- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

TikToker malaza Nekoglai, mitantara ny fampijaliana nataon'ny polisy Rosiana azy

Sokajy: Moldavia, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fifindràmonina, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet

 

Pikantsary avy amin'ny kaonty TikTok [1] an'i Nekoglai. Hoy ny dika an-tsoratra hoe “Raha manokatra ny vavanao ianao dia ho tonga any Moldavia.”

Mitantara ao amin'ny kaontiny TikTok ny tantarany manokana tamin’ny nanafihana azy tany Rosia sy ny nandaozany an'i Rosia ho any Moldavia mba ho fiarovana azy ilay bilaogera Moldaviana Nekoglai, izay malaza be an-jotra any Rosia.

Niseho tamin’ny lahatsary maro tao amin’ny fantsony ilay TikToker malaza Nekoglai [1] hatramin'ny nandroahana azy tao Moskoa tamin'ny 24 Novambra. Araka ny notaterin’ny [2] [mg] Global Voices teo aloha, notanana sy noroahina izy noho ny fanaovana lahatsary sangisangy nahitana miaramila Rosiana nanipy grenady. Ilay horonantsary [3] izao no be mpijery indrindra ao amin'ny fantsony, nahazo mpijery mihoatra ny 20 tapitrisa. Nahazo mpijery avo folo heny noho ny teo aloha ihany koa ny horonantsary hafa ao amin'ny kaontiny. Nahitana ilay bilaogera niverina tany Moldavia ireo lahatsariny vao haingana rehetra, ary mitantara ny sasany amin'ireo zavatra niainany tao amin'ny tobin'ny polisy tao Moskoa ihany koa izy.

Mampiseho an'i Nekoglai miaraka amin'ny sainam-pirenen’i Moldavia [4] any aoriana ny iray amin'ireo horonantsary. Amin'ny teny rosiana, romaniana ary okrainiana ny fanehoan-kevitra eo ambanin'ny ranty izay milaza hoe “tena mahafinaritra fa tafaverina (ao amin'ny TikTok) ianao,” “ tsy hisy hikasika anao eto (any Moldavia)!” sy ny hoe “Slava Ukraini – Voninahitra ho an'i Okraina,” ankoatra ireo hafa.

Pikantsary avy amin'ny  kaonty TikTok [1] an'i Nekoglai

Mampiseho ilay bilaogera “tafihin'ny” lehilahy mitovy amin'ny polisy Rosiana ny lahatsary farany, navoaka tamin'ny 30 Novambra, ary misy dika an-tsoratra amin'ny teny rosiana milaza hoe “Ho alefanay any Moldavia koa ianao raha vao miloa-bava fotsiny.”

Pikantsary avy amin'ny kaonty TikTok [1] an'i Nekoglai

Manana mpanao famandrihana miisa 615.000 ihany koa i Nekoglai ao amin’ny fantsony hafatra Telegram [5], izay loharanom-baovao malaza any Rosia, Moldavia ary Okraina, ary mpanao famandrihana miisa 573 000 ao amin'ny YouTube [6]. Nanambara lahatsary iray halefa amin'ny 4 Desambra ny fantsony YouTube, izay “hampiharihary tanteraka ny fomba fiasan'ny polisy ao amin'ny Federasiona Rosiana: fandikan-dalàna, fampijaliana, fanalam-baraka.” Nalefa mivantana tao amin’ny Twitch [7] ihany koa, izay ahitana 2,4 tapitrisa ny manjohy an’i Nekoglai.

Tao amin'ny lahatsary, nilaza i Nekoglai fa nampijaliana tao amin'ny tobin'ny polisy ao Moskoa ao amin'ny distrikan'i Presnenskii izy.

“The whole floor of the room in the police station was covered with my blood, my vomit, I was vomiting from stress, from shock, from a blow to the kidneys, to the stomach, my whole head was in blood from blows to the back of the head.”

“Feno ny ràko ny gorodona manontolo tao amin’ny paositry ny polisy, ny loako, nandoa aho noho ny adin-tsaina, noho ny fahatairana, nanomboka tamin’ny daroka teo amin’ny faritry ny voa, hatrany amin’ny vavony, nihosin-dra ny lohako iray manontolo noho ny daroka tany aorian’ny lohako.”

Nanampy ilay bilaogera fa tsy vitan'ny hoe nidaroka azy mafy ny polisy, fa niezaka nanolana azy tamin'ny tavoahangy ihany koa. 

Daroka, fampijaliana ary fandrahonana fanolanana (indraindray tena fanolanana ihany koa) no efa fanaon'ny polisy Rosiana hatry ny ela — ampiharan'izy ireo faobe ireo amin'ireo voampanga ho nanao fihetsiketsehana izany. Iray amin'ireo ohatra farany, ankoatra ny fijoroana vavolombelona nataon'i Nekoglai, dia ilay tovovavy notanana noho ny fitarihana fihetsiketsehana. Notaterin'ny OVD Info, [8] taorian'ny nitazonana azy, nandrahona azy sy ny namany tamin'ny daroka sy ny fanolanan’ny olona maro ny polisy; tsy nomen’izy ireo rano na sakafo izy ireo ary nasainy nisotro rano tao amin'ny trano fivoahana. Notazonina ireo tovovavy noho ny soratra hoe “Fandriam-pahalemana” izay notazonin’izy ireo. Tamin’ny fiandohan’ity volana ity, nodarohan’ny polisy sy nodorana tamin'ny herinaratra [9] ny mpikambana iray ao amin'ny fikambanana manohitra ny fasista ao Tjumen; navela nandritra ny 10 ora niaraka tamin'ny harona fiantsenana teo an-dohany izy, tsy nisy sakafo na rano.

Tamin'ny volana Septambra, nodarohana sy naolan’ny polisy Rosiana tamin'ny fonjam-by ilay poeta Artyom Kamardin [10]; nosamborina izy noho ny fitanisana tononkalo nandritra ny famakiana tononkalo manohitra ny ady sy ny fiantsoana vatandehilahy hiady. Naka horonantsary mampiseho ny fampijaliana azy ny polisy ary nampiseho izany tamin’ny sipany, izay notanana sy nampijaliana ihany koa.

Hita ao amin'ny YouTube ny tantaran'i Nekoglai:

Tamin'ny 4 Desambra, tototry ny raboto Rosiana ny fanehoan-kevitra tao amin'ny YouTube an'i Nekoglai, nandefa hafatra milaza hoe “Voninahitra ho an'i Rosia” ny ankamaroany miaraka amin'ny emoji sandry matanjaka.

Pikantsary avy amin'ny kaonty YouTube [6] an'i Nekoglai

Manan-danja any Rosia ny TikTok satria io no fampiasa faharoa malaza indrindra trohana any Rosia, ary ny TikTok light (kinovan’ilay fampiasa notsorina) no maka ny laharana faha-11, araka ny Similarweb. [11]

Tamin'ny volana martsa 2022,  nandrara [12] ireo mpisera Rosiana ny TikTok tsy handefa lahatsary vaovao ary tsy namela azy ireo hijery votoaty manerantany ao Rosia. Afaka nandefa votoaty vaovao ny bilaogera sasany, na izany aza, na dia tsy mazava aza ny fomba nisafidianan'ny sehatra ireo izay afaka mandefa izany, hoy ny naseho [13]n’ny fanadihadiana nataon'ny fikambanana miaro ny zo nomerika tsy mitady tombontsoa Tracking Exposed.

Milaza [14] ny tatitra fa mety mbola hahita votoaty manerantany sy votoatim-baovao Rosiana ao amin'ny tolotra vaovao tsara hovakian’izy ireo ny mpisera. Miteraka fanontaniana amin’ny  algoritma [13] tsy mangarahara ao amin'ny TikTok izany. Ary toa izany koa, voatsikera [12] ny fandrarana ny Rosiana tsy hiditra amin'ny votoaty manerantany noho ny fametrahana ny sehatra media sosialy ho eo am-pelatanan'ny sivana ataon'ny governemanta Rosiana. Avy amin'izany, dia mety tsy ho zavatra ratsy akory ny “fampiroboroboana ambadika”, na ny fahitana votoaty ao amin'ny TikTok izay tsy tokony ho ho hita voalohany, na izany aza.

Raha afaka miditra amin’ny votoatin'i Nekoglai [1] (any Moldavia), na ny an'ny TikTokers hafa ny mpisera Rosiana, izay mety mitsikera ny governemanta Rosiana, dia mety hisy fiantraikany amin'ny fifaharana manoloana ny fitondrana Rosiana izany.

Amin'izao fotoana izao, misy porofo fa mety nanome vola ho an’ny sasany tamin'ireo bilaogera malaza ao amin'ny VK [15] (fakana tahaka ny Facebook, ary hany tambajotra sosialy mahazo alalana ao Rosia ankehitriny, ankoatra ny YouTube sy Telegram) ny governemanta Rosiana mba hampiroboroboana ny ezaka fandrafetana ataon’ny miaramila.

Pikantsary avy amin'ny fantsona Telegram an'ny Mediazona [16], fampitam-baovao manohana ny mpanohitra

Raha niteraka hatezerana ny fanentanana ho an’ny fampahalalam-baovaon’ny mpanohitra [17] any ivelan'i Rosia, dia farafahakeliny izany mety ho nahomby tamin'ny ezaka fanentanana.

Mety te hampiasa fomba handresena lahatra olona mitovy amin’izany koa ny mpanohitra. Mampiseho ny ohatr'i Nekogiai fa mety ho malaza noho ny fialamboly ho an’ny tanora mpanjohy ny lahatsary sasany misy votoaty ara-politika na ny fanoherana.