Ahoana ny nidiran'ny Lionan'i Atlas an'i Maraoka ho ao amin'ny tantara tamin'ny mondialy 2022

A Spain vs. Morocco Football match wallpaper,

Afisin'ny lalao football ifanandrinan'i Espaina sy Maraoka. Niavian'ny sary: Jernej Furman. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Niditra tao amin'ny tantaran’ny fiadiana ny tompondaka erantany 2022 tany Qatar ny Lionan'i Atlas. Tsy amin'ny maha-firenena afrikanina voalohany tafita hiatrika ny manasa-dalana amin'ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany FIFA ihany no vitan'ny ekipam-pirenen'i Maraoka fa amin'ny maha-ekipa tokana avy amin'ny firenena Arabo nahatontosa izany dingana izany ihany koa. Tafaraikitra mandrakizay ao an-tsain'ireo mpankafy baolina fandaka eran-tany izy ireo tamin'ny 10 Desambra 2022. Efatra andro taty aoriana, nifanandrina tamin'i Frantsa, tompondaka erantany, ry zareo. Na dia teo aza ny fahareseny tamin'ny lalao 2-0, dia hita fa iray amin'ireo ekipa tsy mivadibadika be ihany avy any Afrika izy ireo – tamin'ny lalao enina nisehoany nandritra ity fiadiana ny amboara eran-tany ity. Ankoatra izay tsy fiovan-toetra izay dia nanome ireo lalao manaitra indrindra ihany koa ry zareo. Ry zareo no nandrombaka ny laharana voalohany teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, nandresy ireo ekipa eoropeanina sangany, Espaina sy Portiogaly, mba ho tafakatra amin’ny manasa-dalana.

Mpanoratra tantara

Tsy vao sambany no nanoratra tantara ny Lionan'i Atlas.

Tamin'ny taona 1970, ny Atlas Lions no ekipa afrikanina voalohany nanao ady sahala 1-1 tamin'ny mondialy nifanaovany tamin'i Bolgaria. Tamin'ny taona 1986 ry zareo no ekipa afrikanina voalohany tafakatra amin'ny dingana ampaha-16-dalana tany Meksika. Ny ekipa no voalohany tao amin'ny vondrona rehefa nandresy an'i Portiogaly, nanao sahala tamin'i Angletera sy Polonina. Alemaina (Andrefana) avy eo no nanintsana azy ireo saika ho tafiditra hanao dingana famaranana.

Teo anelanelan'ny taona 1986 sy ny taona 2022, in-telo tafiditra hanao mondialy ny Lionan'i Atlas na dia ratsiratsy ihany aza ny vokatra. Tamin'ny taona 1998 ihany koa ry zareo no nalaza ratsy ho ekipa afrikanina voalohany namono tena tamin'ny alàlan'i Youssef Chippo tamin'ny lalao nifanaovana tamin'i Norvezy nifarana ady sahala 2-2. Midika izany fa tsy nisy ekipa nahafaty baolina tamin’izy ireo tamin’ny lalao mahazatra tamin’ny lalao manasa-dalana tamin’i Frantsa. Nitohy hatrany amin'ny dingana manasa-dalana amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'izao fotoana izao ny fiarovan-tena matanjaka sy ny ao afovoan'ny kianja. Nandresy fito tamin’ny lalao valo ny Liona, ary nanao ady sahala iray.

Talentan'ny any ampielezana sy ny ao an-toerana

Spain vs Morocco

Morocco at the World Cup by Александр Подгорчук is licensed under CC BY-SA 4.0.

Tontosan'ny ekipa maraokana ireo zava-bita ireo tamin'ny alàlan'ny fanambatambarana ireo mpilalao marobe avy any an-toerana amin'ireo mpifindramonina maro manan-talenta mpanafana lalao. Miisa 14 ireo mpilalao nandrafitra ny ekipa nahitana isan'ny mpilalao be indrindra tsy teraka tao amin’ny firenena niaviany.

Ireto farany no mandrafitra ny ankamaroan'ny ekipa ahitana an'i Romain Saiss, kapitenin'ny ekipa teraka tany frantsa, Hakim Ziyech, kapiteny lefitra teraka holandey, i Sofyan Amrabat teraka tany Holandy ihany koa. Tsara ny milaza fa avy any am-pielezana ihany koa i Walid Regragui, mpanazatra amin’izao fotoana izao, taratry ny fangaron’ny mpilalao sy ny kolontsain’ity firenena afrikanina tavaratra ity. Misy ireo mpilalao hafa teraka tany amin'ny firenena toa an'i Belzika, Canada, Italia ary Espaina.

Ao amin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe ‘Lionan'i Atlas: nahita tanindrazana ao amin'ny ekipa hanao mondialy ao Maraoka ireo mpilalao am-pielezana‘ ao amin'ny The New Arab, voamarika hoe: “Maro amin'ireo kintana ankehitriny no vokatry ny fanentanana fandraisana mpiasa izay nahazo hery tamin'ny taona 2014. Saingy misy ny manamarika fa tsy ho nahomby izany raha tsy mampanahy ny mpilalao maro ny fanilikilihana sy ny fanaovana anjorom-bala ara-tsosialy.

Tamin'ny taona 2020, namoaka fanazavana momba ny fahafahan'ny mpilalao iray hilalao amin'ny ekipa solontena ny FIFA. Nitady izany izy ireo mba “hanazavana ny fitsipika momba ny fahafahan'ny mpilalao iray hilalao amin'ny ekipa nasionaly amin'ny baolina fandaka iraisampirenena.” Ilaina koa izany ho an'ny fikambanan'ny baolina fandaka nasionaly izay mandrafitra ireo mpikambana ao amin'ny FIFA, ho an'ny mpilalao ary ny vahoaka manana fahatakarana ity olana momba ny fahazoana alalana ity.

Nolazain'izy ireo fa anisan'ny fahombiazan'ny ekipa Maraokana ny fanatrehan'ny ray aman-drenin'ny mpilalao sasany. Rehefa nandresy an'i Espaina, nanatona ny reniny tamin'ny famihinana izay nihanaka haingana tao amin'ny Instagram i Achraf Hakimi, fiarovana ao amin'ny Liona;

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Achraf Hakimi (@achrafhakimi)

 

Mety ho sabatra roa lela ihany koa anefa ny fitomboan'ny mpilalao am-pielezana ao amin'ny ekipa Maraokana.

“Amid rising nationalism sentiments in Europe, many diaspora players are overly criticized just for the fact of being of foreign descent,” Amer Zenbaa, a Moroccan journalist said.

“Ao anatin'ny firongatry ny fitiavan-tanindrazana any Eoropa, maro ireo mpilalao am-pielezana no voatsikera be loatra noho ny maha-vahiny azy ireo”, hoy i Amer Zenbaa, mpanao gazety Maraokana.

Firotsahan'ny fanohanana

Nidera ny ekipa Maraokana noho ny zava-bitany manan-tantara i Usher Komugisha, mpandinika baolina fandaka sy fanatanjahantena hafa miara-miasa amin'ny Al Jazeera mitantara ny fanatanjahantena afrikana :

TANTAAARAAAAA! 🎉🎉

Ao amin'ny MANASADALANA i Maraoka.

Ekipa afrikanina sady arabo voalohany tafita ho iray amin'ireo efatra farany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Tena tantara tsy mampino momba ny fanantenana, ny fikirizana ary ny asa mafy. Dima maghrib.

Nisioka i Statman Dave, izay mpanao antontanisa momba ny baolina fandaka ao amin'ny Sky Sports, BBC, ary fantsona ara-panatanjahantena lehibe hafa, matetika mizara antontanisa momba ny baolina fandaka ao amin'ny Twitter:

I Maraoka no ekipa faha-3 ivelan'i Amerika Atsimo sy Eoropa tonga manasa-dalana amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany:

🥇 Etazonia – 1930
🥈 Korea Atsimo – 2002
🥉 Maraoka – 2022

Fahombiazana lehibe. 👏

Ny kaonty Twitter ofisialin'ny FIFA dia midera ny fandresena manan-tantara an'i Maraoka ho toy ny “fotoana iray teo amin'ny tantara”:

Fotoana fohy
Fotoana iray teo amin'ny tantara

Firenena afrikanina voalohany tonga amin'ny lalao manasa-dalana

Kaonty Twitter mpandoto rindrina iray maka ny lafiny mahatsikaiky amin'ny resaka baolina fandaka, indrindra amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany ankehitriny, no nitantara ny zava-bitan'i Maraoka:

Maraoka amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany

Resy tamin'ny isa tery 2-1 ny ekipa Maraokana, tamin'ny 17 desambra, raha nifanandrina tamin'ny ekipa Kroaty, ka niafara teo amin’ny laharana fahefatra, ka nampiditra indray ny ekipa Afrikanina ho ao amin'ny bokin’ny tantara. Ny fzavabitan'ny Lionan'i Atlas no hanome fahatokisana ireo ekipa efatra fanampiny andrasana hisolo tena an'i Afrika amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany 2026 hiarahan'i Canada, Meksika ary Etazonia ampiantranoana. Hahatonga ny fitambaran'ny solontena (Afrikana) ho sivy izany (na 10 raha misy firenena iray hafa mahafeno fepetra amin'ny alàlan'ny fanintsanana fanampiny atolotry ny FIFA). Firenena 48 niainga avy tamin'ny 32 amin'izao fotoana izao no hifaninana amin'ny taona 2026.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.