- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Cyrine Alaya, mpandika teny Lingua Frantsay

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, Fankalazana, Momban ny mpandika teny, lingua

[1]Global Voices: Lazao anay ny momba anao—iza marina moa i Cyrine Alaya?

Cyrine Alaya: Tanora Toniziana mpandika teny tia ireo fiteny, ireo kolontsaina ary ny (fandratoana) dia aho. Nahavariana ahy hatrany ny tsy fantatra. Mitady zavatra iainana vaovao hatrany aho, sy fomba vaovao hankafizako manao ny zavatra tiako.

Anisan'ny nofinofiko foana ny ho lasa mpandika teny. Hitako fa asa mahafa-po hatrany io asa io izay hianarako zavatra isan'andro, hitomboako hatrany eo am-pamakivakiana ireo sakana ara-kolontsaina, ary hihazonana ny fomba fijerin'ny hafa, ny tsy fantatra, ary hanao izany amin'ny ambaratongam- piarahamonina rehetra.

Ankehitriny, tsara vintana aho hahatanteraka ny nofinofiko ary hivelona amin'ny zavatra tiako. Izany no tombontsoa lehibe indrindra!

GV: Oviana ianao no niditra tato amin'ny GV ary inona no nanosika anao hanao izany?

CA: Niditra tato amin'ny GV aho tamin'ny volana Desambra 2020. Tamin'izany fotoana izany, tao anatin’ny taona voalohany hanomana Master amin'ny Fandikan-teny aho ary nitady hirika hanatsarana bebe kokoa ny fahaizako sady manampy tanjona mahasoa. Noho izany, nandany fotoana be nijery aterineto aho, ary nandefa fangatahana tany amin'ireo fikambanana sy vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena maro, anisan'izany ny GV.

GV: Lazao anay misimisy kokoa momba ny traikefanao amin'ny maha mpandika teny anao ato amin'ny GV. Inona tamin'io andraikitra io no lafin-javatra tena nahatalanjona anao indrindra?

CA: Betsaka ny zavatra nianarako tato amin'ny GV. Misaotra ny ekipa manontolo tokoa aho noho ny ezaka lehibe nataon'izy ireo, ary indrindra ireo mpitsara dika teny izay niresahako imbetsaka tamin'ny mailaka nandritra ny roa taona lasa. Tena nankasitrahako ireo dinika rehetra ireo, satria nanampy ahy hanatsara ny fahaizako mandika teny sy manoratra. Tena zava-dehibe ireo fifanakalozan-kevitra sy fanakianana manorina ireo, ary nianatra nanaiky azy ireo aho. Izany no fanalahidin'ny fandrosoana.

GV: Amin'ny maha-mpandika teny nosafidinay ho an'ity volana ity, misy teny fampaherezana atolotrao ho an'ireo mpandray anjara ve?

CA: Mahatonga lafatra ny fanazaran-tena. Mandika teny. Mandika teny isan'andro. Tsy ho afaka hanatsara ny fahaizanao ianao raha tsy mizatra mandika teny tsy tapaka. Fanampin'izay, mamoaka lahatsoratra mifandraika amin'ny lohahevitra samihafa ny GV. Amiko manokana, nahafahako nanangona rakibolana izay tena nanampy ahy tamin'ny asako sy tamin'ny fianarako ihany koa izany.