- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanana nandritra ny fotoana fohy ny YouTube tao Pakistan nandritra ny fihetsiketsehana politika nataon'ny PM teo aloha 

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava

 

 Sary azo ampiasaina [1] avy amin'ny pejin'i Tehreek e Insaf facebook.

Nanomboka nahatsapa ny mpisera YouTube manerana an'i Pakistan fa tapaka ny sehatra [2] ny harivan'ny Alahady 21 Aogositra 2022, tamin’ny fotoana nandefasana mivantana ny kabarin’ny praiminisitra teo aloha sady filohan'ny antoko Pakistan Tehreek e Insaf (PTI) Imran Khan teny an-dalambe tamin'ny fihetsiketsehana ara-politika tao Rawalpindi, Punjab. Nesorina tamin'ny toerany i Khan tamin'ny fiandohan'ity taona ity tamin'ny alalan'ny latsa-bato fitsipaham-pitokisana tao amin'ny parlemanta, notohanan’ny mpanohitra Fiombonana Demaokratika ao Pakistan. Hatramin'ny nahazoany fahefana tamin'ny taona 2018, nalaza izy tamin'ny fitantarany fa manao kolikoly ny mpanohitra, ny fijoroany manohitra ny Ady amin'ny fampihorohoroana [3] ataon'i Etazonia sy ny fomba fisainany toa manohitra an'i Etazonia. Nanohitra ny rafitra ny mpanara-dia azy ary nanameloka an-karihary ny fitondrana taorian'ny nanonganana azy.

Ara-tantara, nifandimby fitondrana tamin'ny miaramila ny antoko politika roa ao Pakistana — Antokom-Bahoaka ao Pakistan sy ny Ligy Miozolomana Pakistan-Nawaz. Nahazo fahefana tao amin'ny Faritanin'i Khyber Pakhtunkhawa (KP) ny PTI tamin'ny fifidianana taona 2013 ary voafidy indray tao KP tamin'ny taona 2018, nahazo ny maro an'isa ary lasa praiminisitra i Imran Khan. Sambany ny antoko politika tsy niorina tamin’ny taranaka mpanao politika no tonga teo amin’ny fitondrana.

Tamin'ny takariva resahina, nitatitra ny [4] NetBlocks, mpanara-maso ny aterineto miasa eo amin'ny fihaonan'ny zo nomerika, ny fiarovana an-tserasera ary ny fitantanana ny aterineto,  [4]

⚠️ Voamarina: Manamarina ny tondro fa misy fahatapahana ny YouTube ao Pakistan amin'ny ho an’ny mpamatsy aterineto marobe; Nitranga izany rehefa nandeha mivantana tao amin'ny lampihazo ny praiminisitra teo aloha Imran Khan na dia teo aza ny fandraràna nataon'ny mpandrindra ny media PEMRA

Tamin'ny 22 aogositra, nikorontana indray ny aterineto. Nanambara ny Netblocks fa niatrika olana fanindroany indray i Pakistan tao anatin'ny 24 ora:

⚠️ Voamarina: Ao anatin'ny fahatapahan'ny aterineto manerana ny firenena indray i  #Pakistan [8], ny faharoa tao anatin'ny 24 ora; Miantraika amin'ny mpamatsy maro ny zava-nitranga, anisan'izany ny PTCL miaraka amin'ny data amin'ny fotoana tena izy mampiseho fifandraisana amin'ny 38% amin'ny ambaratonga mahazatra 📉 📰

Tsy vao sambany no notapahana tao Pakistan ny aterineto na ny sehatra iray manokana. Tany am-piandohan'ny volana aprily, nakatona nanerana [11] ny firenena ny aterineto taorian'ny nanaovan'i Imran Khan fihetsiketsehana ara-politika rehefa naongana teo amin'ny fitondrana izy. Mandritra ny Muharram, rehefa misy filaharana marobe manerana an'i Pakistan, notapahana ny tolotra aterineto sy finday [12] noho ny resaka fiarovana. Norarana tao Pakistan ny YouTube tamin'ny taona 2012 rehefa navoaka an-tserasera ny sarimihetsika misy votoaty heverina ho fitenenan-dratsy. Telo taona taty aoriana, nesorina ny fandraràna [13] rehefa nametraka lalàna ho an’ny eo an-toerana ny YouTube, ary afaka nanaisotra votoaty araka izay tiany ny governemanta.

Nanomboka nitaraina tao amin'ny sehatra media sosialy ny olona raha vao tsy afaka niditra tamin'ny fampitana mivantana ny fihetsiketsehana nataon'ny PTI tamin'ny 21 Aogositra izy ireo.

Nanameloka ny zava-nitranga i Usama Khilji, mpikatroka mpiaro ny zo nomerika:

Manamafy ny mpanara-maso ny aterineto mahaleotena @netblocks [14] fa nisy ny fanakorontanana ny @YouTube [15] tao Pakistan nandritra ny lahatenin’i Imran Khan.

Sivana tsy manara-dalàna izay tsy maintsy hazavain'ny @PTAofficialpk @GovtofPakistan ity. Tsy misy lalàna mamela ny sivana ara-politika amin'ny sehatra an-jotra

Niparitaka be ny tenirohy #MampiasàVPN [21] sy ny #YouTubeTAPAKA rehefa tsy afaka nandefa mivantana ny olona.

Nilaza i Erum Zaeem, mpanao gazety fa ity no endrika sivana ratsy indrindra:

Mba hanajanonana fotsiny ny mpijery sy ny fitantarana mivantana ny Jalsa nampiantranoin'ny Filohan’ny @PTIofisialy @ImranKhanPTI tao amin'ny #Rawalpindi

Taona 2022 isika izao

Miatrika endrika ratsy indrindra amin'ny sivana fampitam-baovao ny Pakistaney sy ny fandraràna ny fahalalahana miteny Jiolahimboton’ny #PDM tapitra ny fotoananareo

Aza sahy miditra ao amin'ny bani gala fa hanao diabe mankany amin'ny tranon'ny mpanao politika rehetra izahay

Taorian'ny lahateny, nanakiana mafy ny governemanta i Imran Khan noho ny fanapahana fotoana fohy ny YouTube sy ny fanakanana ny fidirana tamin'ny lahateniny:

Nidina ambany indray androany ny governemanta fasista nafarana tamin'ny fandrarana ny fitantarana mivantana ny lahateniko tamin'ny fahitalavitra ary avy eo nanakana ny YouTube fotoana fohy nandritra ny lahateniko tao Liaquat Bagh. Taorian'ny fandrahonana tsy an-kiato ny mpampahalala vaovao sy ny fanapahana ny fantsona izany rehetra izany.

Tsy fanitsakitsahana goavana ny fahalalahana miteny fotsiny izany fa misy fiantraikany ratsy amin'ny indostrian'ny fampahalalam-baovao nomerika sy ny fiveloman'ny maro. Ny tokony ho takatr'izy ireo dia ny hoe tsy afaka manafoana ny sitrapon'ny vahoaka izay Haqeeqi Azadi izy ireo na inona na inona ataony.

Tonga avy hatrany ity fanelingelenana ity taorian'ny namoahan'ny Manampahefa Mpandrindra ny Media Elektronika (PEMRA [41]) fandraràna ny fandefasana mivantana [42] ny lahatenin'i Khan amin'ny fantsona fahitalavitra amin’ny zanabolana rehetra. Ny andro talohan'ny famoriam-bahoaka, nandrahona i Khan fa hametraka fitoriana hanoherana ny mpitarika ny antoko mpifaninana ny PTI, ilay Inspektera Jeneralin'ny Polisy ao Islamabad ary ny Distrika Fanampiny sy ny Mpitsara Zeba Chaudhry. Taorian'ny fandraràna, nanasa ny mpanaraka ny PTI hijery ny kabarin'i Imran Khan ao amin'ny YouTube:

Miezaka mandrara ny lahatenin'i Imran Khan amin'ny fahitalavitra ny Fasista nafarana. Miangavy anareo misoratà anarana amin'ny fantsonay YouTube

Resy tanteraka tamin'ny ady izy ireo ary mampiasa ny fasisma ankehitriny; tsy hahomby izy ireo! #AmpioPakistan [44] amin'ny fanandratana ny feonareo manohitra ny fasista!

Voatsikera mafy ny fandraràna nataon'ny PEMRA, tamin'ny siokan'ilay mpikatroka Usama Khilji hoe:

Zava-dehibe ny manamarika fa tsy mihatra amin'ny sehatra tranonkala anisan'izany ny YouTube ny lalanan’ny @reportpemra.

Sivana ara-politika tsy ara-dalàna izany nataon'i @PTAofficialpk [16] izay mpandrindra ny aterineto. Tsy fahefan'ny PTA ny manivana votoaty araka ny And 37 amin'ny PECA, satria:

(1)

1. Ny fitsipiky ny media sosialy (and 37 amin'ny PECA) dia miandry ny fanitsiana ataon'ny Parlemanta, didy hitsivolan’ny Fitsarana Avo Islamabad tamin’ny 11 Mey 2022.
2. Ny fitsipika (tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana) nampidirin'ny Govt PTI dia mitaky ireo sehatra hanemotra ny fandefasana mivantana araka ny toromarika omeny saingy tsy misy io rafitra io.
(2)

  1. Tsy mamaritra ny fanakanana ny sehatra manontolo ny fitsipika raha toa ka mitohy ny fampitana mivantana.
  2. Mamaritra ny fitsipika fa na dia misy aza ny hamehana, manana 12 ora hankatoavana ny sehatra media sosialy.
  3. Tsy sehatra media sosialy ny YouTube fa sehatra fandefasana horonantsary. (3)

Mila milaza ny @PTAofficialpk [16] hoe inona ny lalàna milaza ny fanakanana ny YouTube, ary manondro ny tatitra fa nitohy nandeha tamin'ny FAI-ISP sasany ny sehatra fa tsy tamin'ny hafa.

Sambany no nesorina ary nosakanana tao amin'ny YouTube ny lahatenin'i Imran Khan. Tamin'ny taona 2015, noraràn'ny [59] Fitsarana Avo ao Lahore ny lahateny sy ny sarin’ny lehiben'ny Hetsika Muttahida Qaumi (MQM) Altaf Hussain noho ny fanamarihany “manohitra ny tafika”. Tamin'ny taona 2020, nandrara ny kabary mirehitra avy any Londra [60] nataon’ny praiminisitra teo aloha Nawaz Sharif, izay manohitra ny governemanta PTI, ny fitsarana ary ny miaramila ny PEMRA.

Fanitsakitsahana mivantana ny fahalalahana miteny sy ny zo hahazo vaovao araka ny andininy faha-19 sy 19(a) ao amin'ny Lalàmpanorenan'i Pakistan izany, saingy, nandritra ny taona maro, niharatsy ny toe-draharaha, ary tsy afaka maneho hevitra tsy misy tahotra ny ho voasazy ny olona.