Nalaza tao Arzantina ilay vehivavy nomena anarana hoe ‘reniben'i Messi’ taorian'ny fibatàna ny Amboara Erantany

Fandravahana avy amin'ny Global Voices tamin'ny pikantsarin'i María Cristina/Youtube

Vehivavy Arzantina 76 taona no nahazo “zafikely 45 tapitrisa” ary nomena anarana ihany koa hoe “reniben'i Messi”  taorian'ny niakaran'i Arzantina ho an-tampon'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany tany Qatar. Nanjary nalaza noho ny fanohanany ny ekipam-pirenen'i Arzantina, i María Cristina, izay tsy te-hizara ny anarany.

Nanomboka nihira ny “Abuela, lalalalala” (‘Renibe, lalalalala’) taminy teny an-dalambe ny olona, ary nanjary nalaza manerana ny firenena ilay hira. Efa niparitaka sahady ny T-shirts, kaopy ary entana hafa amidy misy ny teny filamatra.

@octaruggero CAMPEONES DEL MUNDO CÁRAJO! #qatar2022 #seleccionargentina #abuelalala #mundial #worldcup ♬ sonido original – octaruggero

WORLD CHAMPIONS, DAMMIT!

TOMPON-DAKA MANERANTANY

Isaky ny mandresy amin'ny lalao i Arzantina, dia nandao ny tranony tao amin'ny manodidina an'i Liniers, Buenos Aires izy mba hifety eny an-dalambe. Natomboka izany rehefa nandresy an'i Polonina i Arzantina tamin'ny 31 Novambra. Na dia tsy nijery ny lalao aza izy, rehefa nandresy i Arzantina, nanentana azy hiara-paly amin'izy ireo ny olona falifaly teny an-dalambe. Avy eo dia teraka ny hira faneva, mandeha amin'ny lantom-peon'ny “Go West” an'ny Pet Shop Boys.

Nanomboka teo, isaky ny nandresy tamin'ny lalao i Arzantina, dia mihamaro hatrany ny olona manerana ny firenena mihira ilay hira, indrindra ho an'ireo vehivavy zokiolona izay handeha hankalaza ny fandresena eny amin'ny manodidina azy. Nanomboka nihira ho azy ireo ny Arzantina ho fombafomba hahazoana vintana amin'ny fifaninanana.

Tamin'ny 13 Desambra, taorian'ny nandresen'i Arzantina ny lalao nifanandrinana tamin'i Kroasia, nanomboka nihira tamin'ny vehivavy zokiolona iray hafa ireo mpifanolo-bodirindrina ao Rosario, tanàna niavian'i Lionel Messi ao amin'ny faritanin'i Santa Fe, izay noho ny antony sasany noheverin'ny olona fa tena reniben'i Messi izy, na dia tsy izy aza — samy efa maty ny reniben'i Messi anankiroa.

Tsy nivoaka taty ivelany io “renibe” io fa nihoby teo am-baravarankely. Nihira ireo mpankafy hoe “Reniben'i Messi izy“:

Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho “abuela” hafa, tao an-tanànan'i San Juan, ao amin'ny faritr'i Cuyo tamin'ity indray mitoraka ity .

Manana ny #Abuelalalalala ihany koa izahay aty San Juan

Nanokatra kaonty Twitter ho azy ny zanak'anabavin'i María Cristina andro vitsy lasa izay, izay efa manana mpanaraka efa ho telo alina. Mampiasa izany izy mba hanasongadinana ireo raibe sy renibe hafa koa.

“Misaotra anareo tamin'ny hafatra mahafinaritra toy izany, tsy nanome ahy fahafahana hanana zafikely ny fiainana. Naharay hafatra feno fitiavana aho androany maraina izay nilaza fa reniben'ny Arzantina maro aho. Tena tohina aho,” hoy izy nanoratra. Maniry koa izy mba hanana fitiavana be dia be toy ny voarainy ireo raibe sy renibe rehetra eto Arzantina. Nisioka izy fa tiany mba ho isan'ny misongadina ireo dadabe sy nenibe hafa, ary nangataka azy ireo handefa ny sariny.

Ho an'i Luciana Peker, mpanoratra feminista Arzantina, “momba ny fankatoavana, ny fampiatiana ary ny fanomezam-boninahitra ireo vehivavy zokiolona izay sarobidy sy sahy indray” izany

“Nomem-boninahitra i Bebe, satria tsy mila mpanjakavavy izahay, ary notondrahan'izy ireo ranon-tsavony izy satria karnavaly ho antsika ny baolina kitra”, hoy hatrany izy.

Ho azy, ilay ody tsara vintana, ilay kintan’ity Amboara Erantany ity…

Tompondaka isika, Abuelalalalalaa!!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.