- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Milofo miaro ny angon-drakitra ao Indonezia ny mpikatroka

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
Indonesian students [1]

Mpianatra ao amin'ny Universitas Pendidikan Indonesia. Sary [1] avy amin'i Nadiantara tao amin'ny Wikimedia Commons, (CC BY-SA 4.0)  [2] 

Avy amin'ny OPTF, mpanamboatra ny Session messaging app (fampiharana fandefasan-kafatra) [3], ity lahatsoratra [4] nasiam-panovana ity, .

Nankatoavin'ny parlemanta tamin'ny 20 septambra 2022 ny Volavolan-dalàna momba ny Fiarovana Angon-drakitr'olona Manokana Indoneziana nandrasana hatry ny ela. Na dia teo aza ny volavolan-dalàna tany am-boalohany natolotra ny parlemanta tamin'ny taona 2016, dia nisedra fahatarana ity lalàna efa niandrasana ela ity noho ny tsy fitovian-kevitra teo amin'ny governemanta, ny parlemanta ary ny fiarahamonim-pirenena mikasika ny antsipiriany manan-danja, toy ny hoe iza no ho sampan-draharaha mpanara-maso amin'ny fampiharana ny fepetra.

Aleon'ny governemanta ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Teknolojia no andrim-panjakana mpanara-maso, fikasana izay notsikerain'ny parlemanta sy ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena, izay manolotra ny fanaraha-maso mahaleo tena tsy misy fitsabahan'ny governemanta. Niteraka fiatoana teo anivon'ny lalàna ny adihevitra satria niandry ny filoha Indoneziana Joko Widodo (Jokowi) hanendry sampana mpanara-maso ireo mpandray anjara

Tandindonin-doza ny angon-drakitra

Na dia ahitana sazy henjana aza ny volavolan-dalàna miaro ny  angon-drakitra, anisan'izany ny onitra ho an'ny orinasa na ny fanagadrana mihitsy aza, dia tsy mamaha ny adihevitra momba ny fiarovana ny angon-drakitra ao Indonezia akory ny fankatoavana azy. Tamin'ny taona 2022, dia nisy ny adihevitra sy fifankalozan-kevitra mafana momba ny zo nomerika, ny fitsipika nomerika ary ny fiarovana angon-drakitra eo anivon'ny fampahalalam-baovao sy ny tontolon'ny aterineto Indoneziana, nateraky ny olana miverimberina, ao anatin'izany ny fanitsakitsahana ny angon-drakotra ataon'ny andrim-panjakana, ny fisoratana anarana tsy maintsy atao ho an'ny mpandraharaha momba ny rafitra elektronika tsy miankina (ESO), ary ny fanitsakitsahan'ny orinasa izay nahatonga ny fangalarana sy ny fivarotan'ny mpijirika ny (torohay) mombamomba ny olom-pirenena.

Niteraka ahiahy momba ny fitanan-tsiambaratelon'angon-drakitra [5] sy ny sivana ny fisoratana anarana tsy maintsy atao amin'ny ESO. Voasakana [6] ny orinasa sasany, toy ny Yahoo, PayPal, ary ny Steam rehefa tsy nisoratra anarana. Niteraka hetsi-panoherana haingana izany, satria niparitaka nanerana ny tontolon'ny aterineto ny tenirohy #BlokirKominfo rehefa nanohitra ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Teknolojia Indonezia (KOMINFO) noho ny fiterahan'ny korontana ny olona.

Tokony hiaro ny angon-drakitry ny olom-pirenena Indoneziana ary hanome ny manampahefana Indoneziana ny fahafahana manara-maso ny fiasan'ny ESO ny fitsipika ESO. Na izany aza, nipoitra ny fisalasalana momba ny fahombiazan'ny fitsipika fiarovana angon-drakitra [7] rehefa namoaka ny PeduliLindung, fampiharana fanaraha-maso COVID-19, ny governemanta, izay fampiharana tsy maintsy atao mandritra ny areti-mifindra ho an'ireo izay maniry ny handeha fiaramanidina, mampiasa fitateram-bahoaka, miditra toeram-pivarotana, na mitsidika izay toerana falehan'ny daholobe. Mamotsotra imbetsaka ny fampiharana na dia teo aza ny fanomezan-toky avy amin'ny governemanta hanatsara ny fampiharana. Mbola niahiahy momba ny fomba nanodinan'ny fampiharana ny angon-drakitra ara-pahasalamana saro-pady ireo mpikatroka nomerika, ary nanjaka indray ny tahotra ny tsy ahafahan'ny governemanta mitazona ny fiarovana ny angon-drakitry ny olom-pirenena rehefa tafaporitsaka tamin'ny aterineto ny taratasy fanamarinana ny vaksiny manokana an'ny filoha Joko Widodo.

Lasa tsy azo ihodivirana eo amin'ny fiainana andavanandro ny teknolojia nomerika, ka lasa nanosika ny governemanta Indoneziana hamorona lalàna mifehy sy miaro ny olona ao amin'ny tontolon'ny aterineto. Nanjary niteraka olana ny fitsipika an-jotra sasany, toy ny Lalàna ratsy laza momba ny Fampahalalam-baovao sy ny Varotra Elektronika, rehefa nampiharina.

Raha tokony hiaro ny vahoaka amin'ny fampijaliana an-jotra sy ny hosoka, dia nampiasaina ity fitsipika ity mba hanafihana ireo mitsikera ny fitsipika na ny politikam-panjakana. Lasa lavidavitra kokoa izany amin’ny alalan’ny fanararaotana ireo olona manakiana ny hafa amin’ny fiainana andavanandro. Voampanga ho heloka bevava ny lahatsoratr'ireo mpisera aterineto sasany noho izy ireo mirakitra fitarainana momba zavatra na olona amin'ny alalan'ny media sosialy. Lasibatr'ity fitsipika ity ihany koa ireo mpanao gazety manoratra momba ny olan'ny fanjakana. Nilaza ny Ivontoerana Fanavaozana ny Fitsarana Heloka Bevava fa tokony handinika olana dimy lehibe [8]amin'ity lalàna ity ny governemanta, satria manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra izany.

Mbola malemy ihany koa ny fiarovana angon-drakitra amin'ny fampiharana nomerika tsy miankina sy ny sehatra e-varotra izay manangona fampahalalana manokana bebe kokoa avy amin'ny mpanjifany. Rehefa tafaporitsaka ny angon-drakitra BukaLapak sy Tokopedia (samy sehatra e-varotra any Indonezia) ary voalaza fa namidy tao amin'ny tranonkala maizina (dark web), dia tsy nisy ny hetsika mivaingana nataon'ny governemanta. Nilaza ireo sehatra ireo fa hanatsara ny fiarovana izy ireo. Na izany aza, tsy nisy onitra na fanohanana azo tsapain-tanana nomena ny mpanjifany.

Tamin'ny volana Septambra 2022, nisy ny fiporitsahana angon-drakitra goavana iray hafa [9] ahitana torohain'olom-pirenena maherin'ny 105 tapitrisa nataon'ny andrim-panjakana iray. Nivarotra tamin'ny alàlan'ny tranonkala fifanakalozan-kevitra ireo mpijirika. Averina indray fa tsy misy fomba ahafahan’ny olom-pirenena mitaraina na mandray andraikitra manoloana ny zava-nitranga, ary tsy dia nisy loatra ny fepetra noraisin'ny fitondram-panjakana manoloana ny fiporitsahana.

Inona no manaraka?

Milaza ny mpikatroka fa raha ny tena tsara, rehefa misy mpiantsehatra sasany (sehatra tsy miankina, governemanta, sns.) manangona angon-drakitry ny olom-pirenena ho amin'ny tanjony manokana, dia tokony ho takiana izy ireo hanambara ny fomba itontanany ny angon-drakitra, anisan'izany ny fepetra fiarovana, sy ny zavatra hataony raha sendra misy ny fanitsakitsahana angon-drakitra. Tokony hanan-jo hitory ireo mpiantsehatra tsy miraharaha ny fiarovana angon-drakitra amin'ny alalan'ny endrika fitoriana miaraka ihany koa ny mpanjifa.

Nivondrona sy nanangona fitarainana avy amin'ireo olom-pirenena na vondrona niharan'ny fiporitsahana nieli-patrana ny fikambanana fiarahamonim-pirenena sasany ao Indonezia. Manantena ny hanamorana ny fitoriana miaraka hanoherana ny governemanta noho ny tsy fitandremana amin'ny fiarovana ny angon-drakitry ny olom-pirenena ity vondrona ity.

Na izany aza, tsy hivoaka ny rariny raha misy ny fitsipika momba ny fiarovana ny angon-drakitra miaro ny olom-pirenena tototry ny fifamoivoizan'angon-drakitra, ny fanao amin'ny e-varotra, ary ny fanangonana angon-drakitra manokana avy amin'ny andrim-panjakana (anisan'izany ny andrim-panjakan'ny governemanta). Tsy lazaina intsony ny rafitra ahafahan'ny olom-pirenena mametraka fitarainana rehefa mihevitra izy ireo fa mety hampiasaina amin'ny tsy tokony izy ny angon-drakitr'izy ireo. Manaraka izany, mila karakarain'ny mpandrindra ny fitarainana, izay manadihady ny raharaha ary manapa-kevitra amin'ny haavon'ny hadisoan'ny andrim-panjakana.

Ao anatin'ny sehatry ny zo nomerika, betsaka ny asa tokony hatao amin'izao fotoana izao indrindra fa lany ny volavolan-dalàna momba ny fiarovana angon-drakitra manokana. Nasongadin'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena fa toa tsy voakasika amin'ny andraikitra fiarovana ny angon-drakitra ny governemanta na dia manangona ny angon-drakitry ny olom-pirenena miely patrana aza.

Mbola tsy fantatra mazava ihany koa izay andrim-panjakana hikarakara ny angon-drakitra ary horaisina ho tompon'andraikitra raha misy ny fiporitsahana. Na izany aza, mbola lavitra ny lalana hanatrarana fiarovana angon-drakitra matanjaka kokoa ao Indonezia.

*Juliana Harsianti dia mpanao gazety sady mpikaroka mahaleo tena miasa eo amin'ny fihaonan'ny teknolojia nomerika sy ny fiantraikany ara-tsosialy.