Aostralia, mitady izay fomba hatao hiadiana amin'ny fiparitahan'ny famotsiana ny fandefasana entona karbôna manafàna ny tany

Greenwashing detected

Ny “Greenwash Guerillas” tao amin'ny “Business Design Centre“, Londona 2008 – Sary tao amin'ny- Flickr nomen'i fotdmike tam-pitiavana (CC BY-NC-ND 2.0)

‘Greenwashing’, tenin'ny taona 2021 ho an'ny tontolon'ny fandraharahàna ara-bola Soisa, no azo antoka fa nibahana tamin'ireo lohateny goavana momba ny olan'ny toetrandro tamin'ny 2022. Nahasarika adihevitra be izy io tany Aostralia, nialoha, nandritra ary taorian'ilay fihaonambe momba ny toetrandro COP27 nataon'ny Firenena Mikambana tamin'ny Novambra 2022, ary mbola hitohy ho tahàka izany ato anatin'ny taona maromaro raha jerena ny fifikirana tsy azo hozongozonina asehon'ireo Aostraliàna mpifidy mahakasika ireo olan'ny tontolo iainana nandritra ireo fifidianana tamin'ny 2022. Noraisin'ny governemanta aostraliàna vaovao ny momba azy io ary nanaovany dingana nandraisana fepetra mba hifehezana ny fanadiovambola  ‘maitso’ mandeha gaona fotsiny, sy hanerena ireo orinasa handray ny andraikiny.

Ny teny hoe ‘greenwashing‘ (fikisahana avy amin'ny teny hoe ‘whitewashing’) dia milaza ny tetikady ara-barotra ataon'ny orinasa izay mifantoka amin'ny fisehoana ho manaja ny tontolo iainana mba hahafahany mivarotra vokatra na mampahafantatra marika iray. Ny fitarainana mahazatra momba ny fanadiovambola maitso dia hoe marobe ireo marika no mandany fotoana betsaka, angovo ary loharanon-karena mba hisehoana ho maitso kokoa, fa tsy tena miatrika amin'ny fomba tena misy lanjany ireo olan'ny fandefasana entona na fako.

Tamin'ny Oktôbra 2022, ilay vondrona mpandini-draharaha “Australia Institute” dia namoaka ny tatitra momba ny “greenwshing” novokariny, notohanan'ny fanjakana, nanakiana ny governemanta aostraliàna, tamin'ny famaritana tontolo iray anohizan'ny fanjakana hatrany sy handrisihany ireo fanentanana fanadiovambola maitso: ilay famakafakàna miiba dia miantefa ihany koa amin'ny governemanta teo aloha sy ny Governemanta vaovaon'ny Mpiasa voafidy tamin'ny May 2022. Kianin'ilay tatitra manokana ny fampiasàna ny fanonerana mahakasika ny fandefasana entona karbôna.

Ny indostrian'ny solika azo avy amin-javatra lo sy ireo tena mandefa ny entona no namaritra ny fandaharanasa pôlitikan'i Aostralia raha resaka toetrandro. Ny vokatra dia fenitra pôlitika iray feno, izay tsy hoe fotsiny anekena ireo fanambaràna mamitaka ataon'ny indostria, fa tena ny Governemanta Federaly mihitsy no mavitrika amin'ny fanohanana azy.

Ny “Australian Securities and Investments Commission (ASIC)” – kaomity aostraliàna miantoka ny fiarovana ny fampiasambola – dia mametraka ny fanadiovambola maitso ho laharam-pahamehana iray hirosoana mankany aloha, ohatra ny famaizana “ireo fitondrantena mamitaka momba ny fampiasambola maharitra, tafiditra amin'izany ny fanadiovambola maitso”.  Misy torohevitra arosony mba hisorohana ny fanadiovambola maitso:

Ny fanadiovambola maitso dia manolana ny vaovao tena mifanaraka amin'izay mety ho ilain'ny mpampiasa vola amin'izao fotoana izao, na amin'ny hoavy, mba handrafetana fanapahankevitra voahevitra tsara momba ny fampiasambola. Mety hanimba ny fahatokisan'ireo mpampiasa vola eo amin'ny sehatry ny tsena mifamatotra amin'ny vokatra lovainjafy izany, ary mametraka loza mitatao eo ambonin'ny rafitra iray ara-bola mahomby sy tsy mitanila.

Nefa ny fandiovambola ataon'ireo vondron'orinasa dia mitatra lavitra ivelan'ireo orinasa mpamokatra angovo. Ny sampandraharaha aostraliàna mpanaramaso ny fanjifàna, ny “Australian Competition and Consumer Commission (ACCC)”, dia mikendry saham-pandraharahàna midadasika kokoa, tamin'ny fanamarihana tao anaty fanambaràna iray hoe: “Raha kely indrindra dia miisa 200 ireo tranonkala-na orinasa nofakafakaina tao anatin'ilay fandinihana ireo filazàna ho mamitaka amin'ny resaka ara-tontolo iainana anatina sehatra vitsivitsy no natao lasibatra, ka isan'izany ny angovo, ny fiara, ny vokatra sy kojakoja fampiasa an-tokantrano, ireo famonosana entana, ny fitafiana sy kiraro.” Ny filoha lefitry ny ACCC, Delia Rickard, nanampy hoe :

Raha ireo mpanjifa miha-mifantoka bebe kokoa amin'ny fividianana vokatra maharitra, ny atahorana bebe kokoa dia ny hanaovan'ireo orinasa sasantsasany fanentanana diso amin'ny fampiroboroboany ny fanondroana ho maitso na manaja ny tontolo iainana. Ireo filazàna mamitaka momba ireo vokatra na ny tolotra dia manimba ny fahatokisan'ny mpanjifa sy ny fahatokisana eo amin'ny tsena.

 Ho ampahany amin'ny tetikadiny fampiasambola mandray andraikitra, ny Cbus (tahirimbola ho an'ny fisotroan-dronono), iray amin'ireo mpampiasa vola lehibe indrindra ao amin'ny firenena dia mikendry ny fanadiovambola ataon'ireo orinasa.

Na ny indostrian'ny lamaody aza dia niatrika fanakianana. Araka ny fanadihadian'ny “Australian Broadcasting Corporation (ABC)”, raha iavonan'ny mpanfija ireo lamaody tsy maharitra, ny sasany amin'ireo marika fitafiana kosa mifantoka amin'ny ara-barotra mampiasa ny fomba fiteny hoe ‘lovainjafy’, nefa tsy ampy tohankevitra ho entina manohana azy ireny:

Raha manomboka tonga saina amin'ny sanda ara-tontolo iainana namokarana ny lamaody ireo mpanjifa, ireo marika kosa mahita fomba vaovao hivarotana ny fitaovana vokarin-dry zareo ho toy ny hoe lovainjafy.

Mety manararaotra ny hafainganam-pitombon'ny volobe (bambou) ry zareo na ny zara fa fisian'ny dindo karbôna ao anatin'ny landihazo biôlôjika, na milaza ireo tombony entin'ny ‘polyester’ naverina nahodina…

Saingy ny vokatra farany dia tsy araka izay nandrandraina tamin'ny namokarana azy.

Mitanisa tatitra avy amin'ny Changing Markets Foundation, fikambanana iray tsy miankina ary mitady tombony ao Hôlandy, ilay tatitra, izay milaza fa rafitra tsy mamokatra ny fanomezana sertifikà sy ireo hetsika santatra an-tsitrapo:

…arakaraky ny fiharatsian'ny fiantraikan'ny lamaody amin'ny tontolo iainana, vao mainka nihamaro ireny fandaharanasa ireny ary lasa ampahany amin'ny olana tamin'ny fanomezana sarintsarina faharetana ao anatin'ilay sehatra nefa tsy mahavita akory mitondra porofo momba izay fiovàna nentiny.

Mampiasa an-kalalahana ihany koa ny maha-mpikambana azy ireo amin'ny hetsika tahaka izany ireo marika ireo mba hanadiovany vola sy hialàna mihitsy aza amin'ny fitsongolohana ataon'ny governemanta.

Ny ProjectCECE, izay milaza ho ‘nanao asa mafy mba hanananao vokatra lovainjafy araka izay tratrany’, dia tsy ela akory izay, manana torolàlana fampiroboroboana ny sasantsasany amin'ireny rafitra fakàna sertifikà ireny:

Rafitra iray tsy miankina no manome ny sertifikà ho an'ny lamaody lovainjafy mba hanamafisana fa ny marika iray dia mahavaly ireo fenitra manokana mifanaraka amin'ny teboka iray ara-tontolo iainana sy ny etika.

Kanefa, ny tatitry ny Changing Markets dia nasiaka tao anatin'ny tombana nataony tamin'ireo fomba fanao amin'izao fotoana izao:

Ny ankamaroan'ireo hetsika santatra nofakafakaina tao anatin'ity tatitra ity dia tsy nahavita nitazona tamin'ny fomba azo tsapain-tànana ireo haavo ambonin'ny hetahetany sy tsy nanome, araka izany, afa-tsy rindrin-tsetroka iray ho an'ireo orinasa manome endrika ivelany toy ny hoe mandray fepetra mankamin'ny fanaovana zavatra lovainjafy. Mba hampitomboana miandàlana ireo tanjon-dry zareo, tsy mametraka izay zavatra tsy maintsy ataon'ireo mpikambana ao aminy sy ny fepotoana hentitra hanatanterahan izany ny ankamaroan'izy ireny, fa ilaozany manolotra fehezana isankarazany miaraka amina fitakiana samihafa, ahafahan'ireo orinasa manana fikasàna manjavozavo mitohy manatevina ao foana.

Nanjohy ilay adihevitra ireo mpampiasa ao amin'ny Mastodon, tamin'ny alàlan'ny tenifototra #greenwashing. Ity lahatsoratra voa haingana ity dia mifandrohy amina ampahan-dahatsoratra iray an'ny  Society of Environmental Journalists (SEJ) – Fikambanan'ireo Mpanao Gazety ara-Tontolo Iainana – momba ny fandisoana vaovao mahakasika ny toetrandro, indrindra fa ireo fanentanana ifandraisana amin'ny daholobe natao ho an'ny indostrian'ny angovo azo avy amin-javatra mety lo’:

Tamin'ny Novambra, i Andrew Warshaw avy amin'ny Inside Football  dia nizara ireo ahiahiny hoe manao fanadiovana maitso amin'ny alàlan'ny fiadiana ny Amboara Erantany i Qatar sy ny FIFA:

Notsipahan'ireo manampahaizana fantadaza momba ny toetrandro ny filazàn'ny FIFA fa tsy hahitàna entona karbôna amin'ny lalao fiadiana ny Amboara Erantany ao Qatar. Nambaran'ireo manampahaizana aza hoe mampididoza sy mamitaka izany, raha ireo mpikatroka mpiaro tontolo iainana kosa nametraka fitoriana teny anivon'ireo mpandrindra ny dokambarotra tany amin'ireo firenena eorôpeàna marobe momba ilay lazaina fa “fanadiovana maitso”

Saingy tsy hoe dia mainty daholo akory ny rehetra, satria toy ny maka fihodinana mankany amin'ny miabo kokoa ny zavatra rehetra. Nitatitra ny  The Guardian hoe nisy fiovam-penitra nahery vaika natao'ny Antokon'ny Mpiasa Aostraliàna, izay nandray fitondrana tamin'ny May 2022, taorian'ny sivy taona nitondran'ny antoko mpifikitra amion'ny nentindrazana:

Voatery ireo banky sy ireo fandraharahàna goavana manambara amin'ny daholobe izay zavatra ataon-dry zareo hampihenàna ny famoahana entona, mifanaraka amin'ny drafitra natolotry ny governemanta albaney.

Mitady fomba ihany koa ireo governemanta mba hanasaziana ny “fanadiovambola maitso” – na rehefa andraman'ireo orinasa ny manjono ny mpanjifa amin'ny fampitomboana habobo momba ny fomba fanaon-dry zareo manoloana ny tontolo iainana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.