe sy ilaina vahana maika indrindra any Nikaragoà, raha resaka  fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Ny sarin'i Félix Maradiaga sy ireo gadra politika hafa nivoaka vao haingana, noforonin'ny fianakavian'izy ireo sy ireo vondrona sivily, dia niteraka fivakisana eo amin'ny fitantaran'ny governemanta ary namoha indray ny adihevitra mahakasika ny tena fepetra iainan'ireo gadra politika,” hoy ny mpikaroka ato aminay.

 Rehefa namoaka ny sarin'i Maradiaga ny fantsona fahitalavitra Canal 4, izay fehezin'ny governemanta, dia niantso azy ho “mpanao heloka bevava” (delincuente). Nahatakatra mpijery maro ilay lahatsary ary niteraka resabe, natao hanafoanana ny resaka toe-pahasalamana iainan'ilay voafonja ary iampangàna azy ho mpandainga. Azo fintinina amin'ny fomba toy izao ity fitantaran'ny governemanta ity: “ Tsy misy ny gadra politika ao Nikaragoà, fa mpanao ratsy toy ny mahazatra ihany.”

Pikantsarin'ny lahatsoratra Facebook-n'ny Canal 4 Nikaragoà momba ilay voalaza fa fanamafisana ny sazin'i Félix Maradiaga tamin'ny 2 Jolay 2022. Fandalinana ny lohahevitra ato.

Manan-danja ity fitantarana ity satria io no toerana ôfisialy raisin'ny governemanta hanohizana ny fanagadrana ireo feo mpanohitra. Mihatra amin'ireo olona miasa amin'ny ONG, mpandraharaha ary mpikatroka politika izay voampanga ho manao famotsiambola sy miray tsikombakomba amin'ny fanakorontanana an'i Nikaragoà.

Misy fotoana, lasa lavitra kokoa ny fitantaran'ny governemanta. Rehefa lany ho filoham-pirenena i Ortega tamin'ny 2021, nolazainy tao anatin'ny kabariny ampahibemaso ireo gadra politika fa ”zanaky ny imperialisma”, ary tokony alain'ny Etazonia satria tsy Nikaragoaiàna intsony izy ireny.

Raha misy ireo tatitra mampiasa fiteny mahasosotra,  fiteny tony kosa no ampiasain'ny hafa mba hisehoana ho tsy miangatra. Tamin'ny Jolay 2021, tamin'ny nampamaivay ireo bemidina sy sy fisamborana nialohan'ny fifidianana ho filoham-pirenena, dia nisy tranonkalam-baovao iray nilaza ho mahaleotena kanefa mifandray amin'ny governemanta, namoaka lahatsary iray. Tamin'ny fampiasana feo lafika tsy miandàny, nosoritsoritany ireo  andiam-pisamborana, tamin'ny teny hoe ”ny fanjakan'ny firenena” na ihany koa ”firenena Amerikana afovoany”, toy hoe tatitra iraisam-pirenena ilay izy. Karazana endrika tsy mahazatra amina haino-vaky-jery fanaovana propagandy izany.

Ireo mpikatroka ny zon'olombelona, ireo Nikaragoaiàna mpitsoa-ponenana ary ny fianakavian'ireo voafonja dia tsy manahy fotsiny intsony momba ireo dingam-pitsarana ara-drariny sy ny famotsorana ireo voafonja, fa kosa momba ny fahaveloman'ireo gadra politika any anatin'ny rafitra famonjàna. Ny Febroary amin’ ity taona ity (2022), voafonja iray no nodimandry tany am-pigadràna tao anatina toe-javatra tsy mazava. Nambarain'ireo mpikatroka sy ny fianakaviana fa “iharan'ny fanararaotana tsy mahazatra any anatin'ny fonja Nikaragoaiàna ireo gadra politika”.

Ny andro nampisehoan'ny governemanta ireo sary sy lahatsarin'i Maradiaga, nanararoatra nangataka bebe kokoa amin'ny fitondrana ireo mpisehatra anatin'ny fiarahamonim-pirenena, nitaky taminy mba hanamarina ny toe-pahasalaman'ireo gadra politika hafa. Ao anatin'ity bitsika ity, nangatahan'ny vondrona mpisolovava Sé Humano ny hamelàn'ny governemanta ireo  fikambanana mpiaro zon'olombelona ho afaka hiditra hamangy any am-ponja ary hampiseho ny toe-pahasalaman'ireo gadra politika hafa.

Fandalinana mismisy kokoa azo jerena ato.. Bitsiky ny vondrona mpisolovava Sé Humano tamin'ny 3 Jolay.

Nanomboka teo, nisy sary hafan'ireo voafonja izay novokarina niaraka tamin'ny sarin'ilay ho kandidà, Juan Sebastian Chamorro, mpamoaka gazety Lorenzo Holmann, olo-malaza Sandinista Dora Maria Tellez ary mpikatroka feminista Tamara Davila. Natsahatry ny governemanta ny fifampiresahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.