Ny fiantraikan'ny fanakatonana aterineto amin'ny fanetsehana vahoaka

A dark background with images of circuits and networks in light grey, to represent the internet. in the middle is a large red circle with a slash through it, a forbidden sign

Sary natolotra am-pitiavana avy amin'i Ameya Nagarajan

Tamin'ny 2011, nambaran'ny Firenena Mikambana ho zo fototra maha-olona ny fahafahana miditra aterineto, tamin'ny nilazàny fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny zo iraisampirenena ny fanakanana ny olona tsy hahazo miditra aterineto. Ilay tatitra dia navoaka indrindra tamin'ny andro izay nisehoan'ny fanakatonana tampoka tsy nisy fampilazàna ny roa ampahatelon'ireo fidirana aterineto tao Siria.  Ao anatin'ny tatitra avy aminy, ny mpampakateny manokana momba ny fampiroboroboana sy fiarovana ny zo hanana fahalalahana miteny sy maneho hevitra, Frank La Rue, dia nanipika “ny endrika tokamiavaka sy fahafaha-manova zavatra ananan'ny aterineto izay tsy hoe fotsiny ahafahan'ny olona misitraka ny zony hiteny sy haneho hevitra an-kalalahana, fa koa andiana zon'olombelona vitsivitsy sy fampiroboroboana ny fandrosoan'ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny.” 

Nabaribarin'ireo hetsipanoherana tsy mitsaha-mitombo manerana ny tany ny fifandraisana tsy afaka sarahana misy eo amin'ny aterineto sy ny fanetsehana ny fiarahamonina sivily momba ireo olana mifamatotra amin'ny resaka rariny, fitoviana, maha-tomponandraikitra ary ny zon'olombelona. Satria ny tranonkala lasa vavolombelon'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona eny an-kianja, ny fiakaran'ny fifandraisan'ny zon'olombelona sy ny aterineto dia nampitombo ny fahalianan'ireo eny amin'ny anjerimanontolo amin'ny fisehon'ireo olana mahazatra mahakasika ny zon'olombelona tany anatin'ny sehatra nomerika. Marobe ireo milaza hoe manome hery ny fiarahamonina sivily ireo teknôlôjia vaovao, amin'ny fampihenana ny sandan'ny fanetsehana sy fanamoràna, araka izany, ireo hetsipanoherana sy ireo endrika hafan'ny fanoherana anetsehana olona. 

Nampahalaza ny vondron'ny mpanohitra ny fampiasàna ireo media sôsialy mba handrindràna ny hetsik'izy ireo. Ohatra, nandritra ilay antsoina hoe Lohataona Arabo, media sôsialy isankarazany no nampiasain'ireo mpanao hetsipanoherana hanelezana ny torohay momba ny hetsik'izy ireo, hanairana ny sain'ny tao an-toerana sy ny maneran-tany momba ny zava-mitranga, ary nanapariahana ny hafatr'izy ireo. Tets ankilany, nambara fa ny media nomerika no tena fitaovana fototra tamin'ilay hetsika fanoherana, raha ireo mpanao gazety sy ireo mpikaroka kosa nilaza fa, ao anatin'ny taonjato faha-21, “handalo amin'ny fibitsihana ny revôlisiôna.”

Tena ilaina any anaty fiarahamonina demaokratika ny hetsuipanoherana mba hanamoràna ny fiovàna sôsialy sy hampahombiazana ny hetsiky ny governemanta. Ankoatra izay, ireo hetsipanoherana no miantoka ny hahafahan'ny tsirairay maneho ny hevitr'izy ireo sy ny tsy hafaliany amin'ireo lesoka ara-pitantanana. Rehefa mifàka tsara kokoa izy ireny, marobe ireo hetsipanoherana no miantehitra betsaka amin'ny aterineto mba hahazoana mpanohana vaovao. Na izany aza, ara-tantara ireo hetsi-bahoaka dia noheverina ho loza mitatao ho an'ny governemanta. Vokany, ireo fitondrana tsy refesi-mandidy dia nahita ny fanakatonana aterineto ho fitaovana iray mahery vaika hifehezana ireo tsy  miray feo aminy, amin'ny filazana ny fanaovana izany ho noho ny fiarovam-pirenena sy ny fitonian'ny vahoaka. 

Ohatra, tsy ela akory izay dia nosakan'ny governemanta iraniàna ny fidirana aterineto ary nanakana olona an-tapitrisa izy tsy hisitraka ny zony handray anjara tamin'ilay adihevitra pôlitika taorian'ny famonoana an'i Mahsa Amini nataon'ny pôlisin'ny fitondrantena. Io toedraharaha io dia nanakana ireo Iraniàna tsy ho afaka niditra aterineto sy media sôsialy, niteraka fahasarotana bebe kokoa ho an'ireo mpikatroka tamin'ny fandrindràna ny hetsik'izy ireo sy ny fampitàna vaovao ho an'ny tontolo ivelany. Vokatr'izay, voatety voahitsakitsaka ireo fahalalahana sivily satria vitan'izy ireny tsara ny nanakana ny fahafahan'ny olona tsy hifamory sy nanapaka ny fivezivezena malalaky ny vaovao, araka izany, nahafahan'ny governemanta mpanao jadona nanampina vava ireo mpanakiana sy namorona efitra fampiakoana vaovao nodisoina.

Tsy lavina ny vokatsoa entin'ireny teknôlôjia ireny ho an'ireo vondrona mpanohitra, fa ny teknôlôjia nomerika ihany koa dia lasa fitaovam-piadiana famoretana ho an'ireo fitondràna mpamoritra mba hanakanana ireo vondrona tena mety hanohitra tsy ho afaka mifandrindra sy manetsika ny fotokevitra ijoroany.  Fanampin'izay, ireo teknôlôjia vao mipongatra dia manefy ny fomba ahafahan'ireo mpikatroka mifanerasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Na dia nampiasain'ny mpanohitra aza ny tontolon'ny nomerika mba hanohanana sy handrindràna ireo hetsika fanoherana, ireo governemanta tsy demaokratika dia mampiasa ireo teknôlôjia vaovao amina fandisoana vaovao mba hanemporana ireo sehatra karajia anaty tambajotra sy ho entina mamantatra ireo mpanakorontana, amin'ny alàlana algôritma mifampidimpiditra be ampiasàna ny AI farany indrindra.  

Nianaran'ireo manampahefana ny fametrahana fomba manokana hanakiviana ireo fanentanana ara-pôlitika. Amorain'ny aterineto ihany koa ny fampiasàna ireo fitaovana marobe mba hanampiana ireo governemanta tsy refesi-mandidy amin'ny fanomezana hery ny fitondran'izy ireny. Ohatra, mety hotakian-dry zareo tsotra izao amin'ireo mpanome tolotra aterineto ny hampihisàrana ny fifamoivoizana anaty tambajotra, na tsy hamely afa-tsy ny fifandraisana aterineto amin'ny finday, amin'ny filazàna fa ho fiarovana ny vahoaka tsy ho tratry ny kabarim-pankahalàna na ny vaovao diso. Ny governemanta tahàka izany koa dia mampiasa ny famantarana feon'olona mba hijirihana ireo tambajotrana finday, hitsongoana dia ireo olom-pirenena amin'ny alàlan'ny GPS, hanarahana maso ireo imailaka sy hafatra fohy mba hitsongoana dia ireo vondrona mpanohitra, ary mampiasa rindrambaiko fitsikilovana any anatin'ny solosaina finday na telefaona finday.

Rehefa nakaton'ny governemanta ny aterineto, dia tapaka tsy afaka nandrindra ny hetsika nataony sy ny fampivelarana ny fahafaha-manaony ireo olona mihetsika manohitra ny fitondràna tsy refesi-mandidy. Nandritra izany fotoana izany, ny fanarahamaso nomerika dia manome ireo torohay tena voafaritra tsara momba ny fikasàna sy ny toerana misy ireo mpitarika ny fanoherana, nahafahana namaritra tsara izay ho lasibatry ny herisetra sy arakaraky ny olona ho asiana. Fanampin'izay, ny fanarahana maso ireo mpisehatra mpanohitra dia afaka manampy ireo fitondrana tsy refesi-mandidy hamantatra ireo tambajotrana vondrona mpanohitra sy ny fitaovana entin'izy ireny mihetsika. Vokany, ananan'ny teknôlôjia ny hery handresena lahatra ireo hetsipanoherana, amin'ny fanakanana ny olona tsy hampihatra ny zony hiteny malalaka. Vokatr'izay, mety hisalasala ireo mpanao hetsipanoherana raha hiditra na tsia amin'ireo olana mahakasika ny tombontsoam-bahoaka satria mety hatahotra fandrahonana sy valifaty avy amin'ireo manampahefana. Ary noho izany, ny fampiasàna ireny teknôlôjia ireny ataon'ny karazana fitondrana tahàka izany, dia mitondra ny vahoaka ho amin'ny tsy fampiasàna ny zony hanao hetsipanoherana sy hampiseho ny fomba fijeriny sy ny heviny tsy mitovy, lasa manakana ny fifehezana ny mety ho fanararaotam-pahefana amin'ny hoavy.

Ambonin'izany, mety tsy dia ho afaka hiditra aterineto loatra ireo vondrona voahilikilika miaina anaty fitondrana tsy refesi-mandidy. Na izany aza, rehefa tafiditra ao ry zareo, toa mety hiharan'ny fanarahamaso, filam-baniny sy voasivana. Ny tena zavadehibe koa, fepetra stratejika ny fanakatonana aterieto mba hanakanana ny fanetsehana vahoaka sy hanakanana ireo vondrona natao an-jorom-bàla tsy ho afaka handray anjara amin'ireo adihevitra mahakasika ny tombontsoam-bahoaka na hitondra antontan-taratasy momba ny fitarainany. Mandritra izany fotoana izany, ireo olompirenena izay miaina anaty fepetram-piainana manankarena kokoa ary afaka miditra tsy misy fepetra amin'ny aterineto dia mety ho ambany kokoa ny tsy fahafaham-pon'izy ireny amin'ny pôlitika na ny fahalianany amin'ny resaka fanetsehana vahoaka. Ireo vahoaka marefo indrindra indrindra no tena manana fahalianana goavana hihetsika hanohitra ny governemanta mpamoritra azy, izay manana ny fidirana aterineto faran'izay tsy voasivana. 

Tsy zavatra vaovao eny anivon'ireo fitondrana tsy refesi-mandidy ny fanapahana ny aterineto. Raha ny marina, manana fironana betsaka mankany amin'ny faneriterena ny aterineto ireo fitondrana tsy refesi-mandidy, na dia amina haavo tsy mitovy aza. Mba hamerana ny fahafahana mahazo vaovao anaty tambajotra, dia apetrak'ireo governemanta ny fepetra maneritery araka ny lalàna, izay manery ireo orinasa tsy miankina mpanome tolotra aterineto hanaisotra ireo votoaty an-tambajotra sy hanàla ireo vaovao manakiana.  Ireny fepetra ireny kosa indray miteraka rivo-piainana mankamin'ny fanivanantena satria matahotra ny fanenjehana sy ny valifaty ny olona. Lasa fitaovana iray entina mamoritra ny vahoaka sy mangeja ny mangarahara ary ny tamberin'andraikitra ny fanakànana ny fidirana amin'ny aterineto sy ny fanakiviana ireo fanetsehana ara-pôlitika, indrindra fa amin'ny sehatry ny famoriambahoaka ara-pôlitika, ny fifidianana, ary ny famoriam-bahoaka. Mampalahelo fa lasa zavatra mahazatra ny mahita governemanta manakatona aterineto. Raha mitady fomba vaovao ireo mpanao hetsipanoherana mba hanoherana ireo fitondrana tsy refesi-mandidy, ny fitomboan'ny fampiasàna fanakatonana kosa dia manohintohina ny hoavin'ireo hetsipanoherana sy ny fiarahamonina lavitry ny sivana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.