- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpikatroka ara-politika malaza nosamborin'i Azerbaijan alohan'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Zon'olombelona

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Sary avy amin'i Grant Durr [1]. Azo zaraina maimaim-poana amin'ny alalan'ny Unsplash License [2].

Tamin'ny 9 Desambra talohan'ny Andro Iraisampirenena momba ny Zon'olombelona (10 Desambra), nosamborina ilay mpikatroka ara-politika malaza Bakhtiyar Hajiyev ary voaheloka higadra 50 andro an-tranomaizina avy eo. Miatrika fiampangana maromaro i Hajiyev — toy ny fihetsika jiolahimboto misetrasetra sy tsy firaharahiana ny fitsarana. Raha voaporofo fa meloka izy, dia mety ho voaheloka telo taona an-tranomaizina.

Nosamborin'ny manampahefana Azerbaijani androany i Bakhtiyar Hajiyev mpikatroka sivika & mpitsikera ny governemanta.

Voampanga ho nanao asam-boto mpisetrasetra sy tsy miraharaha ny fitsarana izy.

Voasakana tsy hiditra ao amin'ny efitrano fitsarana ny mpisolovavan'i Hajiyev & notsaraina tsy nisy mpisolovava izy.

Taorian'ny fisamborana, dia maro ireo mpiray ombon'omboka iraisampirenena naneho ny ahiahiny. Peter Stano, mpitondratenin'ny raharaha ivelan'ny Vondrona Eoropeana nisioka hoe:

Azerbaijan: 🇪🇺 miahiahy momba ny fisamborana ilay mpikatroka sivily Bakhtiyar Hajiyev voalaza fa voampanga ho nanao asam-boto misetrasetra. Miantso ny manampahefana 🇦🇿 ny Vondrona Eoropeana mba hiantoka fanadihadiana mangarahara sy tsy mitanila momba ny raharahany.

Nilaza [7] ny mpitondrateny lefitry ny Departemantam-panjakana Amerikana, Vedant Patel tamin'ny lahateny fohy isan'andro ho an'ny mpanao gazety fa “sahiran-tsaina tanteraka ny Departemantam-panjakana noho ny fisamborana sy ny fitazonana an'Andriamatoa Hajiyev” ary nandrisika ny manampahefana mba hamotsotra ity mpikatroka ity “haingana”.

Nosamborina indray ilay #Gadranohonyfanehoan-kevitra [8] avy ao #Azerbaijan [9] Bakhtiyar Hajiyev. Higadra telo taona an-tranomaizina izy noho ny fiampangana misy ambadika politika. Tsy maintsy avoaka avy hatrany izy ary omena fitsarana ara-drariny

Tamin'ny 9 Desambra, nanasazy [11] tompon'andraikitra iray farafahakeliny avy any Azerbaijan i Etazonia noho ny fanararaotana sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Kerim Heydar Alimardanov avy ao amin'ny Departemanta miady amin'ny fikambanan-jiolahy ao amin'ny Minisiteran'ny Atitany izany tompon'andraikitra izany.

Mandritra izany, nanangana [12] komity hiaro an'i Hajiyev ireo mpikatroka ara-politika ao an-toerana, ny solontenan'ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena, ary ireo mpiaro ny zo tamin'ny 10 Desambra, araka ny tatitry [12] ny Radio Azadliq.

Raha niresaka [12] tamin'ny radio Azadliq tamin'ny 10 Desambra, nilaza ny lehiben'ny komity, Rufat Safarov fa mampiseho ny fisamborana fa tsy mikasa ny hiala amin'ny fikasany ratsy [amin'ny fikendrena ireo vondrona fiarahamonim-pirenena sy ny solontenany] ny fanjakana. Nampian'i Safarov ihany koa fa heverin'ny komity ho sarontava ny fiampangana.

Nilaza tamin'ny [13]Meydan TV i Ali Karimli, mpitarika ny antoko mpanohitra malaza ao amin'ny Mandatehezam-Bahoaka fa tsy inona fa famoretana ara-politika ny fisamborana an'i Hajiyev. “Heveriko ho didy ara-politika ny didy navoaka tamin'ny 9 Desambra,” hoy i Karimli tamin'ny sehatra fampahalalam-baovao.

Nilaza [13] tamin'ny Meydan TV ny mpisolovava, Shahla Humbatova, fa tsy isalasalana fa nahazo fananarana i Hajiyev noho ny fanakianana nataony tamin'ny manampahefana.

Tany am-piandohan'ity taona ity, nalaina an-keriny [14] sy nokapohina i Hajiyev noho ny fanakianana nataony tamin'ny manampahefana ao an-toerana. Na teo aza ny fampanantenana, dia tsy nisy nosamborina ireo nahavanon-doza.

Nody avy any Prague i Hajiyev, rehefa avy nanatrika ny Fihaonamben'ny Fiarahamonim-pirenena momba ny Fiarahamiasa Tatsinanana [15]— “fikambanana mieli-patrana indrindra amin'ny Fiaraha-miasan'ny FTMF-ONG avy amin'ny faritra Atsinanana sy ny Vondrona Eoropeana.” mpikambana [16] ao amin'ny Forum ny fikambanany, Public Policy Institute.

Tamin'ny sioka iray, nilaza ny Forum hoe:

Mahatsiaro an'i @hajiyev [17] izay nosamborin'ny manampahefana Azerbaijani iray andro talohan'ny #InternationalHumanRightsDay [18] izahay. Mitaky famotsorana tsy misy hatak'andro ireo #gadrapolitika [19]rehetra ao Azerbaijan sy manerana ny faritra #EaP [20] izahay

— Fihaonambe Fiarahamonim-pirenena ho an'ny Fiaraha-miombon'antoka Tatsinanana (@eapcsf) 10 Desambra 2022

Tao anatin'ny fanambarana navoaka tamin'ny 10 Desambra, manamarika ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Zon'Olombelona, niantso ny governemantan'ny Fiaraha-miombon'antoka Tatsinanana rehetra ny Forum mba “hampitsahatra ny fanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy hanaja ny fahalalahana voarakitra ao amin'ny Fanambarana Iraisampirenena momba ny Zon'olombelona izay nanaovan'izy ireo sonia.” Nilaza manokana momba ny fisamborana an'i Hajiyev vao haingana ihany koa ny fanambarana:

On this day, like any other day, thousands of people in the EaP region, including recently arrested activist Bakhtiyar Hajiyev, will wake up in prison, where they are being held because of protecting human rights, promoting democratic values and principles, and trying to ensure meaningful participation, equality, security, and inclusive societies.

Amin'ity andro ity, tahaka ny andro rehetra, olona an'arivony ao amin'ny faritr'i EaP no hifoha any am-ponja, izay nitazonana azy ireo noho ny fiarovana ny zon'olombelona, ny fampiroboroboana ny soatoavina sy ny fitsipika demokratika, ary ny fiezahana hiantoka ny fandraisana anjara manan-danja, ny fitovian-jo, ny filaminana, ary ny fampiatian'ny fiaraha-monina, ka anisan'izany ilay mpikatroka Bakhtiyar Hajiyev nosamborina vao haingana.

Tsy tranga miavaka ny fisamborana an'i Hajiyev. Mpikatroka sy mpanao gazety marobe no mbola miatrika onjam-panenjehana [25]any Azerbaijan. Nolavin'ny [26] manampahefana ny filazana fa misy ambadika politika ny famoretana ankehitriny — anisan'izany ny an'i Hajiyev.