Ahariharin'ity lalao an-tambajotra ity ny loza ateraky ny fitrandrahana an-dranomasina lalina.

Game Over

Sary avy amin'ny tranonkalan'ny Deep Sea Conservation Coalition. Nampiasaina nahazoana alalana.

Misy lalao an-tserasera iray anaitra ny saina momba ireo zavaboahary anaty ranomasina lalina sy ny fomba hijalian'ny rohivoary maneran-tany raha toa avela hitrandraka ny harena ankibon'ny tany sy ny loharanon-karena any an-dranomasina lalina ireo orinasa.

Azo lalaovina eo amin'ny tranonkalan'ny Deep Sea Conservation Coalition (DSCC) ny lalao. Ny DSCC dia Fikambanana Tsy Miankina iray manentana ho amin'ny fiarovana ny zavamananaina an-dranomasina.

Ny fitrandrahana an-dranomasina lalina dia paikady fitrandrahana vao nipongatra sy mahabe adihevitra izay hakàna ireo mineraly sy harena ankibon'ny tany sy zavatra mipetraka amin'ny fanambanin'ny ranomasina amin'ny alàlan'ny toeram-pitrandrahana any anaty lalina any. Araka ny tatitra avy amin'ny BiologicalDiversity.org, mitarika amin'ny fampitoviana haavo ny fanambanin'ny ranomasina ity fomba ity, nitarika ny fahapotehan'ny endriky ny atin'ny ranomasina sy ireo zavaboahary miaina ao.

Na dia tsy mbola nisy aza firenana mitrandraka amim-pahavitrihana ny ranomasina lalina, dia orinasa iraisam-pirenena mpitrandraka 16 no nahazo alalana handavaka ny fanambanin'ny ranomasina. Mety hanomboka amin'ny 2023 ny fitrandrahana.

Manamafy ireo mpanohana fa ny fitrandrahana mineraly amin'ny faritra lalina an-dranomasina dia tsy manakorontana loatra raha mitaha amin'ny fitrandrahana mineraly an-tanety. Nampian'izy ireo koa fa ny fitrandrahana an-dranomasina lalina dia ilaina amin'ny fampandrosoana ny fiampitàna ho   amin'ny angovo maitso, satria ny teknôlôjian'ny angovo maitso amin'izao fotoana izao, toy ny fiara mandeha amin'ny herinaratra sy ny takelaka mandeha amin'ny herin'ny masoandro, dia miankina be indrindra amin'ny mineraly tsy fahita firy toa ny nikela, kôbalta, ny manganezy sy ireo harena hafa – izay maro no hita betsaka any ambanin'ny ranomasina.

Tsy eken'ireo mpikatroka ary lazain-dry zareo fa safidy diso ny fitrandrahana harena any an-dranomasina lalina.

Mampitandrina ireo DSCC sy ireo mpahay tontolo iainana hafa fa ny fitrandrahana mineraly an-dranomasina lalina dia hitarika faharavana tsy azo ivalozana miampita ny sisintany ary hanimba ireo zavamananaina ao anaty ranomasina. Toy izany koa, ny vondrona mpitatitra mikasika ny tontolo iainana “Grist” dia manamarika fa noho ny tsindry ara-tontolo iainana any anaty ranomasina lalina, vantany vao simba, dia taonjato maro ny rohivoary ao an-dranomasina vao ho tafarina, na mety tsy ho tafita mihitsy aza. Toy izao ny fivakin'ny tatitra iray an'ny fikambanana mpanao asa soa miasa ho fiarovana Fauna and Flora International :

Hiafara amin'ny fahafoanana toeram-ponenana midadasika ny fitrandrahana ambanin'ny ranomasina lalina. Hamokatra antsanga hanakorontana ny fiasa miaro ny tontolo iainana sy ny ekolojian'ny fitondrantenan'ireo karazana ao anaty ranomasina lalina koa izy io, izay manakana ny fizotra fototra ara-ekolojika any amina faritra midadasika.

Marobe ireo firenena efa naneho ny tsy fankasitrahany ny fitrandrahana harena anaty ranoasina lalina. Ireo mpitondra sy parlemantera manerana izao tontolo izao dia efa nanasonia fanambaràna sy fanangonan-tsonia maromaro nanamafisany ny fanolorantenan-dry zareo hanohitra azy io. Ny hafa nampiasa ny 8 Jona, Andro Erantany ho an'ny Ranomasimbe, ny kaonferansan'ny Firenena Mikambana momba ireo ranomasimbe tamin'ny 27 Jona sy ny Kaonferansan'ny Firenena Mikambana momba ny Rohivoary (COP15) tamin'ny Desambra mba hampitomboana ny fahatongavan-tsaina manoloana io fanao io.

Ireo firenena sy vondrom-piarahamonina ao Pasifika no isan'ireo tena tsy mitsahatra manaitra ny saina momba ny vokadratsy anaty fotoana maharitra ateraky ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina amin'ny fiainan-janak'olombelona.

Na eo aza ny fitsipahana, namoaka lisansa miisa 31 hahafahana mitrandraka any an-dranomasina lalina any ny Sampandraharaha Iraisampirenena momba ny Fanambanin'ny ranomasina. Vantany vao navoaka ireo taridàlana, mety hanomboka amin'ny Jolay 2023 ny fitrandrahana harena ankibon'ny ranomasina, mitodika amin'ny ara-barotra no sady midadasika be.

Mandritra izany fotoana izany, ny 5 Desambra ireo vondrona sy mpiaro ny maitso dia nanamarika ny #DeepDay tamin'ny alalan'ny filazàna ireo loza ateraky ny fitrandrahana mineraly an-dranomasina lalina.

⁠⁠Mba hankalazana ny #DeepDay, akorisiho ny rantsan-tananao raha te-hahalala bebe kokoa mikasika ny majika amin'ireny fanambanin'ny ranomasina ireny.

Avy eo, manaova hetsika hiarovana ireny karazam-biby tsara tarehy ireny : tsidiho ny rohy eo ambany mba hanaovanao sonia ny taratasin'ny daholobe manohitra ny fitrandrahana mineraly an-dranomasina lalina, dieny mbola tsy tara loatra

— onlyone (@onlyone) 5 Desambra 2022

Ny ampahany betsaka amin'ilay fanentanana dia miompana amin'y fanabeazana ny olona momba ireo antony ilàa ny fanoherana ny fitrandrahana harena any anaty ranomasina lalina. Ilay kilalao natsofoky ny DSCC dia fomba iray feno fahaizamamorona hanakaikezana ireo tanora mpiondana aterineto sy hakàna ny fanohanan-dry zareo. Antso maika iray no anombohan'ilay lalao:

Manomboka mameno ny any ambany tsy takamaso any ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina, tena mamotika ny fiainana. Orita (octopus) iray no mijoro eo anelanelan'ny ranomasimbe lalina sy ny Armagedona.

Ampio ireo mponina any amin'ny faran'ny lalina indrindra mba hiaro ny toeram-ponenan-dry zareo. Lalaovy ny TAPITRA NY LALAO ary fantaro ireo ambana goavana mifandray amin'ny fitrandrahana harena anaty ranomasina lalina.

Mandritra ny lalao, ilay orita no misolo tena ilay mpilalao izay tsy maintsy miala ana'ireo akora mahafaty ararak'ireo milina goavana fitrandrahana.

DeepSea Game

Sary avy amin'ny tranokalan'ny Deep Sea Conservation Coalition

Ilay lalao dia manolotra fampahalalana ihany koa momba ireo zavaboahary sasany ao anatin'ny fanambanin'ny ranomasina lalina sy ny fomba mety hanakorontanan'ireo hetsika fitrandrahana any anaty ranomasina lalina ny zavamananaina an-dranomasina.

Casper Octopus

Ny mety ho fiantraikan'ny fitrandrahana an-dranomasina lalina amin'i Casper Ilay Orita. Sary avy amin'ny tranonkalan'ny Deep Sea Conservation Coalition

Dumbo Octopus

Ny mety ho fiantraikan'ny fitrandrahana an-dranomasina lalina amin'i Dumbo Ilay Orita. Sary avy amin'ny tranonkalan'ny Deep Sea Conservation Coalition

Deep sea mining will disrupt marine habitats.

Ny fitrandrahana an-dranomasina lalina dia hanakorontana ireo  toeram-ponenana anatin'ny ranomasina. Sary avy amin'ny tranokalan'ny Deep Sea Conservation Coalition

Marihan'ilay lalao fa ny olombelona no tena “bibidia an-dranomasina” mandrahona ny zavamananaina sy ny rohivoary an-dranomasina.

Deep Sea Destroyer

Ny ‘biby masiaka’-n'ny ranomasina lalina. Sary avy amin'ny tranonkalan'ny Deep Sea Conservation Coalition.

Andramo ilay lalao raha te-hahalala bebe kokoa mikasika ireo “mponina any anatin'ny ranomasina lalina”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.