Fiatrehana ny endrika miovaovan'ny Twitter sy ny tontolo vao mipongatr'ireo media sôsialy

Sary natolotr'i Sydney Allen tao amin'ny Canva

Rehefa nandingana ny tokonam-baravaran'ny foiben-toeran'ny Twitter i Elon Musk amin'ny maha-olom-baovao tompon'ny petrabola betsaka indrindra azy, nisokatra ny varavaran'ny helo. Herinandro roa nandraisany an-tànana azy, nanapaka hevitra ranamana ny hivarotra marika famantarana Twitter amin'ny vidiny 7,99 dôlara amerikàna arahana dingana famantarana tsy dia mavesatra loatra — ahafahan'ireo tompona kaonty mampiahiahy sy kaonty fako manamarina ny momba azy amin'ny alàlan'ny fandoavana vola fotsiny — ary nidirany ny fanafoanana ireo kaonty Twitter maha-be olana, isan'izany ny an'i Donald Trump sy Kanye West. 

Nilaza i Nisrine Malik, mpanao gazety avy amin'ny The Guardian fa ankoatry ny maha-sehatra azy fotsiny, Twitter dia teo “an-dalam-pivadihana ho traikefa iray tsy mahafinaritra sy mety hampidi-doza” kokoa, eo ambany fitantanan'olona feno fahavononana hifehy ny “kianjan'ny tanàna nomerika iray” izay azony tantanina araka ny endrika iheverany ny atao hoe fahalalahana maneho hevitra. 

Ny AdAge, tranonkala-na media nomerika iray mifantoka amin'ny raharaham-barotra, nitatitra hoe hatramin'ny nividian'i Musk azy, niova daholo ny mombamomba ireo mpanao dokambarotra ao amin'ny Twitter,  niala avy amin'ny hoe orinasa laharana voalohany ka lasa hoe marika tsy fantampantatra. Amin'ireo voalohany mpanao doka amin'ny Twitter, ny 50 isanjato no nampiantona ny fampiasambolan-dry zareo amin'ny resaka dokambarotra anaty media.

Araka ny lazain'ilay fikambanana amerikàna tsy mitady tombony ara-bola “Media Matters for America”, niainan'ny Twitter ny fifindràna faoben'ny mpiasa sy ny fisintahan'ireo mpanao dokambarotra “taorian'ireo fifanatrehana mivantana, ireo resabe ary ireo fampitandremana nataon'ireo mpanjifa media.”  Talohan'i Musk, loharanom-bola roa no nitazona ny ain'ny Twitter: ny dokambarotra sy ny fivarotana lisansa momba ny angondrakitra. Miaraka amin'ny fisintahan'ny iray amin'ireo loharanony, somary manjombona ihany ny hoavin'ny Twitter.

Nahoana no zavadehibe izay mety hanjo ny Twitter?

Marobe ireo nametraka fanontaniana momba izay antony tokony hampanahy azy ireo manoloana ny manjo ny Twitter. Misy valiny lavabe sy fohy amin'izany, izay tsara fintin'ilay bilaogera TikTok Morten Rand-Hendriksen ihany koa. Ao anaty lahatsary iray momba io resaka io, hoy i Hendriksen:

Lasa fotodrafitrasa iray ho an'ny fiarahamonina maoderina misy antsika ny Twitter. Ny tiako ambara amin'izany dia hoe Twitter lasa ny hany sehatra goavana ao amin'ny Aterineto izay, rehefa misy zavatra mitranga, tonga dia ahafahan'ny olona misintona zavatra momba izany, avy eo ny olona afaka mahita loharano azony itokiana mamoaka momba ilay resaka, ary indrindra indrindra, tsy ilàna fanànana aterineto haingam-pandeha ny miditra sy mahazo ireny vaovao ireny.

Mahaliana ny mandre ny fomba amaritan'i Rand-Hendriksen ny Twitter — tsy hoe amin'ny maha-sehatra azy fotsiny fa amin'ny maha-toy ny fotodrafitrasa iray azy. Na tsy ho apetraka amina toerana ambony aza i Twitter, amin'ny lafiny sasany,  tamin'ny andro nampamiratra azy, dia nokorontanin'ny Twitter ny fomba nahazoan'ireo mpampiasa ny vaovao sy ny fidirana tamin'izy ireny. Iray amin'ireo tanjaky ny Twitter ny fahafahany manaparitaka. Afaka hatrany mampiasa Twitter ireo olona rehetra miaina any amina faritra eran'izao tontolo izao na manana fahafahany miditra aterineto tsy mitovy aza, samy mahazo ireo vaovao nivoaka tamin'ny minitra farany mitovy amin'ireo olona mipetraka any amin'ireo firenana manana aterineto haingam-pandeha.

Amin'ny maha-fikambanana iray azy, ny Global Voices dia nitrandraka ny fahafaha-manaparitaka ananan'ny Twitter no sady nampiasa azy hifandraisana sy hampifaneraseràna ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpanaraka azy manerana ny tany. Tamin'ity taona ity, natombokay naverina narafitra ny tetikady firotsahana an-tsehatra tao amin'ny Twitter, isan'izany ny fampiasàna ny feo mandalo amin'ireo habaka ara-dalànan'ny Twitter. Na izany aza,  miaraka amin'ny fangozohozoan'ilay sehatra, fotoana angamba izao hitrandrahana làlana hafa.

Ny fipoiran'ny Mastadon

Hita any amina sehatra media sôsialy marobe ny Global Voices. Ankoatra ny Twitter, mavitrika ihany koa izahay any amin'ireo sehatra toy ny Facebook, Instagram, sy LinkedIn. Tsy ela akory izay, naverinay nohetsehina ny kaontinay Tumblr ary nanomboka nizara tsy tapaka ireo fanavaozam-baovao ao amin'ny Mastadon izahay.

Miaraka amin'ny fitontongan'ny Twitter, tsy hita ny sehatra sôsialy azo antoka sy misy fotokevitra ijoroana, izay niteraka fahabangàna sy fanararaotra ihany koa ho an'ireo sehatra vao mipongatra toy ny Mastodon, manana loharano misokatra.  Mastodon dia sehatra media sôsialy iray misandrahaka, na araka ny filàzany azy manokana, “sehatra iray fanoratana bilaogy madinika manana loharano misokatra sy misy fahaiza-mamorona ary mampiantrano ny tenany, tsy misy hafa amin'ny Twitter na ny Tumblr,” novokarin'i Eugen Rochko, safiotra rosiana-alemàna mpandrafitra rindrabaiko. Mastodon sy Twitter dia samy sehatra media sôsialy, saingy mijanona ho hatreo ihany ny fitovitoviany. Ho diso fanantenana tanteraka ireo mpampiasa manantena ny hiaina zavatra mora na lakolosy sy kiririoka notsotsorina ao amin'ny Mastodon. Araka ny nolazaina Substacker iray, Mastodon “no Linux ho an'ny media sôsialy,” midika hoe zavabita mahavariana raha resaka rindrambaiko manana loharano misokatra, izay, indrisy, mety tsy ho azon'ireo mpampiasa tsotra hidirana raha tsy mahafehy manokana ny teknôlôjia.

Fangon'ny Mastodon sy sary fanehoana any tambajotra misandrahaka. Sary an'i Juke Carolina. CC BY-SA 4.0

Araka izany, inona no mahatonga ny Mastodon ho mahasarika? Iray aloha, ananan'ilay sehatra ny “pôlitika hentitra manohitra ny fanararaotana sy ny fanavakavahana.” Tsy toy ny Twitter, ireo algôritma ao dia tsy mitanisa ny lazan'ny hafatra nalefan'ny olona iray. Fa, afaka aparitaka / amafisina amin'ny alàlan'ny “boosts” ny hafatry ny olona, mitovy fiasa amin'ilay “Retweet” (averina bitsihana) hita ao amin'ny Twitter.

Misy taridàlana fototra vitsivitsy natao ho arahan'ireo mpampiasa mikasa ny hiala amin'ny Twitter na efa niato tanteraka tamin'ny Twitter : 

  1. Trohy ireo angondrakitrao tao amin'ny Twitter
  2. Aza fafàna ny kaontinao. Maka 30 andro i Twitter mba hikirakiràna ny fangatahana iray ho fampitsaharana kaonty. Aorian'izay, na iza na iza dia afaka mandray ny fikarakarànao fahiny. 
  3. Arovy ireo bitsikao. Ao amin'ny fandaminana ny Fiainanao manokana sy ny Fiarovana, jereo ny faritra natokana ho an'ny “Audience and tagging” (iza no afaka mahita sy afaka tairina) ary velomy ny “Arovy ireo bitsikao.”

Mbola manjavozavo ny hoavin'ny Twitter ao anatin'ny fotoana maharitra. Hatreto aloha, ny Global Voices dia mbola mijanona ao amin'ny Twitter saingy mampihena ny angovo sy ny ezaka ataony. Hitohy ihany ireo habaka Twitter, ary ho toy izany koa ireo fanavaozam-baovao sy ny fanambaràna. Kanefa, ireo tetikasa filamatra sy ireo andrana dia ho atsahatra kely mandra-pahitanay ny sary mazava kokoa momba ny hoavin'ny Twitter sy ny fomba hahafahanay mifandray amin'ireo mpamaky, ireo mpikambana ato anatin'ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpiara-dàlana amin'ny Global Voices. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.