- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tati-baovao: Fandrafetana ny Hetsika “Fehikibo sy Làlana” – ilay Làlana vaovaon'ny Lasoà – an'i Shina

Sokajy: belt-and-road-observatory, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, China’s Belt and Road Initiative: Deal or steal?, Civic Media Observatory

BRI report graphic [1]

Ny Global Voces dia faly manambara ny famoahana ny fandalinanay lalina [2] mikasika ny fitarihan'ny hery malefaky ny Sinoa any amin'ireo firenena izay mandray anjara amin'ny Hetsika “Fehikibo sy Làlana” (BRI) ataony. Nanomboka tamin'ny taona 2021, ny Civic Media Observatory [3] ato aminay dia miasa amina tetikasa iray fikarohana mampandray anjara [4] mba hijerena ny famindrana teknolojia Shinoa, ny hery malefaka, ny fifandraisana sy ny fampahafantarana ho an'ny daholobe mikasika ny famatsiambola sy ny fampiroboroboana ireo fotodrafitrasa. Tamin'ny alalan'ny fiarahamiasa tamin'ireo mpikaroka sy mpanoratra eny ifotony avy amin'izao tontolo izao, dia notrandrahanay ny fomba hanohanan'ny fijery eo an-toerana na hanoherany ireo hetahetan'i Shina, ary ny fomba nandrosoan'i Shina ireo fitantarana izay manamafy ny finiavany ho lasa hery lehibe maneran-tany.

Ity fikarohana ity dia ahitana ny angon-drakitra voka-pikarohana sy famakafakana kalitao nafantoka tamin'ireo  fitantarana haino aman-jery manan-kery sy ireo loharano fototra tamin'ny fanapariaham-baovao. Ho an'ny fandalinana dia tsidiho ny angon-drakitra ho an'ny daholobe [5] an'ny tetikasa, namboarina tao anaty Airtable ary manome rohy mifandray sy sivana. Ny angon-drakitra dia manolotra teboka fidirana marobe ho an'ny mpamaky liana sy ireo mpikaroka liana amin'ny fikarohana ny fifandraisana misy amin'ireo angona. 748 no lahatsoratra mediatika nohadihadianay izay mampiseho ny fijery eo an-toerana mikasika ny hetsika “Fehikibo sy Làlana” tamin'ireo firenena 14, tamin'ny alàlan'ny famantarana sy famakafakàna ireo rafitra fitantarana sy lohahevitry ny lalao. Namoaka ihany koa izahay tantara 37 [4]mifototra amin'ity angona ity izay mandravona ilay famakafakàna.

BRI report cover [2]Fandrafetana ny hetsika “Fehikibo sy Làlana” nataon'i Shina

Ny fikarohana Civic Media Observatory [3] ato amin'ny Global Voices dia mitily sy manara-maso ireo lohahevitra fototra sy rafitra fitantaràna, izay mipoitra manodidina ny zava-mitranga, ny fironana sy ireo tranga hafa, ary manazava ny toe-javatra sy ny foto-kevitry ny haino aman-jery eo an-toerana, mampiasa fiteny zanatany sy fiteny maro.

Trohy ny PDF [2] misy ilay tatitra

Midira amin'ny angon-drakitra natao ho an'ny rehetra [5]

 

Tamin'ny taona 2013 no nambaran'ny governemanta Shinoa ireo singa voalohany amin'ny hetsika “Fehikibo sy Làlana”, tamin'ny endrika tetikasa fampiroboroboana an'ireo fotodrafitrasa iraisam-pirenena voatondro tamin'ny lalam-barotra “Làlan'ny Lasoà”. Ity fitantarana lehibe ity dia nitombo niaraka tamin'ny fampiasambola Shinoa tany anatin'ireo lalantsaram-pitaterana marolafy, ny seranantsambo sy ireo tetikasa fotodrafitrasa lehibe hafa, ka nampidirina tao amin'ny lalàm-panorenana Shinoa tamin'ny taona 2017″ ny hetsika “Fehikibo sy Làlana”. Ny famoronana ity tetikady goavana ho fampiroboroboana ny hery miasa mangina ara-toekarena, mifanandrify amin'ny fitantaràna fototra ho entina manohana io fomba fijery io dia mampibaribary ny fomban'i Shina miainga avy any ambony no midina, ataony amin'ny lafiny fandrindrana sy fitantanana.

Mazàna no namorona fitantaràna mahomby i Beijing izay mametraka an'i Shina ho ivon'ny fampandrosoana sy fitaomana mangina. Na izany aza, ny fikarohana nataonay dia nahatsikaritra fihetsehana mampiady hevitra matetika teo amin'ireo fitantaràna lehibe ampiroboroboin'i Shina sy ireo solontena ary ireo  masoivohony, ary ireo fitantaràna isan-karazany avy amin'ireo olompirenena eo an-toerana, mpikatroka, mpanao gazety ary governemanta. Tsikaritray ny tanjaky ny fitantarana eo an-toerana mba hisy fiantraikany, ary indraindray aza mba hampiato ny faniriana fampandrosoana ananan'ny Shinoa. Voamarikay ireo ezaka nataon'i Shina mba hisian'ny dindony amin'ny alalan'ireo solontena eo an-toerana, izay matetika mikendry ireo sangany, mba hanohana ny fomba fijeriny, na hanafoana ny adihevitry ny daholobe. Hitanay ihany koa ny firenena hafa manandrana manangana tantara mifanohitra izay nampahafantatra ny fijeriny manokana ny fampandrosoana, matetika amin'ny fifaninanana na fiarahana miasa sarotra amin'ilay vina Shinoa.

Ny BRI dia fitantarana iray manana fiantefàna miezinezina sy manerana izao tontolo izao, tohanana dolara an'arivony tapitrisa, ka tanjona ny handaminana izao tontolo izao hifanaraka amina vina iray voafaritra manokana. Vinavinan'ny mety ho avy izay mivoaka avy amina foibem-pitondràna iray ity fitantaràna ity – mifanao atsimo sy avaratra amin'ny fahitana ireo fiarahamonina mifandrohy sy ny fisehoany, ohatra, any anatin'ireo teknolojiam-pifandraisana misokatra. Ireo fiarahamonina mifandrohy, misy hery marobe mifamatotra sy hery miasa mangina, dia feno fitantarana avy eo an-toerana sy mihelina ary, farafahakeliny miantehitra amin'ny fifampidinihana sy adihevitra mba hananganana fomba fijery iraisana momba izao tontolo izao.

Afaka mivelona ao anatin'ny vanim-potoanan'ny rafitra fampitambaovao an-tambajotra ve ireo fitantarana fototra ? Raha voatefy ireny rafitra ireny, sahala amin'ny an'ny aterineto Shinoa, mba hiasa ho amin'ny tombontsoan'ireo andrim-panjakana matanjaka, horasina sy ho ampitain'ireo olompirenena ve ireo fitantaràna fanorenana izao tontolo izao dradrainy? Rehefa misy ny fomba fijery hafa atolotra mba hanoherana na hanangolena ireo fitantarana fototra noforonina avy ao anatiny, matetika no mbola mandresy foana ito farany. Manana tombony amin'ny fanohanan'ny haino aman-jerim-panjakana manana loharano tsara ireo fitantaràna fototra. Mamolavola ny tena fiantraika erantanin'ny fampiasambola Shinoa amin'ireo fotodrafitrasa sy ny fampiroboroboana ara-toekarena izy ireo. Ary azo antoka fa ny firosoan'i Shina dia nitondra ho amin'ny fitondràna setriny avy tamin'ireo firenena G7, izay ny taona 2022 dia nandray andraikitra hanome 600 miliara dolara hamatsiana ara-bola ireo fotodrafitrasa erantany eo ambanin'ny lazaina fa Fifanomezan-tànana ho an'ireo Fotodrafitrasa Erantany.

 a screen for influence in the wider abstraction we call the “global.”   ……Na izany aza, mety ho voafetra ny fiantraikan'ny fitantarana lehibe toy izany rehefa mandeha ny fotoana. Tamin'ny Septambra 2021, navoakan’ny governemanta Shinoa ny drafitra vaovao iray sy ny fitantarana mifanaraka amin'izany atao hoe Global development Initiative (GDI). Nanomboka teo, tsy dia niresaka firy loatra mikasika ny Hetsika Fehikibo sy Làlana (BIR) ireo tompon'andraikitra Shinoa, ary tsy azo antoka ny hoaviny amin'ny maha-lôjikam-pandaminana ny fifandraisana iraisam-pirenen'ny Shinoa azy. Angamba io fiovàna io dia setrin'ireo fiovàna teo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena, izay milaza fa tonga amin'ny fetra tsy azony ihoarana ny fahombiazan'ny fitantarana ny Fehikibo sy Làlana. Amin'ny maha-marika azy, tsy ananan'ny GDI ny fahaizamanao sy fahalehibeazan'ny BRI ; mety hifangaro amin'ny tetikasan'ny Firenana Mikambana io, na zavatra noforonina vondrona mpihevi-draharaha avy any Washington na Bruxelles. Ary angamba, fanahy iniana io tsy fitononana anarana io : tetikasa iray misy anarana toa tsy midika inona. Efijery iray ho an'ny hery miasa mangina anatin'ny fanesorana midadasika ilay antsointsika hoe “izao tontolo izao”.

Ao anatin'ny volana vitsivitsy ho avy, hiverina hitety ireo lohahevitra sy fitantarana marobe hita tao anatin'ity fikarohana ity ny Global Voices ary hitrandraka, ao anatin'ireo tantara, ny ho fandehan'izy ireny amin'ny taona 2023.

Tsidiho ny pej [3]in'ny Civic Media Observatory