Kianin'ny Filipino mpikatroka ny ‘sivana voapetraka mialoha’ ataon'ny Facebook

RUWA

Ny pejy Facebook-n'ny Mpandahatenin'ny Vehivavy Tantsaha tsy tafavoaka taorian'ny namoahana votoaty manonona ny mpitarika komonista Filipino farany Jose Maria Sison. Loharano: Bulatlat, nahazoana alalana

Pejim-bondrona maromaro sy kaonty manokana an'ireo Filipiana mpikatroka no noferan'ny Facebook noho ny filazana fa fanitsakitsahana ny fenitry ny vondrom-piarahamonina taorian'ny nandefasan'izy ireo sary, horonan-tsary, ary filazana ho fanomezam-boninahitra ilay mpanorina ny Antoko Komonista ao Filipina Jose Maria Sison. Toa tafiditra ao anatin'ny lisitry ny “olona sy fikambanana mampidi-doza” ao amin'ny Facebook i Sison.

Nodimandry tamin'ny 16 Desambra 2022 teo amin'ny faha-83 taonany i Sison. Nogadraina sivy taona izy nandritra ny fitondran'ny Lalàna Miaramila mandra-pialan'ny didy jadona tamin'ny 1986. Voatery nanao sesitany tany Holandy izy tamin'ny taona 1987 rehefa nofoanana ny pasipaorony raha mbola tany ivelan'ny firenena nandritra ny fitetezantany hanome fampianarana manerantany izy. Lehiben'ny mpanolotsaina ara-politikan'ny Mandatehezam-Pirenena Demaokratikan'i Philippines izy mandra-pahafatiny.

Na dia mpitsoa-ponenana ara-politika tany Eoropa aza izy, ireo governemanta Filipiana nifandimby dia nilaza azy ho mpampihorohoro ary niampanga azy ho nitarika ny asan'ny Tafi-Bahoaka Vaovao, izay nanao tolona mitam-piadiana ho fanafaham-pirenena nanomboka tamin'ny taona 1969. Nandà izany i Sison ary nanohitra ny fampidirana azy ho ao anaty lisitry ny mpampihorohoro.

Ho an'ny mpikatroka maro, noheverina ho mpikatroka niavaka, poeta ary revolisionera izay nitarika ny firongatry sy ny firoboroboan'ny hetsika Havia ao Filipina ny asa soratr'i Sison.

Ankatoavina ho olo-malaza ara-tantara sy olomanga ara-politika ao Filipina i Sison. Mazava ho azy fa niteraka fanehoan-kevitra avy hatrany avy amin'ireo mpanohana sy mpifanandrina ary mpanara-maso ny politika Filipiana ny fahafatesany.

Saingy hita napetraka toa hanivana mialoha izay ranty manonona an'i Sison sy ny sariny ny algorithman'ny Facebook.

Pikanefijerin'ny rantin'i Carol Araullo nesorin'ny Facebook. Fampiasana ara-drariny.

Talanjona sy latsa-panontaniana tamin'ny fanesorana ny rantiny manambara ny fanomezam-boninahitra an'i Sison ny Dr. Carol Araullo, filohan'ny Bagong Alyansang Makabayan (Tia Tanindrazana Vaovao Tafaradia), dia :

So I finally got “restricted” by FB for posting the pubmat announcing the Memorial for Prof. Sison last Dec. 20. Of course I am contesting the FB decision.

This is a public event in a state university, on an important historical figure whose life and actions are part of academic discussion in and out of the university. What “community standards” then have I violated?

Nomen'ny FB sata “voafetra” aho tamin'ny famoahana ranty manambara ny fahatsiarovana an'i Prof. Sison tamin'ny 20 desambra lasa teo. Mazava ho azy fa manohitra ny fanapahan-kevitry ny FB aho.

Fotoana ao amin'ny oniversitem-panjakana izy ity, momba ny olo-malaza manan-tantara izay tafiditra ao amin'ny adihevitra akademika (sekoly ambony) anaty sy ivelan'ny oniversite ny fiainany sy ny asany. Ka “fenitra ara-piarahamonina” inona no voahitsakitsaka?

Na ny rantin'ny mpanao gazety ara-teknolojia Noemi Lardizabal-Dado aza dia nesorina taorian'ny nandefasany ny resadresaka nifanaovany tamin'i Sison taloha:

Apparently posting about Joma Sison caused multiple restrictions to my Facebook account. A first for me. Even in death, Joma Sison is a threat. Facebook does not allow symbols , praise or support of dangerous individuals or organizations.

Toa niteraka fameperana maro teo amin'ny kaontiko Facebook ny fandefasana momba an'i Joma Sison. Sambany ho ahy. Na dia amin'ny fahafatesana aza dia loza mitatao i Joma Sison . Tsy avelan'ny Facebook atao ny manamarika, midera na manohana olona na fikambanana mampidi-doza.

Nakariny fitsarana [nanaovany fitarainana] ny fanapahan-kevitra ka namerina ny lahatsorany amin'ny laoniny ny Facebook.

Raymund Villanueva

Pikantsarin'ny rantin'i  Raymund Villanueva nesorina fa naverin'ny Facebook tamin'ny laoniny. Fampiasana ara-drariny.

Fitarainana iray hafa nahomby ny nataon'ilay mpanao gazety Raymund Villanueva izay nanohitra ny fanapahan-kevitry ny Facebook hanaisotra ranty iray izay misy hafatra avy amin'ny governemanta Norveziana maneho fiaraha-miory amin'ny fianakavian'i Sison.

Tsy ny fitarainana rehetra no nahomby satria maro ireo mpikatroka no nanohy nitatitra ny fameperana napetraka tamin'ny kaontiny avy.

Nanakiana ny fanesorana ireo lahatsoratra Facebook milaza an'i Sison ny mpanao gazety Inday Espina-Varona:

Facebook is the social media giant that has allowed hate to fester, and messages of introlerance [sic] and violence to spread, if these lead to profits.

For it to take down posts on Sison is a shameful and sorry attempt to deny the historical fact of a man and a life that, for better or worse, depending on where one is coming from, affected a nation.

Facebook no goavan'ny media sosialy izay namela ny fankahalana hirongatra, ary ny hafatry ny tsy fandeferana [sic] sy ny herisetra hiparitaka, raha toa ka mitondra tombombarotra izany.

Ny fanalana ireo lahatsoratra momba an'i Sison dia fikasana mahamenatra sy mampalahelo hitsipaka ny zava-misy ara-tantaran'ny olona iray sy ny fiainana iray izay, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy, ary miankina amin'ny toerana niaviany, nampiisy fiantraikany tamin'ny firenena iray.

Nofariparitan'i Bagong Alyansang Makabayan ho ohatra iray amin'ny “sivana napetraka mialoha” ny fihetsiky ny Facebook. Nampiany ihany koa fa ny fanesorana ireo lahatsoratra dia “mampiharihary ny fomba fampanginana ireo mpikatroka sy revolisionera tsy an-kiato ataon'ny antsoina hoe fenitra ara-piarahamonina ao amin'ny FB.”

Mba hialana amin'ireo sivana tsy hita maso ao amin'ny Facebook, nanapa-kevitra ireo mpikatroka ny hametraka sary jiro sy fanilo ary nasiana soratra farangoteny #SaludoJMS (Fanomezam-boninahitra an'i Jose Maria Sison) mba hanome marika ny hafatr'izy ireo fa hitohy ho fahazavana sy mpitarika ny hetsiky ny vahoaka ny lova navelan'i Sison.

#SaludoJMS. Salute Jose Maria Sison

#SaludoJMS. Mananatiling buhay ang tanglaw. (Kopakopa-tanana Jose Maria Sison. Hamirapiratra hatrany ny lova navelanao). Saripika avy amin'ny ranty Facebook an'i Judy Taguiwalo, nahazoana alalana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.