- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpianatra Nizeriana nosamborina taorian'ny fiantsoana ny Vadin'ny Filoham-pirenena ho ‘matavin'ny kolikoly’ tao amin'ny Twitter

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, GV Mpisolovava

 

The First Lady of Nigeria, Aisha Buhari at a past event. Image Source. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Ny Vadin'ny Filoham-pirenena ao Nizeria Aisha Buhari tamin'ny hetsika teo aloha. Sary [1]. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Tamin'ny 18 Novambra,  nosamborin’ny [2] polisy Nizeriana ny mpianatra iray 24 taona ao amin'ny famaranan-taonan'ny Fitantanana ny Tontolo Iainana sy ny Fianarana momba ny zavamahadomelina (toxicologie) ao amin'ny Oniversite Federalin'i Dutse, antsoina hoe Aminu Adamu Muhammed, noho ny sioka [3] voalaza fa fanalam-baraka nalefany tamin'ny volana Jona.

Nalefa tamin’ny teny Hausa ilay sioka, izay nalaza be taty aoriana ary nahitana ny sarin'ny vadin'ny filoham-pirenena Nizeriana, Aisha Buhari, ary mivaky hoe, “Su mama anchi kudin talkawa ankoshi,” izay midika hoe “matavin’ny vola be ilay reny.”

Manjaka ny kolikoly any Nizeria. Nametraka [4] an'i Nizeria eo amin’ny laharana faha 154 amin'ny firenena 180 ny tatitra momba ny Tondro Fijerena Kolikoly (CPI) 2021 navoakan'ny Transparency International (TI) tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Tsy nahagaga ny maro anefa izany.

Ao amin'ny  lahatsorany, [5]  hoy i Prof. Ebenezer Obadare- manampahaizana momba ny fiarahamonim-pirenena;

Many Nigerians know intuitively—that a steady stream of official antigraft rhetoric has hardly made a dent on what many agree is the most formidable perennial challenge to the country’s long-term stability. President Buhari’s sentiment to the effect that “if Nigeria does not kill corruption, then corruption will kill Nigeria,” is widely shared.

Maro ny Nizeriana no mahafantatra ho azy fa tsy mampihontsona mihitsy izay heverin'ny maro ho fanamby mitarazoka indrindra hampisy fitoniana maharitra ao amin'ny firenena ny firaondraonan'ny kabary ofisialy enti-miady amin'ny kolikoly. Nozaraina betsaka ny fihetseham-pon'ny Filoha Buhari momba ny hoe “raha tsy mamono ny kolikoly i Nizeria, dia hamono an'i Nizeria ny kolikoly”.

Niteraka fanehoan-kevitra ny sioka nahitana olona sasany namela fanehoan-kevitra tao amin'ilay sioka sady nizara sary mampitaha ny haben'ny vatan'i Aisha Buhari taloha sy taorian'ny naha-vehivavy vadin’ny filoham-pirenena azy.

Ny andininy faha-391 ka hatramin’ny faha-395 amin’ny fehezan-dalàna famaizana [6] ao Nizeria no milaza ny heloka bevava amin’ny fanalam-baraka ho an'ny fanjakana avaratra sy ny Faritanin'ny Renivohitra Federaly. Manazava ny sazy amin’ny fanalam-baraka ny andininy faha-392 fa hosazina an-tranomaizina mandritra ny fe-potoana izay mety haharitra roa taona na mandoa onitra na izy roa miaraka ny olona rehetra manala-baraka ny hafa”

Ny famoahana teny mety hiteraka fankahalana, fanamavoana, fanesoana, na manaratsy laza na ny asan'ny olona iray raha ren’io olona io na ny olon-kafa nefa tsy misy fanamarinana no atao hoe fanalam-baraka any Nizeria.

Natolotra ny fitsarana ary voampanga ho nanao fanalam-baraka vadin’ny filoham-pirenena i Muhammed tamin'ny Talata teo anatrehan'ny fitsarana tao Maitama Abuja, renivohitry ny firenena. Nampidirin’ny fitsarana am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Suleja ilay voampanga, miandry ny fotoam-pitsarana sy ny fanapahan-kevitra amin’ny famotsorana azy amin’ny alàlan’ny fandoavana onitra.

Manan-jo hanana fahalalahana maneho hevitra ny Nizeriana tsirairay, ao anatin'izany ny fahalalahana maneho hevitra sy mandray ary mizara vaovao tsy misy fanelingelenana araka ny voalaza ao amin'ny andininy faha 39 (1) amin'ny lalàmpanorenana [7]. Amin'ny lalàna ao amin'ny firenena momba ny fanalam-baraka, fanendrikendrehana, na fanosoram-potaka manimba ihany izany no manan-kery.

Nilaza tamin'ny [8] BBC Hausa ny dadatoan'ilay mpianatra voasambotra, Shehu Baba Azare fa miangavy ny vadin'ny filoha ny fianakaviana mba hamela ny zanany lahy. Nilaza izy fa tsy fantatry ny fianakaviana ny fisamborana raha tsy dimy andro taty aoriana rehefa nilaza ny mpiara-miasa amin'ny zanany lahy fa tsy hita izy nandritra ny andro maromaro.

“The next day Aminu called his father and told him that he was arrested and taken to Aisha Buhari in Presidential Villa and he was beaten and detained. He said one of the security gave him his phone to make the call.”

“Ny ampitson'iny, niantso ny rainy i Aminu ary nilaza taminy fa nosamborina izy ary nentina tany amin'i Aisha Buhari tao amin'ny Tranoben’ny Filoham-pirenena ary nodarohana sy notanana izy. Nilaza izy fa nanome azy ny findainy mba hiantsoana ny iray tamin'ireo mpiambina.”

Niteraka hatezerana tao amin'ny Twitter ny fisamborana an'i Aminu Muhammed noho ny fanesoana an'i Aisha Buhari raha nitaky ny famotsorana azy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona. Nizeriana maro an-jotra no niaro ny famotsorana azy tamin'ny tenirohy #FreeAminu.

Namaly ny fisamborana, nanameloka tanteraka [9] ireo sisa ny Amnesty International ary nangataka ny famotsorana avy hatrany sy tsy misy fepetra ilay mpianatra.

Ny Amnesty International dia miantso ny famotsorana avy hatrany sy tsy misy fepetra an'i Aminu Adamu Muhammed — mpianatra 23 taona ao amin'ny Oniversite Federaly Dutse, izay nosamborina tamin'ny 8 Novambra 2022 noho ny sioka iray voalaza fa manala-baraka ny vadin’ny filoham-pirenena Nizeriana #Aisha [11] Buhari.

Nanoritsoritra [13] ny fisamborana an'i Muhammed ho tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana sady manafintohina ilay Nizeriana mpikatroky ny zon'olombelona, ​​Aisha Yesufu.  Mampisaintsaina [14] ireo Nizeriana raha olom-pirenena izy ireo na andevo ny fanamarihany feno fahatezerana.

Iza moa i Aisha Buhari izay tsy afaka resahin'ny olom-pirenena sosotra? Ianareo miresaka momba ilay lazaina fa fahefana dia mila manontany tena hoe olom-pirenena ve ianareo sa andevo.

Nisioka [17] ny SERAP, vondrona mpiaro ny lalàna tsy mitady tombontsoa hoe “Tsy maintsy mamoaka avy hatrany tsy misy fepetra an'i Aminu Muhammed ny fitondran’i Buhari. Ho hita eo amin’ny fitsarana raha tsy afahana avy hatrany izy.”

Nanohana an'i Aminu tamin'ny sioka [18] izay niaro azy ho zava-misy ilay mpanao gazety Nizeriana mpanao fanadihadiana, Fisayo Soyombo.

Mbola tsy azoko ny ahiahin’i Aisha Buhari.
Tsy nitombo ve izy hatramin’ny nahatongavan’ny vadiny teo amin’ny fitondrana tamin’ny taona 2015, sa ve tsy voky volan’ny mpandoa hetra (vahoaka) ny mpiasam-panjakana ?
Dia aiza ny lainga ao amin'ny siokan’i Aminu Muhammed?

Namaritra [20] ny fisamborana sy ny fanafihana an'i Muhammed ho “tsy azo ekena amin'ny fitondrana sivily” ny fikambanam-behivavy maherin'ny 250 ao Nizeria eo ambany fiahian'ny ‘Feminist Womanifesto’. Tao anatin'ny fanangonan-tsonia ho an'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Nizeria tamin'ny 1 Desambra, nangataka ny famotsorana avy hatrany sy ny fanadihadiana momba ny fanafihana ny mpikarakara ny Womanifesto, Abiola Akiyode-Afolabi.

Nilaza i [21]Salihu Tanko Yakasai Dawisu, kandidà ho governora fa “tsy mpampihorohoro i Muhammed ka tokony hohidiana sy lavina tsy hifanerasera amin’ny fianakaviany sy ny mpisolovavany”. Nomelohiny ny “karazana commando amin'ny fakana olom-pirenena tsy misy dingana ara-dalàna” izay nambarany ho “tsy azo ekena,” nanohana ny famotsorana an'i Aminu sady niaiky fa diso izy.

Tsy mpampihorohoro i Aminu ka tokony hohidiana sy lavina tsy hifanerasera amin’ny fianakaviany sy ny mpisolovavany, tsy nety ny nataony fa ny zavatra atao aminy no ratsy indrindra. Tokony havoaka izy na tsaraina. Tsy azo ekena ny “karazana commando amin'ny fakana olom-pirenena tsy misy dingana arahina.

Ny talata, namoaka [25] fe-potoana farany roa andro ho an'ny Vadin'ny Filohan'i Nizeria mba hamotsorana ilay mpianatra ny Fikambanan’ny Mpianatra Nizeriana Nasionaly (NANS) fizarana Avratra-Andrefana raha tsy izany dia hanao fihetsiketsehana faobe izy ireo hanerena ny famotsorana ilay mpianatra.

“The student is due for his final undergraduate exam on 5 December. The student unions, human rights commissions, and civil society organizations will be compelled to march on the streets in solidarity protest across the country until we ensure his immediate release,” the NANS said.

“Amin'ny 5 desambra hoavy izao no hanao fanadinana amin’ny taona famaranana ilay mpianatra. Voatery hidina an-dalambe ho fihetsiketsehana firaisankina manerana ny firenena mandra-pamotsorana azy tsy misy hatak'andro ny sendikàn'ny mpianatra, ny vaomieran’ny zon'olombelona, ary ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena” hoy ny NANS.

Tsy mbola naneho hevitra ampahibemaso momba ilay olana i Aisha Buhari.

Tamin'ny herintaona, nampiato [26] ny Twitter nandritra ny fito volana ny governemanta Nizeriana, nanaisotra ny fandraràna tamin'ny volana Janoary taorian'ny naneken’ny [27] Twitter ny fepetra napetraky ny governemanta, izay manohintohina bebe kokoa ny zon'ny olom-pirenena Nizeriana.

Andro maromaro talohan'ny nisamborana an'i Muhammed, nanome baiko ny mpanao hatsikana roa, Mubarak Muhammad sy Nazifi Bala ny fitsarana ao amin'ny fanjakan'i Kano any avaratr'i Nizeria, handoa onitra NGN 10,000 (23 USD) ary kapoka miisa 20 ihany koa noho ny fanalam-baraka ny governora, Abdullahi Umar Ganduje tamin'ny kaontiny TikTok. Nasaina nanadio ny lapan’ny fitsarana mandritra ny 30 andro ihany koa izy roa ireo.