- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maninona no tsy misy iraharahàn'i Amerika Atsimo ireo olan'ny kolikoly tamin'ny fiadiana ny Amboara Erantany?

Sokajy: Fanatanjahantena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Ny Tetezana - The Bridge, A World Cup of shame

Diego Maradona, mpilalaon'i Arzantina, nankalaza ny baolina faharoa matiny tamin'i Angletera nandritra ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany FIFA 1986. Sary ho an'ny sehatra ho an'ny daholobe [1].

Ny fiadiana ny Amboara Erantany FIFA no hetsika ara-panatanjahantena mahasarika olona mpanaraka betsaka indrindra erantany teo amin'ny tantarany [2]. Na dia firenena 32 ihany aza no voasivana hiatrika ireo lalao fihodinana farany, an-tampitrisa ireo mpankafy baolina kitra erantany no mijery azy io. Lalao mitovy no arahan'ny isambatanolona, saingy tsy  fandrakofana mitovy no ataon'ny media azy. Amin'ity tranga ity, ny fitateran'ny media avy ao Amerika Latina an'ity fiadiana ny Amboara Erantany ity dia tena samihafa amin'ireo fandrakofana ataon'ny media Tandrefana, ny antony dia noho ireo fahasamihafàn'ny kolontsaina, pôlitika ary ny tantara. 

Tamin'ity taona ity, tao Qatar no natao ny fiadiana ny Amboara Erantany ary notataovan'ireo tantara ratsin'ny kolikoly henjana nanodidina ny fanomanana azy sy ireo pôlitikam-panavakavahana nanilihana ireo LGTBQ [3] noraisin'ilay firenena mpampiantrano. [3] Io dia nahatonga ireo marobe mpankafy baolina kitra erantany hibodo ilay fifanintsanana, [4]raha maro kosa ireo media mahazatra no nanakiana ireo mpikarakara [5], ny FIFA, noho ny namelàny an'i Qatar hampiantrano ireo lalao.

Mafy be hatrizay ny rohy misy amin'ny lalao baolina kitra sy ny pôlitika. Tsy tontolo roa misaraka no iainan'ny baolina kitra sy ny pôlitika, ary tsy vao voalohany izao no nizoran'ny lalao tao anaty tontolo maha-be resaka. Ohatra, ny fiadiana ny Amboara Erantany tamin'ny 1934 natao tany Italia fony fitondran'i Mussolini, ny 1978 nampiantranoin'i Arzantina tao anatina savorovoron'ny jadona miaramila nampivarahontsana, ary ny 2018 dia tany Rosia entin'i Poutine no nandray ny hetsika. Amin'ireo tranga tsirairay, miovaova be arakaraky ny toerana ijerena azy ny fomba fandray ny pôlitika ao anatin'ny fiadiana ny Amboara Erantany.

Ireo tantara ratsin'ny kolikoly sy ny fandrakofana momba ireo pro-LGBTQ tamin'ny fiadiana ny Amboara Erantany dia tsy nipàka tany amin'ireo media mahazatra ao Amerika Atsimo, tsy nitovy tamin'ny fomba nidonan'izany tany amin'ny Ilabolantany Avaratra. Tamin'ny fanaovana famakafakàna fohy ireo votoaty nampiasàna tenifototra vitsivitsy tany anatin'ireo media mahazatra,  dia azontsika jerena hoe taiza ireo lohahevitra toy ny “kolikoly” na “LGBT” no nifantohana, na tsia.

Nisafidy media dimy aho, avy amin'ny Ilabolantany Avaratra, ary dimy avy ao Amerika Atsimo. Avy amin'ireny, noteteziko daholo ireo lahatsoratra 15 farany navoakan-dry zareo momba ny fiadiana ny Amboara Erantany talohan'ny nanombohan'ny lalao. Avy eo, nisaiko hoe impiry ny teny “LGBT” sy “kolikoly” no nipoitra tany anatin'ilay fandrakofam-baovao.  Araka ny asehon'ny tabilao etsy ambany, nandritra ny fandrakofany ny Amboara Erantany 2022, ireo media avy ao Alemaina, Etazonia ary ny Fanjakana Mitambatra (UK) dia niteny matetika ny “LGBT” sy ny “kolikoly”, ka Alemaina no nanana ny betsaka indrindra (nihoatra ny 10), raha mitaha amin'ireo media avy ao Amerika Atsimo, izay ny Kôlômbiàna sy ny Peroviàna no kely indrindra, indray mandeha monja isaky ny lohahevitra.

Media Mentions on WC Issues

Ny filazàn'ireo media momba ireo olana mifamatotra amin'ny hoe LGTB sy Kolikoly nandritra ny fiadiana ny Amboara Erantany

Avy amin'io famakafakàna io, hitantsika fa tanisain'ireo media goavana avy ao Eorôpa Andrefana sy Etazonia ireo olana mifandraika amin'ny LGBT sy ny kolikoly, matetika kokoa noho ny hita ao Amerika Atsimo, toerana izay zara raha niresahana an'izany.  Na dia tsy goavana be aza ireo santiona, dia mampiseho kosa ny fahasamihafàna amin'ny fomba nosafidian'ireo media handrakofana ilay fiadiana ny Amboara Erantany.

Mety hoe tsy hanafintohina izany raha ny momba ny toedraharaha any Amerika Atsimo noho ny tsy fahampian'ny fanentanana momba ny zon'ireo LGBT [6] ampitahaina amin'ny tontolo Tavaratra. Sady koa, mety misy hilaza fa, hatrizay, ny fifikirana amin'ny taloha asehon'ireo media ara-panatanjahantena dia mampanalavitra azy ireny amin'ny olan'ireo LGBT. Raha ny momba ireo tantara ratsin'ny kolikoly, manisika hevitra ireo mpanoratra hoe efa tena fenitra mahazatra ny fahitàna ny kolikoly any Amerika Atsimo [7]. Io dia mahatonga ireo tantara ratsin'ny kolikoly avy amin'ny FIFA ho tsy dia mahasarika loatra ny olona any Amerika Atsimo.

Na tsy ampy aza ny zoro pôlitika ijerena ny fandrakofan'ny media ao Amerika Atsimo ny fiadiana ny Amboara Erantany sy ireo tantara ratsin'ny kolikoly sy ny pôlitika manilika ny LGBT tao Qatar, ny zavatra niainan'ny amerikàna tatsimo raha resaka baolina kitra dia maka toerana pôlitika iray hafa mihitsy.  Ho antsika, vintana iny hampisehoana hoe afaka ny hivelatra ny talenta na tsy misy aza ny vola, ny fotodrafitrasa ary ny fahefana. Tena zendana isika tamin'ny zavamisy hoe zazalahy iray notezaina tany amina favela breziliàna na villa arzantina iray [8] nefa afaka milalao tsara ary manoatra noho ireo Eorôpeàna notezaina sy nofanina tao anaty tontolo iray nomena tombony kokoa. 

Misy ihany koa haavona firaisankina iarahana amin'ireo firenena hafa avy any amin'ny Ilabolantany Atsimo, satria ny tsapa dia toy ny hoe Davida miady amin'i Gôliata. Io no mahatonga ireo olona avy any Amerika Atsimo hanohana ekipa toa an'i Maraoka [9] rehefa mihaona amin'ireo goavamben'ny baolina kitra ry zareo, toa an'i Frantsa na Espaina. Mbola porofo azo tsapain-tànana sy mavesatra ny “firahalahian'ireo tsy anaty lisitra,” hitantsika tamin'izany ireo mpanohana avy ao Bangladesh nientanentana ho an'ny ekipan'i Messi [10] na dia sarahan'ny elanelantany mirefy 10.000 km aza ry zareo sy Arzantina, ary angamba koa tena mifanao atsimo ny avaratra raha resaka kolontsaina. Vitan'ny lalao baolina kitra iray mandritra ny Amboara Erantany ny manoratra tanteraka ny tantara ho an'ny tantara ara-kolontsain'ny firenena iray no sady manatratra lovan-tsofina ho an'ny tantara, toy ny fony i Maradona nandresy ny Anglisy tamin'ny 1986. 

Natao hiara-hiaina tsy misaraka ny baolina kitra sy ny pôlitika, na dia tsy dradraina mivantana amin'ny lohateny aza izany. Ny ankamaroan'ireo fandrakofana nataon'ny ao Amerika Atsimo dia tsy nifantoka tamin'ny kolikoly sy ny zon'olombelona, fa ny fifangarihana ara-pôlitikan'ny tazom-baolina dia misy fifandraisany tanteraka amin'ny fandresena nanoloana ireo hery matanjaka nomena tombony manokana.