Mitady mpandrindra fandaharanteny ara-politika ny Global Voices

Mitady mpandrindra fandaharanteny politika ny Global Voices, mba hanome fitantanana sy fanohanana ireo raharaha fanao amin'ny tetikasa hananganana sy handaharan-teny fiarovana ireo fanaovan-dalàna (politika) mizàka ireo vondrom-piarahamonina an-jotra mendri-pitokisana sy rohivoarin-torohay tomady. Hozakain'ny tetikasa miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka toa ny Witness, Salesforce, Global Voices, Wikimedia, ary ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny any Danemark ny  Trustworthy Information Online Action Coalition, .

Asa lazaina ho tapakandro ny toerana, mandritra ny enim-bolana voalohany.

Ny mpandrindra ny fandaharanteny (ara-panaovan-dalàna) politika no hizàka ny tetikasam-pandaharanteny fiarovana ara-politika mba hampandrosoana hevitra momba ireto lohahevitra manaraka ireto:

  • Manabe voho ny vondrom-piarahamonina mba hahazoany miditra amin'ny rohivoarin-torohay tomady
  • Famolavolana fanafatrafarana mazava ho an'ny mpanao lalàna, ahitana rohivoarin-torohay tomady ao amin'ny fototra iorenany
  • Manoritra an-tsarintany sy manainga ireo vondrom-piaraha-miasa ara-diplaomatika sy politika efa misy mba hanangonana domberina, hanamafisana tolo-kevitra ary hamantarana ny banga amin'ny fanaovan-dalàna
  • Mampavitrika ireo mpiara-miombon'antoka ao amin'ny sehatrasa amin'ny fahatakarana fa avy amin'ny fanohanan'ny sehatra marolafy ihany ny vahaolana mateza
  • Miasa hanamarina ireo fanoloran-tena hiarovana sy hampiroboroboana ny fahamarinan'ny vaovao avy amin'ny firenena sy ny mpisehatra tsy miankina

Ny mpandrindra ny tetikasa no hanao tatitra any amin'ny Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Global Voices, ary hiara-hiasa akaiky amin'ireo mpiara-miombon'antoky ny tetikasa.

Tokony hanana ireto talenta sy fahaiza-manao manaraka ireto ny mpandrindra ny tetikasa :

  • Za-draharaha tanteraka amin'ny fandrindrana asa haingana sy tetikasa, ao anatin'izany ny fanjohiana sy ny fitantanana dosie, ny fananganana foto-porofo toy ny toroboky misy fanazavana, ny famokarana gazetim-pamokaram-panaovan-dalàna (politika) momba ny zon'olombelona sy ny zo ankihy, ny fitantanana fandaharam-potoana, fanisanandro ary fivoriana, ary ny fandrindrana lanonana ho an'ny daholobe
  • Fanomezana endrika sy fitantanana tetikasa
  • Talenta amin'ny fandaharanteny sy ny fanetsiketsehana, na amin'ny fampitam-baovao na amin'ny fanetsiketsehana media sosialy
  • Miasa amin'ny odidina iraisampirenena, tsy voasakam-piteny, kolontsaina ary fomba fiasa isankarazany.
  • Matihanina tanteraka amin'ny teny anglisy, manana fironana matanjaka amin'ny fanitsiana sy ny fanoratana

Fahaiza-manao sy talenta mety hanampy fa tsy takiana:

  • Coding, fanomezana endrika, famoronana tetikasa an-jotra
  • Za-draharaha amin'ny aterineto, teknolojia ary ny fanaovan-dalàna sy fandaharanteny fiarovana ny zon'olombelona

Miasa manomboka ny Janoary – Jolay 2023. Mety hanao dia lavitra amin'ny tetikasa

Raha hametraka fangatahana: Alefaso amin'ny jobs AT globalvoices DOT org ireto singa manaraka ireto, ahitana antony Global Voices Policy Advocacy Coordinator: [anaranao]:

  • Taratasy amin'ny teny anglisy milaza ny fahazotoanao sy manasongadina ny asanao ary manazava ny antony hahatonga anao ho mendrika amin'ny toerana
  • Ny CV

Ny fangatahana dia ekena hatramin'ny 11:59pm EST (GMT -4) amin'ny 16 Janoary 2023.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.