- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lasa miray tsikombakomba amin'ny fanivanana media sy ny fahalalahana miteny ny sehatra media sosialy any Torkia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary avy amin'i Giovana Fleck

Efa ela no nirotsaka an-tsehatra tamin'ny fampiharihariana ny kolikoly teo amin'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta i Metin Cihan. Tamin'ny 17 Jolay 2022, nosakanan'ny Twitter ny kaontiny Twitter noho ny antony fa nizara vaovaon'olona manokana ilay mpanao gazety, na dia tsy nisy hoe manokana aza ny vaovao nozarainy. Tamin'ny siokany, nampibaribary ireo orinasa, anarana, fiarahana, fampahalalana momba ny kaonty amin'ny banky, ary tolo-bidy mifandraika amin'ny Canikli Files —  anarana avy amin'ilay mpanao politika Nurettin Canikli, izay voarohirohy tamin'ny kolikoly miely patrana any Torkia i Cihan .

Naverina tamin'ny laoniny ihany ny kaonty Twitter-n'i Cihan, saingy natahotra ny mety hiverenany izany indray izy, satria tsy vao sambany no nokendrena ny kaontiny.

Ao anatin'ny toe-java misy ao Tiorka sy ny tamberin'andraikitry ny sehatra, mampiseho ny sedra nolalovan'i Cihan tao amin'ny Twitter fa manao izay vitany ny fanjakana mba hanampenam-bava ny asa fanaovan-gazety tsy miankina ao Tiorkia sy ny maha-mpiray tsikombakomba [1]ny sehatra tahaka ny Twitter amin'ny fanampiana ny fanjakana amin'izany.

Namoaka fitaovana ahafahany manivana votoaty amin'ny firenena iray ny Twitter tamin'ny taona 2010. Tamin'izany fotoana izany, mety tsy nahatsikaritra tsara ny sehatra fa mety araraotin'ny firenena maro miha-didy jadona ny fitaovany izay nokendren'ny manampahefana manoloana ny fitomboan'ny famoretana sy ny sivana amin'ny sehatra media sosialy.

Raha ny marina, iray amin'ireo paikadin'ny governemanta Tiorka hanampenam-bava ireo mpiserasera amin'ny aterineto sy handà azy ireo ny zony hahazo vaovao ny mandefa fangatahana [2] amin'ny Twitter sy ireo sehatra hafa mba hanaisotra votoaty heverina ho mandika ny lalàna ao an-toerana. Vokatr'izany, tsy mahagaga raha, araka ny tatitra farany indrindra momba ny mangarahara ao amin'ny Twitter [3], i Tiorkia no fahefatra lehibe indrindra mpangataka fanesorana votoaty, mitentina sivy isanjaton'ny fitakiana ara-dalàna manerantany. “Nidina ho  mpangataka fahefatra lehibe indrindra amin'ny Twitter i Torkia. Izany dia noho ny governemanta Tiorka nandefa fangatahana ara-dalàna 21 isanjato vitsy kokoa. Na dia teo aza izany fihenana izany, tena niakatra 24 isanjato ny isan'ny kaonty voalaza ao amin'ny fangatahan'i Torkia”, hoy ny tatitra.

Imbetsaka ny governemanta Tiorka no manondro ny lalàna anatiny [4] toy ny Lalàna No. 5651 sy ny hafa mba hangataka amin'ireo sehatra hanatanteraka sivana amin'ny anaran'izy ireo. Na dia nazava [5] tamin'ny fikasany aza ny fanjakana Tiorka, dia toa tsy takatr'ireo goavan'ny media sosialy ny fiantraikan'ny fanajan'izy ireo ny fahamaroan'ny haino aman-jery sy ny fahasamihafan'ny feo sy ny hevitra ao Torkia.

Ankoatra ny lalàna efa napetraka, efa nankatoavin'ny depiote nasionaly ny 14 tamin'ireo 40 natolotra [6] tamin'ny lalàna vaovao mampiady hevitra momba ny fandisoam-baovao iniana atao [7]. Raha lany avokoa ireo lahatsoratra natolotra, dia hiatrika sazy bebe kokoa noho izay faritan'ny volavolan-dalàna [8] manjavozavo ho filaminam-bahoaka, fiarovam-pirenena ary fahasalamam-bahoaka ireo mpampiasa ny sehatra media sosialy ao Tiorkia.

Raiso ohatra i Mukremin, tranga tamin'ny media sosialy. Sivy volana lasa izay, nanapa-kevitra i Mukremin, vehivavy nanova taovam-pananahana, fa hanao fampisehoana an-tsehatra hilazana amin'ireo mpanaraka azy fa bevohoka izy. Taorian'ny nizaran'i Mukremin ny lahatsary farany tany amin'ny hopitaly izay niterahany zaza salama, dia voasazy ny kaonty sy ny hopitaly. Nohidian'ny manampahefana ny hopitaly ary nosakanana tao Tiorkia ny kaonty TikTok an'i Mukremin. Ary nanaiky ny sehatra. Mbola tsy mazava ny anton'ireo hetsika ireo saingy ao amin'ny firenena iray izay voasivana na dia ny Spotify playlists [9] aza, na miteraka fanehoan-kevitra ratsy [10]ny horonan-tsarimihetsika momba ny fitiavana eo amin'ny lehilahy pelaka roa, tsy dia mahagaga loatra ny fanapahan-kevitra hanakana ny kaontin'i Mukremin.

Ohatra iray hafa tsy mahagaga amin'ny sivana ny fomba naneken'ny Facebook ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanakana ny fidirana amin'ny pejy Facebook-n'ny masoivohom-baovao mpomba ny Kiorda Mesopotamia tsy misy fanazavana. Na dia teo aza ny fikasana hamerenana ny pejy, mbola tsy namerina ny pejy mihitsy ny sehatra media sosialy.

Angamba iray amin'ireo ohatra tsara indrindra hanehoana ny fomba faneken'ny sehatra media sosialy ny fangatahan'ny fanjakana hanivana ny votoaty ao Tiorkia ny raharaha Sedat Peker, lehiben'ny mafia, izay hita fa meloka tamin'ny fikambanan-jiolahy indroa ary ao anatin'ny fampandrenesana mena Interpol ankehitriny. Tamin'ny volana Mey 2021, nanomboka nizara horonantsary tao amin'ny YouTube [11]momba ny fifandraisana manjavozavo eo amin'ireo manampahefana ambony ao amin'ny antokon'ny fitondrana sy ny vahoaka i Peker, ary mikendry ny sasany amin'ireo manampahefana ambony ao amin'ny governemanta tamin'ny andiana fanambarana [12]. Ny fanambarana momba ny kolikoly vao haingana indrindra [13]nataon'i Peker dia nozaraina tamin'ny alàlan'ny Twitter tamin'ny andiana sioka, nampibaribary ny mpanolotsaina an'i Erdoğan, Serkan Taranoglu, ny filohan'ny filankevi-pitantanan'ny Capital Markets teo aloha Ali Fuat Taskesenlioglu, ny mpikambana ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, ny solombavambahoaka Zehra Taskensenlioglu ary ilay gazety mahaleo tena teo aloha, Burak Tasci saingy tao anatin'ny taona vitsivitsy dia namadika palitao ka lasa mpamakafaka ao amin'ny gazety mpivoaka  isan'andro mpomba ny governemanta, Huriyyet. Taorian'ny fanambarana dia niala i Taranoglu. Niala tsy ho filoha lefitry ny fitantanan'ny AKP ao an-toerana ihany koa sy amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pitantan'ny antoko. Namaly haingana ny fanjakana, nanakana ny fahazoana vaovao momba ny fiampangana vao haingana. Nosakanan'ny Twitter ihany koa ny fidirana amin'ny sioka momba an'i Zehra Taskensenlioglu.

Dia ahoana koa ny manaraka?

Tonga tamin'ny fotoana manan-danja ao Tiorkia ihany koa ny volavolan-dalàna momba ny fandisoam-baovao iniana atao, satria miomana hifidy amin'ny fifidianana ankapobeny amin'ny taona 2023 ny firenena sy ny mpifidy ao aminy. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Euronews [14], nilaza i Suay Boulougouris, tompon'andraikitry ny fandaharana ho an'ny Andininy faha-19, fa ny teny manjavozavo amin'ny lalàna dia afaka milaza fa “fa ny vaovao rehetra manakiana ny governemanta dia azo raisina ara-bakiteny ho fanalam-baraka. Tsy hitanay ho tena fikasana hiadiana amin'ny fanalam-baraka izany, raha ny marina dia manafika izay fanakianana rehetra mialoha ny fifidianana iadian-kevitra mafy ho atao amin'ny taona 2023 izany. “

Amin'ny toe-javatra hafa, mety havela tsy hisy sehatra media sosialy mihitsy ny Tiorka, alohan'ny fifidianana. Araka ny filazan'i Kerem Altıparmak, mpisolovava sady mpiaro ny fahalalahan'ny aterineto [15], ny fikasana tsy nahomby teo aloha mba hampifanaraka ireo orinasan'ny media sosialy dia mety hitondra vokatra amin'ity indray mitoraka ity, ka mitarika amin'ny fanakanana tanteraka ireo sehatra toa ny Twitter.

Tsidiho azafady ny pejin'ny tetikasa raha hijery lahatsoratra bebe kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor [16].