Mampisaraka an'i Pasifika ilay Hetsika “Fehikibo sy Làlana”

Pacific Games stadium

Iray amin'ireo tetikasa izay anampian'i Shina ny Nosy Salomon amin'ny fanamboarana ny kianja ho an'ireo Lalaon'i Pasifika . Pikantsarin'ny lahatsary an'i Four Corners, ABC

Nampiharin'i Shina ao  Pasifika ny hetsika BRI (Belt and Road Initiative) avy aminy rehefa azony ny fanohanan'ireo firenena folo raha kely indrindra.

Ny fanitarana ny BRI any Pasifika dia nandrehitra fifandrafiana ara-jeopolitika ary niteraka fanehoan-kevitra samihafa teo amin'ireo vondrom-piarahamonina any Pasifika.

Tamin'ny taona lasa, namoaka tatitra maromaro ny Global Voices naneho ireo faritra sy fitantaràna mifandraika amin'ny fiantraikan'ireo tetikasa BRI any Pasifika.

Fitantaràna lehibe iray namporisihin'ireo tomponandraikitra Shinoa sy ireo mpanaraka azy ny hanasongadina fa naman'i Pasifika i Shina. Tany anatin'ireo fanambaràna, lahateny sy fanambarana an-gazety navoakan'ireo diplomaty Shinoa, dia notanisain‘izy ireo ny tetikasa amperiny sy ho avy izay vatsian'i Shina vola manerana ny faritra. Miainga amin'ny tsenan'ny kaominina sy làlana ny tetikasa BRI ary mankany amin'ireo kianja sy fotodrafitrasam-panatanjahantena. Mitombo ihany koa ny resaka mikasika ny fampiroboroboana maitso satria notsipihin'ireo tomponandraikitra Shinoa fa ny BRI dia “fiarahamiasa samy mahazo tombony” ho an'i Shina sy Pasifika eo amin'ny lafiny fampandrosoana maharitra.

Na izany aza, tsy fantatra mazava raha toa ka natao tamin'ny alalan'ny fampisambora vola na vola fanampiana no hamatsiana ireo tetikasa BRI. Tsy voalaza tao anatin'ireo fanambaràna nataon'ny tomponandraikitra ihany koa hoe fomba ahoana no hahafahan'ireo tetikasa BRI any Pasifika hampiroborobo ny toekaren'i Shina sy ny heriny amin'ny maha-firenena matanjaka vao mipongatra azy.

Fanadihadiana tsy miankina iray no nanamarika ny andraikitra stratejikan'ny BRI ao Pasifika amin'ny maha-“ivon'ny fitaterana an'habakabaka tsy azo ihodivirana azy” mampifandray an'i Shina amin'i Amerika Afovoany sy Atsimo.

Fitantarana ifotony iray hafa namporisihin'ireo manampahefana Shinoa ny filazana fa tsy mitovy amin'ireo firenena tandrefana matanjaka i Shina. Matetika izy ireo no miady hevitra hoe tsy manana hevitra ambadika i Shina amin'ny fanitarana ny fisiany ara-toekarena sy diplomatika ao amin'ny faritra. Hizingizinin-dry zareo mafy fa firenena matanjaka tsara fanahy i Shina, mifanohitra amin'ireo firenen-dehibe hafa any Pasifika toa an'i Etazonia sy Aostralia. Ohatra iray amin'io fitantarana io ny voalazan‘ny diplaomaty Shinoa, Li Ming, hoe :

Tsy manana tombontsoa feno fitiavan-tena i Shina, ary tsy mitady “sehatra ametrahana dindo” na mampiasa fampitahorana sy fanerena. Ho hery mpanorina hatrany i Shina ho an'ny fandriampahalemana sy fampandrosoana.

Raha nitsidika tany Pasifika i Wang Yi,, Ministry ny Raharaham-bahinin'i Shina, tamin'ny volana May, dia notsipihan'ny governemanta Shinoa fa hitondra ireo firenena ao Pasifika ho toy ireo mpiara-miombona antoka mitovy amin'ny ezaka BRI ataony i Shina:

Noantintranterin'i Wang Yi fa manana ny fiandrianam-pirenena ireo firenena Nosy ao Pasifika, ary fanjakana mahaleotena sady tsy “tokontanin” olona hafa; samy manan-jo hanao ny safidiny manokana ny firenena roa tonta fa tsy eo ambany fahefan'ny hafa.

Nanaitra an'i Etazonia sy Aostralia ilay fifanarahana niporitsaka mikasika ny fiarovana nifanaovan'i Shina sy ireo Nosy Solomon rehefa nampitandrina izy ny amin'ny mety hisian'ny fananganana toby miaramila ao amin'ny faritra. Nolavin'i Shina ny hoe mikasa ny hanangana toby miaramila ao amin'ireo Nosy Solomon izy, satria nolaviny ilay fiahiahiana ho toy ny ampahany amin'ireo “loza mitatao tandrefana sy fanafihana feno haromontana” ikendrana izay hanamafisana ny “tabataba fanoherana an'i Shina”.

Fihenjanana mivaivay ao an-toerana sy iraisam-pirenena

Ny fitetezam-paritra nataon'i Wang dia nampisongadina ny ahiahy mivaivay manoloana ny fitomboan'ny dindon'i Shina any Pasifika. Ohatra, ny mponina ao an-toerana sy mpiara-miombon'antoka dia afaka naneho ny tahony sao ho raisina ao Pasifika ny modelin-tsivana amin'ny fampitam-baovao avy ao Shina.

Navoitran'ireo mpanao gazety ao an-toerana io olana io rehefa nosakanana izy ireo tsy hanontany mivantana an'i Wang nandritra ny fitsidihany tany amin'ireo Nosy Solomon , Kiribati, Samoa ary Fidji tamin'ny 2022. Niantso fanaovana ankivy mihitsy aza ireo mpanao gazety any amin'ireo Nosy Solomon. Saingy nanosika sy nanao tsindry tamin'ny governemantany ireo mpanao gazety ao Timor-Leste mba hanajàny ny zon'ireo media hifanakalo hevitra amin'ireo manampahefana, anisan'izany i Wang.

Tsy ny fandavana ny fihaonany amin'ny mpanao gazety ihany no nitarika ny ahiahy mikasika ny anjara toeran'i Shina amin'ny fikitikitihana ny fahalalahan'ny media fa ny tsy fisiana mangarahara sy vaovao mikasika ireo tetikasa BRI ihany koa. Mailo ny mponina ao an-toerana momba ny antsipirihan'ireo tetikasa, anisan'izany ny fidadasik'ireo fanampiana sy ireo fepetra omen'ny governemanta Shinoa.

Ny tsiambaratelo manodidina ny sasantsasany amin'ireo fifanarahana ireo, indrindra fa ny mikasika fiarovana, dia nampitahotra ny sasany tamin'ireo olom-pirenena eo an-toerana hoe ny BRI ataon'i Shina dia mety hitarika ireo firenena matanjaka hafa hanatsara ny fiarahamiasan'izy ireo eo amin'ny lafiny fiarovana amin'ireo governemanta ao  Pasifika. Amin'ny heviny hafa, mety hahalasa ho kianjan-tafika ilay faritra ny fihitaran'i Shina any Pasifika.

Mibaribary izany ao amin'ireo Nosy Solomon, izay ahitàna an'i Shina manofana am-pahavitrihana ireo polisy eo an-toerana no sadty manome fitaovam-piadiana. Nitarika an'i Aostralia hanome basy sy fiara fiarovana ho an'ny governematan'ireo Nosy Solomon izany. Mba tsy ho latsa-danja amin'izany, nanolotra fiarabe mifono vy fitifirana rano i Shina no sady nanomana fampisehoana haiady nandritra ny lanonana nifandimbiasana. Notsikerain'ireo mpandinika ao an-toerana sy ny mpanohitra ireo fanomezana ary nampitandrina izy ireo manoloana ny famadihana ny firenena ho “Fanjakana mitam-basy“.

Nandritra izany fotoana izany dia nanavao ny fiarahamiasany tamin'ireo firenena ao Pasifika i Etazonia, izay, araka ny voalazan'ireo mpanaramaso, dia ikendrena ny hanodinana ny fiakaran'ny dindon'i Shina ao amin'ny faritra.

Na teo aza ny fanomezan-toky nataon’ i Shina fa tsy hitsabaka amin'ny raharahan'ireo  firenena ao Pasifika izy, dia voampanga ho nanakorontana ny firaisainkinan'ny faritra izy. Ny fanapahan-kevitr'i Kiribati handao ny Fihaonana an-Tampon'ireo Nosy ao Pasifika (PIF) tamin'ny Jolay 2022 dia heverina ho misy hifandraisany amin'ny fifandirana mikasika ny haitarika. Saingy olona iray mpitarika ny mpanohitra no mihevitra fa manana anjara toerana i Shina ao anatin'io fanapahankevitra io : “Te-hampitoka-monina anay i Shina”.

Ankoatra ireo Nosy Solomon, anisan'ny firenena ao Pasifika i Kiribati izay nanapaka ny fifandraisany tamin'i Taïwan ary nanaiky ny governemanta ao Pékin. Nahazo tombony tamin'ny fampiasambola Shinoa sy ny tetikasa BRI ihany koa i Kiribati. Nolavin'i Shina ny fiampangana azy ho nahatonga izany fialàn'i Kiribati tamin'ny PIF izany, saingy taratry ny fomba ahafahan'ny BRI sy ireo hetsika hafa vaovao mety hiteraka mora foana ny ahiahy mikasika ny tena anton'ny fahavitrihan'ny governemanta Shinoa.

Antenaina hitohy ny tosik'i Shina ao Pasifika hatramin'ny 2023, miaraka amin'ny BRI ho fitaovana ara-toekarena sy diplomatika lehibe. Azo antoka fa hitohy hatrany hiteraka fanehoankevitra mafonja avy amin'ireo firenena matanjaka hafa ao amin'ny faritra. Saingy mifototra amin'ireo zavatra noraiketin'ny Global Voices nandritra ny taona lasa, ny tena fanamby ho an'i Shina dia ny famahàna ny olan'ny fanoherana ao an-toerana sy fandresen-dahatra ny vondrom-piarahamonina ao Pasifika fa hanatsara ny fampandrosoana ankehitriny sy ho avy ao amin'ny faritra ny fisiany.

Mikatona ny famoahana hevitra