- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voarahona ho atao tahaka ny nahazo an'i Charlie Hebdo ny ekipan'ny gazety Danas

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Serbia, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
[1]

Kopia iray an'ny gazety Serba Danas eo ambonin'ny gazety Nedeljnik mivoaka isan-kerinandro ahitana ny sombin-dahatsoratr'i Dragoljub Draža Petrović, tonian-dahatsoratr'i Danas mitondra ny lohateny hoe “Diary avy amin'ny Charlie Hebdo an'i Belgrade.” Saripikan'i Filip Stojanovski (CC BY 3.0 [2]).

Ny tantara etoana dia avy amin'ny lahatsoratry [3] ny IFEX, mifototra amin'ny fanambaràna [4] navoakan'ny Komitin'ny Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ), navoaka voalohany araka ny Lisansa Iraisampirenena Creative Commons Attribution-NonCommercial-NoDerivatives 4.0 [5].

Tokony hanao fanadihadiana lalina sy haingana tamin'ny fandrahonana nahazo ny ekipan'ny amin'ny gazety tsy miankina mpiseho isan'andro Danas ny manampahefana Serba, ka hitondra ireo nahavanon-doza eny amin'ny fitsarana, ary hiantoka ny fiarovana ny mpanao gazety, hoy ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ) tamin'ny fanambaràna [4] iray navoaka tamin'ny 9 Novambra, 2022.

Tamin'ny Alahady 6 Novambra, olona tsy fantatra iray manana adiresy mailaka mitondra ny anarana hoe “threateningaccount” [kaonty mandrahona] no nandefa hafatra mitondra ny lohahevitra hoe “Charlie Hebdo an'i Belgrade” ho an'i Dragoljub Petrović, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety Danas, mandrahona ireo mpitati-baovao, mpamoaka lahatsoratra, sy ireo mpanao famakafakana amin'ny “barazim-bala” [bala manakana] noho ny politikam-pamoahan'izy ireo, araka ny filazan'ny Danas [6], fampielezam-peo novatsian'ny Kongresin'i Etazonia Radio Free Europe/Radio Liberty [7], sy [tamin'i] Ana Bellotti Družijanić, lehiben'ny fampivoarana ankihy an'i Danas, izay nifandray tamin'ny CPJ tamin'ny mailaka.

Tamin'ny volana Janoary 2015, notafihan'ny mpitifitra mirongo fiadiana sy manao sarontava ny biraon'ny gazetiboky mpanesoeso Charlie Hebdo [8] tao Paris, ka nandratra olona 11 ary nahafaty olona 12, ka mpanao gazety [9]ny valo.

Notononin'ilay olona ny tatitra nataon'ilay gazety an'i Kosovo, Montenegro, ary ny Republika Srpska (iray amin'ireo andry roa an'i Bosnia sy Herzegovina), firenena anisan'ny Yogoslavia teo aloha, araka ireo tatitra ireo sy ny mailaka [10], izay navoakan'ny tranokalam-baovao ara-barotra Cenzolovka. Notanisain'ilay lisitra manokana ihany koa ireo mpanao gazety sy mpanao matoandahatsoratra miasa ho an'i Danas (Snežana Čongradin, Aleksej Kišjuhas, Nenad Kulačin, Teofil Pančić, Nikola Samardžić, Marko Vidojković) mpiampy mpanao gazety roa — Dragan Bursać, mpanao matoandahatsoratra monina any Bosnia sy i Daško Milinović, mpanentana iray ao amin'ny radio Serba, izay tsy mpiasan'i Danas. Nantsoin'ny mailaka ho “fahavalon'ny vahoaka Serba” sy “mpamadika” ireo mpanao gazety ireo. Tamin'ny taona 2021, nahazo fandrahonana ho faty i Bursać [11] ary lehilahy tsy fantatra roa no nampiasa tifitra dipoavatra tamin'i Milinović [12], raha nizotra hiasa izy.

Nanome baiko hanokafana ny famotorana ny biraon'ny fampanoavana ao Belgrade, nampanantena ny polisy fa hampitombo ny fisafoana manodidina ny efitrano famoaham-baovao, ary nangataka ny mpanao gazety ny polisy mba hiantso raha mahatsikaritra zavatra mampiahiahy izy ireo, hoy tatitry [6] ny Danas.

“Fivoarana mahafinaritra ny fihetsiky ny manampahefana ao Serbia namaly haingana ny fandrahonana nataon'olona tsy fantatra tamin'ny mpiasan'ny famoahan-gazety isan'andro Danas ary nampitomboan'izy ireo ny fisafoana nanodidina ny efitrano famoaham-baovao,” hoy i Attila Mong, solontenan'ny CPJ any Eoropa. “Tsy maintsy iantohan'ny fiarovana ireo mpanao gazety miasa ao, mba hanaovana fanadihadiana lalina ny raharaha, ary tsy ho afa-bela ny fandrahonana mpanao gazety.”

Nilaza i Bojan Cvejić, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny tranokalan'i Danas, tamin'ny antsafa [6] nifanaovana tamin'ilay seha-pamoahana fa afa-miasa an-dakira ireo izay mahatsapa tena ho tsy voaaro. Nolazainy ihany koa fa matetika mahazo hafatra fandrahonana ny mpanao gazety ao amin'ny gazety, saingy nalefan'ny olona zatra amin'ny asan-dry zareo io mailaka io.

Tamin'ny Aprily 2022, nahazo fandrahonana ho faty [13] maromaro tamin'ny alàlan'ny mailaka, fampiharana fandefasan-kafatra, ary fanehoan-kevitra tao amin'ny pejin'ny media sosialy avy amin'ny kaonty tsy fantatra anarana sy kaonty manana anarana ny mpiasan'ny Danas. Notondroin'ny hafatra ny teny avy amin'i Mahatma Gandhi navoakan'i Danas tao amin'ny Instagram, mivaky hoe “Fahamarinana, fa tsy Andriamanitra.” Nolazaina fa ny tsongan'i Gandhi dia faniratsirana ny Kristianina alohan'ny Paska Ortodoksa tamin'ny 24 aprily.

Nandefasan'ny CPJ fanontaniana ny sampana misahana ny gazety ao amin'ny Minisiteran'ny Atitany ao Serbia, izay manara-maso polisy, saingy tsy nahazo valiny.

Tamin'ny 11 Novambra, namoaka antsafa [14] fohy niaraka tamin'i Gérard Biard [15], tonian-dahatsoratry ny gazety frantsay maneso Charlie Hebdo i Danas, izay naneho ny fanohanan'ny ekipany ny Serba mpiara-miasa aminy ary nanamarika fa “Toy ny fanerena hamoaka vola ny fandrahonana ho faty. Tsy mitsahatra intsony ireo raha vao mikoa amin'ireo ianao, ho akarin-dry zareo hatrany ny tangy tokony haloanao. “

Nilaza [16] ny Orina Mpanasoa Slavko Ćuruvija fa, ao anatin'ny ezaka hamantarana izay namoaka ny fandrahonana, dia nangatahin-dry zareo maika ny manampahefana ao Soisa, firenena niafototry ny Proton Mail, izay nampiasaina handefasana ilay fandrahonana, hanao tolo-tanana. Voalaza fa lazaina ho voatsonga i Branko Stamenković, tamin'ny filazana fa “miala lavitra be amin'ny fandrahonana mahazatra” io fandrahonana io.

Tao amin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny 17 Novambra tao amin'ny  Nedeljnik, gazety Serba iray mivoaka isan-kerinandro, mitondra ny lohateny hoe “Diary avy amin'ny Charlie Hebdo any Belgrade,” nanoratra i Dragoljub Petrović, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Danas, fa nametraka “polisy mpanao fisafoana raiki-toerana” eo anoloan’ny efitrano famoaham-baovaon’ny Danas ny andro fahefatra taorian’ny nahazoana ny fandrahonana ny Minisiteran'ny Atitany.

Nanameloka izao fandrahonana izao ny fikambanan'ny mpanao gazety, anisan'izany ny Coalition for Media Freedom [17], Safe Journalists [18] ary ny  Association of Journalists of Serbia (UNS) [19], аry tahaka izany ihany koa ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny ny Fifandraisandavitr'i Serbia [20], ary nantsoiny ny polisy sy ny mpampanoa lalàna mba hamantatra ny mpanoratra ilay mailaka.